“Lesona 72—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:38–60: -Izay efa nibebaka … no voavela,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:38–60,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Na dia ireo mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky indrindra aza dia mila fibebahana sy famelan-keloka. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 , dia nanasa mpitarika maromaro tao amin’ny Fiangonany i Jesoa Kristy mba hibebaka ary nampanantena ny hamela ny fahotany raha toa ka mankatò izy ireo. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ireo mpianatra hahatsapa fanantenana fa ny Mpamonjy dia mamela ireo izay mibebaka amin’ny fahotany.
Sahanasa fianarana azo atao
Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny famoronana fifanakalozan-kevitra mikasika ny ilantsika ny famelan’i Jesoa Kristy ny fahotantsika.
Ny fomba iray hanaovana izany dia ny mampiseho ity sary manaraka ity na manao sary tsotra kely mampiseho zatovo iray eny amin’ny solaitrabe. Mba hisian’ny fahalianana, dia azonao atao ny manasa ny iray kilasy hanome anarana azy sy hamolavola antsipiriany momba ny fiainany alohan’ny hizarana izao toe-javatra manaraka izao.
Alaivo sary an-tsaina hoe nilaza taminao ny namanao fa nianjera avy teny amin’ny vato misolampy izy omaly alina. Mahatsapa fanaintainana be izy rehefa miaina ary mieritreritra fa tapaka ny sandriny. Nanapa-kevitra ny tsy hijery dokotera izy satria manahy sao ho diso fanantenana ilay dokotera sy ny olon-kafa raha mahafantatra fa nisafidy ny hanatona teo akaikin’io vato misolampy mampidi-doza io izy. Noho izany dia mikasa ny hitazona ny fanaintainany ho tsiambaratelo izy, ary manantena fa ho sitrana ny zava-drehetra rehefa mandeha ny fotoana.
Alaivo sary an-tsaina ny toe-javatra mitovy amin’izany, fa tamin’ity indray mitoraka ity ny namanao dia nilaza taminao fa nanao fahotana goavana izy. Raha tokony hanaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fibebahana izy, dia nanapa-kevitra ny hanafina ny fahotany ary manantena fa hilamina ny zava-drehetra rehefa mandeha ny fotoana.
Asao ny mpianatra hizara fanontaniana na ahiahy maro samihafa izay mety hitarika ny zatovo tsy hibebaka.
Mampianatra momba ny fibebahana ny Mpamonjy
Hazavao fa tamin’ny taona 1831, dia nandeha nankany Missouri i Joseph Smith sy ireo loholona hafa, izay toerana nandidian’ny Tompo ny sasany tamin’izy ireo mba hijanonana sy hanorenana ny tanànan’i Ziona. Ao anatin’ny torolalan’ny Tompo dia nanoro hevitra ny sasany tamin’izy ireo Izy mba hibebaka amin’ny fahadisoan’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:14–15, 38–41, 60 ).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:60 mba hahitana ny torohevitry ny Tompo ho an’ny lehilahy iray antsoina hoe Ziba Peterson.
Inona araka ny eritreritrao no tsy fahazoan-kevitra mety ho nananan’i Ziba momba an’ Andriamanitra na mikasika ny fibebahana izay mety ho nahatonga azy hanafina ny fahotany? (Azonao atao ny mamaky ny torohevitr’i Almà ho an’ny zanany lahy momba ny vokatry ny fiezahana hanafina ny fahotantsika. Jereo ny Almà 39:7–9 .)
Iza amin’ireo tsy fahazoan-kevitra ireo no heverinao fa mbola miteraka olana amin’izao fotoana izao?
Hevero ny hampiseho ity hafatra manaraka ity, ary omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana manokana na hanoratana ny eritreriny.
Avy eo dia asao izy ireo hikaroka ireo fampianarana mandritra ny lesona, izay afaka manampy azy ireo amin’ny ezaka ataony mandritra ny androm-piainany mba hibebaka.
