Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1: 1 Nefia 3:7 hatramin’ny Môzià 18:8–10


“Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1: 1 Nefia 3:7 hatramin’ny Môzià 18:8–10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1

1 Nefia 3:7 hatramin’ny Môzià 18:8–10

Ity famerenana fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao ho traikefa fianarana mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 izay hita ao amin’ny 1 Nefia ka hatramin’ny Môzià. Izy ity dia hamela azy ireo haneho fahatakarana sy fampiharana ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo. Natao hanampy amin’ny fanomanana ny mpianatra amin’ny fitsapam-pahaizana manaraka (“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1”) ihany koa izy ity.

Ity lesona famerenana ity dia natao ho traikefa fianarana virtoaly na mivantana.

Ampiasao ity famerenana ity ary ataovy ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana rehefa avy ampianarina avokoa ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra manomboka ao amin’ny 1 Nefia ka hatramin’ny Môzià. Asio fotoana ampy eo anelanelan’ity famerenana ity sy ny fitsapam-pahaizana mba hahafahan’ny mpianatra mandalina andininy tsy hain’izy ireo tsara. Mety ho tsy maintsy ilaina ny manamboatra ny fandaharam-potoanan’ny fampianarana mba hamitana izany, mba hahafahana manao ilay fitsapam-pahaizana alohan’ny fiafaran’ny antsasany voalohany amin’ny fianarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Hevero ny hamantatra ireo zavatra izay ilain’ny mpianatra, ary misafidiana ampahany amin’ity famerenana ity izay hanampy azy ireo hiomana tsara amin’ny “Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1.” Mandritra ity famerenana ity dia asao hanamarika ireo andalan-tsoratra masina izay tsy hain’izy ireo tsara ny mpianatra ary hanao drafitra ny handalina sy hanao famerenana ireo andinin-tsoratra masina ireo mba ho fiomanana ho amin’ny fitsapam-pahaizana.

Ireo andiam-panontaniana ao amin’ny sahanasa famerenana 1 sy 2 dia natao hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azo ampiasaina hampandraisana anjara ny mpianatra amin’ny dingam-pamerenana ny sahanasa samy hafa. Ny hevitra sasany dia hita ao amin’ny application ho an’ny finday Maîtrise de la doctrine.

Sahanasa famerenana 1: Fantaro ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ampio hanao famerenana sy ho vonona hampifandray ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto amin’ny andian-teny manan-danja ny mpianatra. Amporisiho hanamarika ireo andininy mbola tsy hain’izy ireo ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo manohy mandalina izany alohan’ny hanaovana ilay fitsapam-pahaizana.

Fomba iray hampandraisana anjara ny mpianatra amin’ity famerenana ity ny fanoratana ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina miisa 12 amina taratasy misaraka sy ny fanoratana ny tsirairay amin’ireo andian-teny manan-danja miisa 12 amina taratasy misaraka. Avy eo dia araiketo amin’ny rindrina atao amina toerana anjoanjo manerana ilay efitrano ny taratasy 24 ka ny misy soratra no mitodika any amin’ny rindrina mba tsy hahitan’ny mpianatra izay eo amin’ilay taratasy.

Manasà mpianatra iray hisafidy taratasy iray, hamadika izany ary hamaky azy. Asao hanoratra izay heverin’izy ireo ho andinin-tsoratra masina na andian-teny mifandray amin’izany ny mpianatra rehetra. Avy eo dia asao io mpianatra izay io hamadika taratasy iray hafa mba hahitana raha mifandray ireo taratasy ireo. Raha mifandray izy ireo dia esory hiala amin’ny rindrina. Raha tsy mifandray izy ireo dia asaovy apetak’ilay mpianatra amin’ny rindrina indray mba tsy ahafahan’ny mpianatra mamaky izany. Avy eo dia manasà mpianatra iray hafa hisafidy ny taratasy roa manaraka. Tohizo io dingana io mandra-pahita izay mifandray rehetra ka ialan’izy ireo eo amin’ny rindrina.

Valiny: 1-k, 2-d, 3-h, 4-a, 5-m, 6-g, 7-i, 8-j, 9-b, 10-f, 11-l, 12-e

Andian-teny manan-danja

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja

  1. “[Esory] ny maha olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja

  1. “Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja

  1. “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja

  1. “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja

  1. Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja

  1. “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja

  1. “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja

  1. “Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja

  1. “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja

  1. Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja

  1. “Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja

  1. “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 18:8–10

Sahanasa famerenana 2: Fantaro ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ampio hamerina ireo andian-teny manan-danja amin’ny fomba mahasarika ny mpianatra. Amporisiho hanamarika ireo izay mbola tsy hain’izy ireo mba hahafahan’izy ireo manohy mandalina izany alohan’ny hanaovana ilay fitsapam-pahaizana.

Fomba iray anaovana izany ny fanomezana andian-teny manan-danja samy hafa ny mpianatra samy hafa. Asao hifantina teny telo avy amin’ny andian-teny manan-danjan’izy ireo izay tian’izy ireo havela ho banga ny mpianatra tsirairay. Avy eo dia asao hifandimby hitsangana sy hamaky ny andian-tenin’izy ireo miaraka amin’ny banga izay nosafidìn’izy ireo ny mpianatra mandritra ny fotoana anandraman’ny kilasy manoratra ny teny mety eo amin’ny banga.

Mety ho afaka misafidy ny hamerina ny andian-teny manan-danja 12 rehetra amin’io fomba io ianao fa tsy ireto andian-teny aroso manaraka ireto fotsiny.

Valiny: (1) misafidy; fiainana; fahababoana; (2) fanompoana; Andriamanitra (3) araka ny nofo; olomasina; soropanavotana; (4) Andriamanitra; mino; fahendrena; (5) hatao batisa; vavolombelona; fanekempihavanana

Fenoy amin’ny teny tsy eo na teny avy amin’ny andian-teny manan-danja ny banga.

