Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môrôna 10:4–5—“Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra”


“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5—‘Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5

“Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra”

Sary
zatovolahy iray mivavaka

Tamin’ny fandalinanareo ny Môrônia 10:1–7, dia nianatra ianao fa raha manontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo sy tena finiavana ary finoana an’i Kristy isika, dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Môrônia 10:4–5, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ampio hahatakatra ny mpianatra fa ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia môdely avy amin’ Andriamanitra. Ao amin’ny soratra masina ny Tompo dia manasa tsy tapaka ny zanany hangataka, sy hitady ary handondòna (ohatra, jereo ny Matio 7:7–8; 1 Nefia 15:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:18, 42:61). Rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra, dia ampahatsiahivo hahatoky sy hahari-po amin’ny fikatsahana valiny Izy ireo. Ijoroy ho vavolombelona fa isika dia afaka matoky ny Ray any An-danitra hanambara fahamarinana ao an-tsaintsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andalan-tsoratra masina manan-danja ao amin’ny Môrônia 10:4–5: “Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy. … Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Môrônià 10:1–7,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môrônià 10:4–5. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fanasana ireo izay nahavita ny sahanasa fanomanana ny mpianatra hanonona tsy ankijery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môrônia 10:4–5.

Ity sahanasa manaraka ity dia azo ampiasaina hanampiana ny mpianatra raha tsy nanao izany talohan’ny fotoam-pianarana izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mifandimby mamerina ny tsirairay amin’ireto fizaràna manaraka ireto miaraka amina namana iray mandrapahavitan’izy ireo manonona samirery ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja.

  • Môrônia 10:4–5

  • “Manontany amin-kitsimpo,

  • omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy. …

  • Mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity mba hanampy anao hahafantatra ny fahazoan’izy ireo ny zavatra nampianarin’i Môrônia ao amin’io andininy io.

  • Inona no azon’ny olona iray atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Fampiharana hanazaran-tena

Omeo fahafahana hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fangatahana ny mpianatra hifantina iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary hanazava ny fananan’izany lanja amin’izy ireo.

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity na anankiray mifandraika kokoa amin’ny mpianatrao mba hanampiana azy ireo hizatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Misy sosokevitra hafa ao amin’ny fizaràna hoe “Ireo asa fanampiny atao ao anatin’ny fianarana” any amin’ny faran’ity lesona ity.

Alaovy sary an-tsaina hoe avoaka ao amin’ny fizaràna hoe “Fanontaniana sy Valiny” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ity toe-javatra manaraka ity. Mba hahitana ohatra dia mijere famoahana vao haingana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • “Mpikambana tao amin’ny Fiangonana aho tamin’ny ankabeazan’ny fiainako. Miezaka mitandrina ny didy, mamaky ny soratra masiko, mivavaka ary mandeha miangona aho. Maheno olon-kafa mizara ny traikefan’izy ireo momba ny fahatongavana amin’ny fahalalana fa marina ny Bokin’i Môrmôna aho. Nahoana no tsy nomen’ Andriamanitra karazana traikefa toy izany aho?”

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely. Azon’izy ireo ifanakalozan-kevitra ny fomba ahafahan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy olona iray manana fanahiana tahaka ilay iray ao amin’ilay rafi-tantara eo ambony.

  • Inona no fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy harosonao hoeritreretin’io olona io voalohany? Nahoana?

  • Ahoana no mety hahafahan’ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môrônia 10:4–5 manampy anao hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’io toe-javatra io?

Rehefa mizara ny mpianatra, dia ataovy azo antoka fa fantatr’izy ireo fa tsy misy valinteny marina sy diso. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra, raha tsikaritrao fa tsy niresaka ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehetra ny kilasy, dia mety ho afaka mametraka fanontaniana momba ireo fitsipika tsy noresahin’izy ireo ianao. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no teny na andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:4–5 hamporisihanao mba hohalalinina sy ho takatr’io olona io bebe kokoa? Nahoana?

  • Inona avy no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy io olona io hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Manao asa amim-pinoana

  • Hanao ahoana raha ampiharina ny sasany amin’ny fanasan’i Môrônia ao amin’ny Môrônia 10:4–5 amin’io toe-javatra io? Ahoana no ifandraisan’ireo amin’ny fanaovana asa amim-pinoana?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Inona no fahamarinana momba an’ Andriamanitra, sy ny fomba ifandraisany amin’ny zanany ary ny fomba fijeriny, afaka manampy olona iray ao amin’io toe-javatra io?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny fotopampianarana ampianaina ao amin’ny Môrônia 10:4–5 mba hanampiana amina fanontaniana hafa tsy mifandray amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ny sahanasa famerenana tahaka ity manaraka ity dia tokony hampiasaina amin’ny lesona izay hampianarina tsy ho ela aorian’ity iray ity.

Ampahatsiahivo ilay sahanasa nataon’izy ireo mba hitadidiana ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja “Môrônia 10:4–5 ny mpianatra: Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy. … Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.” Asao ny mpianatra izay mbola mahay tsianjery izany mba hanonona izany amin’ny kilasy. Raha mila fanampiana ny hafa, dia hevero ny hampiseho eny amin’ny solaitrabe ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja. Asio fotoana amafana teny vitsivitsy sy anasana ny mpianatra hanonona ilay andian-teny mandra-pahavitan’izy ireo tsianjery izany.

Hamoaka printy