Tamin’ny 1831 dia niantso Olomasina sasantsasany ny Tompo mba hifindra any amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, mba hanorina an’i Ziona. Raha niaraka tamin’ireo Olomasina ireo ny Mpaminany Joseph Smith dia nahazo torolalana avy amin’ny Tompo mikasika ny fomba hihazonana ny andro Sabata ho masina. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaja ny Tompo amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hitandrina ny andro Sabata ho masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanapahan-kevitra momba ny andro Sabata
Nizara ity zavatra niainana manaraka ity ny Loholona Larry Y. Wilson ao amin’ny Fitopololahy:
10:17
Ny zanakay vavy, Mary, dia mpilalao baolina kitra malaza tamin’ny mbola zatovo. Indray taona ny ekipany dia tonga tany amin’ny lalao famaranana, saingy ny tsy nampoizina dia ho tanterahina andro Alahady izany lalao izany. Amin’ ny maha-zatovo azy, dia an-taonany maro no nampianarana an’i Mary fa ny andro Sabata dia natao ho andro fitsaharana sy fanavaozana ny hery ara-panahy, fa tsy andro hialana voly. Kanefa dia mbola nahatsapa fanerena avy tamin’ny mpanazatra sy ny ekipany ny hilalaovany izy ary koa ny faniriany tsy hamela ny ekipany ho resy. (Larry Y. Wilson, “Araky ny fitsipiky ny fahamarinana irery ihany,” Liahona, mey 2012, 104–5)
Nahoana ny olona sasany no mety mihevitra izany ho fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainan’i Mary, fa ny hafa kosa tsy mihevitra izany?
Raha ianao no Mary, inona no heverinao fa zava-dehibe hodinihina alohan’ny handraisanao an’io fanapahan-kevitra io?
Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ireo fanapahan-kevitra raisinao momba ny andro Sabata. Inona no ataonao matetika mba hitarihana ny safidinao? Rehefa mandalina ianao androany, dia mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny antony hitandremana ny Sabata ho masina sy ny fomba ahafahanao manao izany.
Ny didin’ny Tompo sy ny fitahiany
Na dia niharatsy aza ny fahasalamany tamin’izy 55 taona, dia nandao ny tranony tany Colesville, New York, i Polly Knight, ary tapa-kevitra ny hankatò ny Tompo sy ho any Ziona. Tonga tany Ziona (Fivondronan’i Jackson, Missouri) i Polly ary maty andro vitsivitsy taty aoriana. Tamin’ny andro nandevenana azy, indray Alahady, dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ny Mpaminany Joseph Smith. Ao amin’io fanambarana io dia nampianatra fahamarinana izay afaka nampionona ny fianakavian’i Polly ny Tompo (jereo ny andininy 1–2). Niresaka momba ny didiny koa Izy, niaraka tamin’ny fanamafisana ny momba ny Sabata. Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay manamasina ny andro Sabata ny Tompo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–20, ary manaova lisitra roa, ny lisitra iray mikasika ireo torolalana omen’ny Tompo momba ny zavatra ataontsika sy ny fihetsika asehontsika amin’ny Sabata, ary ny lisitra iray hafa momba ny fitahiana atolony antsika.
Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ireto andininy ireto momba ny tanjon’ny Sabata?
Ahoana no ahafahan’ny fananana andro iray hifantohana amin’ny fitiavanao sy ny fanolorantenanao ho an ’Andriamanitra manampy anao eo amin’ny fiainanao?
Manome voninahitra ny Tompo amin’ny Sabata
Mandritra ny dinidinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, dia hanontaniana an’izao ianao:
“Moa ve ianao miezaka mitandrina ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?”
Mba hanampiana anao hieritreritra ny fomba ahafahanao mankatò ny didy hitandrina ny andro Sabata ho masina, dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireo hevitra mikasika ny fomba ahafahanao manaja ny Tompo amin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina.
Vakio ireto soratra masina manaraka ireto mba hahitana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny Sabata:
Inona no nanampy anao haneho fanolorantena ho an’ Andriamanitra amin’ny andro Sabata? Inona no fiovana nentin’ireo fihetsika ireo ho anao?
Manaova drafitra
Manaova drafitra ao amin’ny diary fandalinanao momba ny fomba hiezahanao hanaja ny Mpamonjy amin’ny andro Sabata. Azonao atao ny mamantatra ireo hevitra mikasika ny zavatra hatombokao na hotohizinao na hatsahatrao, na ao an-trano izany na any am-piangonana.