Manontania tena raha toa ka misy fahotana izay nampisalasala anao ny hibebaka momba azy. Raha izany no izy, dia eritrereto hoe nahoana ianao no miahotra.
Rehefa mandalina ity andinin-tsoratra masina manaraka ity ny mpianatra, dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo fanontaniana na ahiahy manokana momba ny fibebahana izay nozarainy tany am-piandohan’ny lesona.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 mba hitadiavana ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana sy ahiahy mety hananan’ny olona sasany momba ny fibebahana.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy izany.
Zarazarao ho ao anaty vondrona kely ny mpianatra. Asao izy ireo hizara andian-teny avy amin’ny andininy 42–43 izay manampy azy ireo hamaly fanontaniana na ahiahy manokana na izay nanan-danja tamin’izy ireo. Asao avy eo ireo vondrona mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany. Rehefa mizara ny mpianatra, dia ataovy azo antoka fa takatr’izy ireo hoe raha mibebaka amin’ny fahotantsika isika, dia hamela antsika ny Tompo sy ny hoe mba hibebahana dia takin’ny Tompo isika hibaboka sy hiala amin’ny fahotantsika .
Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny fibebahana izay tsy valian’ireo andininy ireo ny mpianatra, dia diniho raha tsara kokoa ny manampy azy ireo hahita valiny ao anatin’ity lesona ity, mandritra ny lesona ho avy, na amin’ny alalan’ny fanolorana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay ahafahan’izy ireo mikaroka valiny samirery.
(Fanamarihana: Misy fehezan-teny izay afaka manampy ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” raha toa ka manana fanontaniana mikasika ireo foto-kevitra manokana ao amin’io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ny mpianatra, toy ny fibabohana na ny fialana amin’ny fahotana.)
Ity fizarana ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fanantenana fa ny Mpamonjy dia mamela ireo izay mibebaka. Fantaro ombam-bavaka hoe iza amin’ireo loharano sy sosokevitra no tena hanampy ny mpianatrao amin’ny fanomanana amim-pahombiazana ny valintenin’izy ireo amin’ity asa atao manaraka ity.
Manomàna valiny azonao zaraina amin’ny olona iray izay manahy ny tsy hahazo famelan-keloka, ao amin’ny diary fandalinanao. Inona no azonao zaraina momba ny toetran’ny Mpamonjy sy ireo fampanantenany izay afaka manampy io olona io handresy ny ahiahiny rehetra? Misafidiana sasantsasany amin’ireto safidy manaraka ireto mba hanampiana anao hanomana ny valinteninao:
Soratra Masina: Tadiavo ao amin’ny soratra masina ireo andinin-tsoratra masina mirakitra ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mibebaka na ireo tantara izay mampiseho ny fahavononany hamela heloka. Ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) dia mety hanampy. Mety ho azonao heverina ny hampifanaraka na hampifandray ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 .
Porofo manokana: Mieritrereta ohatra izay nanatrehanao maso ny fahavononan’ny Mpamonjy hamela heloka sy hanampy olona iray hiova. (Aza mizara anarana na antsipiriany momba ny fahotana.)
Ny fizarana “Hanampy anao Jesoa Kristy ” ao amin’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ([2022], 6–9): Mitadiava fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy izay manome fanantenana antsika.
Mpaminany maoderina: Mitadiava fanambarana avy amin’ireo mpitarika maoderina ao amin’ny Fiangonana izay manampy antsika hahatakatra ny toetran’i Jesoa Kristy mamela heloka.
Ity manaraka ity dia ohatra iray avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay azonao safidina mba hozaraina amin’ireo mpianatrao:
14:11
Mampianatra ny Loholona Uchtdorf fa i Jesoa Kristy no mpitarika tsara indrindra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mampahafantatra ny boky torolalana Ho zatovo mahery! vaovao ihany koa izy.
