Seminera sy Institiota
Lesona 68: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:22–66


Lesona 68

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:22–66

Fampidirana

Tamin’ny 30 Aogositra 1831 dia nandray fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 i Joseph Smith. Ao anatin’ity lesona izay mahafaoka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:22–66 ity ny Tompo dia mampanantena fitahiana ho an’ireo Olomasina mahatoky amin’ny andro farany, mampitandrina mikasika ny loza mety ateraky ny avonavona, ary mamporisika ny mpanompony mba hahatsiaro ny fahamasinan’ny Anarany sy hiresaka amim-panajana momba ny zava-masina rehetra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:22–54

Mampanantena fitahiana ho an’ireo mahatoky amin’ny andro farany ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no mety mahatsapa tebiteby momba ny fiainana amin’ny andro farany ny olona sasany?

Eo am-panombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra handeha tsiroaroa na hiaraka daholo ka hifanakalo hevitra momba io fanontaniana io.

Hazavao fa ao anatin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63, ny Tompo dia miresaka mikasika ny famongorana izay ho hianjady amin’ireo ratsy fanahy amin’ny andro farany, fa nanome fampanantenana mahery vaika kosa ho an’ny Olomasina. Ankoatra izay dia nandidy ny Olomasina tamin’izany fotoana izany koa Izy mba hividy tany tao Missouri ho fananganana an’i Ziona, izay nampanantenainy ho toerana fialofana (jereo ny F&F 45:66–69).

handout iconMba hanampiana ireo mpianatra hianatra momba ny faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63, dia mamorona taratasy iasana izay mirakitraireto teny nambara ireto. Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho izy ireo hamantatra raha marina na diso ny fanambarana tsirairay amin’ny alalan’ny fikarohana ny andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny fahamarinana izay nianarany ao amin’ny soratra masina eo am-pamenoany io taratasy iasana io.

  • ____1. Mandritra ny ady amin’ny andro farany dia hifandringana ireo vahoaka ratsy fanahy. (Jereo ny F&F 63:32–33.)

  • ____2. Ho afa-miala mora foana amin’ny famongorana amin’ny andro farany ny Olomasina marina. (Jereo ny F&F 63:34.)

  • ____3. Rehefa tonga indray i Jesoa Kristy dia handringana ireo ratsy fanahy izay mbola eto an-tany Izy. (Jereo ny F&F 63:34.)

  • ____4. Rehefa ela ny ela dia handresy ny fanamby rehetra eto amin’ity fiainana ity ireo izay mahatoky. (Jereo ny F&F 63:47–48.)

  • ____5. Hitsangana amin’ny maty ny vahoaka marina izay maty alohan’ny Fiaviana Fanindroany rehefa ho tonga eto an-tany ny Mpamonjy. (Jereo ny F&F 63:49.)

  • ____6. Tsy ho faty na oviana na oviana ny vahoaka marina izay miaina eto an-tany amin’ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany. (Jereo ny F&F 63:50–51.)

Rehefa avy nofenoin’ireo mpianatra ilay taratasy iasana dia asao izy ireo hanao tatitra momba ny valinteniny mikasika ireo fanambarana roa voalohany. (Marina ilay teny nambara voalohany, ary diso kosa ilay teny nambara faharoa.) Diniho miaraka ny valinteniny ary asao izy ireo hamerina hijery ny andalan-tsoratra masina voatanisa eo akaikin’ny fanambarana tsirairay. Rehefa mifanakalo hevitra momba ny valinteniny mikasika ny fanambarana 2 izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity:

Mpaminany Joseph Smith

“Hevi-diso ny hoe afaka hiala amin’ny fitsarana rehetra ny Olomasina, fa hijaly kosa ny ratsy fanahy; satria iharan’ny fijaliana avokoa ny nofo rehetra, ary ‘zara raha afa-miala ny olomarina;’ … maro ny marina izay ho voan’ny aretina sy ny areti-mandringana, sns., noho ny fahalemen’ny nofo, kanefa hovonjena ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (ao amin’ny History of the Church,4:11; jereo koa ny Journals, Volume 1: 1832–1839, boky 1 amin’ireo Journals tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2008], 352–53).

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no manan-danja ny mahafantatra fa tsy hotsimbinina amin’ny fizahan-toetra rehetra amin’ny andro farany ny vahoaka marina?

Angataho amin’ny mpianatra ny valinteniny momba ny teny nambara 3–6 ao amin’ny taratasy iasana. (Marina ny teny nambara 3–5, fa diso kosa ny teny nambara 6.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:47–48 Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny fampanantenana iray avy amin’ny Tompo. Amporisiho izy ireo handinika ny fomba anehoana ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’io andininy io ho toy ny fanambarana misy “raha–dia.”

  • Ahoana no fomba hilazanao ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’io andininy io ho toy ny fanambarana misy “raha–dia”? (Tokony hilaza ny mpianatra hoe raha mahatoky sy maharitra isika dia handresy an’izao tontolo izao. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy antsika “handresy an’izao tontolo izao” eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy antsika “handresy an’izao tontolo izao” aorian’ny fahafatesantsika?

Mba hanamafisana ny fitahiana mandrakizay izay afaka horaisintsika ka hanampy antsika handresy an’izao tontolo izao, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo marina.

Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fitahiana ho azontsika, eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy, raha toa ka mahatoky sy maharitra isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:55–56

Maneho ny tsy fankasitrahany mikasika ny avonavon’i Sidney Rigdon ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto ohatra manaraka ireto. Aorian’ny famakiana ny ohatra tsirairay dia miatoa kely, ka asao ny mpianatra hanazava ny mety mahatonga ny olona iray ho tratry ny fakam-panahy hamaly izany toe-javatra izany amin’ny avonavona na amin’ny fireharehana.

  1. Asaina mijoro ho vavolombelona eo anoloan’ny zatovo maro hafa ianao mandritra ny fihaonamben’ny zatovo iray.

  2. Mitaraina momba ny fiaraha-mientana izay nampianao ny fanomanana azy ny sasantsasany amin’ireo olona ao amin’ny kôlejy na kilasin’ny Zatovovavy misy anao.

  3. Mpihira manan-talenta tokoa ianao ka nasaina hihira hira iray mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo.

Hazavao fa nahazo andraikitra lehibe iray avy tamin ny Tompo i Sidney Rigdon kanefa namaly izany tamin’ny fireharehana. Nandidy azy ny Tompo mba “hanoratany fanoritsoritana momba ny tanin’i Ziona sy lahatsoratra iray momba ny sitrapon’ Andriamanitra, araka izay hampahafantarin’ny Fanahy azy” (F&F 58:50). Hanampy ireo Olomasina nipetraka lavitra an’i Independence, Missouri io filazalazana io mba hahafantarana ny momba ilay tany (tsy mbola nisy ny fôtôgrafia tamin’izany fotoana izany). Hanampy ireo Olomasina ihany koa izany amin’ny fanentanana azy ireo hanome vola hividianana ny tany (jereo ny F&F 58:51).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:55–56. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny porofo fa voataonan’ny fiavonavonana i Sidney Rigdon teo am-panatanterahany ny andraikiny hanoratra ny fanoritsoritana momba an’i Ziona.

  • Inona no porofon’ny avonavona tsikaritrao? (Tokony hasehon’ny mpianatra fa “nanandra-tena tao am-pony i [Sidney] ary tsy nandray torohevitra.”)

