Seminera
Môrônia 1: Izaho dia tsy handà an’i Kristy


“Môrônia 1: Izaho dia tsy handà an’i Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 1

Izaho dia tsy handà an’i Kristy

Sary
Môrônia

Tsy mbola nisy fotoana nahamora an’izany hoe mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izany. Any amin’ny faramparan’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia mpaminany dia nanambara fa ny mpanara-dia an’i Kristy dia novonoina raha tsy nandà ny Mpamonjy (jereo ny Môrônia 1:2). Noho i Môrônia tsy nety nandà an’i Jesoa Kristy, dia voatery nirenireny tany amin’izay nahitany fiarovana izy ary niafina hatrany ny Lamanita. Angamba mety ho nahatsapa ho irery ianao rehefa niezaka niaina ny finoanao sy tsy nivadika tamin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fandrisihana anao hanaraka lalandava an’i Jesoa Kristy fa tsy handà Azy.

Mametraha fanontaniana izay manasa fandinihan-tena. Ny fanontaniana izay manasa ny mpianatra hisaintsaina ny soratra masina, ny zava-misy iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao, zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy, na ny fampiharana fitsipika, dia afaka manasa ny Fanahy hampianatra azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra niainana mikasika ny nanarahan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo an’i Jesoa Kristy na dia nahatsiaro ho irery na nenjehina aza izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Miatrika fanoherana

Makà fotoana hieritreretana momba ny fomba mazatra ataonao rehefa voahodidin’ireo izay mety ho tsy mitovy fenitra na finoana an’Andriamanitra aminao.

Hevero ny hampiseho ity kisary ity eny amin’ny solaitrabe. Safidy iray hafa azo atao ny maka taratasy efatra miloko samy hafa hohazonin’ny mpianatra atao ambony mandritra ny sahanasa Ny fanaovana izany dia mety hanampy amin’ny fampandraisana anjara ny mpianatra amin’ny lesona.

Sary
Efajoro maitso, mavo, volomboasary ary mena

Mety ho afaka manampy anao haka sary an-tsaina ny ambaratongam-panoherana samy hafa izay mety hatrehin’ny mpianatr’i Jesoa Kristy ny loko ao amin’ity kisary ity. Ny maitso dia mety haneho ny tsy fisian’ny fanoherana. Ny mavo sy volomboasary dia mety haneho ambaratongam-panoherana miakatra, fa ny mena kosa dia mety haneho ny fanoherana sarotra indrindra.

Rehefa avy mampahafantatra ny zavatra asehon’ireo loko ao amin’ilay kisary ianao, dia hevero ny hizara zavatra niainana manokana na zavatra niainana nozaraina tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay niatrehan’ny olona iray fanoherana tamin’ny maha mpianatr’i Kristy azy. Asao ny mpianatra hisafidy loko izay tsapan’izy ireo fa mamaritra indrindra ny hamafin’ny toe-java-misy tsirairay. Izany dia afaka manampy amin’ny fanombohana resaka momba ny tsy fivadihana amin’i Jesoa Kristy.

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nanompo tao amin’ny miaramila fony izy zatovolahy ary nanatri-maso fihetsika maneho fahasahiana maro. Nizara ity ohatra manaraka ity izy.

Eritrereto ny loko hosafidinao mba hanehoana ny ambaratongam-panoherana niainan’io zatovolahy io. Inona araka ny eritreritrao no hataonao manoloana ana toe-javatra mitovitovy amin’izany?

Ny iray tamin’izany izay tsy hohadinoiko velively dia ilay herimpo mangina nananan’ny tantsambo 18 taona iray—tsy mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika—izay tsy mba menamenatra nivavaka. Tao anatin’ireo lehilahy miisa 250 tao anatin’ilay andian-tafika, dia izy irery ihany no nandohalika teo akaikin’ny fandriany isak’alina ary indraindray teo anivon’ny fandrabirabiana sy fananihaniana nataon’ireo tsy mpino. Nanondrika ny lohany izy ary nivavaka tamin’Andriamanitra. Tsy mba natahotra velively izy. Tsy nisalasala velively. Nanana herimpo izy. (Thomas S. Monson, “Mahereza sy Matanjaha,” Liahona, mey 2014, 67)

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’io ohatra io?

  • Inona no heverinao fa sarotra momba ny fanarahana mandrakariva an’i Jesoa Kristy? Inona no manampy anao?

