Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2: Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5


“Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2: Almà 7:11–13 hatramin’ny 10:4–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2

Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5

Ity famerenana fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao ho traikefa fianarana mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 manomboka amin’ny Almà ka hatramin’ny Môrônia. Izy ity dia hamela azy ireo haneho fahatakarana sy fampiharana ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo. Natao hanampy amin’ny fanomanana ny mpianatra amin’ny fitsapam-pahaizana manaraka (“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2”) ihany koa izy ity

Ity traikefam-pianarana ity dia hahasoa indrindra ny mpianatra raha afaka miara-miasa mandritra ny fotoam-pianarana iray izy ireo. Raha mpampianatra any an-trano ianao na an-jotra, dia ataovy azo antoka fa manao izany mandritra ny iray amin’ireo kilasinao isan-kerinandro ianao.

Ampiasao ity famerenana ity ary ataovy amin’izay fotoana hanaovana azy ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana rehefa avy ampianarinao ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra avy ao amin’ny Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5. Asio fotoana ampy eo anelanelan’ity famerenana ity sy ny fitsapam-pahaizana mba hahafahan’ny mpianatra mandalina ireo andininy tsy hain’izy ireo tsara. Mety ho tsy maintsy ilaina ny hampianatra ny sasany amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana alohan’ny hitrangan’izy ireo araky ny filaharan’ny lesona, mba hahafahana manao ilay fitsapam-pahaizana alohan’ny fiafaran’ny taona.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Hevero ny zavatra ilain’ny mpianatrao, ary misafidiana ampahany amin’ity famerenana ity izay hanampy azy ireo hiomana tsara amin’ny “Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2.” Mandritra ity famerenana ity dia asao hanamarika ireo andalan-tsoratra masina tsy hain’izy ireo tsara ny mpianatra ary hanao drafitra ny handalina sy hanao famerenana ireo andinin-tsoratra masina ireo mba ho fiomanana ho amin’ny fitsapam-pahaizana.

Ireo andiam-panontaniana ao amin’ny sahanasa famerenana 1 sy 2 dia sosokevitra hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andianteny manan-danja nohalalinin’izy ireo nandritra io tapany amin’ny fampianarana io. Azo ampiasaina hanatanterahana izany araka ny filan’ny mpianatra ny sahanasa samy hafa. Ahitana hevitra fanampiny ao amin’ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana teo aloha na ao amin’ny fampiharana am-pinday Fifehezana Fotopampianarana ny lesona.

Sahanasa famerenana 1: Ampifandraiso ny toko sy andininy sy ny andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Hevero ny hampiasa ity andiam-panontaniana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo toko sy andinin-tsoratra sy andianteny manan-danja nohalalinin’izy ireo nandritra io tapany tamin’ny fampianarana io.

Valiny: 1-d, 2-f, 3-a, 4-j, 5-g, 6-b, 7-k, 8-i, 9-l, 10-m, 11-h, 12-e

Azo atao solon’ilay andiam-panontaniana ny fanaovana printy ny tsirairay amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina 12 sy ireo andian-teny manan-danja ho amina tapaka taratasy misaraka. Omeo taratasy iray ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo hitady sy hijoro eo akaikin’ny olona manana ny taratasy misy ny toko sy andininy na andian-teny manan-danja mifandray amin’ny azy. Aorian’izay dia azonao atao ny manafangaro ny taratasy sy mamerina ilay sahanasa imbetsabetsaka indray.

Ampifandraiso amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana marina ao amin’ny tsanganana ankavanana ireto andian-teny manan-danja ao amin’ny tsanganana ankavia manaraka ireto.

Andian-teny manan-danja

Toko sy andinin-tsoratra masina

  1. “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

  1. Almà 7:11–13

  1. “Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

  1. Almà 34:9–10

  1. “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

  1. Almà 39:9

  1. “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

  1. Almà 41:10

  1. “Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

  1. Helamàna 5:12

  1. “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

  1. 3 Nefia 11:10–11

  1. “Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

  1. 3 Nefia 12:48

  1. “Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

  1. 3 Nefia 27:20

  1. “Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

  1. Etera 12:6

  1. “Manontany amim-kitsimpo, omban’ny tena finiavana sady mino an’i Kristy. … Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

  1. Etera 12:27

  1. “Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

  1. Môrônia 7:45–48

  1. “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

  1. Môrônia 10:4–5

Sahanasa famerenana 2: Fantaro ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ity sahanasa fenoy ny banga manaraka ity dia azo ampiasaina hanampiana ny mpianatra hamerina mijery ny andian-teny manan-danja.

