Seminera
Môrônia 7:20–43: Mahita fanantenana ao amin’i Kristy


“Môrônia 7:20–43: Mahita fanantenana ao amin’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrônia 7:20–43,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrônia 7:20–43

Mahita fanantenana ao amin’i Kristy

Sary
I Kristy mitsiky amin’ny ankizy iray

Efa nisy fotoana nilanao nahatsapa fanantenana misimisy kokoa teo amin’ny fiainanao ve? I Môrônia izay nirenireny irery nandritra ny taona maro taorian’ny namongorana ny vahoakany, dia nirakitra an-tsoratra ny tenin’ny rainy momba ny fanantenana azontsika ananana ao amin’i Kristy amin’ny zavatra ho avy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fanantenana mitombo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Ampio hahafantatra ny fitarihan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra. Mitadiava lala-misokatra hanasongadinana ny hery manandratra sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy araka ny voarakitra ao amin’ny soratra masina. Asao hisaintsaina ny fomba nanamaivanan’i Jesoa Kristy ny entan’izy ireo sy nanampiany azy ireo hiaritra zava-tsarotra ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hitodika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amim-pinoana.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny 1 Petera 3:15 sy hisaintsaina ny fomba anomezan’i Jesoa Kristy fanantenana azy ireo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Mihazona ny zavatra tsara rehetra

Raha azo atao, manomàna latabatra iray misy zavatra mety ho tian’ny mpianatra sy zavatra izay mety tsy ho tian’izy ireo (ohatra, mety hisy sakafo matsiro sy legioma tranainy ary fonom-batomamy tsy misy n’inona n’inona eo ambonin’ny latabatra). Atombohy amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hanatona ary “hihazona” zavatra iray safidìn’izy ireo. Anontanio azy ireo ny antony nisafidianan’izy ireo ny zavatra nosafidin’izy ireo ary raha toa ka hosokajin’izy ireo ho “zavatra tsara izany”.

Ao amin’ny Môrônia 7, i Môrmôna dia nilaza fa te hanampy ny vahoakany hahalala ny fomba ahafahan’izy ireo “mihazona ny zavatra tsara rehetra” (andininy 21).

  • Rehefa nampiasa ilay andianteny hoe “zavatra tsara” i Môrmôna, inona no heverinao fa notondroiny tamin’izany?

  • Inona avy no “zavatra tsara” ara-panahy sy mandrakizay tianao hohazonina na horaisina eto amin’ity fiainana ity na ilay fiainana manaraka?

Mety tsaroanao fa ao amin’ny Môrônia 7:12–19, i Môrmôna dia nampianatra fa ny zavatra tsara rehetra dia avy amin’i Jesoa Kristy. Vakio ny Môrônia 7:20–26, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fomba andraisana ireo zavatra tsara avy amin’i Kristy ireo.

  • Inona no hitanao?

    Raha ilaina, hazavao fa i Môrmôna dia nanantitrantitra fa mila manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Nampianatra i Môrmôna fa mba hanampiana antsika hanana finoana an’i Kristy, dia naniraka anjely hampianatra momba ny Zanany ny Ray any An-danitra.

  • Inona avy no tantara tonga ao an-tsainao izay nandefasan’ny Ray any An-danitra anjely hanambara fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao?

Ny valinteny sasany dia mety hahitana ireo anjely tonga tamin’i Adama sy i Eva (Mosesy 5:6–9), i Benjamina mpanjaka (Mosiah 3:1–11), ary ireo mpiandry ondry (Lioka 2:10–12).

Ny dikan’ny fanantenana

Mba hanampiana anao hiomana hianatra misimisy kokoa momba ireo fampianaran’i Môrmôna mikasika ny fanantenana, dia vakio ity tantara avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Talohan’ny nahatratrarako ny faha-12 taonako dia indroa ny fianakaviako no voatery nitsoaka niala ny fonenanay ka namerina nanorim-ponenana teo anivon’ny korontana, ny tahotra ary ny ahiahy nateraky ny ady sy ny fizarazarana ara-pôlitika. Fotoana nampatahotra ahy izany. …

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’izao tontolo izao io fotoan’ny fahaverezam-panantenana taorian’ny Ady Lehibe Faharoa io. Namela takaitra teo amiko izany.

Tamin’izany, dia tao anatin’ireo fotoana nahatsapako ho irery indrindra aho no matetika nanontany tena hoe: “Mba misy sombim-panantenana tavela ve eto amin’izao tontolo izao?” (Dieter F. Uchtdorf, “Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8)

  • Inona avy no antony sasantsasany ahatsapan’ny olona ho tsy manana fanantenana ankehtriny?

Hevero ny hanoratra ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

Ny Loholona Uchtdorf dia nampahatsiahy fa “raha notambesaran’ny fiahiahiana, fahatezerana, sy fankahalana ary tahotra izao tontolo izao,” dia nahita zavatra izay “nameno fanantenana [azy]” izy (“Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8).

