Seminera
Almà 45–46: Nanangana ny fanevan’ny fahafahana i Môrônia


“Almà 45–46: Nanangana ny fanevan’ny fahafahana i Môrônia,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 45–46,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 45–46

Nanangana ny fanevan’ny fahafahana i Môrônia

Sary
I Môrônia niaraka tamin’ny fanevan’ny fahafahana

Rehefa nandre ny fifandirana teo amin’ny vahoakany noho i Amalikià i Môrônia, dia tezitra izy. Noforoniny ilay fanevan’ny fahafahana, ary nosoratany teo amin’izany ireo zava-manan-danja mba ho tsaroan’ny vahoakany mandrakariva. Ny tenin’i Môrônia dia nanentana ny olona hanamafy orina ny fanoloran-tenan’izy ireo ho an’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ireo fomba ahafahanao maneho ny fanoloran-tenanao ho an’ Andriamanitra.

Ampio hahatsiaro ny Tompo ny mpianatra. Ny fahatsiarovana ny Tompo sy ny fahatsarany dia lohahevitra tsy miovaova mandritra ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 2 Nefia 10:2; Jakoba 6:4; Môrônia 10:3). Asao ny mpianatra handray anjara amin’ireo sahanasa fianarana izay hanampy azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy hisaintsaina ny fomba nitahiany sy nanatanjahany azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hanao lisitra ireo zavatra izay manentana na mampahatsiahy azy ireo hitandrina ireo didin’ Andriamanitra ny mpianatra.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Aza hadinoina

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly azy ireo miaraka amina namana iray na anatina vondrona kely. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra anao manokana teo amin’ny fiainanao.

  • Oviana ianao no nanadino zavatra iray manan-danja? Inona no nitranga vokatr’izany?

  • Inona avy no zavatra sasantsasany izay tsy tianao hohadinoina na oviana na oviana? Nahoana?

Anio ianao dia hianatra mombana fotoana iray tsy nahatsiarovan’ny Nefita ny Tompo, na dia taorian’ny niainan’izy ireo fanafahana mahagaga tamin’ny alalany aza. Mety tsaroanao tamin’ny fandalinana ny Almà 43–44 fa nanampy ny Nefita handresy ny Lamanita tamin’ny ady ny Tompo, na dia resy be araka isa aza ny Nefita (jereo ny Almà 43:51–54).

Vakio ny Almà 45:1, hitadiavana ny fihetsika navalin’ny Nefita io fandresena mahagaga io.

  • Inona no hitanao?

Nandritra io fotoana naha-nandry fahalemana io, i Helamàna zanak’i Almà dia nanendry mpisorona sy mpampianatra teo amin’ny Fiangonana manerana ny tany, ary nitory ny tenin’ Andriamanitra niaraka tamin’ireo rahalahiny.

Vakio ny Almà 45:23–24; 46:1–5, 7–8, hitadiavana ny fomba namalian’ny olona ireo fampianarana ireo.

  • Inona no zavatra manan-danja aminao momba ny toetra sy fitondrantenan’ny Nefita ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 8 momba ny zavatra mety hiseho rehefa manadino ny Tompo isika?

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ny Almà 46:8 ny hoe rehefa manadino ny Tompo isika, dia mety ho voatarika mora foana hanao faharatsiana.

Eritrereto ny fomba nahitanao porofon’io fahamarinana io teo amin’ny fiainanao. Rehefa manohy mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatsiaro tsara kokoa ny Tompo sy haneho ny fanoloran-tenanao ho Azy.

Namorona ny fanevan’ny fahafahana i Môrônia

Tezitra tamin’i Amalikià noho ny namoronany fifandirana teo amin’ny Nefita i Môrônia.

Vakio ny Almà 46:12–14, 19–20, hitadiavana ny zavatra nataon’i Môrônia mba hanentanana ny Nefita hahatoky amin’ Andriamanitra.

Alohan’ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto, hevero ny hanao lisitra ireto zavatra avy ao amin’ny andininy 12 ireto eny amin’ny solaitrabe: Andriamanitra, fivavahana, fahafahana, fiadanana, fianakaviana (vady aman-janaka).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny hampiseho ireo teny ireo mba ho hitan’ny hafa nandritra io fotoan-tsarotra io i Môrônia?

  • Ahoana no fahitanao ny anadinoana sy tsy dia anomezan-danja ny iray amin’ireo zavatra ireo eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Tahaka an’i Môrônia, ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao dia nanasa antsika hahatsiaro sy hiaro ireo soatoavina ireo. Vakio ireto fanambarana manaraka ireto, ka mitadiava fampianarana maoderina izay mifandray amin’ireo zavatra voalaza eo amin’ny fanevan’ny fahafahana.

Zarao ny taratasy zaraina eo ambany ary omeo fotoana handalinana ireo fanambarana eo amin’izany tsirairay na miaraka amina namana iray ny mpianatra.

Na azonao atao ny manao printy tsirairay ireo fanambarana na mampiseho azy ireo eo amin’ny rindrina manerana ny efitrano. Ny fanambarana tsirairay dia azo atao printy na apetaka amina sarina saina iray mba ho toy ny fanevan’ny fahafahana no hahitana azy. Azo atao ny manome fotoana ny mpianatra handehandehanany sy hamakiany ny fanambarana tsirairay.

Fampianarana maoderina izay mifandray amin’ny fanevan’ny fahafahana

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Almà 45–46: -Manangana ny foto-kevitry ny fahafahana i Môrônia”

“Ho fahatsiarovana ny Andriamanitsika”

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Misy ny maro eto amin’izao tontolo izao izay tena kely no fantany momba an’i Jesoa Kristy, ary any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao izay efa nanambarana ny anarany nandritra ny taonjato maro, dia mihena ny finoana an’i Jesoa Kristy. …

Raha toa ka mihena ny firesahan’izao tontolo izao an’i Kristy dia ndeha isika hiresaka bebe kokoa momba Azy. Rehefa miseho ny tena maha-mpianany antsika, dia maro amin’ireo manodidina antsika no ho vonona hihaino. (Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88, 90)

“Ho fahatsiarovana ny … fivavahantsika”

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Raha mitsahatra manome lanja ny fiangonantsika isika na inona na inona antony dia tandindomin-doza ny fiainantsika ara-panahy, ary ny maro an’isa izay manasaraka ny tenany amin’ Andriamanitra dia mampihena ny fitahiany ho an’ny firenentsika.

Manampy antsika ho lasa olona tsara kokoa sy ho fitaomana tsara kokoa eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fanatrehana sy ny fahazotoana ao amin’ny fiangonana iray. Ampianarina antsika ao am-piangonana ny fomba fampiharana fitsipika ara-pivavahana. Mianatra avy amin’ny olona tsirairay isika. …

Mivavaka aho mba hiorina mafy avokoa isika ao anatin’ireo zavatra iainana any am-piangonana ireo rehefa eo am-pikatsahana fiainana mandrakizay, ny lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra avy amin’ Andriamanitra, amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena. (Dallin H. Oaks, “Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 24, 26)

“Ho fahatsiarovana ny … fahafahantsika”

Nampianatra toy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Inona no atao hoe fahalalahana ara-pivavahana?

Izany dia ny fahalalahana hitsaoka amin’ny endriny rehetra: fahalalahana hiangona, fahalalahana miteny, fahalalahana manao araka ny finoan’ny tena manokana, ary fahalalahan’ny hafa hanao toy izany koa. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia mamela ny tsirairay amintsika hanapa-kevitra ho antsika mikasika ny zavatra inoantsika, ny fomba fiainantsika sy ny fihetsitsika araka ny finoantsika, ary ny zavatra andrasan’ Andriamanitra amintsika. …

Manasa anareo aho mba ho mpivoy ny foto-kevitry ny fahalalahana ara-pivavahana. Izany dia fanehoana ny fitsipiky ny fahafahana misafidy izay avy amin’ Andriamanitra.

Ny fahalalahana ara-pivavahana dia manana hery mifandanja hanoherana ny herin’ireo haifoto-kevitr’izao tontolo izao izay mifaninana aminy. Tsy mitombo ny zavatra tsara entin’ny fivavahana sy ny zavatra voakasik’izany ary ireo fihetsika feno fitiavana amin’ny andavanandro izay entanin’ny fivavahana raha tsy rehefa arovantsika ihany ny fahalalahana haneho sy hiaina araka ireo finoantsika fototra. (Ronald A. Rasband, “Mba hanasitrana izao tontolo izao,” Liahona, mey 2022, 91, 93)

“Ho fahatsiarovana ny … fandriampahalemantsika”

Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ilay Mpanasitrana ny ratra rehetra, Izy ilay manitsy ny fahadisoana rehetra, dia mangataka antsika hiara-hiasa Aminy amin’ilay asa sarotry ny fitondrana fiadanana ao anatin’ny tontolo iray izay tsy hahita izany amin’ny fomba hafa izay misy. …

… mangataka antsika aho mba ho mpitondra fiadanana—mba hitia ny fiadanana, mba hikatsaka ny fiadanana, mba hamorona ny fiadanana, mba hankamamy ny fiadanana. Amin’ny anaran’Ilay Andrian’ny Fiadanana no hanaovako izany fangatahana izany. (Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 79)

“Ho fahatsiarovana ny … ny [fianakavian]tsika”

Nampianatra toy izao ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson izay Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha:

Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Raha io no drafitry ny Tompo dia io ihany koa no tokony ho drafitsika! …

… Andeha isika hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fijoroana amim-pahasahiana sy ho tonga mpiaro ny fanambadiana, ny maha-ray aman-dreny ary ny tokantrano. Ilain’ny Tompo isika mba ho lasa miaramila be herimpo, sy mahatoky ary tsy voahozongozona, izay hiaro ny drafiny sy hampianatra ireo fahamarinana avy Aminy amin’ireo taranaka vao misondrotra. (Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay Fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 15, 17)

Asao hizara izay zavatra nanan-danja tamin’izy ireo tamin’ireo fanambarana ireo ny mpianatra. Ifanakalozy hevitra ireo fomba azon’izy ireo ahatsiarovana sy iarovana ireo zavatra voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana ireo.

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao mahatsiaro ireo soatoavina voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana?

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao miaro azy ireo amin’ny fomba mifanaraka amin’i Kristy?

Ny fiantraikan’ny fanevan’ny fahafahana

Rehefa avy nampahatsiahivin’i Môrônia ireo fahamarinana manan-danja ireo ny Nefita, dia maro tamin’izy ireo no nanao fanekempihavanana fa tsy hahafoy an’ Andriamanitra na oviana na oviana ary hiezaka hitady fihavanana (jereo ny Almà 46:21–22, 28–31).

Vakio ny Almà 46:36–38, hitadiavana ny zavatra nataon’i Môrônia mba hanampiana ny olony hahatsiaro an’ Andriamanitra sy ireo zavatra manan-danja hafa voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana.

  • Inona amin’ireo zavatra voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana no tsapanao fa tianao hotsaroana na hijoroana feno kokoa eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no zavatra iray azonao atao mba hahatsiarovana tsara kokoa io lohahevitra io na hiarovana ny finoana momba izany?

Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo fahamarinana noresahina androany. Amporisiho ny mpianatra hanao ezaka hanaja sy hahatsiaro an’ Andriamanitra sy ireo zavatra hafa voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana.

Hamoaka printy