Seminera
Tombano ny fianaranao 10: Ny Bokin’i Môrmôna: 1 Nefia–Môrônia


“Tombano ny fianaranao 10: Ny Bokin’i Môrmôna; 1 Nefia–Môrônia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tombano ny fianaranao 10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tombano ny fianaranao 10

Ny Bokin’i Môrmôna; 1 Nefia–Môrônia

Sary
olona mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hanamafy orina ny fiovam-ponao. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ny fandrosoana sy fitomboana niainanao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity.

Asao hirakitra an-tsoratra ny fihetseham-po sy fahatsapan’izy ireo ny mpianatra. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa afaka mampianatra zavatra tsy tenenina mafy azy ireo mandritra ny fotoam-pianarana ny Fanahy Masina. Rehefa mirakitra an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy ireo ny mpianatra, dia mampitombo ny fahaizan’izy ireo mamantatra ny Fanahy sy mianatra Aminy izy ireo. Izany dia afaka mamela ny Tompo hanohy hitari-dalana ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy miomana hizara fahatakarana na fahamarinana nianaran’izy ireo ka nampitombo ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hanana fahafahana hisaintsainana ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hampivelatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ho tonga miova fo kokoa ao Aminy. Raha toa ka hanampy ny fifantohana amina fahamarinana manokana nohalalinin’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia azonao atao ny manamboatra ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo. Azon’ny mpianatra vitaina amin’ny filaharana rehetra ireo sahanasa ireo.

Ahoana ny fahatsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna?

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba niantraikan’ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity tamin’ny fihetseham-po sy fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Azonao atao ny mampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanombohana fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny mpianatrao.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa antsika hieritreritra fanontaniana telo mifandray amin’ny Bokin’i Môrmôna:

Azonao atao ny mampiseho ireo fanontaniana telo ao amin’ity fanambarana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe.

Voalohany, hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna? Faharoa, inona ny zavatra mety tsy ho fantatrao? Ary ny fahatelo dia, inona ny zavatra tsy ho nanananao? (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61)

Asao hifanakalo hevitra momba ny fanontaniana telo ao amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ny mpianatra. Miankina amin’ny mpianatrao, azonao atao ny manome azy ireo fotoana hifanakalo hevitra momba izany anatina vondrona kely alohan’ny hanaovana izany miaraka amin’ny iray kilasy. Henoy tsara rehefa mamaly ny mpianatra, ary mametraha fanontaniana fanarahana mba hanampiana azy ireo haneho ny heviny mazava sy lalina kokoa.

Inona no takatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ity fizaràna manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanazava fampianarana samihafa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilazalaza ny iray amin’ireo anjara asa manan-danjan’ny Bokin’i Môrmôna:

Misy zavatra mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny Malalany ny zanak’ Andriamanitra iray. Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61)

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa avy nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mamerina mijery ny soratra masinao sy ny diary fandalinanao mba hahitana fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mety ho nasianao marika na fanamarihana kely nandritra ny taona. Mitanisà fahamarinana telo na efatra izay tena nanan-danja taminao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Rehefa avy mamerina mijery ny diary fandalinan’izy ireo na ny soratra masin’izy ireo ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny manao lisitra ny fahamarinana manan-danja eny amin’ny solaitrabe. Mety ho azon’ny mpianatra ampidirina ihany koa ny eritreritra avy amin’ny fanomanana ny fotoam-pianarana nataon’izy ireo.

Mba hamporisihana ny fitadidian’ny mpianatra na hanampiana ireo izay sahirana amin’ny famakiana teny, dia hevero ny handefa ny iray amin’ireo horonantsarin’ny Bokin’i Môrmôna tafiditra ao amin’ny “Ireo asa fanampiny atao ao anatin’ny fianarana.”

Mitadiava andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny izay manohana ny fahamarinana tsirairay voatanisa ao amin’ny diary fandalinanao. Soraty eo akaikin’ny fahamarinana tsirairay ny toko sy andinin-tsoratra masina, ary hazavao ny fomba ahafahanao mampiasa ilay andinin-tsoratra masina mba hampianarana izany fahamarinana izany.

Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana ireo andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpianatra, dia mety ho azonao zaraina amin’izy ireo ny sasany amin’ireto manaraka ireto. Aoka ho mailo sy ho vonona hanampy ny mpianatra izay mety ho mila fanampiana fanampiny.

Makà fotoana hizaràn’ny mpianatra fampianaran’ny Bokin’ny Môrmôna nosafidian’izy ireo ao amin’ny kilasy. Azon’ny mpianatra atao ny mizara amin’ny kilasy iray manontolo, na azo zaraina ho vondrona kely kokoa izy ireo.

Ahoana no niantraikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fomba iainanao ny fiainanao?

Ity fizaràna manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina sy haneho ny fomba iezahan’izy ireo miaina ny fotopampianarana sy fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ity teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) manaraka ity, hitadiavana ny zavatra nampianariny momba ny herin’ny Bokin’i Môrmôna:

Fanamarihana: Azon’ny mpianatra atao ny mijery sy mamaky ity fanambarana manaraka ity ao amin’ny andiam-pehezanteny fahenina ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
ny Mpaminany Joseph Smith

© 1998 David Lindsley

Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa. (Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; jereo ihany koa ny History of the Church, 4:461)

Ny hoe “manaja ny fitsipiny” dia midika hoe miaina amin’ireo fitsipika sy fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Saintsaino fotoana fohy ny fiantraikany teo amin’ny eritreritrao, toe-tsainao, na ny zavatra ataonao, noho ny zavatra nianaranao tamin’ny Bokin’i Môrmôna.

Omeo fotoana hamaliana ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hieritreritra sy hanasa ny Fanahy masina hanampy azy ireo hahita ny fomba niantraikan’ny fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Ahoana no nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona avy no fampianarana manokana azonao nampiharina avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona avy no fitahiana niainanao rehefa nandalina tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna ianao?

Asao hizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra. Raha misy ny fotoana, dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fampianarana manan-danja izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy