Seminera
Môrônia 4–5: Ny fanasan’ny Tompo


“Môrônia 4–5: Ny fanasan’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 4–5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 4–5

Ny fanasan’ny Tompo

Sary
Mofo sy rano amin’ny fanasan’ny Tompo

Amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, isika dia asaina handray anjara amina ôrdônansy masina sy hanao fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra. Rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika, dia mitahy antsika ny Ray any An-danitra. Ny ôrdônansy andraisantsika anjara matetika indrindra dia ny fanasan’ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hihazona ny fanekempihavanana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, mba hanananao ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminao.

Takaro ny zavatra ilain’ny mpianatra amin’ny fianarana. Katsaho ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny mpianatra ao amin’ny kilasy ampianarinao. Izany dia mety hahitana ny zavatra tian’ny mpianatra, eo ihany koa ny zava-tsarotra ara-pianarana rehetra. Mitadiava fomba hampidirana fomba fianarana samy hafa, toy ny fitaovana natao hojerena, asa ataon’ny vondrona, na fandalinana ataon’ny isam-batan’olona, mba hahafahan’ny mpianatra mahazo tombony be indrindra araka izay azo atao amin’ny fanatrehan’izy ireo seminera.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hanonona an-kandrina ny vavaky ny fanasan’ny Tompo araka izay vitan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no antony andehananao any am-piangonana?

Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny fanasan’ny Tompo, dia hevero ny hizara ity tantara manaraka ity na zavatra niainana manokana momba ny maha zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo.

Ny Rahavavy Cheryl A. Esplin, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany, dia nizara fanontaniana iray napetraky ny zanakalahy iray tamin’ny raibeny 96 taona: “Dada a, fa inona no antony andehananao any am-piangonana? Tsy afaka mahita ianao, tsy afaka mandre, sarotra aminao ny mandehandeha. Inona no antony andehananao any am-piangonana?” (“Ny Fandraisana Fanasan’ny Tompo—Fanavaozana ho an’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2014, 14).

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no mety ho namalian’ilay raim-pianakaviana io fanontaniana io?

“Namaly ilay raim-pianakaviana nanao hoe: -Ny fanasan’ny Tompo. Mandeha any aho mba handray ny fanasan’ny Tompo-” (Cheryl A. Esplin, “Ny fanasan’ny Tompo,” 14).

  • Inona no fantatrao momba ny fanasan’ny Tompo ka mety nahatonga ilay raim-pianakaviana namaly toy izany?

    Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanaovana fandinihan-tena. Hevero ny hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mety hanampy ihany koa raha asaina mametraka fanontaniana momba ny fanasan’ny Tompo izy ireo.

  • Ahoana no maha zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo aminao? Nahoana?

  • Inona avy no ezaka ataonao mba hiainana zavatra manan-danja rehefa mandray ny fanasan’nyTompo?

Tao anatin’ny rakitsorany, i Môrônia dia nampiditra ny vavaka nomen’i Jesoa Kristy ny Nefita tany aloha ho an’ny fikarakarana ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 4:1–2). Rehefa mandalina ireny vavaka ireny ao amin’ny Môrônia 4–5 ianao, dia henoy ny bitsika mba hahafantarana ny zavatra azonao atao hitandremana ny fanekempihavanana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Ny fanasan’ny Tompo

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy manavao ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). “Ny fanekempihavanana dia fifanekena masina eo amin’Andriamanitra sy ny olona iray na vondron’olona iray. Mametraka ireo fepetra manokana Andriamanitra ary mampanantena ny hitahy antsika Izy raha toa ka mankatò ireo fepetra ireo isika” (Miorim-paka ao amin’ny finoana “Fanekempihavanana,” ChurchofJesusChrist.org).

Hevero ny handika ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny kilasy hameno ny tsanganana havia amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môrônia 4:3. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mandika azy io ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo

Ny zavatra ampanantenaiko hatao

Fomba ihazonana ny fampanantenako

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra ampanantenaintsika rehefa mandray ny mofo isika?

Fomba iray hamintinana ny anjarantsika amin’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo ny hoe rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia mampanantena ny ho vonona hitondra eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy, hahatsiaro Azy mandrakariva, ary hitandrina ny didiny.

Azo atao ny mandamina ny mpianatra ho ao anatina vondrona misy olona telo. Ampiandraiketo ny iray amin’ireo fampanantenana ataontsika ao anatin’ilay fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo ny vondrona tsirairay. Asao ny vondrona hifanakalo hevitra momba ny fampanantenana nampiandraiketana azy ireo ary hizara hevitra izay azo ampiasaina hamenoana ny tsanganana faharoa eo amin’ilay tabilao.