  1. “Afaka izy fahalalahana sy ny … na … sy ny fahafatesana” (2 Nefia 2:27).

  2. “Rehefa eo amin’ny mpiara-belona aminareo ianareo dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana ” (Môzià 2:17).

  3. “[Esory] ny maha olona [ary tongava] amin’ny alalan’ny Kristy Tompo” (Môzià 3:19).

  4. “Minoa ; … fa Izy dia manana ” (Môzià 4:9).

  5. Aoka “ amin’ny anaran’ny Tompo … fa efa nanao taminy” (Môzià 18:8–10).

Sahanasa famerenana 3: Ampiharo ny fotopampianarana

Ity sahanasa manaraka ity dia hanampy ny mpianatra haneho ny fahatakarany ireo fahamarinana ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny famelana azy ireo hanazava ny fomba azo ampiharana izany amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny soratra masin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hisafidy andalan-tsoratra fifehezana fotompampianarana iray na maromaro izay tsapany fa afaka manampy ilay olona voalaza ao amin’ny rafi-tantara tsirairay. Asao izy ireo hanazava ny fomba ahafahan’ny fahamarinana avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina manampy ilay olona. Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro no azo ampiharina amin’ny rafi-tantara tsirairay.

  1. Manana fanapahan-kevitra lehibe horaisina izay mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny hoaviny ny zatovolahy iray. Matahotra izy ary tsy azony antoka hoe inona no safidy hatao.

  2. Tsy manohana ny fanapahan-keviny hitandrina ny didin’ Andriamanitra ny ray aman-drenin’ny zatovovavy iray. Te ho mpankatò izy saingy toa sarotra izany amin’ny toe-javatra misy azy.

  3. Esoin’ny mpiara-mianatra aminy noho ny fiainany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny iray amin’ny namanao. Te hanome toky azy ianao fa mendrika ny hitoetra ho mahatoky amin’ny fanekempihavanany izy.

Rehefa mahavita ny fifanakalozan-kevitra momba ireo rafi-tantara telo teo aloha ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hiaraka hiasa amina namana iray mba hamorona rafi-tantara hafa. Afaka mifantina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ny mpianatra tsirairay. Avy eo, amin’ny alalan’ny fampiasana nosafidin’ny namany ho azy ireo, dia azon’ny mpianatra atao ny mieritreritra sy mizara rafi-tantara iray rehefa afaka manampy olona iray izany andininy izany.

Sahanasa famerenana 4: Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Mety hahomby raha lalaovin’ny mpianatra anatina vondrona misy olona telo io sahanasa io, ka ny mpianatra tsirairay dia manazava fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ianao dia manana namana iray izay mametra-panontaniana hoe nahoana ny zavatra sasany nampianarina azy vao haingana tany am-pianarana no toa manohitra ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina.

Ampianaro ny namanao ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo manaraka ireto sy ny fomba ahafahany mampiasa izany mba hahazoana ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny olany.

  • Manao asa amim-pinoana

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiasa ao anatina vondrona misy olona telo, ka ny mpianatra tsirairay dia hanoratra ny valinteniny amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto amina taratasy iray.

Manaraka izany, asao hifanakalo taratasy izy ireo ary hanoratra eo amin’ny taratasin’ny mpianatra hafa ny zavatra tian’izy ireo momba ny valintenin’izany mpianatra izany. Avy eo dia angataho hifanakalo ny taratasin’izy ireo fanindroany izy ireo mba hahatonga azy ireo hahavaly ny mpikambana roa ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Farany, asao izy ireo haka ny taratasin’izy ireo ary hamaky ny valintenin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy azy ireo.

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ny 1 Nefia hatramin’ny Môzià ireo no mety hanampy ny namanao? Ahoana no ahafahan’ireo andalan-tsoratra masina ireo manampy?

  • Nahoana no hoe manampy ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa mikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika na ny ahiahintsika isika?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiasanao ireo fitsipika ireo mba hanampiana ny hafa na hamahana ny olanao manokana?

Sahanasa famerenana 5: Andalan-tsoratra masina misy dikany manokana eo amin’ny fiainanao

Asao ny mpianatra hisaintsaina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay nisy fiantraikany tamin’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo hatreto tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho afaka misafidy iray izay nanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo. Hazavao fa hanana fahafahana hizara ny andalan-tsoratra masina izay nosafidiny izy ireo ao anatin’ny fitsapam-pahaizana.

Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny fitsapam-pahaizana (“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1”).

Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1—Tari-dalana ho an’ny fandalinana

Ianaro tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ataovy izay hahatonga anao ho zatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja. Azonao atao ny misintona sy mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampy anao amin’ny famerenana.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Ampiharo amin’ny toe-javatra tena misy ny fotopampianarana

  • Mampiasà anankiray na maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanampiana olona iray izay maniry ny hahazo fitarihana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainany.

  • Misafidiana andininy iray na maromaro mba hanampiana olona iray izay mahatsapa fa ny toe-javatra misy azy ireo dia manasarotra ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra.

  • Misafidiana iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary mieritrereta toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahamarinana ampianarina ao amin’izany andalan-tsoratra masina izany manampy tanora iray eo amin’ny fiainany. Raha azo atao dia mieritrereta toe-javatra tena misy izay fantatrao na natrehinao.

  • Miomàna hizara ny hoe iza tamin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no nisy fiantraikany indrindra teo aminao. Inona no ampianarin’izany andinin-tsoratra masina izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. (2023). Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana olona iray handresy zava-tsarotra na ahiahy iray atrehiny.

Hamoaka printy