“Lesona 76—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–64: Fanehoana fanajana ny anarana masin’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–64,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 76: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63
Fanehoana fanajana ny anarana masin’i Jesoa Kristy
Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 , ny Mpamonjy dia naneho ny faniriany mba “hitandrina [ireo mpanara-dia Azy] amin’ny fomba [hanononan’izy ireo] ny anara[ny] eo amin’ny [molon’izy ireo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:61 ). Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anaran’ny Mpamonjy amim-panajana.
Sahanasa fianarana azo atao
Aleo mitandrina tsara toy izay tsy miraharaha firy
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe Aleo mitandrina tsara toy izay tsy miraharaha firy . Avy eo dia asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany izay ahitana ny maha-zava-dehibe ny fitandreman’ny olona iray tsara toy izay tsy hiraharaha firy? Nahoana?
Raha mila fanampiana amin’ny fieritreretana hevitra ny mpianatra dia afaka milaza ohatra vitsivitsy ianao, toy ny hoe mitondra fiara, mikaroka ao amin’ny internet, manapaka volo, na manatanteraka fanarahana fitsaboana.
Inona avy ireo zavatra heverinao fa tian’ny Mpamonjy hotandremantsika eo amin’ny fiainantsika?
Ny Rahavavy Rebecca L. Craven ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany dia nametraka izao fanontaniana izao:
Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba fitenintsika? Sa ve isika manaiky tsy amim-piraharahiana ny zavatra kivalavala sy tsy manome haja? (Rebecca L. Craven, “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy ,” Liahona , mey 2019, 10)
Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany izay mety ahitanao fiteny tsy maneho fanajana an’ Andriamanitra na zavatra masina hafa?
Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra tsapany rehefa sendra fiteny toy izany izy ireo. Amporisiho izy ireo rehefa mandalina mba hitady ireo fampianarana izay afaka manampy azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitandremana amin’ny fomba firesaka momba ny zava-masina, indrindra fa ny fomba ampiasana ny anaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Fanehoana fanajana ny anaran’i Jesoa Kristy
Ity famintinana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitr’ireo andininy izay hohalalininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 .
Tamin’ny fotoan’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 , ny sasany tamin’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio, dia nampiasa ny anaran’ny Tompo nefa tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana araka ny tokony ho izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:62 ). Nanameloka ireo fihetsika ireo ny Tompo ary nampianatra ireo Olomasina fahamarinana manan-danja mikasika ny fomba tokony hampiasana ny anarany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64 mba hitadiavana ny zavatra tian’ny Tompo ho takatry ny Olomasina momba Azy.
Manampy anao hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy ireo andininy ireo?
Inona no nianaranao avy amin’ny andininy 61–64 mikasika ny fomba tokony hampiasantsika ny anaran’ny Mpamonjy?
Ny fahamarinana iray mety holazain’ny mpianatra avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe masina ny anaran’i Jesoa Kristy ary tsy maintsy ampiasaina amim-pitandremana .
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mampiasa amim-pitandremana ny anaran’ny Mpamonjy?
Inona no fanontaniana anananao momba ireo zavatra nianaranao tao amin’ireo andininy ireo?
Raha toa ka manana fanontaniana ny mpianatra mikasika ny dikan’ny hoe mampiasa “ny anaran’ny Tompo … foana” (andininy 62 ), dia hazavao fa mety ho tafiditra ao anatin’izany ny firesahana tsy amim-panajana momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Dallin H. Oaks, “Reverent and Clean ,” Ensign , May 1986, 49–50). Mety ho tafiditra ao anatin’izany koa ny fampiasana tsy amim-pahamendrehana ny fahefan’ny fisoronan’ny Mpamonjy (jereo ny Neil L. Andersen, “Hery ao amin’ny fisoronana ,” Liahona , nôv. 2013, 93). Ataovy azo antoka fa takatry ny mpianatra fa mety ny miresaka momba ny Mpamonjy ao amin’ny filazantsara na ao anatin’ny resaka andavanandro rehefa miresaka momba Azy amim-pitiavana sy amim-panajana isika.
Alohan’ny hametrahana ity fanontaniana manaraka ity dia mety hanampy ny mangataka ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe mahafantatra olona iray izay tsy mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anaran’ny Mpamonjy amim-panajana izy ireo. Afaka mitadidy an’io olona io izy ireo rehefa miresaka.
Mahatsapa fitiavana sy fanajana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy
Hazavao fa ny fahatakarana bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony ho antsika dia afaka manampy antsika hahatsapa fitiavana sy fanajana Azy bebe kokoa.
Alohan’ny hampahafantarana ity asa fandalinana manaraka ity, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra niainany na ireo fahamarinana fantany avy ao amin’ny soratra masina izay mandrisika azy ireo hieritreritra sy hiresaka amim-panajana momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao koa ny mizara ohatra iray teo amin’ny fiainanao manokana.
Makà fotoana hikarohana ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy anao hahatsapa fitiavana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy faniriana hiresaka momba Azy amim-panajana. Azonao atao ny mikaroka soratra masina, fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na hira ao amin’ny fihirana, na loharano mahasoa hafa izay mamaritra ny maha-izy Azy na ny zavatra nataony. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny hevitrao sy ny zavatra tsapanao.
Azon’ny mpianatra atao ny mitady loharanom-pahalalana samirery na miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray. Raha ilaina dia azonao atao ny manome azy ireo ohatra vitsivitsy amin’ireo loharano azony resahina, toy hira ao amin’ny fihirana izay mampianatra momba ny toetra masin’i Jesoa Kristy na ny sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Matio 8:23–27 ; 2 Nefia 25:13 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:23–25 ; 35:1–2 ; 110:1–5 .
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany avy amin’ny fandalinany. Raha toa ka nahita hira manan-danja ao amin’ny fihirana ny mpianatra dia afaka miara-mihira ny iray na ny maromaro amin’izany ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hamaky soratra masina iray izay hitan’izy ireo sy hizara ny antony maha-manan-danja izany ho azy ireo.
Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hizara ny heviny:
Azonao atao ny manitatra ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanontaniana faharoa amin’ny fizarana ireo mpianatra ho vondrona kely, ary amin’ny fanasana azy ireo hifanakalo hevitra hoe inona no ho fiantraikany eo amin’ireo lafin-javatra manokana eo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa mahatsapa fanajana bebe kokoa ny Ray any an-danitra sy an’i Jesoa Kristy isika. Ireto misy ohatra momba ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay azon’izy ireo resahina:
Ny safidy ataon’izy ireo mifandray amin’ny fampiasana ny haino vaky jery.
Ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa.
Ny fahavononan’izy ireo hizara ny filazantsara.
Ny fomba fivavahan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra.
Mampifandray izany amin’ny fiainanao
Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny fianarany, dia asao izy ireo hamaly farafahakeliny ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany:
Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy tamin’ny Fanahy na avy amin’ireo namanao amin’izao fotoana izao, inona no fiovana tsikaritrao eo amin’ny zavatra tsapanao na ny fomba fijerinao ny Mpamonjy?
Inona no zavatra iray tianao hatao tsara kokoa na hatao amin’ny fomba hafa noho ny zavatra nianaranao androany?
Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara ny zavatra nosoratany. Farano avy eo ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary hazavao ny antony mahatonga ny anaran’Izy Ireo ho masina aminao.
Nampianatra izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Tsy misy teny masina na manan-danja mihoatra noho ny anaran’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy. …
Rehefa ampiasaina amim-panajana sy amim-pahefana ny anaran’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, dia miantso hery mihoatra noho izay takatry ny olombelona mety maty izy ireo.
Tokony hiharihary amin’ny mpino tsirairay fa ireo anarana mahery ireo—izay nanaovana fahagagana, izay namoronana izao tontolo izao, izay nahariana ny olona, ary izay ahafahantsika mamonjy antsika—dia masina ary tsy maintsy raisina amim-panajana fatratra. Hitantsika ao amin’ny fanambarana maoderina ny hoe: “Tadidio fa izay avy any ambony dia masina ary tsy maintsy tenenina amim-piheverana sy amin’ny faneren’ny Fanahy.”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64 .) (Dallin H. Oaks, “Reverent and Clean ,” Ensign , May 1986, 50, 51).
