Seminera
Almà 59–61: Misafidy ny tsy ho tafintohina


“Almà 59–61: Misafidy ny tsy ho tafintohina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 59–61,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 59–61

Misafidy ny tsy ho tafintohina

Sary
Zatovovavy roa mifamihina

Efa nisy fotoana ve tsy nahazoanao ny fihetsiky ny olona iray? Efa nisy olon-kafa nandratra anao tamin’ny fahadisoana nataon’izy ireo ve? I Pahôrana izay lohan’ny mpitsaran’ny Nefita, dia niatrika io fanamby io ary tsy maintsy nisafidy ny fomba hamaliana izany. Ity lesona ity dia afaka manentana anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa rehefa mamaly ny hadisoan’ny hafa amina fitiavana sy fahari-po ombieny ombieny ianao.

Ampio ny mpianatra hamantatra toetra mifanaraka amin’ny an’i Kristy. Ny soratra masina dia ahitana fitantarana be dia be mombana lehilahy sy vehivavy nahatoky izay nampiseho ohatra amin’ny toetra tahaka ny an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba niainan’izy ireo. Ampio ny mpianatra mba hianatra momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny famantarana ny fomba nanarahan’ny hafa ny ohatra nasehony sy nampivelaran’izy ireo ireny toetoetra ireny. Amporisiho ny mpianatra hitady fomba azon’izy ireo ambolena toetra mifanaraka amin’ny an’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra mahasarotra ny miaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy hita ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30 kanefa nahoana no tena ilana ny miaina ireo fampianarana ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Oviana ianao no nalaim-panahy hahatsapa ho tafintohina?

Hevero ny hanoratra ny teny hoe tafintohina eny amin’ny solaitrabe.

Indraindray isika dia mety halaim-panahy hahatsapa ho tafintohina. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitanisa antony maromaro nolazain’ny mpikambana taminy fa nanafintohina azy ireo:

“Nisy lehilahy iray nilaza zavatra izay nanafintohiana ahy tao amin’ny Sekoly Alahady. …”

“Tsy nisy niarahaba na nanatona ahy tato amin’ity sampana ity. Nahatsiaro ho vahiny aho. …”

“Tsy nanaiky ny torohevitra nomen’ny Eveka ahy aho. …”

Anton’ny fahatafintohinana maro hafa no voalaza—manomboka amin’ny fahasamihafana ara-potopampianarana ka hatramin’ny fanarabiana, fananihaniana ary fanilihana ataon’ny zatovo. (David A. Bednar, “Et rien ne les offensera,” Liahona, nov. 2006, 89)

  • Inona avy no antony hafa mety haka fanahy antsika hahatsapa ho tafintohina?

  • Ahoana no iantraikan’ny fahatafintohinana amintsika?

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nalaim-panahy hahatsapa ho tafintohina? Nanao ahoana ny fihetsikao nanoloana izany? Nahoana?

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra tsapanao sy nataonao tamin’ny fifandraisanao tamin’ny hafa sy tamin’ny Tompo?

Rehefa manohy mandalina ianao, dia mikatsaha fanentanam-panahy mba hahitana hevi-baovao izay mety hanampy anao amin’ireny toe-javatra ireny.

Ireo taratasin’i Môrônia

Rehefa fantatry ny Kapiteny Môrônia fa tsy ampy lehilahy sy vatsy hiarovana ny Nefita tamina miaramila Lamanita be dia be ny miaramilan’i Helamàna, dia nandefa taratasy tany amin’i Pahôrana, ilay lohan’ny mpitsara Nefita, izy. Nangataka an’i Pahôrana handefa fanampin-kery tany amin’ny miaramilan’i Helamàna i Môrônia. Tsy nisy fanampiana tonga, ary nitohy nijaly ny miaramilan’i Helamàna. Tao anatin’izany, nisy tafika Lamanita iray nambabo ny tananàn’i Nefihà, tanàna iray hafa izay nantenain’i Môrônia handraisana fanampin-kery (jereo ny Almà 59:9).

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo na mety ho nataon’izy ireo raha izy ireo no teo amin’ny toeran’i Môrônia.

Tezitra i Môrônia ary nanoratra taratasy iray hafa tany amin’i Pahôrana. Vakio ny Almà 60:5–11, 30 mba hahitana ampahany amin’ny hafatr’i Môrônia.

  • Inona no hitanao ao amin’ny taratasin’i Môrônia ka mety ho nanafintohina an’i Pahôrana?

Ny safidin’i Pahôrana

Ho solon’ny famakiana ity andiam-pehezanteny manaraka ity, dia hevero ny hangataka mpianatra iray izay mahafantatra tsara ilay tantara hizara ny antony tsy nandefasan’i Pahôrana fanampin-kery misimisy kokoa tany amin’ny miaramilan’i Môrônia.

Ny zavatra tsy fantatr’i Môrônia dia ny hoe nisy andiana Nefita ratsy fanahy niara-niasa tamin’ny Lamanita nikomy tamin’i Pahôrana ka nahatonga azy nandositra namonjy ny ainy. Nofehezin’ireo mpikomy ireo ny renivohitry ny tanànan’i Zarahemlà. I Pahôrana dia lehilahy marina izay niezaka nanambatra hery hakana an’i Zarahemlà indray (jereo ny Almà 61:1–8).

  • Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Pahôrana dia ahoana no mety ho nalaim-panahy hamaly ny taratasin’i Môrônia amin’ny fomba toy ny ahoana ianao?

  • Ahoana no mety ho nahafahan’ny fihetsika navalin’i Pahôrana niantraika tamin’ilay toe-javatra?

Ny Almà 61 dia ahitana ny valin-tenin’i Pahôrana tamin’i Môrônia. Vakio ny Almà 61:9, 17–21 mba hahitana ny fomba namaliany.

  • Inona no manaitra anao amin’ny valin-tenin’i Pahôrana?

  • Inona no toetra hitanao ao amin’i Pahôrana ka mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Bednar dia nizara fahamarinana manan-danja azontsika ianarana avy amin’io tantara io. (Mety ho azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny ampahany amin’ity fanambarana ity ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Almà 61:9.)

Ny fahatezerana dia safidy ataontsika; fa tsy toe-javatra iainana izay ampiharina amintsika na teren’ny olona na zavatra hafa iainantsika. …

… Mety mahatezitra ny zavatra iray, ny zava-mitranga iray, na ny fomba fiteny iray, kanefa afaka misafidy ny tsy ho tezitra izaho sy ianao—ary milaza miaraka amin’i Pahôrana hoe: -tsy maninona izany.- … (David A. Bednar, “Et rien ne les offensera,” Liahona, nov. 2006, 90–91)

  • Ahoana no hanazavanao ity fahamarinana manaraka ity amin’ny olona iray? Afaka misafidy ny tsy ho tafintohina amin’ny teny sy fihetsiky ny hafa isika.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny hahatakarantsika io fahamarinana io?

Ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Ny Mpamonjy no ohatra tsara indrindra amin’io fahamarinana io.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa, dia hevero ny hanasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto amina namana iray na vondrona kely:

  1. Vakio ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30 sy ny Matio 5:43–48. Inona no nianaranao avy tamin’ireo fampianarany?

  2. Mieritrereta ohatra iray momba ny Mpamonjy namaly tamin’ny fahari-po sy fitiavana ny fahadisoana sy fahalemen’ny hafa. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahalala fa mahari-po sy be fitiavana ary tsy mora tafintohina ny Mpamonjy?

Manasà vondrona maromaro hizara ny zavatra nisongadina tamin’ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra. Rehefa mizara izy ireo dia isaory ny amin’ny hevitr’izy ireo. Hevero ny hanontany ny antony maha-zava-dehibe ny zavatra nianaran’izy ireo sy ahafahan’izany manampy azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha ilaina dia azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hieritreritra ohatra amin’ny olona iray fantatr’izy ireo, izay mahari-po sy be fitiavana amin’ny hafa, tahaka ny Mpamonjy sy i Pahôrana, fa tsy mahatsapa ho tafintohina. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny olona noeritreretin’izy ireo sy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny ohatra nasehon’izy ireo.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina mangina na hanoratra ny eritreritr’izy ireo momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no hahafahan’ny ohatra nasehon’i Pahôrana sy ny Mpamonjyhanampy anao amina toe-javatra nitenenan’ny olona iray zavatra nandratra anao na ny olona akaiky iray?

Ny fanampian’ny Tompo

Mety ho sarotra ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny tsy fahatafintohinana. Ny Loholona Bednar dia nanazava ilay fanampiana azontsika ampiasaina rehefa tsy mahatsapa ho matanjaka ka afaka mandresy ny fahatsapana ho tafintohina isika.

Afaka ny hotahiana amin’ny fisorohana sy fandresena ny fahatezerana izaho sy ianao amin’ny alalan’ny hery mampatanjaky ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Ny fahafahana mandresy fahatafintohinana dia mety ho tsy vitantsika raha ny fahitana azy. … Ny toetran’ny Sorompanavotan’ny Mpanavotra sy ny tanjon’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia natao hanampiana antsika handray io karazana hery ara-panahy io raha ny tena marina. (David A. Bednar, “Et rien ne les offensera,” Liahona, nov. 2006, 90–91)

  • Inona no nianaranao tamin’ny tenin’ny Loholona Bednar?

  • Inona no mety hataon’ny olona iray hikatsahana fanampiana avy amin’ny Mpamonjy rehefa alaim-panahy hahatsapa ho tafintohina izy ireo?

Makà minitra vitsy hanoratana taratasy any amin’ny tenanao ho avy. Inona no torohevitra homenao ny tenanao momba ny fomba hamaliana rehefa miteny na manao zavatra mandratra na manafintohina ny olona iray? Ampidiro ao amin’izany ny zavatra nianaranao tamin’ny Mpamonjy sy i Pahôrana ka azonao ampiharina amin’izany toe-javatra izany. Ampidiro ihany koa ny fomba mety hikatsahanao ny fanampian’ny Tompo?

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ampahany amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Mpamonjy dia afaka manampy antsika rehefa tsy mahatsapa ho matanjaka ka afaka hamaly amin’ny fahari-po sy fitiavana isika.

Hamoaka printy