Seminera
Tombano ny fianaranao 9: Môrmôna 7–Etera 15


“Tombano ny fianaranao 9: Môrmôna 7–Etera 15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 9

Môrmôna 7Etera 15

Sary
Zatovolahy iray miankina amina hazo

Ny fisaintsainana sy fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsiaro sy hanombana ny fomba nanampian’ny zavatra tsapanao tamin’ny Môrmôna 7Etera 15 anao hitombo ara-panahy.

Ampio ny mpianatra hampiasa fanomban-tena mba hanatonana an’i Kristy. Ny fanombanana tsy tapaka sy tsy miovaova dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahatongavan’izy ireo ho mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hihevitra am-bavaka ny zavatra fantatr’izy ireo sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hanombana amin-kitsimpo ny fandrosoan’izy ireo ary hihevitra ireo fanovana azon’izy ireo atao rehefa miezaka miaina ny filazantsara izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny famaranana ity fanambarana manaraka ity: “Lesona iray avy ao amin’ny Môrmôna 7Etera 15 izay tiako hozaraina amina namana iray ny hoe …”

Sahanasa fianarana azo atao

Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy hisaintsaina ny ezaka ataon’izy ireo hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fandalinan’ny kilasinao ny Môrmôna 7Etera 15 dia mety ho nanamafy fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao anatin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azonao atao ny manamboatra ny sahanasa mba hahatafiditra ireo fahamarinana ireo.

Masontonony

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanomanana ny mpianatra hanazava ny sasany amin’ny zavatra nianaran’izy ireo sy hanombanana tanjona izay mety ho napetrak’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo ny Môrmôna 7Etera 15. Mety ho fotoana tsara izao hanasana ny mpianatra hizara ny valin-tenin’izy ireo avy amin’ny sahanasa fanomanana.

Mampisehoa sarina masontonony ary angataho ny mpianatra hizara ny zavatra azontsika ianarana momba ny hazo iray amin’ny alalan’ny fandinihana ireo masontonony.

Sary
Vodihazo misy masontonony

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Tena mahatalanjona ny zavatra azontsika hianarana mikasika ny fiainana amin’ny alalan’ny fandinihana ny zava-boahary. Ohatra, ny mpahay siansa dia afaka mijery ny faribolana eo amin’ny hazo ary avy eo dia manao tombana voadinika mikasika ny toetr’andro sy ny tontolon’ ny zava-maniry tamin’ny taon-jato na arivo taona maro lasa. Isan’ny zavatra hianarantsika amin’ny alalan’ny fandinihina ny fanirin’ny hazo dia ny hoe mitombo araka ny tokony ho izy ny hazo mandritra ny vaninandro hisian’ny fepetra tsara indrindra. Mandritra ny vaninandro tsy mahavory ny fepetra tsara indrindra kosa anefa dia mihamiadana ny fanirin’ny hazo ary dia atokan’izy ireo amin’ireo ampahany fototra ilaina hahavelomana sisa ny angovo ananan’izy ireo. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra,” Liahona, nôv. 2010, 19)

Tahaka ny hazo, isika dia manana vanim-potoana itomboana sy fotoana ahatsapantsika hoe miezaka ny ho velona fotsiny isika. Samy hafa ny fitomboantsika sy ny taha pitomboantsika tsirairay avy. Mieritrereta fotoana teo amin’ny fiainanao izay mety ho niainanao fitomboana ara-panahy.

  • Inona no sasantsasany tamin’ireo fepetra izay nanampy anao hitombo ara-panahy? Inona no karazana fitomboana niainanao?

  • Inona no fomba sasantsasany azontsika anombanana matetika ny fitomboantsika ara-panahy?

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanazava ny sasany amin’ny zavatra nianaranao sy hanombana tanjona izay mety ho napetrakao nandritra ny fandalinana ny Môrmôna 7Etera 15.

Hazavao ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna

Amin’ity ampahany amin’ny lesona ity ny mpianatra dia hasaina manazava ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny zavatra nohalalinin’izy ireo tao amin’ny Môrmôna 8. Raha irinao dia azonao atao ny manitatra ilay sahanasa mba hampidirana ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely, amin’ny alalan’ny fampiasana ny 3 Nefia 21.

Mety ho azonao atao ny mizara ny mpianatra ho tsiroaroa, toy ny misiônera. Fomba iray hanaovana izany ny fanoratana toerana na firenena samy hafa hanendrena ho amin’ny asa fitoriana amina taratasy lavalava kely. Soraty amina taratasy lavalava kely roa samy hafa ny fanendrena ho amin’ny asa fitoriana tsirairay. Avy eo dia zarao amin’ny iray kilasy ny taratasy. Azon’ny mpianatra atao ny mitady ny olona miaraka aminy amin’ny alalan’ny fikarohana ilay olona manana fanendrena ho amin’ny asa fitoriana mitovy aminy.

