Seminera
Môrônia 6: Mandray anjara sy manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo


“Môrônia 6: Mandray anjara sy manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 6

Mandray anjara sy manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo

Sary
zatovovavy miteny mandritry ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Amin’ny maha mpikambana vita batisa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia manana fahafahana handray anjara sy hanompo amin’ny fomba maro samy hafa isika. Ao amin’ny Môrônia 6, i Môrônia dia nanohy ny toromariny hanampiana amin’ny fanatanjahana sy fanorenana ny Fiangonana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiezaka hanompo ny hafa sy hanaraka ny Mpamonjy amin’ny maha mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao.

Miezaha mba ho ohatra amin’ny fitiavana ny hafa. Ny Mpamonjy dia naneho tsy tapaka ny firaharahany amin-kitsimpo ny olona tsirairay. Rehefa mamboly fanahin’ny fitiavana sy fanajana ho an’ny mpianatrao ianao dia ny ohatra maneho ny toetra araka an’i Kristy asehona dia afaka manainga azy ireo haneho fankasitrahana ny amin’ny fisian’izy tsirairay avy. Amporisiho ny mpianatra hifanome hery ary hijery ny tsara ao amin’ny rehetra.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny tonga efa vonona hizara ny fomba ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra mifankahery, na dia tsy manana antso ôfisialy ao amina paroasy na sampana iray aza.

Sahanasa fianarana azo atao

Mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy

Sary
Mpiangona ao amin’ny paroasy mihira mandritry ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Hevero ny hampiseho sarin’ny mpiangona ato ato amin’ny Fiangonana ary hifanakalo hevitra mombana antony samihafa isafidianan’ny olona ny ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Amin’ity sahanasa manaraka ity dia hevero ny hanao sary tsotsotra ana olona iray eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’ny mpianatra iray kilasy mamita ilay sahanasa.

Ao amin’ny diary fandalinanao na amina taratasy mitokana, manaova tsipika hizaràna ilay pejy ho antsasany antsasany. Eo amin’ny antsasany iray, manaova sary tsotsotra ana ’olona iray, maneho mpikambana iray ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Ataovy lehibe ahafahanao manoratra ao anatiny ilay sary tsotsotra. Ao anatin’ilay sary nataonao, manorata zavatra roa na telo nataonao na andrandrainao hatao mba hiomanana amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonana. Azonao atao ny manohy manampy ao amin’ny lisitra ao amin’ny sary nataonao mandritra ny lesona.

Ao amin’ny Môrônia 6, i Môrônia dia nanohy ny fampianarany momba ny fanorenana ny Fiangonana sy fanatanjahana ny mpikambana ao amin’izany. Ato amin’ity toko ity isika dia mianatra ny sasany amin’ireo anjara asantsika sy fahafahantsika manatanteraka ny asan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonany.

Vakio ny Môrônia 6:1–3, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fomba ahafahan’ny olona iray mampiseho fa vonona amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy izy. Ampidiro ao amin’ny lisitra ao anatin’ny sary nataonao ny zavatra hitanao.

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no anomanan’ireo asa sy toe-tsaina ireo ny olona iray ho amin’ny batisa?

I Môrônia dia nampianatra fa raha vao vita batisa isika, dia “[raisina] ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy” (Môrônia 6:4). Tonga mpandray anjara amin’ny rafitra iray ato amin’ny Fiangonana izay natao hanamafisana orina sy hanorenana antsika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika isika. Rehefa manohy mandalina ny Môrônia 6 ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahanao manompo sy manamafy orina ny hafa amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany vita batisa anao.

Fahafahana sy andraikitra

Manodidina ilay sary nataonao tany aloha, soraty ny sasany amin’ny filàna, fanantenana, na zavatra tadiavin’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fahafantarana ireny filàna ireny ao amin’izy ireo sy ao amin’ny hafa dia afaka manampy azy ireo hianatra avy amin’ireo fampianaran’i Môrônia manaraka. Aoka ianao hahatakatra ny zavatra tsapan’ny mpianatra ary sy hanome toky azy ireo fa izy ireo dia tsy takina hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo. Omeo fotoana ampy izy ireo hanoratana hevitra maro eo amin’ny sary nataon’izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana tsy feno manaraka ity, ka mamelà toerana hamaranan’ny mpianatra ilay fanambarana amina fomba maro.

Eo amin’ny antsasany iray hafa amin’ny taratasinao na pejin’ny diarinao, soraty ity fahamarinana tsy feno manaraka ity: Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, isika dia afaka mifanampy sy mifanamafy orina rehefa …

Halalino ny Môrônia 6:4–9, hitadiavana fomba maro ahafahanao mamarana ilay fanambarana. Soraty eo amin’ny taratasinao ny lisitry ny fanambarana samy hafa nataonao. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe mamahana dia midika hoe manohana na manome vahana ny fitomboana.

