Seminera
Môrônia 10:26–34: “Manatòna an’i Kristy”


“Môrônia 10:26–34: ‘Manatòna an’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrônia 10:26–34,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrônia 10:26–34

“Manatòna an’i Kristy”

Sary
Ny Mpamonjy manatsotra ny tanany

Nalefa tetỳ an-tany hianatra sy hitombo isika mba hahafahantsika mahazo fiainana mandrakizay. Mba hanampiana antsika, dia nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra. Niantso mpaminany ihany koa Izy mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Tao amin’ireo andininy farany amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia dia nanasa ny rehetra hanaraka ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao “hanatona an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

Amporisiho hiezaka ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Ampio hahafantatra ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina ny mpianatra mba hamantarany ireo fomba ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa kokoa. Amporisiho ny mpianatra mba hihevitra am-bavaka ireo dingana manokana azon’izy ireo atao amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara izay heverin’izy ireo ho dikan’ny andianteny hoe “manatòna an’i Kristy” ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mizaha ilay andianteny ao amin’ny fampiharana Médiathèque de l’Évangile raha mila fanampiana izy ireo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fanamarihana: Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môrônia 10:26–34. Hanana fahafahana hitatitra ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo ny mpianatra ao amin’ny lesona hoe “Tombano ny fianaranao 10”.

Ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna

Hevero ny hampiseho sarin-javatra samihafa na hitondra izany ao am-pianarana. Angataho hamintina ny tanjon’ilay zavatra tsirairay ny mpianatra. Avy eo dia mihazòna tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ary ifanakalozy hevitra ny tanjony.

Ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia dia nanambara fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana handresy lahatra antsika fa “i Jesoa no Kristy.” Ny teny hoe “Kristy” no teny Grika mitovy dika amin’ny hoe Mesia. Izy io dia midika hoe ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no nanamafisan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

  • Nanampy anao hanaraka an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

    Ity fanontaniana manaraka ity dia natao hanaovana fandinihan-tena manokana.

  • Aiza ho aiza ny fahitanao ny ezaka ataonao hanarahana Azy amin’izao fotoana izao?

Ny fanasana farany nataon’i Môrônia

Rehefa avy nampianatra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy sy nampitandrina momba ny vokatry ny tsy finoana i Môrônia, dia niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ny Môrônia 10:27–29, hitadiavana ny zavatra naminanian’i Môrônia fa hiseho.

  • Ahoana ny eritreritrao momba ny hoe hihaona amin’i Môrônia eo anoloan’ny toeram-pitsarana?

Avy eo i Môrônia dia nanome ny famporisihany na fanasany farany.

Vakio ny Môrônia 10:30–34, hitadiavana ny zavatra nasain’i Môrônia hataontsika sy ireo fitahiana ampanantenaina nozarainy

Ny tanjon’ity fanazaran-tena manaraka ity dia ny hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny sasany amin’ny andiantenin’i Môrônia.

Azonao aseho ity tabilao manaraka ity na averina atao eny amin’ny solaitrabe. Raha averinao atao eny amin’ny solaitrabe ilay izy, dia soraty ny lohatenin’ny tsanganana tsirairay ka asaovy mamaky ny Môrônia 10:30–34 ny mpianatra ary hanao lisitra izay mandeha ao amin’ny tsanganana tsirairay. Avy eo dia azonao atao ny manampy toko sy andinin-tsoratra masina sy fanampiana amin’ny fandalinana mba hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo.

Hevero ny hizara ireo fanasana sy fampanantenana ireo amin’ny mpianatra ary hanasa azy ireo hanazava amin’ny kilasy ny dikan’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mandalina anatina vondrona kely. Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitan’izy ireo. Ireo fanontaniana izay manaraka ilay tabilao dia afaka manampy amin’ny fanamorana ny fifanakalozan-kevitra.

Azonao atao ihany koa ny mametraka taratasy misy ireo fanasana, fampanantenana, ary ny soratra masina mifandray amin’izy ireo manodidina ny efitrano fianarana. Asao handehandeha eran’ny efitrano ny mpianatra ary handalina ireo fanasana sy fampanantenana samihafa.

Ny zavatra tsy maintsy ataontsika (fanasan’i Môrônia)

Ny zavatra ampanantenain’ny Ray any An-danitra

Ny zavatra tsy maintsy ataontsika (fanasan’i Môrônia)

Hihazonana ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra. (Jereo ny Môrônia 7:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:7.)

Halaviro ny fanomezana ratsy sy ny zavatra tsy madio. (Jereo ny 2 Nefia 4:27–28; Môrmôna 9:28.)

Holavin’ny tenantsika ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra. (Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:25–29 [ao amin’ny Matio 16:24, fanamarihana ambanim-pejy a]; Môzià 3:19.)

Tia an’ Andriamanitra amin’ny herintsika, ny saintsika ary ny tanjatsika rehetra. (Jereo ny Matio 22:36–38; Ômnia 1:26.)

Ny zavatra ampanantenain’ny Ray any An-danitra

Ampy ho antsika ny fahasoavany ary afaka mahatonga antsika ho tanteraka. (Jereo ny 2 Nefia 10:24; 25:23; Etera 12:27; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Hohamasinina isika ary handray famelana ny fahotantsika. (Jereo ny 3 Nefia 27:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:41; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Ho tonga masina tsy misy pentina isika. (Jereo ny Levitikosy 19:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Masina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

  • Inona avy no fanasana na fampanantenana manan-danja indrindra aminao ary nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa amin’ireny fanasana ireny manampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Môrônia 10:30–34?

Fitsipika iray ianarantsika ny hoe rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka ny hatao tanteraka ao Aminy.

“Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”

Azonao atao ny mandefa ilay horonantsary hoe “Manatòna an’i Kristy: Hira faneva 2014” (4:48), hita ao amin’ny . Eo am-pijerena eo ny mpianatra dia asao hisaintsaina ny fomba nanampian’ny fahasoavan’ny Mpamonjy azy ireo tamin’ny fotoan-tsarotra nandalovan’izy ireo.

  • Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mandray ireo fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:30–34 sy hatao tanteraka ao Aminy?

  • Ahoana no nahitanao ny fahasoavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (fanampiana na hery avy amin’ Andriamanitra) niasa teo amin’ny fiainanao?

Mba hanampiana ny mpianatra hanatona feno kokoa an’i Kristy, dia hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy hanaovana ho tanteraka na hanadiovana antsika raha manatona Azy isika.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra zavatra iray azon’izy ireo atao mba hanatonana an’i Kristy sy hatao tanteraka ao Aminy. Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Omeo fotoana ao am-pianarana ny mpianatra hanao asa mifandraika amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo, raha azo atao. Raha toa ny mpianatra miasa amina tanjona fampivoarana ny zatovo izay manampy azy ireo hanatona an’i Kristy, dia azon’izy ireo atao ny miasa amin’izany tanjona izany.

  • Misy zavatra tsy araka an’ Andriamanitra ve eo amin’ny fiainako ka ilaiko handavana ny tenako (ohatra, fitaoman’ny haino aman-jery na fahazaran-dratsy)?

  • Ahoana no ahafahako mitia an’ Andriamanitra tsara kokoa amin’ny heriko, ny saiko ary ny tanjako rehetra?

  • Ahoana no hanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo ahy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy