Seminera
Môrônia 10: Topimaso ankapobeny


“Môrônia 10: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 10

Topimaso ankapobeny

Ao amin’ny sasany amin’ny zavatra nosoratany farany, i Môrônia dia nanantitrantitra fa Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Nampianatra izy fa raha manontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo, tena finiavana ary finoana an’i Kristy isika, dia afaka mahafantatra isika fa ny Bokin’i Môrmôna dia marina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Izy dia nijoro ho vavolombelona mombana fanomezana izay nomen’ Andriamanitra ny zanany tamin’ny alalan’ny Fanahy mba hanomezana tombontsoa azy ireo. Tao amin’ireo andininy farany amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia dia nanasa ny rehetra hanaraka ny Mpamonjy sy hotanterahina ao Aminy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môrônia 10:1–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahalala samirery fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Môrônia 10:1–7 ny mpianatra, hitadiavana ny teny na andian-teny rehetra izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra ilaina mba hahafantarana ny fahamarinana momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Horonan-tsary:Manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy i Môrônia” (8:37; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:39 hatramin’ny 5:32); “Fijoroana ho vavolombelona velona” (20:29; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 13:51 hatramin’ny 14:31)

  • Votoatiny haseho: Torolalana amin’ilay sahanasa alamin’ny andian-teny telo amin’ny torohevit’i Môrônia

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona misaraka mba hifanakalo hevitra amin’ireo andian-teny telo amin’ny torohevitr’i Môrônia amin’ny alalan’ny fampiasana ny votoatiny tafifitra ao amin’ny lesona. Ataovy azo antoka fa adika ho an’ny vondrona tsirairay ilay votoatiny ary zarao amin’izy ireo ao amin’ny chat na amin’ny mailaka izany mba hitarihana ny fifanakalozan’izy ireo hevitra.

Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary andian-teny manan-danja ao amin’ny Môrônia 10:4–5 sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andalan-tsoratra masina manan-danja ao amin’ny Môrônia 10:4–5: “Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy. … Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Rehefa avy mahazo fotoana hanomanana ny valintenin’izy ireo amin’ilay publication “Fanontaniana sy Valiny” ny mpianatra, dia hevero ny hanome fotoana azy ireo hizaràna. Izany dia azo atao tsiroaroa, anatina vondrona kely, anatina efitra fanasarahana, na miaraka amin’ny kilasy iray manontolo.

Môrônia 10:8–25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hianatra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampiasa fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina toy ny iditra ao amin’ny Gospel Topics hoe “Spiritual Gifts (Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy)” (topics.ChurchofJesusChrist.org).

  • Horonan-tsary:Manompo miaraka amin’ny Fanahy” (19:12; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:33 hatramin’ny 5:48)

Môrônia 10:26–34

Tanjon’ny lesona: ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra “hanatona an’i Kristy sy hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara izay heverin’izy ireo ho dikan’ny andian-teny hoe “manatòna an’i Kristy” ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mizaha ilay andian-teny ao amin’ny fampiharana Médiathèque de l’Évangile raha mila fanampiana izy ireo.

  • Zavatra: Zavatra vitsivitsy (na sarin-javatra ) izay manana tanjona miavaka

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao mitanisa ireo fanasan’i Môrônia sy ireo fampanantenan’ny Ray any An-danitra.

  • Horonan-tsary:Manatòna an’i Kristy: Hira faneva 2014” (4:48)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny fiasa chat mba hizaràna ny dikan’ireo fanasana sy fampanantenan’i Môrônia amin’ny tenin’izy ireo manokana (jereo ny Môrônia 10:30–34).

Tombano ny fianaranao 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tombantombana ny fivoarana sy fitomboana tsapan’izy ireo nandritra ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy miomana hizara fahatakarana na fahamarinana nianaran’izy ireo ka nampitombo ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Amin’ilay fizaràna hoe “Inona no takatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” hevero ny hamela ny mpianatra hampiasa ny solaitrabe fotsy na ny fiasa chat mba hizaràna fahamarinana nianaran’izy ireo tamin’ny Bokin’i Môrmôna.

Hamoaka printy