Ry tanora namako malala, raha teto izao ny Mpamonjy, dia inona no holazainy aminareo? …
… Mety hahatsiaro ireo fahadisoana nataonao ianao, ireo fotoana izay nanekenao ho resin’ny fakam-panahy, ireo zavatra nirinao raha mba tsy natao—na ireo izay nirinao raha nataonao tsaratsara kokoa.
Ho tsapan’ny Mpamonjy izany, ary mino aho fa hanome toky anao Izy amin’ny teny izay efa nolazainy ao amin’ny soratra masina manao hoe:
“Aza matahotra” [Lioka 5:10 ].
“Aza miroanàhana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 ].
“Matokia” [Matio 14:27 ].
“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo” [Jaona 14:1, 27 ].
Heveriko fa tsy hanao fialan-tsiny noho ireo fahadisoana nataonao Izy. Tsy hanamaivana izany Izy. Tsia, hangataka anao Izy hibebaka—hiala amin’ny fahotanao, sy hiova, mba hahafahany mamela heloka anao. Hampahatsiahy anao Izy fa 2.000 taona lasa izay dia nentiny teo Aminy ireo fahotana ireo mba hahafahanao mibebaka. Izany dia ampahany amin’ilay drafitry ny fahasambarana izay nomena antsika avy amin’ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana. (Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery ,” Liahona , nôv. 2022, 9)
Rehefa avy nomena fotoana ampy hanomanana ny valinteniny ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany ao anaty vondrona kely mba hahafahan’izay rehetra maniry ny hizara hanao izany.
Azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary hoe “Manam-piniavana hamela heloka ny Mpamonjy” (5:50), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org , ho ohatra iray amin’ny fanirian’ny Mpamonjy tsy tapaka hamela heloka.
Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny toetra mamela heloka ananan’ny Mpamonjy ny fotoam-pianarana, ary amporisiho ny mpianatra hibebaka amim-pinoana ny fampanantenany.
5:50
A former addict and repeat convict shares his experiences with the Savior’s ability and willingness to forgive him again and again, even when he felt undeserving.
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina dia ny hoe “Izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela.” Ireo hevitra ho an’ny asa fanaovana tsianjery dia ao amin’ny tovana eo ambanin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”
Nilaza izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
2:3
The gift of the Atonement of Jesus Christ provides us at all times and at all places with the blessings of repentance and forgiveness.
Miezaka mampino antsika i Satana fa tsy voavela ny helotsika satria afaka mahatsiaro azy ireny isika . Mpandainga i Satana; miezaka ny mampanjavozavo ny fahitantsika sy mampanalavitra antsika amin’ny lalan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka izy. Tsy nampanantena Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony isika . Hanampy antsika hiala amin’ny famerenana indray ilay fahadisoana ny fahatsiarovana. Kanefa halefahana eny an-dalana eny ny fahatsiarovana ny fahotantsika raha toa ka mijanona ho marina sy mahatoky isika. Ho ampahan’ny fanasitranana ilaina sy ny dingan’ny fanadiovana izany. (Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return ,” Liahona , May 2007, 101)
Nanazava izao ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Rehefa mibebaka isika, rehefa mibaboka ny fahotantsika ary mahafoy izany isika dia nilaza ny Tompo fa tsy hahatsiaro izany intsony. Tsy hoe hadinony izany fa kosa toa amin’ny fomba mahagaga no isafidianany ny tsy hahatsiaro izany ary tsy ilaintsika tsaroana koa izany. (Gerrit W. Gong, “Matokia indray ,” Liahona , nôv. 2021, 98)
3:18
(The Divine Gift of Forgiveness, Chapter 23) Elder Neil L. Andersen shares a story of a man who felt guilty for a tragic airplane accident involving his wife and two friends. The Savior has power to lift our burden of guilt.
Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Notendrena sy natokana ho mpitsara ao Isiraely ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Mazava ho azy fa ny Tompo ihany no afaka mamela heloka, saingy manana anjara toerana lehibe eo amin’ny dingan’ny fibebahana amin’ny fahotana goavana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. (Neil L. Andersen, The Divine Gift of Forgiveness [2019], 205)
Ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), dia mamaky an’izao isika:
Mihazona fanalahidin’ny fisoronana sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanampiana anao hibebaka ny evekanao. Afaka mitady ny fanampiany sy ny toroheviny amin’ny fotoana rehetra ianao. Raha nanao fahadisoana goavana ianao, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia mandehana mihaona amin’ny evekanao. Tsy hanameloka anao izy. Misolo tena an’i Jesoa Kristy izy ary hanampy anao hahafantatra ny fomba hibebahana tanteraka sy handraisana ny fanasitranana sy ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy. (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy , 8 )
Nanazava izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Indraindray isika, mandritra ny fibebahantsika sy ny ezaka ataontsika isan’andro mba hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, dia mahita fa sahirana mitolona amin’ireo zava-tsarotra izay miverimberina foana isika. Toy ireny hoe mihanika tendrombohitra rakotra ala ireny isika ka tsy hitantsika indraindray ny fivoarantsika raha tsy efa manakaiky ny tampony ary mijery avy eny amin’ny tendrony avo. Aza kivy. Rehefa miezaka sy miasa mba hibebaka ianao dia ao anatin’ny dingan’ny fibebahana. …
Mitaky fotoana ny fahafoizana. Mba hanampiana antsika, dia indraindray mamela ny ambin’ny fahadisoantsika hijanona ao an-tsaintsika ny Tompo. Lafiny manan-danja amin’ny fianarantsika eto an-tany izany.
Rehefa mibaboka marina tokoa amin’ny fahotantsika isika, ka manonitra izay vitantsika amin’ireo izay nanaovantsika ny tsy mety, ary mahafoy ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, dia eo an-dalam-pahazoana ny famelan-keloka izay isika. (Neil L. Andersen, “Repent … That I May Heal You ,” Liahona , Nov. 2009, 42)
Sariho ny sain’ny mpianatra amin’ny zavatra azo tsapain-tanana iray, toy ny latabatra, izay lehibe loatra ka tsy azo afenina tsara ao amin’ny efitrano. Angataho ny mpianatra mba hanakimpy ny masony mandritra ny 30 segondra rehefa manafina ilay zavatra lehibe ianao amin’ny alalan’ny fametrahana zavatra kely, toy ny boky na palitao, eo anoloan’ilay izy na eo amboniny. Asao ny mpianatra hanokatra ny masony ary hijery ny hafainganan’ny fahafahan’izy ireo mahita ilay zavatra lehibe.
Angataho ny mpianatra mba hizara ny ifandraisan’izany amin’ny zavatra nezahin’i Ziba Peterson nafenina tamin’ Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:60 .
Nahoana ny olona ankehitriny no mbola miezaka manafina ny fahotany? Inona avy ireo fomba ampiasain’izy ireo hanafenana izany? Inona no hitranga raha manafina ny fahotantsika isika fa tsy mibebaka amin’izany?
Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fa tsy hoe miavaka akory izy ireo na hoe tsy manam-pinoana izy ireo satria mila mibebaka. Ampio izy ireo hahatakatra fa “ny hoe mibebaka dia midika hoe miova, … mihatsara sy mandray famelan-keloka” (Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy , 7 ). Na dia ny olona mahatoky indrindra aza dia mila miova raha maniry ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Asao ny mpianatra hamaky ireto andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manaraka ireto mba hitadiavana ilay hafatra mitovy nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo mpianatra telo mahatoky ireo.
58:14–15 : Edward Partridge, eveka voalohan’ny Fiangonana
58:38–39 : Martin Harris, iray amin’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna
58:40–41 : William W. Phelps, mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana sy mpanonta printy tany Missouri