Seminera
Lesona 71: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29


“Lesona 71: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29: -Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 71: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29

“Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”

zatovo manompo ny fiarahamonina

Olomasina maro, anisan’izany ny vondrona iray avy any Colesville, New York, no vao tonga tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Naniry ny hanampy ny Tompo hanorina an’i Ziona izy ireo, saingy tsy azon’izy ireo antoka hoe inona no hatao. Nanazava ny Tompo fa tokony hampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo mba hitadiavana fomba hanampiana sy hanompoana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fandehandehanana manao soa.

Sahanasa fianarana azo atao

Andro iray teo amin’ny fiainan’i Kristy

Mialoha ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mandehandeha manao soa izy ireo. Asao ny mpianatra tsirairay hizara ny anaran’ny olona iray izay fantany, ka mifanaraka amin’io fanoritsoritana io ny fiainany. Afaka mizara ny antony mahatonga an’io andian-teny io hampahatsiahy azy ireo an’ilay olona nosafidiny ny mpianatra vitsivitsy izay mazoto hanao izany.

Lazao ny mpianatra fa ny Asan’ny Apostoly 10 dia firaketana ny fampianaran’i Petera tao Kaisaria. Asao izy ireo hamaky ny Asan’ny Apostoly 10:38 mba hitadiavana izay anarana mety ho nosoratan’i Petera teo amin’ny solaitrabe.

Alaivo sary an-tsaina hoe ho toy ny ahoana raha teraka tamin’izao androntsika izao i Jesoa, na mpiara-monina taminao Izy, na nianatra tao amin’ny sekoly nisy anao Izy.

  • Inona no zavatra azonao alaina sary an-tsaina fa ho nataony ka azo faritana hoe “[nandehandeha manao] soa”?

Mba hanampiana ny mpianatra hanana faniriana hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy dia omeo fotoana izy ireo hirakitra an-tsoratra ny zavatra eritreretiny mikasika ity zavatra mitarika fanehoan-kevitra manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany.

Miezaha maka sary an-tsaina izay zavatra mety ho tsapanao raha toa ka nisy sabotsy iray niarahanao tamin’i Jesoa “nandehandeha nanao soa” nandritra ny tontolo andro. Inona no mety ho fiantraikan’izany zavatra niainana izany eo amin’ny fomba hisafidiananao ny zavatra handanianao ny fotoanao na dia amin’ny andro tsy iarahanao Aminy aza?

Misafidy ny hanao soa

Tamin’ny nandraisana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 dia vao tonga tao Missouri i Joseph Smith sy ireo loholon’ny Fiangonana sasantsasany. Naniry hahazo toromarika momba ny fomba hananganana ny Fiangonana sy hanorenana an’i Ziona tao amin’io faritra io izy ireo. Nampianatra azy ireo ny fomba ahafahany mampiasa ny fahafahany misafidy ny Tompo mba hanaovana ny asany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29 mba hianarana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo Olomasina mikasika ny fampiasana ny fahafahana misafidy ananan’izy ireo. Soraty ao amin’ny fizarana tokony hisy azy ao amin’ity tabilao manaraka ity ireo teny na andian-teny izay hitanao. (Fanamarihana: Ny hoe “tsy mety” dia midika hoe tsy ilaina na tsy irina.)

Hevero ny hampiseho ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe na omeo tahadikan’izany ny mpianatra. Mety hanampy ny mpianatra handray anjara kokoa amin’ity sahanasa ity ny fanasana azy ireo hanao izany miaraka amina namana iray.

Fampiasana ny fahafahana misafidy ananantsika mba ho lasa …

Tahaka an’i Jesoa kokoa

Tsy tahaka an’i Jesoa kokoa

Rehefa mahavita ireo mpianatra, dia hevero ny hametraka fanontaniana izay manampy azy ireo hieritreritra sy hahatakatra ny dikan’ireo andian-teny izay hitany. Ohatra:

  • Inona, araka ny eritreritrareo, no dikan’ny hoe “hazoto hirotsaka,” na mazoto mikatsaka ny hanao soa?

  • Nahoana, araka ny eritreritrareo no tsy tokony “[ho]terena” hanao soa isika?

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahazotoantsika hanao soa?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao, amin’ny alalan’ny teninao manokana ny fahamarinana iray na roa izay azonao lazaina fa manan-danja amin’ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo.

Asao ireo mpianatra hizara fahamarinana izay nosoratany na hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Ny fahamarinana azon’izy ireo tenenina dia ny hoe manome valisoa an’ireo izay mazoto mikatsaka ny hahatonga fahamarinana Andriamanitra.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina na hirakitra ny hatetiky ny fikatsahan’izy ireo amim-pahazotoana ny fomba hanompoana an’ Andriamanitra sy ny hafa ka tsy miandry tenenina mikasika izay tokony hatao. Asao izy ireo hijery tsara ireo fomba ahafahan’izy ireo miezaka kokoa hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara eo am-panohizany ny fandalinany.

  • Inona no ohatra azonao eritreretina avy ao amin’ny soratra masina ka ahitana olona niaina ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’izany andininy izany?

  • Inona avy ireo ohatra ahitana ny Mpamonjy mahatsikaritra fahafahana hanao soa ka mampiasa ny fahafahany misafidy mba hanao zavatra?

ChurchofJesusChrist.org

6:33

Na azonao aseho ny horonan-tsary “Widow of Nain” (2:22), ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:22

Ny fampianaran’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika

Hevero ny hanampy ireo mpianatra hahita ny mety ho fisehon’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 26–29 eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Azonao ampiasaina ny sasany amin’ireto toe-javatra ireto na toe-javatra hafa izay misy ifandraisany tsara kokoa amin’ny toe-javatra iainan’ny mpianatrao.

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra mikasika izay andininy na andian-teny tena miantefa amin’ny toe-javatra tsirairay. Amporisiho ireo vondrona mba hieritreritra fomba maro ahafahan’ny olona tsirairay mampiasa ny fahafahana misafidy ananany mba hirotsahana amin’ny fanaovan-tsoa.

Avy eo dia hevero ny hanasa ny vondrona tsirairay mba hamerina ilay sahanasa amin’ny alalan’ny famoronana ny rafi-tantaran’izy ireo manokana izay ahafahan’ny zatovo iray mampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 58.

  1. Vao tsy ela i Juliet no notendrena hanompo fianakaviana iray izay mbola tsy hitany mihitsy. Na ny fomba hanombohana izany aza tsy dia hainy loatra.

  2. Olona tena mahafinaritra ny mpampianatra an’i Ann ao amin’ny Sekoly Alahady saingy mpampianatra tsy mbola ampy traikefa izy. Maro amin’ireo mpiara-mianatra aminy no toa lasa tsy liana na tsy miezaka mandray anjara intsony amin’ny lesona.

  3. Mahatsikaritra i Jasmine fa toa reraka kokoa tsy araka ny fahitana azy mahazatra ny reniny tato ho ato.

  4. Nahita filazan-javatra feno haratsiam-panahy momba ny mpianatra iray hafa tao amin’ny tambajotran-tseratsera i Xavier.

  5. Malalaka ny tolakandron’i Jared ary tsy misy zavatra tokony hataony sy toerana tokony halehany.

Ho famaranana dia asao ireo mpianatra hihira sy hihaino hira iray ao amin’ny fihirana izay manamafy ireo fitsipika nianarana tato amin’ity lesona ity. Angataho izy ireo hisaintsaina ireo tonony izay sahaza ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 58. Manasà mpianatra iray na roa hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra tsapany fa ho tian’ny Mpamonjy hotsaroany avy tamin’ny zavatra nohalalininy androany. Mety hanampy ny manome fahafahana ireo mpianatra hanoratra ny eritreriny mialoha ny hanasana ny sasany hizara izany amin’ny feo mafy.

Azonao asaina ireo mpianatra hitady fahafahana handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra nianarany mialoha ny lesona manaraka amin’ny seminera. Azonao atao ny manao fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy.