Seminera
Môrônia 1–6: Topimaso ankapobeny


“Môrônia 1–6: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 1–6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 1–6

Topimaso ankapobeny

Noho i Môrônia tsy nety nandà an’i Jesoa Kristy, dia voatery nirenireny irery tany an-tany foana izy ary niafina hatrany ny Lamanita. Tamin’ny sasany tamin’ny teniny farany ho an’ny taranaka ho avy, izy dia nampianatra momba ny fahefana hanatanterahana ôrdônansin’ny fisoronana. Tamin’ny fanaovany izany izy dia nitahiry fahamarinana manan-danja momba ny fomba ampiasana ny fisoronana ary nanome torolalana ihany koa hanampiana amin’ny fanamafisana orina sy fanorenana ny Fiangonana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môrônia 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fandrisihana ny mpianatra hanaraka lalandava an’i Jesoa Kristy fa tsy handà Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra niainana mikasika ny nanarahan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo an’i Jesoa Kristy na dia nahatsiaro ho irery na nenjehina aza izy ireo.

  • Votoatin-javatra haseho: Kisarin-doko iray, na taratasy ho an’ny mpianatra miloko maitso, mavo, volomboasary ary mena; ohatra ana afisy na fanehoan-kevitra amina tamba-jotra ifaneraserana izay afaka mandrisika ny mpianatra tsy hivadika amin’i Jesoa Kristy

  • Horonan-tsary:Mahereza sy matanjaha” (16:18; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:41 hatramin’ny 6:22); “Moroni invite le monde entier à venir au Christ” (8:37; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 3:59)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fanoherana izay mety hatrehin’ny mpianatr’i Kristy ianareo, dia hevero ny hampandraisana anjara ny mpianatra rehetra. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanoratra ao amin’ny chat ny loko izay maneho indrindra ny toe-javatra tsirairay. Azonao atao ihany koa ny mamela ny mpianatra hanangona zavatra amin’ilay loko efatra ao amin’ny zana-bondrona misy azy ireo, na hampiasa ny fiasa arrière-plan mba hampisehoana maitso, mavo, volomboasary, na mena.

Môrônia 2–3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amina mpihazona fisoronana iray na olona iray izay manompo amina antso ao amin’ny Fiangonana. Azon’ny mpianatra atao ny manontany izany olona izany ny fahatsapany momba ny fandraisana ny fahefan’ny Mpamonjy hanatanterahana ny andraikiny.

  • Lesona maneho ohatra mivaingana: Tahadikan’ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana; rojo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Mba hamporisihana ny fandraisana anjara dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hampiasa ny fiasa solaitrabe fotsy mba hitanisana ny fomba nitahian’ny Fanahy Masina ny fiainan’izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny manasa mpianatra maromaro hizara zavatra niainana manokana.

Môrônia 4–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hihazona ny fanekempihavanana ataon’izy ireo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo, mba hananan’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo miaraka amin’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hanonona an-kandrina ny vavaky ny fanasan’ny Tompo araka izay vitan’izy ireo.

  • Votoatin-javatra haseho: Ilay tabilao mitondra ny lohateny hoe “Ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina zana-bondrona telo mba hifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireo fampanantenana telo ataontsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Avy eo dia azonao atao ny mametraka ny mpianatra amina zana-bondrona vaovao miaraka amin’ny mpianatra izay nandalina ny iray amin’ireo fampanantenana hafa. Asao ny mpianatra hifampianatra momba ny fampanantenana noresahin’izy ireo niaraka tamin’ny vondrona nisy azy ireo voalohany.

Môrônia 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiezaka hanompo ny hafa sy hanaraka ny Mpamonjy amin’ny maha mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny tonga efa vonona hizara ny fomba ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra mifankahery, na dia tsy manana antso ôfisialy ao amina paroasy na sampana iray aza.

  • Sary: Vondrona mpiangona ato amin’ny Fiangonana izay ahitana olona samy hafa

  • Horonan-tsary:Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika” (12:06; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 7:40 hatramin’ny 8:25); “Maso hahitana” (9:44; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:55 hatramin’ny 6:55)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Asao ny mpianatra hampiasa ny fiasa chat mba hizarana fitsipika hitan’izy ireo ao amin’ny Môrônia 6:4–9.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana mizatra mampihatra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny tanjon’izy ireo ho tonga tahaka ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amin’ny ray aman-drenin’izy ireo na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana momba ireo tanjona napetrak’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fahombiazana sy zava-tsarotra iainan’izy ireo.

  • Votoatin-javatra haseho: Tahadikan’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo

Hamoaka printy