Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48—“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”


“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48—Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48

“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”

Sary
zatovovavy misaintsaina

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 12, dia nianatra momba fahatongavana ho tanteraka tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 12:48, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mamorona tontolom-pianarana feno fahavitrihana Rehefa manomana lesona sy mifanerasera amin’ny mpianatra ianao, dia mitadiava fomba hanasana ny mpianatra handray anjara mavitrika. Isan’ny ohatra amin’izany ny fanasana ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe, hanolotra amin’ny kilasy ny zavatra ianaran’izy ireo, na hisafidy amin’ireo fomba fandalinana isan-karazany azo isafidianana. Ny fanaovana izany dia hanampy ny mpianatra hanolo-tena amin’ny fianarana sy hanampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hanao tsianjery ny 3 Nefia 12:48 ny mpianatra alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy. Azonao atao ny manasa azy ireo hizatra hanao tsianjery ilay soratra masina amin’ny olona hafa ao amin’ny kilasy alohan’ny fotoam-pianarana, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra, na fomba hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “3 Nefia 12:17–48,” izay lesona mifandray amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 3 Nefia 12:48. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo alaovy antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Nandritra ny lesona teo aloha ianao dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity: Tian’i Jesoa Kristy ho tonga tanteraka tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra isika.

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia manana namana iray izay mino fa Andriamanitra dia tsy miandray antsika hanao zavatra ankoatra ny fanehoana hatsaram-panahy sy ny fanajana ny hafa.

  • Ahoana no hanazavanao ny 3 Nefia 12:48 amin’ny fomba izay hampitombo ny fahatakaran’ny namanao?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hanoratan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha. Rehefa vitan’izy ireo izany, dia manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo, hilalao an-tsehatra ilay fifampiresahana, na hizara ny valintenin’izy ireo amina namana iray. Rehefa mamaly ny mpianatra, dia alaovy antoka hoe takatr’izy ireo fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia miandry antsika hiezaka ny ho tonga tahaka Azy ireo, fa ny ny fahatanterahana dia tsy tanteraka raha tsy amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy ihany, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mahatonga ny fahatanterahana ho zavatra azo atao any amin’ny hoavy na dia eo aza ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika.

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 12:48 dia ny hoe “ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.” Ampiasao ity fomba fiasa manaraka ity, na fomba iray hafa izay safidìnao, mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Misafidiana fomba fiasa hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andian-teny manan-danja sy ny toko sy andininy amin’io andalan-tsoratra masina io. Ohatra ana fomba iray ahafahanao manao izany ity sahanasa manaraka ity:

Mba hanaovana ilay sahanasa dia omeo antsasaka ravin-taratasy ny mpianatra tsirairay ary amporisiho izy ireo hanoratra ireo andian-teny eny amin’ny zoron’ny taratasin’izy ireo araka izay itiavany azy. Raha vao vitan’izy ireo amin’ny taratasin’izy ireo ilay sahanasa, dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo taratasy amina mpianatra hafa ary mamerina ilay sahanasa.

Soraty eo afovoan’ny taratasy iray ny hoe “3 Nefia 12:48”. Soraty eo amin’ny zorony iray amin’ilay pejy ny teny hoe “Ho tanteraka”. Soraty amin’ny zorony iray hafa ny hoe “tahaka Ahy”. Soraty amin’ny zorony iray hafany hoe “na … tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”. Soraty eo amin’ny zorony farany ny hoe “tanteraka.” Miezaha mitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fikasihana amin’ny pensilihazo na ny fanondronao ny andian-teny tsirairay araka ny filaharany, manomboka amin’ilay toko sy andininy eo afovoany. Mety hanampy ny fitenenana mafy ireo teny rehefa mikasika izany ianao. Rehefa avy atao imbetsabetsaka izany, dia miezaha mamerina ny toko sy andininy sy ny andian-teny manontolo tsy ankijery.