Rehefa avy nahazo fotoana ampy, dia alamino anatina vondron’olona telo vaovao ireo mpianatra. Ny vondrona vaovao tsirairay dia tokony hisy mpianatra izay nandalina singa hafan’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy ireo voalohany ary hifanampy amin’ny famenoana ny tsanganana faharoa eo amin’ilay tabilao.

Raha mahasoa ny mpianatra ny fandalinana misimisy kokoa momba ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amin’izy ireo, dia hevero ny hampiasa ireto fanambarana sy fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny haben’ny fanirian’izy ireo ny zavatra tadiavin’ny Mpamonjy raha ampitahaina amin’ny zavatra tadiavin’izy ireo na ny zavatra tadiavin’izao tontolo izao amin’izy ireo.

Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny Môzià 18:8–10 sy ny Jaona 14:15 mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fomba itandremana ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe vonona hitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika?

Nanazava toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Mampanantena isika fa hitondra ny anarany eo amintsika. Midika izany fa tsy maintsy mahita ny tenantsika ho toy ny Azy isika. Ho ataontsika lohalaharana eo amin’ny fiainantsika Izy. Haniry kokoa ny zavatra iriny isika toy izay hitady izay irintsika na izay ampianarin’izao tontolo misy antsika izao mba hiantefan’ny faniriantsika. (Henry B. Eyring, “That We May Be One,” Ensign, mey 1998, 67)

  • Ahoana no mety hahafahanao mitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo aminao?

  • Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny fitondrana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika manampy antsika ho tonga tahaka Azy?

Manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika

Sary
Zatovovavy mandray ny fanasan’ny Tompo

Vakio ny Môrônia 4:3 sy ny 5:2, hitadiavana fitovitoviana na fahasamihafana eo amin’ny vavaka amin’ny mofo sy ny vavaka amin’ny divay (rano).

  • Inona avy no fitovitoviana hitanao?

  • Inona no hataon’ny Ray any An-danitra raha mitandrina ny fanekempihavanana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika?

Fitsipika iray ianarantsika ny hoe rehefa mihazona ny fanekempihavanana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika, dia afaka manana ny Fanahin’ny Tompo hiaraka amintsika mandrakariva isika.

  • Hevero ny fomba anampian’ny fahavononanao hihazona ireto fampanantenana manaraka ireto anao hahafeno fepetra hananana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminao:

    • Ento eo aminao ny anaran’ny Mpamonjy.

    • Tsarovy mandrakariva Izy.

    • Tandremo ny didiny.

  • Ahoana no hahazoanao tombony amin’ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina miaraka aminao?

Nampianatra ny fomba ahafahantsika miantomotra ny fanasan’ny Tompo sy hotahina amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’izany ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ny horonan-tsary hoe “The Aaronic Priesthood and the Sacrament” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 6:48 hatramin’ny 7:22 ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Didina isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavanana mifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. Amin’ny alalan’izany fomba izany no hahafahantsika ho voadio sy afaka manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Ny maha zava-dehibe an’izany dia miharihary noho ilay didin’ny Tompo ny handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isaky ny herinandro (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:8–9). (Dallin H. Oaks, “The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, Nov. 1998, 38)

Mitandrina ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanasan’ny Tompo ary hanasa izay mpianatra manam-piniavana hanao toy izany koa.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hitandremana ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo nataon’izy ireo. Hevero ny hampiseho ireto andiam-pehezanteny manaraka ireto sy hanasa ny mpianatra hamaly ao amin’ny diarin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manome soso-kevitra fa ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo dia azon’izy ireo atao ho iray amin’ireo tanjona ara-pivoarana ao amin’ilay fandaharana fivoaran’ny tena manokana ho an’ny zatovo.

Eritrereto ny ezaka ataonao hitandremana ireo fampanantenana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao. Inona no mandeha tsara? Inona no azo hatsaraina?

Mifantena fampanantenana iray na maromaro izay tianao hifantohana. Manorata zavatra manokana azonao atao. Azonao atao ny misaintsaina izany amin’ny fotoana manaraka handraisanao ny fanasan’ny Tompo.

Jereo tsara ny fomba anampian’ny fitandremana ny fanekempihavananao anao hanana ny Fanahy Masina miaraka aminao sy ny fiovana hitanao eo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy