Seminera
Môrônia 7:44–48: “Ny fitiavana madion’i Kristy”


“Môrônia 7:44–48: ‘Ny fitiavana madion’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrônia 7:44–48,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrônia 7:44–48

“Ny fitiavana madion’i Kristy”

Sary
ny Mpamonjy mamihina ankizy kely iray

Mieritrereta fotoana nahatsapanao fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Inona no fiovana nentin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy teo amin’ny fiainanao? Nirakitra an-tsoratra ny famaranana ny lahateny nataon’i Môrmôna rainy tao amin’ny synagoga iray taona vitsy talohan’izay i Môrônia. I Môrmôna dia nampianatra ny fomba “ihazonana ny zavatra tsara rehetra” (Môrônia 7:20, 25), indrindra fa ny fiantrana, “ny fitiavana madion’i Kristy” (Moronia 7:47). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra sy hikatsaka ny fiantrana eo amin’ny fiainanao.

Katsaho ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana. Nampianatra i Môrmôna fa azontsika atao ny manasa feno kokoa ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana amin’ny alalan’ny fivavahana amim-pahazotoana ho an’izany (jereo ny Môrônia 7:48). Angataho hameno ny fonao amin’ny fiantrana ny mpianatrao ny Ray any An-danitra. Ny ezaka mahatoky ataonao mba hanolorana fangoraham-po sy fahatakarana dia afaka manampy ny mpianatrao hahatsapa ny fitiavana madion’ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra amin’ny fotoana nanehoan’ny Mpamonjy fitiavana, eo ihany koa ny ohatra amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ankehitriny.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fitiavana tahaka ny an’i Kristy

Raha azo atao, hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana na famakiana ny iray amin’ireto tantaran’olona iray manatona amim-pitiavana manaraka ireto. Asao hisaintsaina ny fiovàna azon’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy entina ny mpianatra.

  • Ankizilahy kely manome tsy am-pitadiavana tombontsoa ny ankizy sahirana iray hafa. Jereo ny “Ilay palitao” (2:07), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ilay tantara, izay tantara marina avy amin’ny fahazazan’i Filoha Heber J. Grant (“Ilay palitao,” Namana, mar. 2012, 16–17).

  • Raha tokony hananihany vahiny iray ny ankizilahy roa, dia manapa-kevitra ny hanampy azy izy ireo. Jereo ny “Gordon Hinckley: Lesona nianarako fony aho mbola ankizilahy” (4:04), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Zatovovavy maromaro manatona amin-katsaram-panahy sy fiantrana ny mpianatra sembana iray. Jereo ny “Fiantrana: Ohatry ny mpino” (4:50), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka ny ho fitaomana mahery vaika eo amin’ny fiainantsika ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy?

  • Iza no ohatra tamin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy teo amin’ny fiainanao?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanomban-tena amin’ny fomba ampivelaran’izy ireo ny fiantrana. Fomba iray ahafahan’izy ireo manao izany ity manaraka ity.

I Môrmôna sy ny Apôstôly Paoly dia samy nampianatra fa tena ilaina amin’ny fandrosoantsika ny fampivelarana fitiavana tahaka ny an’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:44; 1 Korintiana 13:2). Mba hanampiana anao hanombana ny fahaizanao mampivelatra ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy, dia saintsaino ny fahamarinan’ireto fanambarana manaraka ireto aminao amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 (1 = tsy marina mihitsy; 5 = marina mandrakariva):

  • Miezaka ny hanampy ny hafa aho, indrindra fa rehefa sahirana na kivy izy ireo.

  • Miezaka ny ho tsara fanahy sy mamela ny hafa aho, na dia amin’ny fotoana mahasarotra ifankahazoana izy ireo aza.

  • Rehefa mifanaraka amin’ny zava-misy, dia lazaiko amin’ny hafa fa tia azy ireo aho ary miraharaha azy ireo.

Rehefa mandalina ny Môrônia 7 ianao, dia angataho hanampy anao hahatakatra sy hikatsaka fiantrana ny Tompo.

Toritenin’i Môrmôna momba ny fiantrana

Tany am-piafaran’ny rakitsorany, i Môrônia dia nampiditra toriteny iray nomen’i Môrmôna rainy ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3). I Môrmôna dia nampianatra fitsipi-pitiavana izay afaka nanakana ny fandringanana ny Nefita raha nohenoina. Ireo fampianarana ireo dia nanan-danja ihany koa tamin’i Môrônia izay nanatri-maso ny fandringanana mahery vaika nataon’ny Lamanita ny Nefita ary nirenireny irery nandritra ny taona maro.

Vakio ny Môrônia 7:47 ary asio marika ny andianteny izay mamaritra ny fitiavana nampianarin’i Môrmôna.

Hevero ny hanoratra ity fahamarinana ity eny amin’ny solaitrabe: Ny fiantrana no fitiavana madion’i Kristy.

I Jesoa Kristy dia mametraka ny ohatra tonga lafatra amintsika amin’ny fomba itiavana ny hafa. Vakio ny Môrônia 7:45–48, hitadiavana andianteny izay (1) mamaritra misimisy kokoa ny fiantrana na ny fomba itiavana tahaka ny Mpamonjy, sy (2) mampitombo ny fanirianao hampivelatra fiantrana eo amin’ny fiainanao.

Ny Môrônia 7:45–48 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Mba hampidirana fiovaovana sy heviny amin’ity sahanasa ity, dia azonao atao ny mametraka sarin’ny Mpamonjy eny amin’ny solaitrabe. Soraty manodidina ilay sary ny andianteny hitan’ny mpianatra. Raha ilaina dia ampio hahatakatra ireto fampahalalana manaraka ireto ny mpianatra.

Mety hanampy ireto famaritana manaraka ireto:

  • “mahari-po” = miaritra fizahan-toetra amim-paharetana

  • “tsy mialona” = tsy mialona ny hafa

  • “tsy mieboebo” = manetry tena

  • “tsy mikatsaka ny ho azy” = mametraka an’ Andriamanitra sy ny zavatra ilain’ny hafa ho alohan’ny tena

  • “tsy mora hantsina” = tsy mora tezitra

  • “mino ny zavatra rehetra” = manaiky ny fahamarinana rehetra

Hevero ny hanisy marika miainga eo amin’ny andian-teny hoe “ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay” eo amin’ny andininy 46 hatramin’ny andian-teny hoe “maharitra mandrakizay izany” eo amin’ny andininy 47. Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny fiainana dia misy tahotra sy tsy fahombiazana. Indraindray dia tsy mety ny zavatra atao. Indraindray dia mamitaka antsika ny olona, na tsy manampy antsika ny fiharian-karena na ny raharaham-barotra na ny governemanta. Kanefa ny zavatra iray mandritra izao fiainana izao na mandrakizay izay tsy mamitaka antsika dia—ny fitiavana madion’i Kristy. (Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 337)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy handiso fanantenana antsika mihitsy ny fitiavana madion’i Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitiavan’ny Mpamonjy manampy antsika amin’ny fomba izay tsy azon’ny zavatra hafa atao?

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra momba ny fiantrana amin’ny antsipiriany. Raha azo atao dia jereo ny “Ny Fiantrana Tsy ho Levona Mandrakizay,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 15:05 hatramin’ny 17:22. Na vakio ilay lahateny manomboka amin’ny hoe “Amiko ny fiantrana” ary mifarana amin’ny hoe “mahatohitra ny fironana hanavakavaka ny hafa” (“Ny Fiantrana Tsy ho Levona Mandrakizay,” Liahona, nôv. 2010, 124). Mitadiava andianteny hafa nampiasain’ny Filoha Monson hamaritana ny fitiavana madion’i Kristy.

Asao hizara ny zavatra henon’izy ireo na novakin’izy ireo ny mpianatra mba hanoratana andianteny na teny manan-danja hafa manodidina ny sarin’ny Mpamonjy.

Ny fanontanianao momba ny fiantrana

Inona avy no fanontaniana anananao momba ny hoe inona ny fiantrana na hoe ahoana no hahafeno amin’io fitiavana io?

Hevero ny hanoratra ny fanontanian’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahalalana raha tokony hanao ity sahanasa manaraka ity isam-batan’olona na anatina vondrona kely ny mpianatra.

Mba hanampiana amin’ny famaliana ny fanontanianao, dia ataovy ireto manaraka ireto:

  1. Halalino ireto fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fitiavana sy fiantrana manaraka ireto: Matio 5:43–44; Matio 22:37–40; Jaona 15:12.

  2. Mieritrereta tantara ara-tsoratra masina nanehoan’ny Mpamonjy fiantrana. Jereo na vakio ilay ohatra noeritreretinao, na ampiasao ny iray amin’ireto manaraka ireto:

    1. Niara-nisakafo tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ny Mpamonjy (jereo ny Matio 9:10–13). (Ny poblikana dia mpamory hetra tamin’ny Romana izay nandresy ny Isiraely tamin’izany fotoana izany.)

    2. Namonjy sy nampianatra ilay vehivavy tratra nijangajanga ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 8:1–11).

    3. Ny Mpamonjy dia nijaly, nanao sorompanavotana, ary maty ho an’ny olombelona rehetra (jereo ny Lioka 22:41–44; 23:33–34; 1 Nefia 19:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19).

    4. Nanasitrana sy nitahy ny vahoakan’i Amerika ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 17:5–12, 21–24).

  3. Mieritrereta zavatra niainana nahatsapanao ny fitiavana madion’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na nahatsapanao fiantrana tamin’ny olona iray hafa.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsaroan’izy ireo sy ny fomba mety hanampian’izany amin’ny famaliana ny fanontanian’izy ireo.

Ny fomba ahazoana sy anehoana fiantrana

Hevero ny hanisy marika ny famporisihan’i Môrmôna hoe “mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany” (Môrônia 7:48).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hahafahan’ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra manampy amin’ny famenoana antsika amin’ny fiantrana?

Mety hanampy raha tsindrìna amin’ny mpianatra fa ny fiantrana dia fanomezana masina izay avy amin’ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Azontsika atao ny manao izay azontsika atao mba hanarahana ny ohatr’i Jesoa Kristy, fa ny tena marina, ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana dia avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Zanany.

Ampio hamorona rafi-tantara iray maneho zava-misy ny mpianatra ka ao anatin’izany ny valintenin’ny tanora iray dia mety haneho raha toa ka feno fiantrana izy na tsia. Avy eo dia asao hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra.

  • Araka ny nianaranao tao amin’ny Môrônia 7:45, 47–48 sy ny ohatry ny Mpamonjy, ahoana no ahafahanao maneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy ao amin’io toe-java-misy io?

  • Ahoana no ahafahan’ny vavaka avy ao am-po manampy anao hamaly amim-pitiavana ao amin’io toe-java-misy io?

  • Inona avy no zava-tsarotra mety hatrehinao rehefa miezaka mampihatra ny zavatra nianaranao ianao? Ahoana no mety hahafahanao manao asa amim-pinoana na dia eo aza ireo zava-tsarotra ireo?

Makà fotoana hanoratana ny zavatra tianao hatao mba hahatakarana tsara kokoa sy hampivelarana ny toetran’ny fiantrana.

Hamoaka printy