  • Inona no vokatry ny avonavon’i Sidney? (Nampalahahelo ny Fanahy izy ary tsy neken’ny Tompo ny asa sorany. Azonao atao ny manazava fa ny atao hoe mampalahelo ny Fanahy dia midika hoe miaina amin’ny fomba izay mampiala ny Fanahy Masina amintsika.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 55? Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Malahelo ny Fanahy raha miavonavona isika eo am-panaovana ny asan’ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hamerina hamaky mafy ny tsirairay amin’ireo ohatra teo ambony teo ireo. Aorian’ny famakiana ny ohatra tsirairay dia miatoa kely, ka asao ny mpianatra hanazava ny fomba ahafahan’ny olona iray hiatrika amim-panentren-tena izany toe-javatra izany fa tsy amin’ny fiavonavonana. Taorian’ilay resaka dia amafiso fa nomen’ny Tompo fahafahana ny hanoratra fanoritsoritana iray hafa momba an’i Ziona i Sidney Rigdon (jereo ny F&F 63:56). Nibebaka i Sidney ka nanoratra fanoritsoritana iray hafa momba ny tanin’i Ziona izay neken’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–66

Mampianatra ny mpanompony i Jesoa Kristy mba hahatsiaro ny fahamasinan’ny Anarany sy hiresaka amim-panajana momba ny zava-masina rehetra

Vakio na fintino ity tantara manaraka notsoahina tamin’ny fiainan’i Filoha Spencer W. Kimball ity. Asao ireo mpianatra hihaino ny zavatra izay mety manaitra azy ireo.

Filoha Spencer W. Kimball

“Tao amin’ny Hôpitaly St. Mark tao Salt Lake City no nasiana fanadontoana ny [Filoha Spencer W. Kimball] mba hatory tanteraka ka nodidiana, ary avy eo dia nentina tamin’ny latabatra niverina tany amin’ny efitranony. Raha mbola donton’ny fanafody iny i Spencer dia nahatsiaro fa nijanona teo amin’ny “ascenseur” ny latabatra nisy azy ka naheno ilay mpiasan’ny hôpitaly tezitra noho ny zavatra iray, ary nanamavo ny anaran’ny Tompo. Na dia mbola tsy taitra tsara aza ny Filoha Kimball dia nitalaho tamim-piezahana fatratra hoe: ‘Aza milaza izany azafady. Tiako mihoatra noho ny zava-drehetra eto amin’izao tontolo izao Izy. Azafady.’ Nisy fahanginana tanteraka. Avy eo dia namaly moramora ilay mpiasan’ny hôpitaly hoe: ‘Tsy tokony niteny izany aho. Miala tsiny aho’” (Edward L. Kimball and Andrew E. Kimball Jr., Spencer W. Kimball: Twelfth President of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1977], 264).

  • Inona tamin’io tantara io no manaitra anao?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-samy hafa ny fitsaohan’ny Filoha Kimball ny anaran’ny Tompo sy ny fomba fampiasan’ny olona maro eto an-tany amin’izao fotoana izao ny anaran’ny Tompo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:59–64. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny teny na andian-teny izay manampy azy ireo hahatakatra ny fomba tian’ny Tompo hampiasana ny Anarany sy ny fomba tiany hiresahantsika ny zava-masina rehetra.

  • Inona no hitanao momba ny fomba tokony hampiasantsika ny anaran’ny Tompo? (Rehefa mahita ireo teny sy andian-teny avy ao amin’ny andininy 64 ny mpianatra dia asao izy ireo hamintina ny tapany voalohany amin’ilay andininy. Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Masina ny anaran i Jesoa Kristy ka tsy maintsy tenenina amim-piheverana. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ny mpianatra iray mba ho mpitantsoratra eny amin’ny solaitrabe. Asao ny iray kilasy hilaza toe-javatra sasany izay mety azo ampiasaina tsara ny anaran i Jesoa Kristy, ka asaivo soratan’ilay mpitantsoratra eny amin’ny solaitrabe izany. Mety hilaza ny mpianatra fa mampiasa ny anaran’ny Mpamonjy isika mandritra ny vavaka, ny lahateny, ny fijoroana ho vavolombelona sy ny lesona momba filazantsara ary ny ôrdônansin’ny fisoronana. Azontsika atao ihany koa ny miresaka momba ny Mpamonjy eo amin’ny resaka ifanaovantsika amin’ny andavanandro, kanefa tokony ataontsika amim-panajana izany.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no tokony hampiasa ny anaran’ny Mpamonjy amim-panajana isika?

