Seminera
Môrônia 10:1–7: Mandray ny fijoroana ho vavolombelonao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna


“Môrônia 10:1–7: Mandray ny fijoroana ho vavolombelonao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 10:1–7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 10:1–7

Mandray ny fijoroana ho vavolombelonao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna

Sary
zatovo mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Nahatsapa fahatsapana na fihetseham-po avy amin’ny Fanahy ve ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna? Raha toa ka izany, inona no zavatra niainana na asa natao nanampy anao hahazo izany? Ao amin’ny sasany amin’ny zavatra nosoratany farany, i Môrônia dia nanantitrantitra fa Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Amin’ny alalan’ Andriamanitra, isika dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, sy ny fisian’i Jesoa Kristy marina ary “ny fahamarinan’ny zavatra rehetra” “amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:5). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahalala amin’ny tenanao manokana fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Mifantoha amin’ireo fitsipika mitondra fiovam-po. Ampio hahita fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpianatra. Amporisiho izy ireo handinika ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo mampitombo ny fiovam-pony sy manampy azy ireo hiasa amim-pinoana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Môrônia 10:1–7 ny mpianatra, hitadiavana ny teny na andian-teny rehetra izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra ilaina mba hahafantarana ny fahamarinana momba ny Bokin’i Môrmôna.

Sahanasa fianarana azo atao

Fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

Eritrereto hoe iza amin’ireto fanambarana ireto no takatrao indrindra tamin’ny fotoana nanombohanao nandalina ny Bokin’i Môrmôna:

  • Tsy azoko antoka hoe fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Atokisako ny hafa izay nilaza tamiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Nahatsapa fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Diniho ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna amin’izao fotoana izao. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny dingana manaraka hampanaovin’ny Tompo anao mba hahazoana, sy hampitomboana ary hijanonana ho mafy amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Ny famporisihan’i Môrônia

Rehefa avy nirakitra an-tsoratra ireo fampianaran-drainy i Môrônia, dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny olona rehetra mahafantatra amin’ny tenany manokana fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ny Môrônia 10:3–5 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra nolazain’i Môrônia momba ny fomba ahafahantsika mahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hijery ilay horonantsary hoe “Manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy i Môrônia” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:39 hatramin’ny 5:32, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Môrônia 10:4–5 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanazatra tena hampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Hevero ny hanoratra ity fanambarana tsy feno manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Avy eo dia asao izy ireo iray kilasy hameno azy eny amin’ny solaitrabe.

  • Afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna rehefa …

Ny sahanasa manaraka dia voarindra araka ny andian-teny telo amin’ny torohevitr’i Môrônia. Hevero ny fomba mety hahafahanao manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ireo andian-teny telo ireo. Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely sy hanendry ny vondrona tsirairay amin’ny iray amin’ireto sahanasa fandalinana manaraka ireto. Fantaro raha tsara kokoa ny hampisehoana ny toromarika amin’ireo sahanasa ireo na ny hanomezana tahadika ny vondrona tsirairay. Rehefa avy mifanakalo hevitra amin’ny valintenin’izy ireo ny vondrona, dia azon’izy ireo atao ny mizara amin’ny kilasy. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamintina ny hevitr’izy ireo eo akaikin’ny fanambarana eny amin’ny solaitrabe.

Vakio ny Bokin’ i Môrmôna

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilazalaza ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny mety ho niainanao ireo fitahiana ireo rehefa nandalina azy io ianao.

Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63)

  • Efa nisy niainanao ve ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Filoha Nelson an’ireo izay mandalina ny Bokin’i Môrmôna?

Asao hizara ny sasany amin’ireo fomba niainany ireo fitahiana ireo ny mpianatra izay maniry hanao izany. Ataovy azo antoka fa tsy misy mpianatra ataonao mahatsapa ho sadaikatra raha tsy misy zavatra niainana tonga ao an-tsainy. Omeo toky izy ireo fa mbola afaka miaina ireo fitahiana ireo izy ireo rehefa manohy mandalina ny Bokin’i Môrmôna.

Ny fahafantarana ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manamafy fa marina izy io ary avy amin’ Andriamanitra.

Saintsaino ny famindrampon’ny Tompo

  • Inona no ohatra ara-tsoratra masina sasantsasany amin’ny olona nandray ny famindram-pon’ny Tompo? Mety ho afaka mijery vitsivitsy ianao, tahaka an’i Nefia (2 Nefia 4:20–25), i Almà Zanany (Almà 36:17–21), na ny Nefita nositranin’ny Mpamonjy nandritra ny fitsidihany (3 Nefia 17:6–9).

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny famindrampon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao handray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fisaintsainana ny famindram-pon’ny Tompo?

Manontany an’Andriamanitra amim-kitsimpo sy amin’ny tena finiavana ary finoana an’i Kristy

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo? Amin’ny tena finiavana? Miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy (Môrônia 10:4)? Raha mila fanampiana ianao amin’ny famaliana izany, dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:10–17, hitadiavana ny fomba niantomoran’i Joseph Smith tanora ny vavaka nataony tamin-kitsimpo, sy tena finiavana, ary finoana an’i Kristy. (Fanamarihana: Ny andian-teny hoe tena finiavana dia midika fa raha vao maharay valiny iray amin’ireo vavakao ianao, dia hanao asa amin-kitsimpo amin’ilay fanambarana noraisinao.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana izany manampy antsika handray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana momba ny Bokin’i Môrmôna

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ny zavatra niainany tamin’ny fampiharana ny tanjon’i Môrônia. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ilay horonatsary “Vavolombelona velona” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 13:51 hatramin’ny 14:31, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Manantena aho fa efa nanandrana izany fampanantenana izany ho an’ny tenanareo manokana daholo ianareo na hanao izany ato ho ato. Mety tsy ho amin’ny alalan’ny zavatra iainana ara-panahy izay miseho indray mandeha sy mahery vaika ny valin’izany. Ho ahy dia tamin’ny fomba mangingina no nahatongavan’izany tamin’ny voalohany. Kanefa nihanahery ny fahatongavan’izany isaky ny namaky sy nivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna aho.

Tsy miantehitra fotsiny amin’ny zavatra nitranga tamin’ny fotoana lasa aho. Mba hiarovako ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Bokin’i Môrmôna, dia mandray matetika ilay fampanantenan’i Môrônia aho. Tsy raisiko ho fitahiana mandeha ho azy toy ny fanomezana voaray mandrakizay izany hoe fahazoana fijoroana ho vavolombelona izany. (Henry B. Eyring, “Fijoroana ho vavolombelona Mitombo,” Liahona, mey 2011, 127)

  • Ahoana no ahafahan’ny tenin’ny Filoha Eyring mihatra amintsika na impiry na impiry amakiantsika ny Bokin’i Môrmôna?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona amintsika ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy Ireo?

Asao ny mpianatra hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba nahatongavan’izy ireo tamin’ny fahalalana fa marina izy io. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.

Ireto manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny Môrônia 10:3–5.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra azonao atao hampiharana ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Eritrereto ny fomba ahafahanao manohy mandalina ny Bokin’i Môrmôna, misaintsaina ny famindrampon’ny Tompo, ary mangataka fijoroana ho vavolombelona amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Aiza ary rahoviana no hanaovanao ireo zavatra ireo? Ahoana no mety hamalian’ny Tompo ny vavakao?

Hamoaka printy