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia misiônera izay manazava ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Eo am-piomanana ny hanome olona iray ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna mba hovakiny ianao.

Omano ny zavatra holazainao amin’ny alalan’ny fampiasana andinin-tsoratra masina iray na mihoatra ao amin’ny Môrmôna 8. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna. Mitadiava hirika hanazavana ny fomba anampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika hino an’i Jesoa Kristy.

Mandehandehana eran’ny efitrano fianarana ka ampio araka izay ilaina ny mpiara-mitory. Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana andinin-tsoratra masina ny mpianatra, dia mety ho azonao atao ny mampijery azy ireo ny Môrmôna 8:14–16, 25–26, 34–35. Raha ilaina dia ampahatsiahivo izy ireo fa ny andininy 16 sy 25 dia manondro an’i Joseph Smith.

Rehefa avy mahazo fotoana ampy dia asao hilalao ilay toe-javatra miaraka amina mpiara-mitory iray hafa ny ireo mpiara-mitory. Raha misy fotoana, dia azon’ny mpiara-mitory atao ny mizatra manazava indray amina mpiara-mitory iray hafa.

Misaintsaina drafitra hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny ezaka ataon’izy ireo hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra atao ny mampitaha ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fanaovana mofo.

Raha azo atao dia mitondrà vilia baolina fampifangaroana sy ny fangaro ilaina mba hanaovana mofo. Mety ho azonao atao mihitsy aza ny mitondra mofo hozaraina amin’ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hanazava fohifohy ny dingana arahina amin’ny fanaovana mofo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

Sary
mofo
  • Inona avy no fangaro ao amina mofo iray?

  • Ankoatra ny fampitambarana ny fangaro dia inona ihany koa no ilainao atao mba hanaovana mofo?

Ny fangaro ao amin’ny mofo iray dia mety hahitana lafarinina, lalivay, sira ary rano. Mety hila fotoana ahafahan’ilay mofo miakatra ihany koa ianao ary mila mahandro izany.

Ny fanaovana mofo dia azo ampitahaina amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny vokany, ny fijoroana ho vavolombelona, na ny fahagagana katsahinao dia mitovy amin’ilay mofo dipaina vita. Ny ezaka ataonao hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy dia azo ampitahaina amin’ny fangaro, fotoana iakarana, ary ny fandrahoana ilay mofo dipaina. Tao amin’ny lesona teo aloha ianao dia nandalina tantaran’olona izay nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Etera 3:1–16; 12:6–22). Nohalalininao ihany koa ny tenin’ny mpaminany manasa anao hampihatra finoana ny Tompo sy hikatsaka fahagagana (jereo ny Môrmôna 9:15–27; Etera 12:6–9).

Azonao atao ny mampitaha akaiky kokoa ny fampiharana finoana amin’ny fanaovana mofo amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny sasany amin’ireto manaraka ireto: ny fiandrasana ny Tompo dia tahaka ny fotoana iakaran’ny mofo (jereo ny Isaia 40:31), ny fitandremana ny fanekempihavananao dia tahaka ny sira (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39), ary ny herin’ny Mpamonjy dia toy ny rano (jereo ny Jaona 4:14).

Vakio ny Môrmôna 9:19–21; Etera 3:9; 12:6–9 mba hanampy anao hahatsiaro ny zavatra nohalalininao momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ireo drafitra mety nataonao.

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny vokany, ny fijoroana ho vavolombelona, na ny fahagagana katsahin’izy ireo rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mampiseho ny fanontaniana sy manasa ny mpianatra hamaly ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no nataonao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Raha mitovy amin’ny fanaovana mofo ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, dia aiza ho aiza amin’ilay dingana arahina ianao amin’izao fotoana izao? Mbola vao manangona na manafangaro ny fangaro ve ianao? Eo am-piandrasana izany hiakatra ve anao? Eo am-pandrahoana azy ve ilay mofo? Sa efa nohaninao ve ilay mofo? Hazavao hoe nahoana.

  • Inona avy no zava-tsarotra natrehinao na mbola mila resena? Inona no nanampy na afaka manampy anao handresy izany?

  • Ahoana ny fahatsapanao ho voatahy noho ny ezaka nataonao mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra manolo-tena mba hizara ny traikefan’izy ireo tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy