Seminera sy Institiota
Lesona 92: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–69


Lesona 92

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–69.

Fampidirana

Ity no lesona faharoa amin’ireo lesona efatra mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88. Nomena nandritra ny fihaonamben’ny mpisorona avo tao Kirtland, Ohio tamin’ny 27 sy 28 Desambra 1832 ny ampahany tamin’ilay fanambarana izay horesahina ato amin’ity lesona ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanazavan’i Jesoa Kristy mikasika ny fomba fitondran’ Andriamanitra ny zava-boariny sy ny fanasana antsika hanakaiky Azy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–50

Manambara ny Mpamonjy fa fehezin’ny lalàn’ Andriamanitra ny zava-drehetra

Mampisehoa sarina kintana, toy ny Namorona ny zava-drehetra ny Tompo (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 2; jereo koa ny LDS.org), na manaova sarina kintana vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe.

kintana eny amin’ny habakabaka
  • Moa ve ianao efa nitazana kintana ka nieritreritra mikasika an’ Andriamanitra sy ny zava-boariny? Inona no fanontaniana na eritreritra tonga tao an-tsainao rehefa nitazana ny lanitra ianao?

Asongandino fa rehefa mitazana ny haben’ny zava-boarin’ Andriamanitra ny olona dia mahatsiaro tena ho kely sy bitika indraindray. Mety manontany tena izy ireo raha toa ka mahafantatra azy ireo Andriamanitra. Lazao ny mpianatra fa rehefa miresaka mikasika ireo andininy ao amin’ny lesona izay atao androany izy ireo dia hahita fa na dia manapaka ny zava-boary maro tsy tambo isaina manerana ny lanitra aza Andriamanitra dia mahafantatra ny tsirairay amintsika Izy ary tiany ny hanatonantsika Azy.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fomba anehoan’ity andininy ity ny hoe manana ny hery hitondrana ny zava-boariny rehetra Andriamanitra no sady mahalala antsika tsirairay avy ihany koa.

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ity andininy ity ny hoe manana ny hery hahalalana ny tsirairay amitsika sy ny filàntsika Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:42–45. Asao ny mpianatra hamantatra ny fomba fitondran’ Andriamanitra ny zava-boariny.

  • Ahoana no fomba itondran’ Andriamanitra ny zava-boariny? (Amin’ny alalan’ny lalàny.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny iray amin’ireo zava-boarin’ Andriamanitra izay mampitolagaga azy ireo. Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny eritreriny. Azonao atao, ohatra, ny mampiseho zavatra iray na sary iray izay maneho ny iray amin’ireo zava-boarin’ Andriamanitra ary hazavao ny antony mahatonga anao mitolagaga amin’izany zava-boary izany.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:46–47 sady hitady ny zavatra hitantsika rehefa mijery ny zava-boarin’ Andriamanitra isika.

  • Inona no zavatra hitantsika rehefa mijery na dia ny kely indrindra amin’ireo zava-boarin’ Andriamanitra aza isika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony haneho ity fitsipika manaraka ity izany: Rehefa mijery ny zava-boarin’ Andriamanitra isika dia mahita ny fiandrianany sy ny heriny. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona no fiantraikan’ny zava-boary izay hitanao eny amin’ny lanitra sy ety an-tany eo amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika an’ Andriamanitra?

Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:48–50 ny mpianatra. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asaivo mamintina ireo andininy amin’ny teniny manokana ny iray amin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–61.

Ny Tompo dia mitantara ny fanoharana ny amin’ireo lehilahy niasa teo amin’ny saha iray ka novangian’ny tompony ny tsirairay avy aminy

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–60 dia ahitana fanoharana iray izay manampy antsika hahatakatra ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny fanjakana na tontolo izay nohariany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–55. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady hitady ny zavatra nodidian’ilay lehilahy ao amin’ilay fanoharana mba hataon’ny tsirairay tamin’ireo mpanompony sy ny zavatra nampanantenainy ny tsirairay avy taminy.

  • Inona no zavatra nodidian’ilay lehilahy hataon’ireo mpanompony? Inona no nampanantenainy ireo mpanompony? (Nodidiany izy ireo hiasa eny amin’ny sahany. Nampanantena Izy fa hamangy azy ireo amin’ny anjarany avy.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:56–60 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ao anatin’ity fanoharana ity dia novangian’ilay tompon’ny saha ny tsirairay tamin’ireo mpanompony rehefa tonga ny anjarany. Ny mpanompo tsirairay dia “nandray … ny hazavan’ ny tavan’ ny tompony, ny olona tsirairay tamin’ ny orany” (F&F 88:58).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:61 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra izay ampianarin’ity fanoharana ity antsika mikasika ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra amin’ny fanjakana izay nohariany.

