Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1: 1 Nefia 3:7 hatramin’ny Môzià 18:8–10


“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1: 1 Nefia 3:7 hatramin’ny Môzià 18:8–10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1

1 Nefia 3:7 hatramin’ny Môzià 18:8–10

Nandritra ny tapany voalohany tamin’ity fianarana ity, ny mpianatra dia nandalina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna manomboka amin’ny 1 Nefia hatramin’ny Môzià. Ity fitsapam-pahaizana ity dia natao hanombanana ny fahaizan’ny mpianatra mitadidy ny toko sy andininy sy andian-teny manan-danja amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo, eo ihany koa ny fahaizan’izy ireo mampiasa azy ireny amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Izy io dia hanombana ihany koa ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ity fitsapam-pahaizana ity dia tokony hatao alohan’ny fiafaran’ny tapany voalohany amin’ny fianarana. Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra, ampianaro ny“Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1” na omeo ilay tari-dalana momba ny fandalinana hita any amin’ny fiafaran’izany lesona izany ny mpianatra. Ankoatra izany, ampianaro ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra manomboka amin’ny 1 Nefia hatramin’ny Môzià alohan’ny hanaovana ity fitsapam-pahaizana ity. Mety ho tsy maintsy ilaina ny manamboatra ny fandaharam-potoanan’ny fampianarana mba hanatanterahana izany.

Raha azo atao dia ataovy mivantana ity fitsapam-pahaizana ity ary tsarao ao an-dakilasy avy hatrany raha vao vitan’ny mpianatra na amin’ny fotoam-pianarana manaraka.

Ankoatra ny fanaovana tombana ny fahalalan’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao, ny fanaovana sy fanitsiana ny fitsapam-pahaizana dia natao ho zavatra manan-danja sy mampiorim-paka ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny mpianatra. Eo am-panaovana ny fanitsiana ny fanontaniana 7–12, dia asao ny mpianatra hilaza ny antony nisafidianany ny valiny nosafidiny ary hanazava ny fomba ahafahan’ilay andalan-tsoratra masina nosafidiny manampy amin’ireo toe-javatra voalazalaza. Ampio hahatakatra ireo fanontaniana izay mety tsy voavaliny araka ny tokony ho izy ny mpianatra. Makà fotoana hamaliana ireo fanontaniana hafa mety hananan’ny mpianatra.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Fitsapam-pahaizana 1

Toko sy andininy fifehezana fotopampianarana

Ho an’ny fanontaniana 1–3, soraty ilay litera mifandray amin’ny toko sy andininy eo amin’ny banga eo akaikin’ny andianteny tsirairay. Aza mampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

Andian-teny manan-danja

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja

  1. “Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja

  1. “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja

  1. “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. 2 Nefia 2:27

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 2:41

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. Môzià 3:19

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ho an’ny fanontaniana 4–6, fenoy ny teny tsy eo amin’ireo andianteny manan-danja fifehezana fotopampianarana. Aza mampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

  1. “Rehefa eo amin’ny mpiara-belona aminareo ianareo dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana ” (Môzià 2:17).

  2. “[Esory] ny maha-olona [ary tongava] amin’ny alalan’ny Kristy Tompo” (Môzià 3:19).

  3. Aoka “ amin’ny anaran’ny Tompo … fa efa nanao taminy” (Môzià 18:8–10).

Fampiharana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana

Azonao atao ny mampiasa ny soratra masinao amin’ny ambin’ny fitsapam-pahaizana.

Ho an’ny fanontaniana 7–8, mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro izay afaka manampy ny olona iray amin’ireto toe-javatra manaraka ireto ary hazavao ny fomba ahafahan’ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina manampy. Avy eo dia araho ny tari-dalana amin’ny fanontaniana 9.

  1. Manana fanapahan-kevitra lehibe horaisina izay mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny hoaviny ny zatovolahy iray. Matahotra izy ary tsy azony antoka hoe inona no safidy hatao.

  2. Miaina amina toe-javatra izay tsapany fa manasarotra be ny fitandremany ny didin’ Andriamanitra ny zazavavy iray. Te ho mpankatò izy saingy toa sarotra izany amin’ny toe-javatra misy azy.

  3. Misafidiana iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 manomboka amin’ny 1 Nefia hatramin’ny Môzià, ary mizarà toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahamarinana ampianarina ao amin’izany andalan-tsoratra masina izany manampy tanora iray eo amin’ny fiainany.

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ho an’ny fanontaniana 10–11, asehoy ny fahalalanao sy ny fahaizanao mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  1. Hazavao fohifohy amin’ny teninao manokana ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo manaraka ireto.

    1. Manao asa amim-pinoana.

    2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

    3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

  2. Misy namana iray mametra-panontaniana hoe nahoana ny zavatra sasany nampianarina azy vao haingana tany am-pianarana no toa manohitra ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zavatra manokana azony atao mba hanaovana asa amim-pinoana?

    2. Ahoana no ahafahan’ny fahitana io toe-javatra io amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy azy?

    3. Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ohatra amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana inona manomboka amin’ny 1 Nefia hatramin’ny Môzià no mety hanampy ny namanao? Amin’ny fomba ahoana?

Fiantraikany eo amin’ny fiainanao

  1. Inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray nohalalininao tamin’ity enim-bolana ity ka nisy fiantraikany taminao? Inona no fiantraikan’izany taminao? Inona no ampianarin’io andalan-tsoratra masina io anao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana ampy hamitana ny fitsapam-pahaizana ny mpianatra. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia iaraho jerena amin’ny iray kilasy. Fantaro raha tsara kokoa ny hanitsian’ny mpianatra, izy ireo ihany, ny zavatra nataony, na ny hanomezana izany ny mpiara-mianatra iray hanitsiany azy.

Valiny

  1. e. Môzià 2:41

  2. a. 1 Nefia 3:7

  3. b. 2 Nefia 2:25

  4. fanompoana; Andriamanitrareo

  5. araka ny nofo; olomasina; sorompanavotana

  6. hatao batisa; vavolombelona; fanekempihavanana

  7. Ao anatin’ny valinteny mety hiseho ny 2 Nefia 32:3 sy ny 2 Nefia 32:8–9, saingy azo omena naoty amin’ny fampiasany izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra raha afaka manazava ny fomba iharan’ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina.

  8. Ao anatin’ny valinteny mety hiseho ny 1 Nefia 3:7 sy ny Môzià 2:41, saingy azo omena naoty amin’ny fampiasany izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra raha afaka manazava ny fomba iharan’ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina.

  9. Rehefa mbola mamaly io fanontaniana misokatra io amin-kitsimpo sy manontolo ny mpianatra dia tokony homena naoty tsara.

  10. Tokony ho afaka manazava fohifohy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Hevero ny hanasa azy ireo hampitaha ny valintenin’izy ireo amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

  11. Tokony ho vitan’ny mpianatra ny manazava ireo asa mifandray amin’ny fanaovana asa amim-pinoana sy ny fitahiana amin’ny famakafakana hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Tokony hotadiavin’izy ireo ihany koa ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay afaka manampy olona iray izay mety mametra-panontaniana amin’ny antony toa anoheran’ny fampianarana sasany eo amin’izao tontolo izao ny zavatra nampianarin’ny Tompo. Ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina azon’ny mpianatra ampiasaina dia ahitana ny Môzià 4:9 sy ny 2 Nefia 28:30.

  12. Rehefa mbola mamaly io fanontaniana misokatra io amin-kitsimpo sy manontolo ny mpianatra dia tokony homena naoty tsara. Asao izy ireo hiresaka ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidin’izy ireo sy ny antony nisafidianan’izy ireo izany. Hevero ny mba hahamaro araka izay azo atao ny isan’ny mpianatra izay hanao fizarana araka ny fotoana ananana. Asao izy ireo hizara ny zavatra ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Farano ilay fitsapam-pahaizana amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny herin’ny fahatakarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy araka ny ahitana azy ao amin’ny soratra masiny sy ny fahalalana ny fomba ampiharana ny fampianarany amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hamoaka printy