Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48—“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy”


“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48—‘Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy”

Sary
vehivavy anankiroa mifamihina

Tamin’ny fandalinanao ny Môrônia 7:44–48, dia nianatra ny fomba ikatsahana ny hampivelatra fiantrana, ilay fitiavana madion’i Jesoa Kristy, ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Môrônia 7:45–48, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Amporisiho ny famerenana matetika ny fifehezana fotopampianarana. Amporisiho hanohy hifehy sy hampiasa ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra. Ampahatsiahivo azy ireo fa ny fampiharana ny fotopampianarana mandrakizay ianaran’izy ireo amin’ireo andininy ireo dia hanome fitarihana sy tari-dalana ara-panahy mandritra ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra toe-javatra niainan’izy ireo na natrehin’izy ireo maso ka nahafahan’izy ireo nampihatra fiantrana ny mpianatra.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Môrônià 7:44–48,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môrônià 7:45–48. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka hiasa amina namana iray hamita ity sahanasa manaraka ity. Manasà mpianatra mandeha tsiroaroa maro hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Alaovy sary an-tsaina hoe mandritra ny fifanakalozan-kevitra Avia, hanaraka Ahy miaraka amin’ny fianakavianao, eo am-piresahana momba ny hevitry ny fiantrana, ny zandrilahinao dia milaza zavatra toy ny hoe “Tsy manao zavatra mahafinaritra ho an’ny olona fotsiny ve no atao hoe fiantrana?” Milaza amin’ny rahalahinao ianao fa ao anatin’ny fiantrana ny fanaovana zavatra mahafinaritra saingy nianatra misimisy kokoa momba izany ianao tany amin’ny seminera.

  • Inona no antsipiriany hafa momba ny fiantrana holazainao amin’ny rahalahinao?

Ampio hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andianteny ao amin’ny Môrônia 7:45–48 ny mpianatra. Hevero ny handika ity sary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa mpianatra iray handamina ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andianteny manan-danja amin’ny alalan’ny fanoratana azy ireo araka ny tokony ho izy ao anatin’ilay fo. Fafao ny anatin’ilay fo, ary manasà mpianatra iray hafa hamita ilay sahanasa. Amporisiho hanao sarina fo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra tsirairay, miaraka amin’ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja voasoratra araka ny tokony ho izy ao anatin’izany. Asao hiaraka hanonona mafy izany ny kilasy manontolo.

Sary
Ilay sarina fo tsotsotra misy toko sy andinin-tsoratra masina sy andianteny manan-danja ao amin’ny Môrônia 7:45–48 manodidina ilay fo amina filaharana anjoanjo

Fampiharana hanazaran-tena

Mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy, dia hevero ny hanafangaro ireo teny ao amin’ny fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy, araka ny hita eo ambany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay endrika mifangaro ary asao hanitsy samirery tsy ankijery ny fitsipika tsirairay ny mpianatra. Raha ilaina dia azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia manasà mpianatra telo ho eny amin’ny solaitrabe ka ny tsirairay amin’izy ireo dia hanoratra ny iray amin’ireo fitsipika araka ny tokony ho izy.

  1. Mamakafakà amim-pinoana.

  2. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ny fomba fijery nofidin’ Andriamanitra.

  3. Omeo miaraka amina loharano mandrakizay ny hevi-dehibe sy fanontaniana.

Asao ny mpianatra hieritreritra toe-javatra natrehin’izy ireo maso na niainan’izy ireo izay azon’ny zatovo ampiharana fiantrana, na ampiasao ny sasany amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto.

  • Mora tezitra amin’ireo zandriny iray tam-po aminy i Oskar. Matetika izy ireo no miangavy an’i Oskar mba hiara-milalao amin’izy ireo na hanampy azy ireo amin’ny enti-modin’izy ireo. Tian’i Oskar tsy hanelingelina azy ny iray tam-po aminy mba hahafahany manao zavatra.

  • Fantatr’i Hae-Won fa nisy ankizivavy iray nanely tsaho momba azy tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy nisy azy. Mahatsapa ho sahiran-tsaina sy maratra noho izany i Hae-Won ary tsy azony antoka ny fomba hamaliana.

  • Te halaza ao an-tsekoly sy hiseho ho tsy matahotra eo imason’ny namany i Kapo. Matetika izy no manambany ny mpiara-mianatra hafa sy maka ny zavatr’izy ireo tsy mangataka akory.

Azo resahina miaraka amin’ny iray kilasy ny iray amin’ireo rafi-tantara ireo, na azo atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely sy manendry azy ireo amina rafi-tantara iray hifanakalozan-kevitra. Amporisiho izy ireo hamantatra hoe iza amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy no hanampy indrindra amin’ny rafi-tantaran’izy ireo sy ny anton’izany. Asao ny vondrona tsirairay hizara amin’ny ambin’ny kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra. Afaka mitarika ny mpianatra amin’io fifanakalozan-kevitra io ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no mety ho azonao zaraina avy amin’ny Môrônia 7:45–48 ka afaka mandrisika io olona io hamaly amina fiantrana misimisy kokoa amin’ny toe-javatra misy azy?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa na teny hafa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka mety ho afaka manampy?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy no zava-tsarotra mety hatrehin’io olona io rehefa miezaka mampihatra ny zavatra zarainao aminy izy?

  • Ahoana no mety hahafahan’izy ireo manao asa amim-pinoana na dia eo aza ireo zava-tsarotra ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fijerena ilay zava-misy atrehiny amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy azy hahatsapa fiantrana misimisy kokoa ny hafa?

  • Afaka manampy io olona io hiantra kokoa amin’ny fomba ahoana ny famakafakana ny fomba itondran’i Jesoa Kristy ny hafa?

Aorian’ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy na vondrona, dia hevero ny hanontany ny mpianatra raha misy lafiny hafa amin’ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izay mety hanampy ao amin’ilay rafi-tantara ihany koa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona iray manaraka, manaova sarina fo lehibe eny amin’ny solaitrabe ary asao hahatsiaro hoe toko sy andininy fifehezana fotopampianarana inona no mifandray amin’ilay sary. Amporisiho hanoratra ny toko sy andininy (Môrônia 7:45–48) sy ny andianteny manan-danja (“ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy”) tsy ankijery imbetsabetsaka ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra tsirairay.

Hamoaka printy