Seminera
Môrônia 7–9: Topimaso ankapobeny


“Môrônia 7–9: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrônia 7–9,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrônia 7–9

Topimaso ankapobeny

I Môrônia izay nirenireny irery nandritra ny taona maro taorian’ny namongorana ny vahoakany, dia nirakitra an-tsoratra ny tenin’ny rainy momba ny fanantenana azontsika ananana ao amin’i Kristy amin’ny zavatra ho avy. Namporisika antsika hampiasa ny Fahazavan’i Kristy hanavahana ny marina amin’ny diso izy. Izy dia nampianatra ny fomba “ihazonana ny zavatra tsara rehetra” (Môrônia 7:20, 25), indrindra fa ny fiantrana, “ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Izy ihany koa dia nizara taratasy avy amin’ny rainy mampianatra fa voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy ny ankizy kely ary tsy mila batisa.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môrônia 7:1–19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiantehitra amin’i Jesoa Kristy hanavaka ny tsara amin’ny ratsy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara ny fomba iantraikan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny safidy ataon’izy ireo ny mpianatra.

  • Sary haseho: Ilay sary misy efajoro roa izay toa lokom-bolon-davenona samy hafa no fahitana azy.

  • Zavatra: Jiro fanao am-paosy iray ho an’ilay lesona mampiasa zavatra aroso

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Mba hanaovana ilay lesona mampiasa jiro fanao am-paosy, dia ataovy azo antoka fa maizina ny toerana manodidina anao. Hevero ny hanakatona ny persiennes ka hifindra amina efitrano tsy misy varavarankely maro, na hametraka bodofotsy hanarona ny solosaina sy ny tenanao. (Azonao atao ny mampihatra izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fakantsarin’ny solosainao alohan’ny fotoam-pianarana mba hahazoana antoka fa maizina ilay faritra.) Asao hamaky soratra masina iray na fisy iray izay tazoninao ambony eo amin’ny fakantsary mandritra ny fotoana mbola maizina ny mpianatra. Avy eo dia atarafo ilay fisy na soratra masina ny jiro fanao am-paosy iray ary angataho hanandrana indray ny mpianatra. Mety hahomby raha asaina mialoha hanome ny kilasy io lesona mampiasa zavatra io ny mpianatra iray.

Môrônia 7:20–43

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fanantenana mitombo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Môrônia 7:44–48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hikatsaka fiantrana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra amin’ny fotoana nanehoan’ny Mpamonjy fitiavana, eo ihany koa ny ohatra amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ankehitriny.

  • Horonantsary:Ilay palitao” (2:07); “Gordon Hinckley: Lesona nianarako fony aho mbola ankizilahy” (4:04); “Fiantrana: Ohatry ny mpino” (4:50); “Misy foana ny fiantrana” (19:48; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 15:05 hatramin’ny 17:22)

  • Sary haseho: Sarin’ny Mpamonjy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ny tchat hizaràna ny fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fiantrana. Izany dia hahatonga ny fanontanian’izy ireo ho azon’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo vakina mandritra ny ampahany manaraka amin’ny lesona. Avy eo dia asehoy ireo sahanasa azon’ny mpianatra atao mba hiezahana mitady valiny amin’ny fanontanian’izy ireo.

Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Môrônia 7:45–48 sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andininy io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra toe-javatra niainan’izy ireo na natrehin’izy ireo maso ka nahafahan’izy ireo nampihatra fiantrana ny mpianatra

  • Votoatiny haseho: Sarina fo eny amin’ny solaitrabe miaraka amina toko sy andinin-tsoratra masina sy teny ao amin’ny andianteny manan-danja voasoratra manodidina ilay fo amina filaharana anjoanjo!

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Mba hanampiana ny mpianatrao hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy, dia hevero ny hanafangaro ireo teny ao amin’ny tirairay amin’ireo fitsipika telo. Soraty tsirairay ao amin’ny tchat ireo fitsipika mikorontana ary asao hamaly amin’ny fomba filaza marina haingana araka izay azo atao ny mpianatra.

Môrônia 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny antony tsy ilan’ny ankizy kely batisa sy ny zavatra ampianarin’izany antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Mety ho azonao atao ny mizara ilay tantara avy ao amin’ny fanombohan’ny lesona na zavatra mitovitovy amin’izany ary mangataka ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba mety hahafahan’izy ireo manao fihetsika mamaly ilay toe-javatra.

  • Horonan-tsary:Ary hitarika azy ireo ny zazakely iray” (16:55; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:40 hatramin’ny 5:59)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Azonao atao ny mamerina manao ilay tabilao amin’ny fomba nomerika ary mizara ny efijerinao amin’ny mpianatra. Rehefa mitatitra ny zavatra hitan’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo izy ireo, dia azonao atao ny manoratra ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany.

Hamoaka printy