Seminera
Môrônia 7:1–19: “[Mitady] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy”


“Môrônia 7:1–19: ‘[Mitady] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 7:1–19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 7:1–19

“[Mitady] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy”

Sary
vahoaka mihaino an’i Kristy

Sarotra indraindray ny mahafantatra ny mety sy ny tsy mety. Na izany aza, efa namatsy fanampiana antsika Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fampiasany ny tenin’ny rainy, i Môrônia dia namporisika antsika hampiasa ny Fahazavan’i Kristy hanavahana ny mety amin’ny tsy mety. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiantehitra amin’i Jesoa Kristy mba hanavaka ny tsara amin’ny ratsy.

Amporisiho hieritreritra lalina mombana fitsipika ara-pilazantsara ny mpianatra. Ny fandinihana tsara ny soratra masina dia afaka manentana ny mpianatra hahatsiaro ny fiantraikan’ireo fitsipiky ny filazantsara teo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao hahatsiaro zavatra niainana tany aloha izay nanampy azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara ny fiantraikan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny safidy ataon’izy ireo ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Iza no efajoro mazava kokoa?

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ity sary manaraka ity. Asao hijery ireo efajoro volondavenona roa ny mpianatra ary hilaza amin’ny namana iray miara-miasa aminy hoe iza no mazava kokoa.

Sary
famitahana maso amin’ny efajoro volondavenona eo amina tsipika fotsy sy mainty

Hahagaga anao ve ny fahalalana fa ireo efajoro roa ireo dia mitovy loko? Noho ny loko mazava na maizina manodidina azy ireo dia raisin’ny atidohanao ho loko samihafa ireo efajoro roa ireo.

Raha tokony hamaky ity andiam-pehezanteny manaraka ity dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Isaia 5:20 ary hangataka azy ireo hampitaha ilay famitahana maso amin’ny efajoro amin’ny faminanian’i Isaia momba ny androntsika.

Tahaka io famitahana maso io, mety misy toe-javatra mahasarotra ny fanaovana fitsarana marina. I Isaia dia naminany fa amin’ny andro farany, ny olona sasany dia “hilaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy; [ary] hanao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina” (Isaia 5:20; jereo ihany koa ny 2 Nefia 15:20).

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fahitan’izy ireo ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia amin’izao androntsika izao, dia hevero ny hifanakalo hevitra amin’ny mpianatra momba ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana ireto.

  • Inona no fomba iray nahitanao ny olona amin’izao androntsika izao “nilaza ny ratsy ho tsara ary tsara ho ratsy”?

  • Inona no mahatonga ny olona iray ho sarotra mahita mora foana na mazava ny fahamarinana?

Asao hisaina mangina ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra.

  • Ahoana no ilazanao fa marina na diso ny zavatra iray?

  • Ahoana ny fatokianao tena ho afaka manavaka ny tsara amin’ny ratsy? Nahoana?

Mieritrereta zavatra iray tianao havahana mazava kokoa amin’ny maha tsara na ratsy azy. Ohatra, mety hieritreritra ny olona iray fa mety ny mozika safidiny, saingy mety tsy hanaiky izany ny ray aman-dreniny. Iza no manana ny marina? Ny ohatra hafa dia mety ho famantarana ny toerana raisina amina olana ara-piarahamonina, fisafidianana izay hatao namana, fandraisana anjara amina fialam-boly iray, sy ny sisa.

Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ny zavatra afaka manampy anao hahafantatra raha tsara na ratsy ny zavatra iray.

Ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy

Tahaka an’i Isaia, i Môrônia dia nahita ihany koa ny androntsika (jereo ny Môrmôna 8:35). Nampiditra fanampiana ho antsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Rehefa avy nampianatra ny maha zava-dehibe ny fanaovana asa tsara amn’ny tena finiavana izy (jereo ny Môrônia 7:1–11), dia nirakitra an-tsoratra ny teny izay nampianarin’i Môrmôna rainy ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny fanavahana ny tsara amin’ny ratsy.

Vakio ny Môrônia 7:12–17, ary hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao amin’ny tari-dàlana tsirairay eo ambany.

  1. Ny fomba ahafahantsika milaza fa tsara ny zavatra iray

  2. Ny fomba ahafahantsika milaza fa ratsy ny zavatra iray

  3. Ny zavatra ataon’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika

Raha tsapanao fa hahomby kokoa, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireo tari-dalana telo eo ambony ary asaivo soratan’ny mpianatra eo ambanin’ny tsirairay avy amin’izany izay andian-teny mifanaraka amin’izany hitany.

  • Miainga amin’ny zavatra hitanao tao amin’ireo andininy ireo, ahoana no hamintinanao ireo fitsipika noresahina?

Avy amin’ny Môrônia 7:12–17 isika dia afaka mahita fa ny zava-drehetra izay an’ Andriamanitra dia manasa antsika hanao ny tsara, sy hino an’i Jesoa Kristy, ary hitia sy hanompo an’Andriamanitra. Etsy ankilany, ilay ratsy dia mandresy lahatra antsika hanota, handà an’i Jesoa Kristy, na hiady amin’ Andriamanitra.

Azon’ny mpianatra atao ny manao ity sahanasa manaraka ity tsirairay, na anatina vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy.

Mba hanampiana anao hahatakatra ny fampianaran’i Môrmôna, dia andeha hatao hoe misy olona iray mieritreritra fa mety ny mozika henoiny sy ny fomba ampiasany ny telefaoniny sy ny teknôlôjia hafa, saingy tsy manaiky ny ray aman-dreniny na ny mpitarika.

  • Miainga amin’ireo fahamarinana hitanao, inona no azon’io olona io anontaniana ny tenany mba hahitana raha tsara na ratsy ny mozika sy ny tekinôlôjia ampiasainy?

Henoy ny valintenin’ny mpianatra ary hevero ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Raha tsy miresaka izany ny mpianatra, dia hevero ny hampiasa ireto ohatra manaraka ireto:

  • Moa ve ny fomba entiko mihaino io mozika io na mampiasa ny telefaoniko sy ny tekinôloĵia …

    • … mameno eritreritra hanao ny tsara na hanao fahotana ny saiko?

    • … mamporisika ahy hanao zavatra izay hataon’ny olona iray mpanaradia an’i Jesoa Kristy na tsy hataony?

    • … manampy ahy hitia ireo zavatr’ Andriamanitra na tsia?

Mariho fa mety ho mila mandinika ny mpanakanto na hira sasantsasany ianao, ary koa ireo application, na kilalao na haino vaky jery sasantsasany. Ankoatra izany, ny fotoana laninao amina sahanasa iray dia mety ho anton-javatra iray manan-danja tokony hoheverina.

Hazavana hanampiana anao hahita

Mety ho voatsikaritrao fa amina toe-javatra sasantsasany dia mety ho sarotra ny manavaka ny marina amin’ny diso.

Hevero ny hanampy ny mpianatra hiaina ny zavatra angatahina halain’izy ireo sary an-tsaina ao amin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity.

Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny famonoana ny jiro sy fangatahana ny mpianatra hiezaka hilazalaza momba ny sary iray na hamaky zavatra iray. Avy eo dia areheto indray ny jiro ary asao hilazalaza na hamaky izany indray izy ireo.

Miaraka amin’io sary io ao an-tsaina, mariho ireo andian-teny ao amin’ny andininy 16 izay maneho ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mba hanampy anao hahatakatra ny Fahazavan’i Kristy.

Ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay teraka teo amin’izao tontolo izao dia nomena teo am-pahaterahana ny Fahazavan’i Kristy ho fanomezana maimaimpoana. Nahatsapa izany ianao. Izany dia ny fahatsapana ny mety sy ny tsy mety sy ny marina sy ny diso. Niaraka taminao izany hatrany am-piandohan’ny dianao ao amin’ny fiainana. …

… Isan’andro ary saika isan’ora ianao dia manao safidy izay mihazona anao handeha ao amin’ny fahazavana na hiala ho any amin’ny fahamaizinana. (Henry B. Eyring, “Walk in the Light,” Liahona, mey 2008, 123–124)

  • Inona no nianaranao momba ny Fahazavan’i Kristy?

,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Vakio ny Môrônia 7:18–19, hitadiavana torohevitra hafa nomen’i Môrmôna momba ny fanavahana ny tsara amin’ny ratsy.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mitady amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy”?

    Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra. Mety horesahin’ny mpianatra ny fisaintsainana mangina, ny fieritreretana fanapahan-kevitra, ary ny fihainoana ny feon’ny fieritreretantsika na feo anaty. Hevitra iray hafa ny fieritreretana ny zavatra izay hampanakaiky kokoa antsika amin’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hahafahan’ny ohatra sy ny fampianaran’ny Mpamonjy ho tahaka ny fahazavana hanampiana antsika hanavaka marina ny mety amin’ny tsy mety ankehitriny?

  • Inona no fomba hafa sasantsasany ahafahantsika mandre ny teniny sy mahatsapa ny fitaomany mitarika antsika?

Mety hilaina ihany koa ny manontany hoe: “Oviana no nahavitanao namantatra zavatra iray ho tsara na ratsy noho ny fahazavan’i Kristy teo amin’ny fiainanao?”

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Tadidio ilay toe-javatra noeritreretinao teo aloha tamin’ny fotoana nangatahana anao hieritreritra zavatra iray tianao havahana tsara kokoa hoe tsara na tsia. Makà minitra vitsy hiheverana am-bavaka ny fomba mety hampiasanao ireo fitsipika nianaranao androany mba hamantarana raha mety na tsy mety izany. Miezaha mitady amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy rehefa misaintsaina ilay toe-javatra. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina hamaranana ny fotoam-pianarana amina fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra nianaran’ny mpianatra.

  • Inona no nianaranao androany ka afaka manampy anao hanatsara ny fahaizanao misafidy ny mety sy ny tsy mety?

  • Amina sehatra roa na telo inona eo amin’ny fiainana no ahitanao ny filana manavaka amim-pahombiazana ny tsara amin’ny ratsy? Nahoana?

Hamoaka printy