Seminera
Almà 43–52: Topimaso ankapobeny


“Almà 43–52: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 43–52,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 43–52

Topimaso ankapobeny

Ny ampahany farany amin’ny bokin’i Almà dia milazalaza fotoanan’ny fifandirana sy ady. Rehefa hitan’i Môrônia fa maro tamin’ny Nefita no nanomboka nanadino ny Tompo, dia lasa nanahy momba ny fiarovana ara-panahy sy ara-batan’ny vahoakany izy. Noforoniny ilay fanevan’ny fahafahana ary nosoratany teo amin’izany ireo zava-manan-danja mba ho tsaroan’ny vahoakany mandrakariva. Ny teniny dia nanentana azy ireo hanamafy orina ny fanoloran-tenan’izy ireo ho an’ Andriamanitra. Ny paikady nampiasain’izy ireo tamin’ny ady nataon’izy ireo tamin’ny Lamanita dia afaka manampy antsika hampivelatra paikady azontsika ampiasaina amin’ny ady isan’andro ataontsika amin’i Satana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 43, 48–50

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo mba handraisan’izy ireo ny fiarovan’ny Tompo amin’ireo fanafihana tsy tapaka sy mitombo ataon’ny fahavalo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Almà 43:18–21, 37–38 ka hitady ireo lesona izay afaka manampy azy ireo amin’ny ady ataon’izy ireo amin’i Satana.

  • Votoatin-javatra haseho: Ireo dingana efatra amin’ny fampiharan ny soratra masina amin’ny tenantsika

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ampisehoy ireo dingana efatra amin’ny fampiharana ny soratra masina. Ampahafantaro mialoha ny mpianatra fa hampiasa samirery ireo dingana ireo izy ireo aorian’ny fahavitan’izy ireo miaraka amin’ny iray kilasy ny ohatra iray. Izany dia mety hamporisika azy ireo tsy hamono ny fakantsarin’izy ireo sy hifantoka mandritra ny tapany voalohany amin’ny lesona mba hahatonga azy ireo ho vonona hiasa samirery amin’ny fomba mahomby kokoa.

Almà 45–46

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo fomba ahafahan’izy ireo maneho ny fanoloran-tenan’izy ireo ho an’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra ireo zavatra izay manentana na mampahatsiahy azy ireo hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.

  • Taratasy zaraina: “Fampianarana maoderina mifandray amin’ny fanevan’ny fahafahana”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiseho ny tsirairay amin’ireo fanambarana avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hahafahan’ny mpianatra manaraka eo am-pamakianao izay amin’ny feo mafy.

Almà 47–48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanohitra ny fanandraman’i Satana hanana fahefana amin’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 28:7–8, 21–22 ary hieritreritra ohatra amin’ny fomba ampiasan’i Satana ireo tetikady ireo amin’izao androntsika izao.

  • Sary: Haranjono sy zavatra atao jono

  • Kisary: I Lehôntia sy i Amalikià teo amin’ny havoanan’i Antipasy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiasa ny fiasa solaitrabe fotsy (tableau blanc) mba hampisehoana ny sarin’i Lehôntia eo an-tampon’ny tendrombohitra. Asao ny mpianatra hiaraka hanao ny sahanasa manao sary eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho handray anjara ny tsirairay amin’izy ireo.

Tombano ny fianaranao 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ny tanjona napetrak’izy ireo sy ny fitomboana niainan’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo vao haingana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Mety hanampy ny fanasana ny mpianatra hamerina hijery ny diary fandalinan’izy ireo na ireo fanamarihana nosoratany ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Sary: Fitaovana ampiasaina mba handrefesana ny fahasalamana na fitomboana ara-batana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ho an’ilay fizaràna hoe “Manazavà fahamarinana manan-danja momba ny drafitry ny famonjena na ny anjara asan’i Jesoa Kristy,” dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona ary mametraka ny vondrona tsirairay ho ao anatina efitra fanasarahana (salle de répartition) iray. Azo tendrena hifanakalo hevitra momba ny sahanasa 1 ny vondrona iray ary ny hafa dia afaka mifanakalo hevitra momba ny sahanasa 2. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra, ny mpianatra iray manolo-tena avy amin’ny vondrona tsirairay dia afaka mamintina ny valin-tenin’ny vondrona misy azy ireo amin’ny ambin’ny kilasy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra sy ny fahaizan’izy ireo manazava fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra iray takatr’izy ireo tsara, toy ny fialamboly, fanatanjahan-tena na taranja any am-pianarana. Ataovy mandinika ny zavatra nanampy azy ireo hahazo fahatakarana lalina izy ireo ary asao izy ireo hizara ny eritreritr’izy ireo.

  • Horonan-tsary:Prends les choses comme elles viennent et aime-les” (13:29; jereo anomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:50 hatramin’ny 5:44); “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema” (10:52; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 0:27)

  • Votoatin-javatra haseho: “Fifehezana ny fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Alohan’ny hanombohana ny lesona, dia hevero ny hampiasa ny fiasa solaitrabe fotsy hanoratana ny teny hoe tsy fahazoan-kevitra sy hanasana ny mpianatra hizara ny zavatra tonga ao an-tsainy rehefa mieritreritra io teny io izy ireo. Avy eo dia zarao ireo fanambarana nomena tao amin’ny lesona. Azo ampifanoloina amin’izany, hevero ny hizara zavatra niainana manokana momba ny tsy fahazoan-kevitra.

Hamoaka printy