Seminera
Helamàna 13, Tapany 2: “Mibebaka mba ho voavonjy”


“Helamàna 13, Tapany 2: -Mibebaka mba ho voavonjy,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 13, Tapany 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 13, Tapany 2

“Mibebaka mba ho voavonjy”

Sary
zatovolahy mivavaka mandohalika

Araka ny eritreritrao, fanomezana avy amin’ Andriamanitra ve sa fanasaziana no ahitan’ny ankamaroan’ny olona ny fibebahana? Nahoana? I Samoela ilay Lamanita dia tena tia na dia ny Nefita ratsy fanahy aza ka nanao vy very ny ainy mba hampianarana azy ireo fa ny fibebahana dia fanomezana avy amin’i Jesoa kristy izay mitarika mankamin’ny fahasambarana sy famonjena. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handresy ny sakana rehetra amin’ny fibebahana.

Ampiasao ny tenin’ny mpaminany mba hanasongadinana fotopampianarana sy fitsipika. Ny mpaminany sy apôstôly maoderina dia mampianatra sy manazava ny fotopampianarana sy fitsipika ampianarina ao amin’ny soratra masina. Ny fampiasana tenim-paminaniana dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe iza amin’ireto teny manaraka ireto no hampiasain’izy ireo hamaritana ny fibebahana sy ny anton’izany: famaizana, fanantenana, fitahiana, fiovana, fandrosoana, fahoriana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny lalana marina

Mety hanampy ny fanombohana ny lesona amin’ny alalan’ny fijerena ireo mety ho sakana hatrehin’ny mpianatra amin’ny fibebahana. Ity manaraka ity dia maneho an’ohatra ny maha-zava-dehibe ny fibebahana.

Hevero ny hampiseho ity sarina farihy ity mandritra ny fotoana akan’ny mpianatra sary an-tsaina ity manaraka ity:

Sary
sarina farihy an-tendrombohitra

Alaovy sary an-tsaina hoe misy mpinamana miezaka mitady farihy an-tendrombohitra avo izay henon’izy ireo ny momba azy saingy tsy mbola notsidihin’izy ireo. Rehefa mandeha amin’ny tany foana izy ireo, dia mihaona amina lehilahy iray izay milaza fa efa niaina teo amin’izany faritra izany an-taonany. Mampitandrina azy ireo izy fa ny lalana izay misy azy ireo dia tsy mitondra mankany amin’ilay farihy ary mampidi-doza amin’ny toerana sasany. Manoro hevitra azy ireo hihodina ary hiverin-dalana ho amina lalana hafa izay hitondra azy ireo soamantsara any izy.

  • Inona avy no antony mety tsy hihainoan’ireo mpinamana ireo ilay lehilahy?

Tahaka ilay lehilahy ao amin’ilay tantara, indraindray ny mpaminany dia mety hampitandrina antsika amin’ny safidy izay tsy hitondra antsika amin’ny fahasambarana, fandrosoana, ary fiverenana amin’ny Ray any An-danitra. Mety hamporisika antsika hibebaka sy hanova ny fiainantsika izy ireny.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mety tsy hibebahantsika?

Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny lesona amin’ny toe-javatra misy azy ireo, dia omeo fotoana hanaovana ity manaraka ity izy ireo:

Ao amin’ny lesona teo aloha, amin’ny alalan’ny fampianaran’i Samoela ilay Lamanita ny Nefita, mety ho nianaranao ny hoe mampitandrina am-pamindram-po ny olona amin’ny vokatry ny fahotana ny Tompo ary mamela ireo izay mibebaka. Na izany aza, na dia amin’ny fotoana ahatakarantsika io fahamarinana io aza, dia tsy mibebaka mandrakariva isika. Rehefa mandalina io lesona io ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Tompo mba hahafantarana ny fomba handresena ny sakana rehetra amin’ny fibebahanao.

Ireo vokatry ny fahotana

Raha ilaina dia hevero ny hanontany hoe: “Inona no nianaranao tao amin’ny lesona momba ny ilantsika mibebaka?” Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra, ary ampiasao ity fitaovana manaraka ity fa manampy.

Vakio ny Helamàna 13:21–23, hitadiavana ny sasany amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika nolazain’i Samoela fa tokony hibebahan’ny olona. Mety hanampy ny fahalalana fa ny ozona dia “mitondra ny famaizana sy ny vokany hiantefa amin’ny zavatra na olona na vahoaka noho ny tsy fahamarinana indrindra indrindra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ozona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Ankoatra ny harena, inona avy no zavatra sasany mety ho fakam-panahy “hametrahan[tsika] ny fon[tsika]” sy “tsaroan[tsika] mandrakariva” mihoatra ny Tompo?

Hevero ny hanontany raha toa ka nieritreritra antony hafa mety tsy hihainoan’ny olona ireny fampitandremana ireny sy tsy hibebahany ny mpianatra.

Ao amin’ny andininy 24–30, i Samoela dia nampitandrina ihany koa ny olona momba ny fandavana mpaminany.

Vakio ny Helamàna 13:31–38, ary farano amin’ny teninao manokana ity fitsipika manaraka ity: Raha lavintsika foana ny fanasan’ny mpaminany hibebaka dia …

Asao hameno ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra. Fomba iray mety ho azon’izy ireo amaranana ilay fitsipika ny hoe miatrika famongorana ary hahatsapa nenina sy alahelo isika. Hevero ny hametrahana fanontaniana fanohizana izay manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo. Mety ho ao anatin’ny sasany amin’izany fanontaniana izany ireto manaraka ireto: Nahoana no mitarika mankany amin’ny nenina any amin’ny farany ny fahotana tsy ibebahantsika? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fitsipika io miantraika amin’ny faniriantsika hibebaka?

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra

Tahaka ny nijoroan’i Samoela ho vavolombelona tamin’ny Nefita hoe “tsy misy na inona na inona afaka mamonjy [antsika] … afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy” (Helamàna 13:6). Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho antsika, “raha mibebaka [isika] ary miverina amin’ny Tompo Andriamani[tsika], dia hahodi[ny] ny fahatezera[ny],” (Helamàna 13:11).

Rehefa mamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana nampianariny ka afaka manampy antsika handresy sakana amin’ny fibebahana.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona misy olona telo sy hanome ny tahadikan’ity fanambarana manaraka ity ny ankizy tsirairay. Asao ny mpianatra tsirairay hanisy tsipika eo ambanin’ny zavatra iray ao amin’ny andiam-pehezanteny voalohany izay afaka manampy ny olona iray handresy ny sakana amin’ny fibebahana, ary hanoratra eo akaikin’ilay andiam-pehezanteny ny fanazavana ny fomba heverin’izy ireo fa ahafahan’izany manampy.

Avy eo dia asaovy alefan’izy ireo any amin’ny mpianatra hafa ilay taratasy ary avereno amin’ny andiam-pehezanteny faharoa ny dingana, ary toy izany ihany amin’ny andiam-pehezanteny fahatelo.

Farany, asao hamaky ny zavatra rehetra notsipihan’ny mpianatra hafa sy nosoratan’izy ireo ny mpianatra.

Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika. …

Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy! (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67)

Asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo na ny fandalinan’ny hafa ny mpianatra. Raha ilaina dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no ahafahan’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson manampy olona iray handresy sakana amin’ny fibebahana?

  • Inona no vokatry ny fibebahana noresahin’ny Filoha Nelson irinao indrindra? Nahoana?

  • Inona no nampianarin’ny Filoha Nelson momba ny Mpamonjy ka afaka manampy ny olona iray misalasala ny hibebaka?

Fibebahana

Mety hisy sakana hafa amin’ny fibebahana izay tsy noresahin’ny Filoha Nelson, na mety hilantsika fanampiana na valiny hafa. Makà minitra vitsy handalinana ny fanomezan’ny fibebahana, ka mitady valiny amin’ireo fanontaniana mety anananao na fahamarinana izay afaka manampy anao handresy ireo sakana atrehinao amin’ny fibebahana. Ao anatin’ireo loharano mety hanampy anao ny “Fibebahana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, sy ny “Hanampy anao i Jesoa Kristy” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (bokikely, 2022).

  • Inona no zavatra nianaranao ka nanampy anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika mandritra ireo dingan’ny fibebahana?

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Raha manana fanontaniana misimisy kokoa ny mpianatra, dia asao ny kilasy hiezaka hanampy amin’ny famaliana izany amin’ny soratra masina sy fampianarana nohalalinin’izy ireo na amin’ny alalan’ny fizarana zavatra niainana mifanaraka amin’izany. Zarao ihany koa ny hevi-baovao hitanao.

Vakio ity fanasana manaraka avy amin’ny Filoha Nelson ity:

Katsaho ombam-bavaka ny mba hahatakatra izay zavatra manakantsakana ny lalana mitondra any amin’ny fibebahanareo. Fantaro izay zavatra manakana anareo tsy hibebaka. Ary miovà avy eo! Mibebaha! Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa noho ny hatramin’izay isika rehetra. (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68)

Makà fotoana hisaintsainana sy hivavahana ary hanoratana ny zavatra tsapanao fa hampanaovin’ny Ray any An-danitra anao mba hibebahana.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana omen’ny Mpamonjy ireo izay manaiky ny fanasany hibebaka.

Hamoaka printy