Fizàrana mampihatra

Zarao ho vondrona maromaro ahitana olona telo ny kilasy. Asao hisafidy ny iray amin’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra tsirairay (jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2023], “Mahazo fahalalana ara-panahy,” andiam-pehezan-teny 5–12). Angataho hamerina hijery fohifohy ilay fitsipika ny mpianatra ary avy eo dia hanazava izany amin’ny vondrona misy azy ireo.

Ampiasao ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana anao hampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:48 sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Aza misalasala manova ny anarana na manova kely ilay rafi-tantara mba hifanaraka tsara kokoa amin’ny filan’ny mpianatrao.

I John dia zatovolahy izay mino an’ Andriamanitra. Na izany aza, dia misy lafin-javatra amin’ny filazantsara izay tsy tiany ny mieritreritra azy. Iray amin’izany ny fananaran’ny Mpamonjy mba ho tonga tanteraka. Niezaka nanova zavatra izy ary lasa tahaka an’i Kristy kokoa saingy tsy nahomby foana. Tsapany ho toy ny hoe efa tsy nahomby izy, ka noho izany dia zavatra tsy azo tanterahina ny fahatanterahana aminy.

Mba hampidirana karazan-javatra amin’ireto sahanasa fandalinana manaraka ireto, dia hevero ny handalina ny fizaràna hoe “Manao asa amim-pinoana” ao amin’ity lesona ity miaraka amin’ny iray kilasy ary ireo fizaràna hafa ao anatina vondrona kely na miaraka amina namana. Dia afaka mamaly tsirairay ny fanontaniana farany ny mpianatra avy eo.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana dia mampianatra fa rehefa misahana olana sarotra, dia azontsika atao ny “mamerina mandrafitra ilay fanontaniana (hijerena ilay fanontaniana amin’ny fomba hafa) sy mandinika ireo hevitra mifototra amin’ny fenitry ny fahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny fihevitr’izao tontolo izao” (pejy 3). Afaka manampy amin’izany dingana izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana, araka ny eritreritrao no ahitan’ny Tompo ny fahatanterahana amin’ny fomba hafa noho ny an’ny maro eo amin’izao tontolo izao?

  • Ahoana no anampian’ny fahalalantsika ny drafitry ny famonjena sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:48?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 12:48 momba ny hoe tanteraka mba hamaliana ny ahiahin’i John?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady soratra masina na teny nambarana mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy an’i John hahatakatra tsara kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:48. Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia azonao atao ny mandroso ny sasany amin’ireto soratra masina eto ambany ireto.

Misy lahateny tamina fihaonambe ihany koa ao amin’ny fizaràna hoe“Sahanasa fianarana fanampiny” izay afaka manampy.

  • Ahoana no ahafahan’ireo hevi-baovao hitanao manampy an’i John amin’ny ahiahiny?

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, hitadiavana ny zavatra azon’i John atao mba hanaovana asa amim-pinoana.

  • Iza amin’ireo fampianarana ireo no heverinao fa afaka manampy an’i John? Nahoana?

  • Inona no azon’i John entina am-bavaka ka hanampy amin’ny toe-javatra misy azy?

  • Inona no hasainao hataon’i John mba ho velon’ny finoana mandra-pandraisany fahatakarana misimisy kokoa momba ny fahafahany ho tonga tanteraka?

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly tsirairay ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ity fanontaniana manaraka ity.

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 12:48 momba ny fahatanterahana manova ny fahatsapanao manokana sy ny zavatra ataonao?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Hevero ny hanao sarina taratasy iray eny amin’ny solaitrabe sy hanoratra ny toko sy andinin-tsoratra masina 3 Nefia 12:48 eo afovoany ary ireo andian-teny eo amin’ny zorony tsirairay avy toy ilay sahanasa fitadidiana ao amin’ity lesona ity eo ambanin’ny lohateny hoe “Hazavao sy ianaro tsianjery.” Tondroy tsirairay araka ny filaharany ireo andian-teny ary asaovy miara-manonona ireo andianteny ny mpianatra. Fafao ny andian-teny iray ary avereno ilay sahanasa. Tohizo ny famafàna sy ny famerenana mandra-pahavoafafa ny andian-teny sy ny toko sy andininy rehetra.

Hamoaka printy