  • Ahoana no fomba ampitomboin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:62 ny fahatakaranao momba ny dikan’ny hoe manonononom-poana ny anaran’ny Tompo? Ahoana no fomba ampiharana an’io andininy io amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana?

  • Rehefa mampiasa ny anaran’ny Mpamonjy isika dia inona no zavatra azontsika atao mba hahatsiarovana fa masina izany ka tokony tenenina amim-piheverana?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fahamarinana izay noresahinao teo dia tsy mahakasika fotsiny ny anaran’ny Mpamonjy.

  • Inona ireo teny sasany na resaka izay “avy any ambony” ka masina? Ahoana no fomba hakàntsika antoka fa miteny azy ireny “amim-piheverana” isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.

Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy misy teny masina na manan-danja mihoatra noho ny anaran’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany amin’ny fitenintsika rehetra” (“Reverent and Clean,” Ensign, mey 1986, 50).

  • Nahoana no masina ny anaran’ Andriamanitra Ray sy ny anaran’i Jesoa Kristy ho anao?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary hazavao ny antony mahatonga ny anarany ho masina aminao. Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hampiasainy ny anaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amim-panajana bebe kokoa, ary entano izy ireo hanao izany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:25–27 “Kanefa Izaho Tompo dia mamerina amin’ i Kaisara ny zavatra izay an’ i Kaisara.”

Ao amin’ny Lioka 20:19–26 isika dia mamaky mikasika ny fiezahan’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nametraka fandrika an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana Taminy raha toa ka ara-dalàna ho an’ny Jiosy na tsia ny mandoa hetra ho an’i Kaisara, ilay emperora Rômana. Fantany fa raha nanaiky Izy dia handà Azy ny Jiosy satria halany ny Rômana, izay nandresy azy ireo. Raha toa ka nandà kosa i Jesoa dia afaka nanao tatitra ny momba Azy tany amin’ny Rômana izy ireo, izay hanagadra Azy noho ny fiodinana tamin’ny lalàna Romana. Nasehon’i Jesoa azy ireo ny vola madinika iray izay nisy ny sarin’i Kaisara teo aminy ka hoy Izy hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra” (andininy 25

Tamin’ny andron’ny Mpaminany Joseph Smith, ny filazan’ny Tompo mikasika io tantara io dia nanampy tamin’ny fampianarana ny Olomasina ny hoe na dia an’ny Tompo aza ny tany iray manontolo dia tsy maintsy nividy ny tany ireo Olomasina mba hanorenana ny tanànan i Ziona, araka izay nandidian’ny Tompo azy ireo. Nilain’ny Olomasina io fividianana io mba ho ara-dalàna ny fananana ny tany sy hisorohana ny ady mikasika izany amin’ny hoavy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:50–51. Inona no atao hoe “taonan’ny olombelona” ary inona no dikan’ny hoe “hovana ao amin’ny indray mipi-maso” ny olona?

Nanambara ny mpaminany Isaia fa mandritra ny Arivotaona : “ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza” (Isaia 65:20).

Filoha Joseph Fielding Smith

Nampianatra ihany koa ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Mbola ho faty ihany ny olombelona eto an-tany fa ho avy ny fiovana eo aminy ka hanana fahefana handresena ny aretina sy ny fahafatesana izy ireo. Ho foana tanteraka eto an-tany ny fahafatesana satria hiaina ambara-pahatratrany ny taonan’ny hazo na zato taona ny olona (Jereo ny [F&F] 63:50–51), ary avy eo dia ho faty amin’ny taonan’ny olona, kanefa ho tonga ao anatin’ny indray mipi-maso io fahafatesana io ary hiova tsy fahafatesana tampoka ny fahafatesana. Tsy hisy ny fasana ary hakarina ho amin’ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra ny marina” (Church History and Modern Revelation, boky miisa 2 [1953], 1:461).