Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 25: Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 25: Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 25,” Bokin’i Môrmôna; Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 25

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Zatovo maromaro milalao eo ivelany

Ao amin’ny Fiangonana, isika dia asaina hitombo tahaka ny nitomboan’ny Mpamonjy—ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina. Afaka manampy anao handroso ny fametrahana tanjona. Ny soratra masina dia omen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Krsity amin’ireo fomba ireo. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hizatra hampihatra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny tanjonao ho tonga tahaka ny Mpamonjy.

Ampio ny mpianatra ho tonga mpandray anjara mavitrika. Ho an’ny mpianatra sasany dia mety toa tsy mahazatra sy somary sarotra ihany ny fanaovana ezaka hianatra avy amin’ny soratra masina. Na izany aza, ny mpianatra dia afaka mivoatra amin’ny fahafahany manao zavatra ka mampitombo tsikelikely ny fandraisany andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo manokana. Mitadiava fahafahana hanampiana ny mpianatra handray anjara mavitrika kokoa ao am-pianarana, ary derao ny ezaka sy fivoaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amin’ny ray aman-drenin’izy ireo na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana momba ireo tanjona napetrak’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fahombiazana sy zava-tsarotra iainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Mitomboa araka ny nitomboan’i Jesoa Kristy

Hevero ny hampiseho amin’ny mpianatra ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo sy hifanakalo hevitra momba ny tanjona napetrak’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ity sary manaraka ity:

Sary
Famantarana ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo

Ao amin’ny Lioka 2:52 dia vakintsika fa i Jesoa Kristy dia nitombo “saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.” Irin’ny Ray any An-danitra ny hitomboantsika tahaka ny nitomboan’ny Mpamonjy amin’ny ireo lafiny rehetra ireo. Nangataka antsika hametraka tanjona ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, mba hanampy antsika hivelatra ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina.

Eritrereto ny tanjona napetrakao na tianao hapetraka.

  • Inona avy no fahombiazana sasantsasany efa niainanao?

  • Inona avy no zava-tsarotra natrehinao rehefa niezaka nanatratra ireo tanjona ireo ianao?

Raha niresaka momba ireo tanjona ireo ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra hoe:

Ho solon’ny fanomezanay anareo asa atao maro voafaritra manokana, dia manasa anareo izahay mba hila hevitra amin’ny Tompo momba ny fomba ahafahanareo mivoatra amin’ny fomba voalanjalanja. Hitondra valisoa sy hahafinaritra izany, saingy hitaky karazana ezaka avy aminareo ihany koa. Mila mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ianareo. Mila misafidy ho an’ny tenanareo ny amin’ny fomba hanaovana asa mifanaraka amin’izany ianareo. Indraindray ny Fanahy dia mety hibitsika aminareo mba hanao zavatra sarotra. Tena afaka miatrika izany fanamby izany ianareo araka ny eritreritro. Afaka manao zavatra sarotra ianareo. (Russell M. Nelson, “Special Children and Youth Broadcast Featuring President M. Russell Ballard” [fampahafantarana ilay tetikasa vaovao ho an’ny Ankizy sy Zatovo, sept. 29, 2019], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana ny eritreritrao momba ny torohevitry ny Filoha Nelson?

Rehefa mandalina ianao anio, dia ho afaka mampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny tanjonao mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina.

Afaka manampy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Azo atao ny mangataka ny mpianatra hitanisa an-kandrina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana betsaka araka izay azon’izy ireo atao na hizara ny sasantsasany izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina zarain’izy ireo.

Ampio ny mpianatra hahita ny toerana misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manomboka amin’ny Almà hatramin’ny Môrônia ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny mpianatra, na asehoy ity tabilao manaraka ity.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Asao ny mpianatra hitady andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay afaka manampy azy ireo hanatratra ny tanjon’izy ireo.

Ifanakalozy hevitra ny soratra masina hitan’ny mpianatra sy ny fomba anampian’izany. Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Tsy mila mizara antsipiriany manokana momba ny tanjon’izy ireo ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hizara misimisy kokoa mombana soratra masina sy fitsipika ary tsy dia hizara momba ny antsipirian’ny tanjona.

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy anao hanatratra ny tanjonao? Amin’ny fomba ahoana?

  • Iza avy no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy anao hitombo “saina sy tena, sady mandroso fitia amin’ Andriamanitra sy ny olona” tahaka ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra manampy anao hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy iray na mihoatra?

Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fomba nanampian’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana teo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy