Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2: Almà – Môrônia


“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2: Almà – Môrônia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2

Almà Môrônia

Nandritra ny tapany faharoa tamin’ity fianarana ity, ny mpianatra dia nandalina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 manomboka amin’ny Almà hatramin’ny Môrônia. Ity fitsapam-pahaizana ity dia natao hanombanana ny fahaizan’ny mpianatra mitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo, eo ihany koa ny fahaizan’izy ireo mampihatra azy ireny amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Izy io dia hanombana ihany koa ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ataovy ity fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ity, amin’ny fotoana iray tendrenao, rehefa avy mampianatra ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra avy ao amin’ny Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5 ianao. Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra, ampianaro ny “Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2” na omeo ilay tari-dalana momba ny fandalinana hita any amin’ny fiafaran’izany lesona izany ny mpianatra. Mety ho tsy maintsy ilaina ny hampianatra ny sasany amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana alohan’ny hitrangan’izy ireo araka ny filaharan’ny lesona, mba hahafahana manao ilay fitsapam-pahaizana alohan’ny fiafaran’ny taona.

Raha azo atao dia ataovy mivantana ity fitsapam-pahaizana ity ary omeo naoty tsy ela aorian’ny ahavitan’ny mpianatra azy. Azonao atao ny manome naoty manokana ny fitsapam-pahaizana tsirairay ary avy eo dia miresaka ny valiny marina miaraka amin’ny iray kilasy, na azonao atao ny manasa ny mpianatra tsirairay hanome naoty ny azy. Noho ny mety hizaràn’ny mpianatra fampahalalana momba ny tenan’izy ireo manokana amin’ny valintenin’izy ireo sasany, dia aza angatahina hitsara ny fitsapam-pahaizan’ny mpianatra hafa ny mpianatra.

Ankoatra ny fanaovana tombana ny fahalalan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao, ny fanaovana sy firesahana ny fitsapam-pahaizana dia natao ho fotoana hanaovana fandinihan-tena manokana ho an’ny mpianatra. Eo am-piresahana ny fanitsiana ny fanontaniana 7–12, dia asao ny mpianatra hilaza ny antony nisafidianany ny valiny izay nosafidiny ary hanazava ny fomba ahafahan’ilay (ireo) andalan-tsoratra masina nosafidiny manampy amin’ireo toe-javatra voalazalaza. Ampio hahatakatra ireo fanontaniana izay mety tsy voavaliny araka ny tokony ho izy ny mpianatra. Makà fotoana hamaliana ireo fanontaniana hafa mety hananan’ny mpianatra.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Fitsapam-pahaizana 2

Toko sy andininy fifehezana fotopampianarana

Ho an’ny fanontaniana 1–3, soraty ilay litera mifandray amin’ny toko sy andininy eo amin’ny banga eo akaikin’ny andianteny tsirairay. Aza mampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

Andianteny manan-danja

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. “Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

  1. Almà 39:9

  1. “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

  1. Almà 41:10

  1. “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

  1. Môrônia 7:45–48

  1. Helamàna 5:12

  1. Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ho an’ny fanontaniana 4–6, fenoy ny teny tsy eo amin’ireo andianteny manan-danja fifehezana fotopampianarana. Aza mampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

  1. “Manontany amin- , omban’ny tena , sady mino an’i Kristy. … Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo ny fahamarinan’ny zava-drehetra.” (Môrônia 10:4–5)

  2. “Eo amin’ny antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny .” (Helamàna 5:12)

  3. “Tsy mandray ianareo raha tsy aorian’ny ny .” (Etera 12:6)

Fampiharana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana

Azonao atao ny mampiasa ny soratra masinao amin’ny ambin’ny fitsapam-pahaizana.

Ho an’ny fanontaniana 7–9, mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro manomboka amin’ny Almà hatramin’ny Môrônia izay afaka manampy ny olona iray amin’ireto toe-javatra manaraka ireto. Hazavao ny antony nisafidiananao ilay (ireo) andalan-tsoratra masina nosafidinao.

  1. Te hahafantatra ny zavatra tokony hataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy ny zatovovavy iray izay mianatra momba ny Fiangonana.

  2. Tsy azon’ny namanao ny lanjan’i Jesoa Kristy ary manontany anao ny zavatra nataony ho antsika izy.

  3. Te hahafantatra ny fomba ahafahany mahazo ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra mba ho voaaro amin’ny fakam-panahin’i Satana ny zatovolahy iray.

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ho an’ny fanontaniana 10–11, asehoy ny fahalalanao sy ny fahaizanao mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  1. Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto?

    1. Manao asa amim-pinoana.

    2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

    3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

  2. Mahatsapa ny zatovovavy iray indraindray fa toa mametra loatra ny didin’ Andriamanitra. Manontany tena izy hoe ho sambatra kokoa ve raha afaka miaina ny fiainany amin’izay fomba tsapany fa mety indrindra fotsiny.

    Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zavatra manokana azon’io olona io atao mba hanaovana asa amim-pinoana?

    2. Afaka ny hanampy azy amin’ny fomba ahoana ny fahitana io toe-javatra io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

    3. Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ohatra amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mety hanampy amin’io toe-javatra io? Ahoana izany?

  3. Tamin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 nohalalininao tamin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna, inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nanampy na nanan-danja taminao manokana? Nahoana?

Omeo fotoana ampy hamitana ny fitsapam-pahaizana ny mpianatra. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia iaraho jerena amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny mitsara ny fitsapam-pahaizana na manasa ny mpianatra hitsara ny asan’izy ireo.

Valiny:

  1. d. Môrônia 7:45–48

  2. f. Almà 7:11–13

  3. a. Almà 39:9

  4. amin-kitsimpo; finiavana; fantarina

  5. vatolampin’ny; Mpanavotra; fototrareo

  6. fijoroana ho vavolombelona; fizahan-toetra; finoanareo

  7. Ao anatin’ny valinteny mety hiseho ny 3 Nefia 27:20 na ny Môrônia 7:45–48, saingy azo omena naoty amin’ny fampiasany izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra raha afaka manazava ny fomba iharan’ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina.

  8. Ao anatin’ny valinteny mety hiseho ny Almà 7:11–13 na ny Almà 34:9–10, saingy azo omena naoty amin’ny fampiasany izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra raha afaka manazava ny fomba iharan’ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina.

  9. Ao anatin’ny valinteny mety hiseho ny Helamàna 5:12 na ny Etera 12:27, saingy azo omena naoty amin’ny fampiasany izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra raha afaka manazava ny fomba iharan’ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina.

  10. Tokony ho afaka manazava fohifohy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Hevero ny hanasa azy ireo hampitaha ny valintenin’izy ireo amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

  11. Tokony ho vitan’ny mpianatra ny manazava ny fomba ahafahan’io zatovovavy io manao asa amim-pinoana sy mamakafaka hevi-dehibe sy fanontaniana amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Tokony hitady andalan-tsoratra masina izay afaka manampy amin’ny ahiahiny ihany koa izy ireo. Ao anatin’ny valiny mety hiseho ny Almà 41:10, Etera 12:6, ary ny Môrônia 10:4–5.

  12. Rehefa mbola mamaly io fanontaniana io amin-kitsimpo sy manontolo ny mpianatra dia tokony homena naoty tsara. Asao ny mpianatra hiresaka ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidin’izy ireo tamin’ny fanontaniana 12 sy ny antony nisafidianan’izy ireo izany. Mety hahomby raha manasa mpianatra betsaka araka izay azo atao hizara mandritra ny fotoana sisa tavela. Asao izy ireo hizara ny zavatra ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Farano ilay fitsapam-pahaizana amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny fahafantarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, araka ny ahitana azy ao amin’ny soratra masiny, sy ny fahavononana hampihatra ny fampianarany amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hamoaka printy