Miaina tsy fisiam-panantenana eo amin’ny fiainanao ve ianao? Eritrereto ny zavatra mitondra fanantenana na dia amina toe-javatra sarotra indrindra aza. Rehefa manohy mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao ho feno fanantenana.

Nampianatra momba ny fanantenana i Môrmôna

Vakio ny Môrônia 7:40–44, hitadiavana ny fomba ifandraisan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny fanantenana.

Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io, azonao atao ny manasongadina fa i Môrmôna dia nampianatra ihany koa fa ny fiantrana dia tsy maintsy ilaina mba hihazonana ny zavatra tsara rehetra izay avy amin’i Kristy. Horesahina ao amin’ny lesona manaraka ny fiantrana.

  • Ahoana no hamintinanao ny andininy 41 amin’ny teninao manokana?

Fahamarinana iray avy amin’ny fampianaran’i Môrmôna

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’i Môrmôna ny hoe raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka manana fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany fa hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manana fanantenana an’i Jesoa Kristy?

    Rehefa mamaly ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra fa io karazana fanantenana io dia tsy faniriana araka izao tontolo izao. Ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy dia ny fananana antoka fa hahafeno ny fepetra amin’ny fiainana mandrakizay isika amin’ny farany.

  • Nahoana no mety mila manetry tena, na “malemy fanahy sy mietry am-po” isika (Môrônia 7:43), mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy hananana fanantenana?

Mba hahitana ohatra amin’ny olona iray izay nahita fanantenana tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia avereno jerena ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto. Rehefa manao izany ianao, dia tadiavo ny fomba niainan’ilay olona fanantenana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Mifantena iray amin’ireto tantara manaraka ireto hozaraina amin’ny kilasy, na vonòny avokoa ny tantara rehetra ary avelao hisafidy izay tantara tian’izy ireo hovakina na hojerena ny mpianatra.

Asao ny mpianatra hizara fotoana iray niainan’izy ireo fanantenana tamin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny mety hahahafa ilay toe-javatra raha tsy nisy izany fanantenana izany.

Zava-dehibe ny manamarika fa na dia maneho finoana an’i Jesoa Kristy sy manana fanantenana ireo fitahiana atolony aza isika, dia mety mbola hisy fotoana sarotra sy feno fitsapana ihany eo amin’ny fiainantsika. Saingy rehefa manohy mampihatra finoana ny Mpamonjy isika ary mifantoka Aminy sy ny fiainana mandrakizay izay omeny antsika, dia hahazo ny fanantenana katsahintsika isika.

Amin’ity sahanasa manaraka ity, hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka hiasa anatina vondrona kely hamita ilay taratasy zaraina.

Mahita fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)—“Môrônia 7:20–43: Mahita fanantenana ao amin’i Kristy”

Mba hanampy anao hieritreritra ny fomba ahafahan’ny fananana fanantenana noho i Kristy miantraika amin’ny fiainantsika amina toe-javatra samy hafa, dia mifantena iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto (na mamoròna anao manokana):

  • Tafalatsaka indray tamina fahazarana feno fahotana izay noeritreretiny fa efa navelany i James.

  • Nijanona tamin’ny fandehanana any am-piangonana ny rain’i Becca ary nanambara fa tsy mino an’ Andriamanitra intsony izy.

  • Sahirana i Analise amin’ny fiezahany mba haharaka hatrany manoloana ny adidiny rehetra any am-pianarana sy any am-piasana ary any an-trano.

Farano ireto andianteny roa ireto, ka lazao ny mety haha samy hafa ny fomba hijeren’ilay olona ny toe-javatra misy azy:

  • Raha tsy misy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy,

  • Raha misy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy,

Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’i olona io mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy? Jereo raha afaka mahita soratra masina iray hampidirina ao amin’ny valinteninao.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fampiharana finoana amin’izany fomba izany manampy io olona io hanana fanantenana misimisy kokoa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no mety holazainao amin’io olona io raha manontany anao ny antony anananao fanantenana an’i Jesoa Kristy izy? (Jereo ny 1 Petera 3:15.)

Rehefa avy mahavita ilay sahanasa ny vondrona, dia asao izy ireo hanisy mpitondra teny iray hizara ny iray amin’ireo zavatra noresahin’izy ireo izay heverin’izy ireo fa hanampy indrindra.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fananana fanantenana ny Mpamonjy. Ataovy ao an-tsaina fa mety eo am-pikarohana fanantenana misimisy kokoa eo amin’ny fiainany ny sasany amin’ny mpianatrao. Ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny mitovy amin’izy ireo dia mety ho fitahiana lehibe amin’izy ireo sy hanainga fanantenana misimisy kokoa ao amin’izy ireo.

Hamoaka printy