Mitanisà toe-javatra hafa sasany izay mety hahasarotra ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Miezaha maka sary an-tsaina antsipiriany manokana ary hevero hoe loko inona ao amin’ilay kisary no hifanaraka indrindra amin’ny toe-java-misy tsirairay.

Mazava ho azy, ny miresaka momba ny fanoloran-tenantsika amin’i Jesoa Kristy dia tena mora kokoa noho ny manohy hatramin’ny farany mandritra ny fotoana itsapana antsika. Rehefa mandalina ianao, dia katsaho ny hahita fandrisihana ilainao mba tsy hivadihana amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy amin’ny fenitry ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

Nohazain’ny Lamanita i Môrônia

Rehefa nomena ny andraikitra hihazona sy hiaro ireo rakitsoratry ny vahoaka Nefita i Môrônia, dia niatrika fanoherana ihany koa izy.

Vakio ny Môrônia 1:1–4, ka hevero ny mety handrefesanao ny fanoherana natrehiny.

Mba hanampiana anao hahazo an-tsaina tsara kokoa amin’ny hoe mety ho zavatra nanjo an’i Môrônia, dia azonao jerena ihany koa ny “Moroni invite le monde entier à venir au Christ” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 3:59, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no hanomezanao taha ny hamafin’ny fanoherana natrehan’i Môrônia?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe afaka ny tsy hivadika amin’i Jesoa Kristy amin’ny toe-javatra rehetra isika ary tsy mandà Azy.

Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe. Amin’izay hitan’ny mpianatra izany rehefa mamaky ohatra samy hafa mombana olona niaina io fahamarinana io izy ireo.

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny tsy mivadika na mahatoky amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra niainan’i Môrônia ka nanampy azy tena hahatoky tamin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka afaka mandrisika anao tsy handà Azy?

Hevero ny hanisy marika ny tenin’i Môrônia ao amin’ny andininy 3. Azonao atao ihany koa ny manoratra ny anaranao eo akaikin’ny an’i Môrônia mba hanampy amin’ny fandrisihana anao hanaraka lalandava an’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hizara ohatra mombana olona ao amin’ny soratra masina izay tsy nivadika tamin’i Jesoa Kristy tao anatina toe-javatra sarotra. Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ny ohatra eo ambany. Manomeza sahan-kevitra araka izay ilaina. Ampio ihany koa ny mpianatra hahafantatra fa mahatoky mandrakariva sy tsy mivadika na oviana na oviana i Jesoa Kristy. Maty an-tsitrapo ho antsika tsirairay izy.

Mampiseho ny fanolorantenantsika

Mety ho fotoana tsara izao hanaovan’ny mpianatra tatitra momba ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hanao izany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ity manaraka ity.

  • Oviana no nanehoanao na ny olona iray fantatrao fanolorantena ho an’i Kristy tanatina toe-javatra sarotra?

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Misy ve toe-javatra iatrehanao fanoherana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azonao atao mba tsy hivadika amin’i Jesoa Kristy amin’ireny toe-javatra ireny?

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ity lesona ity, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao afisy na fanehoan-kevitra amina tamba-jotran-tserasera izay afaka mandrisika azy ireo sy ny hafa hijanona ho marina amin’i Kristy amin’ny toe-javatra rehetra. Azon’izy ireo atao ny mametraka izany amina toerana iray ho andrisihan-tena ho azy manokana na mizara izany amin’ny hafa. Omeo ny fitaovana izay ilainy ny mpianatra ary toromarika hanatanterahana an’ity sahanasa ity. Raha azo atao dia mampisehoa ohatra vao haingana avy ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!. Misy ohatra iray eo ambany.

Sary
afisy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Azon’ny mpianatra atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fitadiavana sary iray hampiasaina ao amin’ny fizaràna hoe “Collection d’images” ao amin’ny www.ChurchofJesusChrist.org/media. Avy eo dia ampio ny mpianatra hitady soratra masina momba ny tsy fivadihana amin’i Jesoa Kristy hampidirina ao amin’ny hafatr’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mampiasa andininy iray avy ao amin’ny Môrônia 1, soratra masina iray hitan’izy ireo samirery, na anankiray avy ao amin’ny lisitra omenao tahaka ity manaraka ity.

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hanaovana ny fanehoan-kevitra na ny afisin’izy ireo, ary avelao izy ireo hizara ny zavatra noforonin’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo. Tsarovy ny mitady fomba hamoronana tontolo iainana azo antoka ahafantaran’ny mpianatra fa omen-danja sy manan-danja ny zavatra noforonin’izy ireo.

Hamoaka printy