Ny Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha dia nampianatra hoe:
2:3
Ny fifaliana maharitra dia azo amin’ny alalan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny fiainana ny filazantsara araka izay nasehony sy nampianariny. Arakaraka ny, hianarantsika momba an’i Jesoa Kristy, hinoantsika Azy, ary hakantsika tahaka Azy no hahatakarantsika bebe kokoa fa Izy no loharanon’ny fanasitranana rehetra, ny fiadanana ary ny fivoarana mandrakizay. (Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo ,” Liahona , nôv. 2017, 85)
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
13:25
Rehefa tena talanjona tokoa ny amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika, dia faly kokoa sy manana hafanam-po kokoa hanao ny asan’ Andriamanitra ary manaiky isika ny fisian’ny tanan’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra. Ankoatra izany, lasa manan-danja kokoa ny fandalinantsika ny tenin’ Andriamanitra, lasa amin-kitsimpo kokoa ny vavaka ataontsika; lasa maneho fanajana kokoa ny fitsaohantsika; ary ny fanompoantsika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia lasa feno fahavitrihana kokoa. Ireo zavatra atao ireo diamahatonga ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho lasa matetika kokoa eo amin’ny fiainantsika. Noho izany dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsikanmomba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. (Ulisses Soares, “Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany ,” Liahona , mey 2022, 115)
Nampianatra izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
14:56
Ny fanatanterahana na fizarana ny fanasan’ny Tompo, ny fitsofan-drano ny marary na fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana hafa izay atao tsy am-pahamendrehana, araka ny nambaran’ny Loholona David A. Bednar, dia fanononam-poana ny anaran’ Andriamanitra [jereo ny David A. Bednar, Act in Doctrine (2012), 53]. Raha toa ka tsy mendrika ny olona iray dia tokony hiala amin’ny fanatanterahana ilay ôrdônansy izy sy hanatona ombam-bavaka ny evekany ho dingana voalohany amin’ny fibebahana sy fiainana indray araka ny didy. (Neil L. Andersen, “Hery ao amin’ny Fisoronana ,” Liahona , nôv. 2013, 93)
Rehefa mifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anaran’i Jesoa Kristy amim-panajana sy amim-pahamendrehana ianao, dia azonao ampiasaina ity tantara manaraka avy amin’ny fiainan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) ity:
“Tao amin’ny Hôpitaly St. Mark tao Salt Lake City no anesthésie générale ny [Filoha Spencer W. Kimball] ary nodidina, ary avy eo dia nentina tamin’ny latabatra niverina tany amin’ny efitranony. Raha mbola donton’ny fanafody iny i Spencer dia nahatsiaro fa nijanona teo amin’ny “ascenseur” ny latabatra nisy azy ary naheno ilay mpiasan’ny hôpitaly tezitra noho ny zavatra iray izy ka nanimbazimba ny anaran’ny Tompo. Na dia mbola tsy taitra tsara aza izy dia nitalaho tamim-piezahana fatratra hoe: -Aza miteny izany azafady. Tiako mihoatra noho ny zava-drehetra eto amin’izao tontolo izao Izy. Miangavy re.- Nisy fahanginana tanteraka. Avy eo dia namaly moramora ilay mpiasan’ny hôpitaly hoe: -Tsy tokony niteny izany aho. Azafady.-” (Edward L. Kimball and Andrew E. Kimball Jr., Spencer W. Kimball: Twelfth President of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1977], 264 )
Rehefa avy nizara ilay tantara ianao, dia asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra nanaitra azy ireo.
Ny mpianatra dia afaka mandray soa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fandresena izao tontolo izao, hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:47 . Rehefa avy namaky io andinin-tsoratra masina io ianao dia afaka manasa ireo mpianatra hanisy marika ny andian-teny hoe “mandresy an’izao tontolo izao” ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Avy eo dia asao ny mpianatra mba hanoratra ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany, ka hamela toerana eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay mba hanoratana ny valintenin’izy ireo.
Inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao?
Ahoana no fomba anaovantsika izany?
Ahoana no fomba itahian’ny fandresena an’izao tontolo izao ny fiainantsika?
Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2022 izay mitondra ny lohateny hoe “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana ” (Liahona , nôv. 2022, 95–98) mba hahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Asao ny mpianatra mba hanoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany ary hizara ny heviny rehefa vita ny fandalinana.
Ho fanampin’ny firesahana momba ny fampiasana ny anaran’ny Mpamonjy amim-panajana, ny mpianatra dia mety hahazo tombontsoa amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hafa ahafahan’izy ireo mampihatra ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64 . Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:
Hevero ny hanasa ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra mety hatrehin’izy ireo izay ahitan’izy ireo na andrenesan’izy ireo ireo zavatra masina atao tsinontsinona na resahina amin’ny fomba tsy misy fanajana. Ohatra, indraindray izy ireo dia mety ho sendra resaka tsy mendrika eo anivon’ny mpiara-mianatra aminy, na mety ho sendra horonan-tsary, na mozika, na lahatsoratra amin’ny tambajotran-tserasera izay mifono zavatra ratsy.
Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra mety hataony mba hisorohana na hiatrehana ireo karazana toe-javatra ireo. Ohatra, afaka misafidy ny hiala amin’ny resaka tsy mendrika izy ireo, na tsy hanaraka ireo kaonty tsy mendrika ao amin’ny tambajotran-tserasera, na hitandrina amin’ny karazana horonan-tsary na mozika fidiny hojerena na hohenoina.