Valiny : 1. amin-kitsimpo; finiavana; fantarina 2. sorompanavotana; tsisy fetra; mandrakizay 3. vatolampin’ny; Mpanavotra; fototrareo 4. fijoroana ho vavolombelona; fizahan-toetra; finoanareo 5. sitrapon’ny; Ray; am-piandohana

Fomba iray hafa hanampiana ny mpianatra hamerina mijery ny andian-teny manan-danja ny fanasana azy ireo handamina ireo andian-teny. Atovy printy ny andian-teny tsirairay, ary tapaho izany mba ho teny iray fotsiny no amin’ny tapaka taratasy iray. Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely ary hanome ny vondrona tsirairay andiana taratasy izay hanome andian-teny manan-danja feno rehefa atambatra. Asao handamina ireo teny ny vondrona mba hampitambàrana ilay andian-teny manan-danja amina filaharana marina. Rehefa vitan’ny vondrona izany, dia afaka mifanakalo taratasy izy ireo ary mamerina ilay sahanasa.

Fenoy amin’ny teny tsy hita eo amin’ny andian-teny manan-danja ny banga.

  1. “Manontany amin- , omban’ny tena , sady mino an’i Kristy. … Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo ny fahamarinan’ny zava-drehetra.” (Môrônia 10:4–5)

  2. “Tsy maintsy misy atao, … sorona sady .” (Almà 34:9–10)

  3. “Eo amin’ny antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny .” (Helamàna 5:12)

  4. “Tsy mandray ianareo raha tsy aorian’ny ny .” (Etera 12:6)

  5. “Efa niaretako ny tamin’ny zava-drehetra tany .” (3 Nefia 11:10–11)

Sahanasa famerenana 3: Ampiharo ny fotopampianarana

Ampio ny mpianatra mba hizatra hampihatra ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Mety ho fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana ireto rafi-tantara manaraka ireto. Avy eo dia asao ny mpianatra hamantatra hoe inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy ilay olona ao amin’ny rafi-tantara tsirairay. Asao ny mpianatra hanazava hoe afaka manampy amin’ny fomba ahoana ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny (ireo) andalan-tsoratra masina nosafidìn’izy ireo.

Ity sahanasa ity dia azo atao isam-batan’olona, anatina vondrona, miaraka amin’ny iray kilasy, na ny fitambaran’ireo telo ireo.

  1. Te hahafantatra ny zavatra tokony hataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy ny zatovovavy iray izay mianatra momba ny Fiangonana.

  2. Nanomboka tsy nahalala fomba tamin’ireo mitovy amin’izy ireo any am-pianarana ny tanora maromaro tato ho ato.

  3. Tsy azon’ny namanao ny lanjan’i Jesoa Kristy ary manontany anao ny zavatra nataony ho antsika izy.

  4. Te hahafantatra ny fomba ahafahany mahazo ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra mba ho voaaro amin’ny fakam-panahin’i Satana ny zatovolahy iray.

Sahanasa famerenana 4: Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ampio hamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra ary omeo fahafahana mizatra mampiasa izany amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Fomba iray anaovana izany ity manaraka ity.

Alaovy sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:

Mahatsapa ny zatovovavy iray indraindray fa toa mametra loatra ny didin’ Andriamanitra. Manontany tena izy hoe ho sambatra kokoa ve raha afaka miaina ny fiainany amin’izay fomba tsapany fa mety indrindra fotsiny.

Saintsaino ny fomba mety hahafahanao mampiasa ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto mba hanampiana io tanora io hikatsaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahazoany fanapiana amin’ny ahiahiny.

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo mba hanampiana amin’io toe-javatra io?

  • Iza amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ity tapany amin’ny fianarana ity no mety hanampy? Ahoana izany?

  • Inona avy no traikefanao tamin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hamahana ny olanao manokana?

Sahanasa famerenana 5: Andalan-tsoratra masina misy dikany manokana eo amin’ny fiainanao

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny hoe inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nisy fiantraikany indrindra teo amin’izy ireo. Ohatra, mety ho afaka misafidy anankiray izay nanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na nanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy ireo.

  • Inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray nanan-danja taminao na nanampy anao? Ahoana no naha-nanan-danja azy na nanampiany?

Hanana fahafahana hizara ireo fahatakarana sy zavatra niainana ireo ao anatin’ny fitsapam-pahaizana ianao.

Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny “Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2.”

Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2—Tari-dalana ho an’ny fandalinana

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)—“Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2: Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5”

Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy andianteny manan-danja

Ataovy izay hahatonga anao hifankazatra amin’ireo toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny misintona sy mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampy anao amin’ny famerenana.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Ampiharo amin’ny toe-javatra tena misy ny fotopampianarana

Mampiasà farafahakeliny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray mba:

  • Hanazavana ny zavatra angatahin’ Andriamanitra hataontsika mba hahafenoana fepetra amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Hanampiana ny olona iray izay te hahalala ny fomba ahafahany manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona.

  • Hanazavana ny lanjan’ny iraka nataon’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy.

  • Hanazavana ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao mba hanampiana antsika amin’ny zava-tsarotra na fakam-panahy atrehintsika.

Miomàna hizara ny hoe iza tamin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no nisy fiantraikany indrindra taminao ary nahoana.

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. (2023). Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana olona iray handresy zava-tsarotra na ahiahy iray atrehiny.

Hamoaka printy