Seminera
Lesona 74—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: “Mihainoa ny feon’ilay manana ny hery rehetra”


“Lesona 74—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: -Mihainoa ny feon’ilay manana ny hery rehetra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 74: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

“Mihainoa ny feon’ilay manana ny hery rehetra”

i McIlwaine’s Bend eo amin’ny Reniranon’i Missouri

Tamin’ny Aogositra 1831 dia nampianatra tamim-pitiavana andiana loholona iray ny Mpamonjy nandritra ny dia sarotra nataon’izy ireo avy tany Missouri nankany Ohio. Ny torohevitra nomeny dia nanampy ireo loholona hahatakatra ny zavatra andrasany sy ny faniriany ho azy ireo rehefa nody izy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa momba ny zavatra andrasan’ny Mpamonjy sy ny faniriany ho azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanapahan-kevitra

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, dia hevero ny hampiseho ireto toe-javatra manaraka ireto:

Alaivo sary an-tsaina hoe samy manana olana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny roa amin’ireo namanao akaiky. Mahalana ilay namana iray vao mitady fanampiana na fitarihana avy amin’ Andriamanitra, ary ny ankamaroan’ireo fanapahan-kevitra dia ezahiny raisina samirery. Ilay namana iray hafa dia mivavaka mba hahazo fitarihana ary misalasala ny handroso amin’izay fanapahan-kevitra tokony horaisina mandra-pahazoany antoka fa namaly azy ny Tompo.

  • Inona ireo antony mety mahatonga ireo namana tsirairay ireo hahatsapa fomba fihevitra toy izany?

  • Inona avy ireo fahadisoan-kevitra hitanao amin’ireo toe-javatra roa ireo?

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fanapahan-kevitra ilainy raisina eo amin’ny fiainany ary hanontany tena raha toa ka miaina ny iray amin’ireo toe-javatra ireo izy ireo. Amporisiho izy ireo hitady ireo fahamarinana ao amin’ny lesona androany izay afaka manampy azy ireo amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny.

“Fa hiteny aminareo marina tokoa momba ny dianareo … Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitr’ireo andininy izay hohalalinin’izy ireo androany, dia vakio na fintino ny fampahalalana ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Tamin’ny Aogositra 1831 i Joseph Smith sy ny loholona maromaro dia nandeha nanao dia teo amin’ny 1287 km mahery nankany an-tranon’izy ireo tany Kirtland, Ohio. Nijanona herinandro vitsivitsy tany Missouri izy ireo, izay toerana nandidian’ny Tompo azy ireo mba hiasany amin’ny fanorenana ny tanànan’i Ziona. Nandritra ny dian’izy ireo nody, dia nanana fanontaniana momba ny fomba hanatanterahan’izy ireo ilay dia sy ny lalan-kalehan’izy ireo ao anatin’ilay dia ilay vondrona. Ho an’ny fanapahan-kevitra sasany dia namporisika azy ireo ny Tompo mba hahay handanjalanja sy hisafidy ho an’ny tenany. Ho an’ny fanapahan-kevitra hafa, dia nanome toromarika sy didy manokana Izy mba hitarihana azy ireo.

Afaka mampiasa ity tabilao manaraka ity ny mpianatra mba handalinana ireo andininy voatanisa. Asao ireo mpianatra mba handika ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany. Hevero koa ny handika izany eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra hanoratra ny valiny rehefa avy nandalina ireo andininy. Azonao atao ny mametraka mpianatra ao anatina vondrona, ary mangataka azy ireo mba hiara-handalina andinin-tsoratra masina iray na ireo andinin-tsoratra masina rehetra.

Ny zavatra nanan-danja tamin’ny Tompo

Ny zavatra tsy nanan-danja tamin’ny Tompo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5–8

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:21–22

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:5–7

  • Inona no fahasamihafana tsikaritrao ao amin’ireo andininy ireo, eo amin’ny zavatra nanan-danja tamin’ny Tompo sy ny zavatra tsy nanan-danja Taminy?

  • Inona avy ireo fomba azonao ampiharana ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo ao anatin’ny toe-javatra izay atrehinao eo amin’ny fiainanao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:8 mba hitadiavana ny torohevitry ny Tompo izay afaka manampy antsika rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra tsy misy torolalana manokana isika.

Asao ny mpianatra hizara fahamarinana iray izay nianarany avy amin’ny torohevitry ny Tompo ao amin’io andininy io. Afaka maneho fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Ny Tompo dia manantena antsika handray fanapahan-kevitra maro mifototra amin’ny fitarihan’ny Fanahy sy ny fahaizantsika mandanjalanja manokana.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29 mba hitadiavana fampianarana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny fomba antenain’ny Tompo handraisantsika fanapahan-kevitra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:8.

sary famantarana ny fanofananaMifantoha amin’ireo fitsipika mitondra fiovam-po: Raha mila fanazaran-tena bebe kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny Fotopampianarana. Hevero ny hanao fanazaran-tena miompana amin’ilay fahaiza-manao sy amin’ny fametrahana fanontaniana izay manampy ny mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovam-po.

  • Araka ny hevitrao, nahoana no manan-danja ny miantehitra amin’ny fahaizantsika mandanjalanja sy amin’ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mandray fanapahan-kevitra isika?

  • Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io manampy antsika handray fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fenitra arahintsika na ny soatoavintsika?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra nifototra tamin’ny fahaizany mandanjalanja manokana sy ny fitarihan’ny Fanahy. Asao izy ireo hizara ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ireo toe-javatra ireo. Azonao atao koa ny mieritreritra ny hizara zavatra niainanao manokana.

Mampianatra momba ny Tenany ny Mpamonjy

Nandritra ny dia nankany Ohio dia niaina fisalasalana sy harerahana ary toe-javatra nampahatahotra ireo loholona. Nisy ihany koa ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifandirana teo amin’izy ireo. Mba hanampiana azy ireo, dia nizara fampianarana manan-danja maro momba ny Tenany ny Mpamonjy. Ireo fampianarana ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa hoe iza Izy ary inona no azony atao ho antsika.

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana handalina ireto andininy manaraka ireto dia asaivo manoratra hoe Jesoa Kristy eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinany izy ireo. Azonao atao koa ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Rehefa mandalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra dia afaka manoratra teny na andian-teny izay mamaritra ny Mpamonjy manodidina ny anarany izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:1–4; 61:1–2, 36–39; 62:1–3, 9. Mifantoha amin’ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity sahanasa fandalinana ity. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto miaraka amin’ny kilasy, na miaraka amin’ny mpianatra iray voatendry hiara-hiasa aminy, na ao anatina vondrona kely.

  • Inona no hitanao fa mety ho nanampy ireo loholona ireo nandritra ny diany?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy izay afaka manampy anao na ny hafa eo amin’ny fiainana?

Farano ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra momba izay bitsika mety ho efa azony avy tamin’ny Fanahy Masina izay mifototra amin’ny zavatra nianarany sy noresahiny androany. Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ireo zavatra tsapany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.