“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63
Topimaso ankapobeny
Taorian’ny nanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo loholona sasany tao amin’ny Fiangonana an’ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny fahavaratry ny taona 1831, dia tonga ny fotoana hiverenan’izy ireo any Ohio. Ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 dia mirakitra torohevitra avy amin’ny Tompo mba hanampiana ireo loholona amin’ny dian’izy ireo. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63, ny Tompo dia nanitsy ny fitondran-tena tsy mendrika nataon’ireo Olomasina tao Ohio.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra momba ny zavatra mety hilainao omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa momba ny zavatra andrasan’ny Mpamonjy sy ny faniriany ho azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana teo amin’ny fiainany izay nianteherany tamin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fahaizany mandanjalanja manokana mba handraisana fanapahan-kevitra. Asao izy ireo handinika ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ireo toe-javatra ireo.
-
Votoatiny haseho: Toe-javatra tany am-piandohan’ny lesona; ny tabilao ho an’ny sahanasa fianarana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–23
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana manokana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena nomen’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ireto fizarana manaraka ireto ao amin’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022): “Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra” (pejy 16–21) sy ny “Masina ny vatanao” (pejy 22–29). Asao ny mpianatra hitady ireo fenitry ny Tompo mifandray amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.
-
Sary haseho: Sarin’i Jesoa Kristy
-
Fitaovana ilaina entina: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022) ho an’ny mpianatra izay mety tsy manana fitaovana nomerika
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–64
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anaran’ny Mpamonjy amim-panajana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–64, ka hitady fampianarana momba an’i Jesoa Kristy izay mety hisy fiantraikany amin’ny fomba iresahana momba Azy.