  • Inona no ampianarin’ity fanoharana ity antsika mikasika ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra amin’ny fanjakana izay nohariany? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity: Hamangy ny tsirairay amin’ny fanjakany sy ny mponina ao aminy amin’ny fotoany Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–69

Mampanantena Andriamanitra fa hanakaiky antsika Izy rehefa manakaiky Azy isika.

Tsindrio tsara fa efa tonga teto amin’ny fanjakany teto an-tany ny Tompo ary mbola ho tonga indray Izy ka hanjaka eto mandritra ny Arivotaona. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–69 ny Tompo dia mampianatra ny zavatra izay azontsika atao mba hanakaikezany antsika amin’izao. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny fahatsapanao azy, aiza ho aiza ny fanakaikezanao ny Tompo? Moa ve ianao te hanakaiky Azy bebe kokoa?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–63 sady hitady ny zavatra azontsika atao mba hanasantsika ny Tompo hanakaiky antsika.

  • Inona no fitsipika izay ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fanakaikezana ny Tompo? (Rehefa mamaly izany ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha manakaiky ny Tompo isika dia hanakaiky antsika Izy.)

  • Teny inona ao amin’ny andininy 63 no mampianatra mikasika ny fomba ahazoantsika manakaiky ny Tompo? (Mitady, mangataka, ary mandondona.)

Hazavao fa matoanten’ny asa atao ireo teny hoe mitady, mangataka, ary mandondona ireo.

  • Inona ireo asa sasantsasany izay nanampy anao hitady sy hangataka ary handondona mba hanakaikezana ny Tompo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba iray ahafahany manakaiky ny Tompo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Filoha Spencer W. Kimball

“Hitako fa rehefa ataoko tsizarizary ny fifandraisako amin’ Andriamanitra ary rehefa toy ny hoe tsy misy sofin’ Andriamanitra mihaino, ary tsy misy feon’ Andriamanitra miteny, dia tena lavitra tokoa aho. Rehefa mandalina amim-pifantohana tsara ny soratra masina aho, dia mihena ny elanelana ary miverina ny aim-panahy” (Enseignement des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], ).

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany mikasika ny fomba famalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka ataony dia vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64–65. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy antsika raha toa ka mivavaka amin’ny Ray amin’ny anarany isika.

  • Inona no ampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba famalian’ny Ray any an-danitra ny vavaka ataontsika ao amin’io andininy io? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Ny Ray any An-danitra dia mamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fomba izay fantany fa tena mahasoa antsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia azonao atao ny manome azy ireo ny tahadikan’ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany fanambarana izany ka asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mamantatra ny zavatra tokony hataontsika rehefa novalian’ny Ray any an-danitra amin’ny fomba hafa tsy araka izay nantenaintsika na nampoizintsika azy ny vavaka iray.

Loholona Richard G. Scott

“Mafy tokoa rehefa tsy mivaly araka ny eritreretintsika ny vavaka amin-kitsipo izay ataontsika mahakasika zavatra iray. Sarotra ny mahatakatra hoe nahoana no tsy manome ny valiny nandrasana ny fampiharanao finoana lalina sy marina tao anatin’ny fiainana feno fankatoavana. … Indraindray dia sarotra ny mahafantatra izay mety indrindra na tsara ho anao mandritra ny fotoana maharitra. Ho mora kokoa ny fiainanao raha manaiky ianao fa ny zavatra izay ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao dia hitondrana soa mandrakizay ho anao” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign na Liahona, mey 2007, 9).

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny traikefa izay nananany rehefa namaly ny vavaka nataony araka izay nahasoa azy ireo ny Ray any An-danitra. Azonao atao koa ny mizara zavatra iray izay niainanao manokana.

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:66, isika dia mianatra fa fomba iray hifaneraseran’ Andriamanitra amintsika ny hoe “tahaka ny feon’ilay miantso any an’efitra.” Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:66 sady hitady ny fomba hiantefan’ny feon’ Andriamanitra any amintsika.

  • Araka ny voalazan’ity andininy ity dia amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny feon’ Andriamanitra amin’ny “ny feon’ilay miantso any an’efitra”?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa teo akaikinao Andriamanitra na dia tsy nahita Azy aza ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–69. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fomba hafa ahafahantsika manakaiky ny Tompo. Asaivo zarain’ireo mpianatra ny zavatra hitany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masoko, dia …

Asao ny mpianatra hameno ilay fehezan-teny amin’ny fampiasana ny zavatra nianarany tao amin’ny andininy 67. Mety ho toy izao ilay fehezan-teny: Raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masoko, dia ho feno fahazavana aho. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika io fitsipika io araka ny fisehoany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitry ny Tompo”? (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ny mpianatra dia mety hilaza ohatra maro samihafa izy ireo. Ataovy izay hahatakarany fa amin’ny ankapobeny dia midika hoe mahafoy tena tanteraka amin’ny asa sy ny zava-kendren’ Andriamanitra io andian-teny io.)

  • Mieritrereta olona fantatrao fa toa feno ny fahazavan’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no hahitanao izany fahazavana izany eo aminy?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 68 dia inona no tokony hataontsika mba tsy hibanjina afa-tsy amin’ Andriamanitra ny saintsika? (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “manamasìna ny tenanareo” dia entina hilazana ny hoe mila voadio sy voasasa amin’ny fahotana isika. Lasa nohamasinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Fanahy Masina isika rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika sy mandray ny ôrdônansin’ny fisoronana ary mitazona ny fanekempihavanana nataontsika.)

Asao ny mpianatra mba hamerina hamaky ny fotopampianarana sy fitsipika izay nosoratanao eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia asaivo maka sary an-tsaina izy ireo hoe mibanjina ny kintana miaraka amin’ny namana iray izy ireo izay mahatsapa fa tsy mahafantatra azy Andriamanitra. Asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra holazainy amin’ilay namany amin’ny fampiasana ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny famakiana ity teny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Azonao atao koa anefa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny hery fitaoman’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao rehefa miezaka ny hanakaiky Azy ianao.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ry rahalahy sy ranabavy, … mety misy fotoana … hahatsapa ho tsy manan-danja, na tsy hitan’ny olona, na irery, na hadino isika. Kanefa tsarovy mandrakariva—manan-danja Aminy ianao! …

“Raisin’ Andriamanitra tsy amin’ ny maha-olona izay mety miaina ao anatin’ ny planeta kely mandritra ny fotoana fohy fotsiny ianareo—fa raisiny amin’ ny maha-Zanany anareo. Raisiny hoy toy ilay olona izay vitanareo ny hiafara tahaka izany ary efa nomanina mba hiafaranareo rahatrizay. Tiany ho fantatrareo fa manan-danja Aminy ianareo” (Manan-danja Aminy ianao,” Liahona, nôv. 2011, 22).

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67. “Feno fahazavana”

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika dia ho feno fahazavana ny fanahintsika:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Rehefa manakaiky ny Ray any an-danitra isika dia ho masina kokoa. Ary rehefa masina kokoa isika dia handresy ny tsy finoana ary ny fanahintsika dia ho rakotry ny fahazavany. Rehefa mampifanaraka ny fiainantsika amin’izany fahazavana masina izany isika dia hitarika antsika hiala ao amin’ny haizina hankany amin’ny fahazavana bebe kokoa izany. Izany fahazavana lehibe kokoa izany dia hanome vahana ny asa fanompoana tsy hay ambara ataon’ny Fanahy Masina, ary amin’izany dia ho lasa manify dia manify ny voaly manelanelana ny lanitra sy ny tany,” (“Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 24).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68. “Manamasìna ny tenanareo”

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mamaritra ny fanamasinana ho toy ny “dingana hahatongavana amin’ny fahafahana amin’ny fahotana, ho madio, ho tsisy pentina ary ho masina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Mosesy 6:59–60).” Ahitana ireto soratra masina manaraka ireto ny teny iditra hoe fanamasinana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina: 2 Tesaloniana 2:13; Hebreo 10:10; 13:12; Almà 13:10–12; Helamàna 3:33–35; 3 Nefia 27:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:31; 76:41; 88:68. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,” scriptures.lds.org.)

Nanazava ny dikan’ny hoe manamasina ny tenantsika ny Loholona J. Thomas Fyans ao amin’ny Fitopololahy:

Loholona J. Thomas Fyans

“Mahazo fitarihana bebe kokoa mikasika ny fomba hanakaikezana ny Tompo isika avy amin’ny fandalinana soratra masina: ‘Manamasìna ny tenanareo mba tsy hibanjina afa-tsy Andriamanitra ny sainareo, dia ho avy ny andro izay hahitanareo Azy; fa hasehony anareo ny tavany ary izany dia ho amin’ ny fotoany sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony.’ (F&F 88:68; nampiana soramandry.) Ny dikan’ny hoe manamasina dia manova ho lasa masina—manafaka amin’ny fahotana, manadio. Ataontsika izany mba hiaina mifanaraka amin’ny Fanahiny isika.

“Nomena torolalana isika izay mampahatsiahy antsika lalandava ny fomba ahafahantsika mijanona ho afaka amin’ny fahotana sy hanana ny Fanahiny miaraka amintsika. Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mandre izany. Henoy tsara ny teny ao amin’izany: “Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin” ny anaran’ ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity mofo ity ho an’ ny fanahin’ ireo rehetra izay mandray amin’ izany; mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ ny Zanakao ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo, mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy’ (Môrônia 4:3; jereo koa ny F&F 20:77; nampiana soramandry.)” (“Draw Near unto Me,” Ensign, nôv. 1985, 90).