Afaka mameno ilay fanambarana amin’ny fomba maro ny mpianatra, ao anatin’izany ireto manaraka ireto:

  • mahatsiaro ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana (andininy 4).

  • mifamahana ara-panahy amin’ny teny soan’ Andriamanitra (andininy 4).

  • miambina sy mifampivavaka (andininy 4).

  • mifanampy sy miantehitra amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany (andininy 4).

  • mihaona miaraka matetika mba hifady hanina sy hiaraka hivavaka (andininy 5).

  • mifanamafy orina ara-panahy (andininy 5).

  • mandray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy (andininy 6).

  • mamela ny hafa rehefa mibebaka izy (andininy 7–8).

  • mampianatra sy mivavaka araka ny herin’ny Fanahy Masina (andininy 9).

Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andraikitra tsirairay sy hieritreritra ny fomba hanatanterahana izany. Mety ho fotoana tsara ihany koa izao hanasana ny mpianatra hizara hevitra fanampiny avy amin’ny fanomanana ny mpianatra nataon’izy ireo.

  • Iza amin’ireo asa ireo no mora kokoa aminao raha ny fahitana azy? Iza no mety ho fanamby? Nahoana?

  • Mety ho ahoana ny endrika isehoan’ireo asa ireo ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa hanatanterahana an’ireo fahamarinana ireo manampy anao amin’ny zavatra ilainao?

Fanomezana sy fandraisana

Mety hanampy ny hampiseho ity fanambarana manaraka ity mba hovakin’ny mpianatra iray mafy.

Nanao fanamarihana toy izao ny Filoha Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha:

Tsy mpandray sy mpaka fotsiny izay atolotra any am-piangonana isika, fa ilaina isika ho mpanome sy mpamatsy. Ry zatovovavy sy zatovolahy, amin’ny manaraka rehefa any amin’ny [Fiaraha-mientan’ny zatovo] ianareo, raha tokony handray ny telefaoninareo mba hijery izay ataon’ny namanareo ianareo, dia ajanony izany, jereo ny manodidina, dia manontania tena hoe: “Iza no mila ahy androany?” Mety ianao no fanalahidy ahafahana manampy mpiara-miangona iray sy mitondra fiovàna eo amin’ny fiainany na ahafahana mankahery namana iray izay mitolona mangina.

Angataho ny Rainao any An-danitra mba hampiseho ireo olona manodidina anao izay mila ny fanampianao sy hanome hevitra momba ny fomba tena tsara hanompoana azy ireo. Tsarovy fa tena matetika ny Mpamonjy no nanompo olona iray isaky ny mandeha. (Bonnie L. Oscarson, “Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika,” Liahona, nôv. 2017, 26)

  • Inona amin’ny torohevitry ny Rahavavy Oscarson no heverinao fa zava-dehibe ny hahatsiarovana azy ary nahoana?

  • Oviana no nahitanao ireo fahamarinana nampianarin’i Môrônia nisy nampihatra tamin’ny alalan’ny asa? Inona no fiovana nentin’ny fanaovana asa nifanaraka tamin’ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainan’ny hafa?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny torohevitr’i Môrônia manampy anao ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Mba hahitana ohatry ny zatovovavy iray izay nampihatra ny torohevitr’i Môrônia, dia jereo ny “Maso hahita” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:55 htramin’ny 6:55 ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Raha mandefa ilay horonan-tsary ianao, dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo fomba nampiharan’ilay zatovovavy ny torohevitr’i Môrônia sy nanarahany ny ohatry ny Mpamonjy.

Ny dingana ataoko manaraka

Omeo fotoana ampy hisaintsainana sy hiraketan’izy ireo ny eritreritra sy fahatsapany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Raha misy fotoana, dia asao ny mpianatra hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Avy eo dia alaovy sary an-tsaina ny fandehanana mankany amin’ny fivoriana na fiaraha-mientana karakarain’ny Fiangonana izay halehanao amin’ny manaraka. Inona araka ny eritretreritrao no mety hasain’ny Tompo hataonao? Hevero ny hanao fanamarihana ao amin’ny diary fandalinanao mba hanampy anao hahatsiaro ny tari-dalana noraisinao.

Azonao atao ihany koa ny mikatsaka amim-bavaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahalalana izay mila ny fifantohanao sy ny fanampianao. Asao Izy hanampy anao hahafantatra ny zavatra azonao atao mba hikarakarana mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana araka izay mety ho nataon’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy