Seminera
Lesona 38: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31–32


Lesona 38

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31–32

Fampidirana

Tamin’ny volana Septambra 1830 dia niantso an’i Thomas B. Marsh ny Tompo mba hitory ny filazantsara sy hanampy tamin’ny fananganana ny Fiangonana. Io antso io, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31 dia mirakitra ihany koa ireo fampanantenana sy torohevitra izay hitarika an’i Thomas teo amin’ny fiainany manokana sy tamin’ny naha-misiônera azy. Tamin’ny volana ôktôbra 1830 dia azon’i Joseph Smith ilay fanambarana izay voarakitra amin’izao fotoana izao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32, izay ahitana ny niantsoan’ny Tompo an’i Parley P. Pratt sy i Ziba Peterson mba hiaraka amin’i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany hanao asa fitoriana tany amin’ny Lamanita tany Missouri andrefana. Nampanantena ny hiaraka tamin’ireo lehilahy ireo tao anatin’ny asa fitoriana nataony ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–8

Nantsoin’ny Tompo i Thomas B. Marsh mba hitory ny filazantsara sy hanampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana

Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ny zavatra tsapany ho azy ireo. Azonao atao ny mampiseho sary iray ahitana ny fianakavianao ary hamaritra fohifohy mikasika ny fitiavanao azy ireo. Angataho ny mpianatra hieritreritra raha toa ka misy olona iray ao amin’ny fianakaviany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana na tsy miaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo amin’izao fotoana izao. Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina ny fanantenana ananan’izy ireo mikasika ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay voalaza ireo.

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31 dia niresaka tamin’ny mpikambana vaovao iray natsoina hoe Thomas B. Marsh ny Tompo ary niresaka taminy mikasika ny fianakaviany.

Mba hanampiana ny mpianatra rehetra hahatakatra ny tantara ao amin’ity fizarana ity dia asao ny mpianatra iray hamaky ity famaritana manaraka mikasika ny fomba nahalasa mpikamban’ny Fiangonana an’i Thomas B. Marsh ity.

Rehefa nipetraka tao Boston Massachusetts, tamin’ny taona1829 i Thomas B. Marsh dia naka tsoa-kevitra izy fa tsy nisy tamin’ireo fiangonana izay fantany no nifanaraka tamin’ireo fampianaran’ny Baiboly. Nanoratra izy hoe: “Mino aho fa nilaza tamiko ny Fanahin’ Andriamanitra mba hanao dia miankandrefana.” Nandao an’i Elizabeth vadiny sy ireo zanany mbola kely izy mba hikatsaka ny fahamarinana. Rehefa nahavita dia telo volana i Thomas dia niverina nody rehefa “nahare mikasika ny Boky Volamena [iray] izay hitan’ny zatovo iray nantsoina hoe Joseph Smith.” Nandeha tany Palmyra, New York izy, izay toerana nahitany an’i Martin Harris. Nomen’ilay mpanonta printy taratasy lehibe nirakitra ireo pejy enina ambin’ny folo voalohany an’ny Bokin’i Môrmôna i Thomas mba hijereny izay teny diso teo amin’ny fanoratana. Taty aoriana i Thomas dia nanoratra hoe: “Rehefa tonga tao an-trano aho … dia nasehoko ny vadiko ireo takila enina ambin’ny folon’ny Bokin’i Môrmôna … izay tena nahafaly azy, ary ninoany fa asan’ Andriamanitra.” Sahabo ho herin-taona taty aoriana dia nifindra tany Palmyra i Thomas sy ny fianakaviany rehefa nahafantatra mikasika ny fananganana ny Fiangonana. Rehefa nipetraka tao amin’ilay faritra izy dia natao batisa tao akaikin’i Fayette ary natokan’i Oliver Cowdery ho loholona tamin’ny volana Septambra 1830 (jereo ny Thomas B. Marsh, “History of Thomas Baldwin Marsh,” Millennial Star, 11 Jona 1864, 375).

  • Inona no manaitra anao mikasika ny fikatsahan’i Thomas B. Marsh ny fahamarinana?

Angataho ny mpianatra iray hamaky masy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–2 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ireo andian-teny izay nampiasain’ny Tompo mba hampaherezana an’i Thomas taorian’ny batisany.

  • Inona no fampaherezana nomen’ny Tompo an’i Thomas ao amin’ireo andininy ireo ?

  • Inona no fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Thomas mikasika ny fianakaviany?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–2 ka afaka manampy antsika raha toa isika ka manana olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy mpikamban’ny Fiangonana na tsy miaina amim-pahatokiana araka ireo fanekempihavanana nataony? (Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mety hotahiana mba hino sy hahalala ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fahatokiantsika ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona avy ireo fomba mety hitahiana ny olona amin’ny alalan’ny fahatokian’ireo olona ao amin’ny fianakaviana? Inona ireo ohatra efa hitanao maneho izany?

Asao ireo mpianatra hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3–4 ary hitady ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh mba hataony. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Dia angataho avy eo ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity, mikasika ireo fitahiana tonga amin’ireo izay manao asa fitoriana amim-pahatokiana. (Azonao atao ny manome ny tahadikan’io teny nambara io amin’ny mpianatra mba hotehiriziny ao amin’ny soratra masiny.) Asao ny mpianatra rehetra hihaino hoe iza no olona voatahy amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Hitahy ny fiainan’ireo izay ampianarinareo sy ny taranak’izy ireo izay handimby azy ianao. Hitahy ny fiainanareo ianareo. Hitahy ny fiainan’ny fianakavianao ianao, izay hanohana anao sy hivavaka ho anao” (“Of Missions, Temples, and Stewardship,” Ensign, nôv. 1995, 52).

  • Iza no tahiana amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara ?

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:5–8 Angataho ny vondrona iray hitady ireo fitahiana izay ho tonga amin’ireo izay ho ampianarin’i Thomas B. Marsh. Angataho ilay vondrona faharoa hitady ireo fitahiana izay ho tonga amin’i Thomas rehefa manao misiônera izy. Angataho ilay vondrona fahatelo hitady ireo fitahiana izay ho tonga amin’ny fianakavian’i Thomas rehefa mandao azy ireo izy. Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fitahiana ho tonga amin’ireo izay ho ampianarin’i Thomas?

  • Amin’ny fomba ahoana no hitahiana an’i Thomas noho ny asa fitoriana ataony?

  • Amin’ny fomba ahoana ny hitahiana ny fianakaviany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny asa fitoriana filazantsara nataon’ny olona iray hafa ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao?

Azonao atao ny mizara ohatra maromaro mikasika ny fomba nahitanao ny nitahian’ny asa fitoriana ny filazantsara nitahy ny fiainan’ny olona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:9–13

Nanome torohevitra manokana an’i Thomas B. Marsh i Jesoa Kristy

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:9–13 dia mirakitra torohevitra izay nomen’ny Tompo mba hanampiana an’i Thomas B. Marsh teo amin’ny fiainany manokana sy tamin’ny naha-misiônera azy. Soraty eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ireto torolalana manaraka ireto na omano amin’ny taratasy ho zaraina amin’ny mpianatra:

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:9–12 ary mitadiava torohevitra iray izay tsapanao fa manan-danja ho antsika ka tokony harahina amin’izao fotoana izao. Miomàna hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto :

  1. Inona no torohevitra iray nofidianao ? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amintsika amin’izao fotoana izao io torohevitra io ?

  2. Inona no fomba iray azontsika hampiharana io torohevitra io eo amin’ny fiainantsika ?

  3. Ahoana no ahafahantsika mahazo tombony avy amin’ny fanarahana io torohevitra io ?

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo handalina tsirairay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:9–12 ary avy eo dia hizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana amin’ireo mpiara-miasa aminy.

Rehefa avy mizara izany ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:13 ary hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh raha mahatoky izy. Asao ny mpianatra iray ho eo amin’ny solaitrabe ary hanoratra io fampanantenana io amin’ny endrika fitsipika, izay ampiasana ireo teny hoe raha sy dia. Amporisiho ny mpianatra sisa hanampy ilay mpianatra araka izay ilaina. Na dia mety holazain’ilay mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hazava ity fitsipika manaraka ity: Raha mahatoky hatramin’ny farany isika dia hiaraka amintsika ny Tompo. Hazavao fa ity fahamarinana ity dia mitombina amintsika rehetra rehefa miezaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika ary ao anatin’ny toe-javatra hafa ihany koa.

  • Oviana ianao no nahatsapa fa niaraka taminao ny Tompo rehefa nikatsaka ny ho mahatoky taminy ianao? (Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana io fanontaniana io alohan’ny hamaliany. Mizarà zavatra niainanao manokana.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32

Miantso an’i Parley P. Pratt sy Ziba Peterson ny Tompo mba hamonjy ny asa fitoriana any amin’ireo Lamanita

Angataho ny mpianatra hijery ilay sarintany ao amin’ny soratra masin’izy ireo izay mitondra ny lohateny hoe “Ny dian’ny Fiangonana miankandrefana” (jereo ny Sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana, Sarintany 6). Na azonao atao ny mampiseho sarintany lehibe izay maneho ny halavirana manelanelana an’i New York sy i Missouri, Etazonia.

  • Nantsoina hitory ny filazantsara taiza i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany? (Raha tsy mahatadidy ny mpianatra dia asao izy ireo hijery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–9; 30:5. Nantsoina hitory ny filazantsara “any amin’ny Lamanita” tany amin’ny sisin-tany andrefan’i Missouri ireo misiônera ireo. Ampio ny mpianatra hitady io toerana io ao amin’ilay sarintany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ilay fanontaniana izay nananan’ireo loholona sasany tao amin’ny Fiangonana mikasika ny asa fitoriana filazantsara izay niantsoana an’i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany.

  • Inona no fanontaniana nananan’ireo loholona sasany tao amin’ny Fiangonana mikasika ny asa fitoriana filazantsara tany amin’ny Lamanita? (Tian’izy ireo ho fantatra raha toa ka hisy misiônera fanampiny mety ho antsoina mba hampianatra ny Lamanita.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra niantsoana an’i Parley P. Pratt sy i Ziba Peterson mba hataony sy ny zavatra nampanantenain’ny Tompo azy ireo.

  • Nantsoina hanao inona i Parley sy i Ziba?

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo azy ireo?

Azonao atao ny manazava ny zavatra mampitovy an’ireo fampanantenana nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:3 amin’ilay fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe hoe: Raha mahatoky hatramin’ny farany isika dia hiaraka amintsika ny Tompo.

Azonao atao ny manazava fa nandritra ny fararano tamin’ny taona 1830 sy ny ririnin’ny Taona 1830–31 dia nanao dia sahabo ho 2.400 km avy ao Fayette New York ka hatrany Independence, Missouri io vondrona kelin’ny misiônera io (izay nohatevenin’ny mpikambana vaovao iray avy ao Ohio izay nantsoina hoe Frederick G. Williams taty aoriana), ary dia an-tongotra no ankamaroan’ny dia natao. Tonga tao Independence tamin’ny tapaky ny volana janoary 1831 ireo misiônera efatra ireo. Nandritra ny ampahany tamin’ny dian’izy ireo dia niaritra hatsiaka mamirifiry sy rivotra nifofo ary havizanana izy ireo, ary katsaka mangatsiaka be sy henan-kisoa manta no foto-tsakafo niveloman’izy ireo. Tany amin’ny toerana sasantsasany dia nirefy 0,91 metatra ny halalin’ny ranomandry nandehanan’izy ireo. Na dia teo aza ireo zava-tsarotra ireo dia nahomby tamin’ny fampahafantarana ny filazantsara tamin’ireo Indiàna Amerikana izay nipetraka tao amin’ny faritry ny Indiàna teo akaikin’ny sisin-tany andrefan’i Missouri ireo misiônera. Nitory ny filazantsara tao Mentor sy Kirtland, Ohio tamin’ny olona mpiara-mivavaka izay nitady ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana Kristianina tao amin’ny Testamenta Vaovao koa izy ireo. (Hianatra bebe kokoa mikasika ireo olona ireo sy i Sidney Rigdon mpitarika azy ireo ny mpianatra amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35.) Notanterahin’ny Tompo ny fampanantenany fa hiaraka amin’ireo misiônera ireo Izy ary tsy hisy na inona na inona haharesy azy ireo. (Jereo ny Histoire de l’Église dans la plénitude des temps, manuel de l’étudiant, boky navoaka faha-2. [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 84–85.)

Azonao faranana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana noresahinareo ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31

Ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31 dia iray amin’ireo fanambarana maro (jereo ny F&F 30–36 izay nomen’ny Tompo mikasika ny asa fitoriana ny filazantsara teo anelanelan’ny fotoana izay nampahafantarany voalohany ilay fitsipika mikasika ny fanangonana ireo vahoakany (jereo ny F&F 29:1–8 sy ny fotoana izay nanondroany toerana fanangonana ho azy ireo (jereo ny F&F 37).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:2, 5–8. Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fahatokiantsika ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika

Ny olona tsirairay avy izay mahafantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy misafidy ho an’ny tenany ny hanaiky izany na tsia. Kanefa ny ohatry ny fahatokiana izay asehontsika dia afaka mitaona ny hafa hanao ny tsara. Ny fomban’ny Tompo sy ny fotoany amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenana tahaka ireo izay nomeny an’i Thomas B. Marsh ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:2, 5–8 dia tsy voatery hifanaraka mandrakariva amin’ny fanantenantsika sy ny zavatra andrasantsika. Na izany aza anefa dia mampiseho ity tantara manaraka notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson mikasika ny zavatra niainany tamin’izy filohan’ny misiôna tao Kanada ity fa manatanteraka ny fampanantenany amin’izay mahatoky ny Tompo:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Indray andro dia nisy misiônera vao tonga, nipetraka tao amin’ny biraoko. Narani-tsaina izy, natanjaka, feno fahavitrihana ary feno faniriana ny hanompo, faly sy feno fankasitrahana tamin’ny naha-misiônera azy. Rehefa niresaka taminy aho dia hoy aho hoe: ‘Ry Elder, azoko an-tsaina fa ny rainao sy ny reninao dia manohana anao amin’ny fony manontolo amin’ny antsonao hitory ny filazantsara.’ Naondriny ny lohany ary namaly izy hoe: ‘Tsy dia manohana loatra izy ireo. Hitanao ry Filoha, ny raiko dia tsy mpikamban’ny Fiangonana. Tsy mino ny zavatra inoantsika izy, ka tsy afaka ny hahatakatra tanteraka ny maha-zava-dehibe ny iraka ampanaovina ahy.’ Tsy tamim-pisalasalana sy noho ny fanosehan’ny hery tsy avy amiko no nilazako taminy hoe: ‘Ry Elder, raha toa ka manompo an’ Andriamanitra amim-pahitsiana sy amim-pahazotoana ianao amin’ny fitoriana ny hafany dia ho tonga mpikamban’ny Fiangonana ny rainao alohan’ny hifaranan’ny asa fitoriana filazantsara ataonao.’ Sady nofihininy mafy ny tanako, no nirotsaka nanaraka ny takolany ny ranomasony, dia nanambara izy hoe: ‘Ny hahita ny raiko hanaiky ny fahamarinana no ho fitahiana lehibe indrindra izay mety hitranga eo amin’ny fiainako.’

“Ity tovolahy ity dia tsy niandry fotsiny izay zavatra hitranga ary nanantena sy naniry fa ho tanteraka ilay fampanantenana, fa nanaraka ny ohatra nasehon’i Abraham Lincoln izy, ary ny zavatra notantaraina mikasika azy dia hoe: ‘Rehefa nivavaka izy dia nivavaka toy ny hoe miankina amin’ Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra, ary avy eo izy dia niasa toy ny hoe ny zavatra rehetra dia niankina taminy avokoa.’ Toy izany ny asa fanompoana nataon’ity zatovolahy ity.

“Isaky ny fihaonamben’ny misiônera aho dia mikaroka azy foana alohan’ny fivoriana ary manontany hoe: ‘Elder a! Manao ahoana izao ny fandrosoan’ny dadanao?’

“Tsy niova mihitsy ny valinteny omeny nanao hoe: ‘Tsy misy fandrosoana, ry Filoha, kanefa fantatro fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany nataony tamiko tamin’ny alalanao amin’ny maha-filohan’ny misiônako anao.’ Nandeha ny andro dia nivadika ho herinandro, ny herinandro nivadika ho volana, ary farany, roa herinandro alohan’ny hodianay any an-trano dia naharay taratasy avy tamin’ny rain’io misiônera io aho. Tiako hozaraina aminareo izany androany.

“Ry Rahalahy Monson malala:

“‘Te-hisaotra anao aho noho ny fikarakaranao ny zanakay lahy izay vao avy nahavita asa fitoriana filazantsara tany Kanada.

“‘Nitaona ny fanahinay foana izy.

“‘Nampanantenaina ny zanako lahy fony izy nandeha nanao asa fitoriana fa ho tonga mpikamban’ny Fiangonana aho alohan’ny hiverenany. Izany fampanantenana izany, izay inoako fa nataonao taminy, dia tsy fantatro ny fisiany.

“‘Faly aho manao tatitra aminao fa vita batisa aho ary lasa mpikamban’ny Fiangonana herinandro talohan’ny nahavitany ny asa fitoriany filazantsara. …

“‘… Ny zandriny lahy koa dia vao natao batisa vao haingana ary noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana.

“‘Mbola mamerina ny fisaorako anao aho noho ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana voarain’ny zanako lahy tamin’ny alalan’ireo rahalahiny tany amin’ny sahan’ny misiôna nandritra ny roa taona lasa.

“‘Amim-pitiavana tokoa,

“‘Avy amin’ny raim-pianakaviana iray feno fankasitrahana.’

“Mbola novaliana indray ilay fivavaky ny finoana natao tamim-panetrentena” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1964, 131–32).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:10. Tamin’ny fomba ahoana no naha “mpitsabo ho an’ny fiangonana” an’i Thomas B. Marsh?

Nanana talenta tamin’ny fampiasana raokandro hoentina mitsabo i Thomas B. Marsh ary afaka nanampy ny olona tamin’ny fahalalana nananany. Fa ny antsony lehibe kokoa anefa dia ny hanasitrana fanahy. Maro ireo ohatra izay voarakitra an-tsoratra mikasika ny fanomezan’i Thomas B. Marsh ny fotoany hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hamaha ny olan’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32. Nahomby ve ilay asa fitoriana filazantsara natao tany amin’ny Lamanita?

Na dia tsy nahomby firy aza ilay famitana iraka voalohany tany amin’ny Nefita tamin’ny fitoriana filazantsara tamin’ireo Indiàna Amerikana dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany am-piandohana izany. Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Ilay dia natao sahabo ho 2.414,02 km, izay namakivakina ny tany foana ny betsaka indrindra tamin’izany, ary tao anatin’ny toetrandro ratsy tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia nandaniana tokotokony ho efa-bolana teo. Dia tena nahazoana tombony anefa izany satria maro be ireo nanaiky ny Filazantsara teny an-dalana ary sampana lehibe maro no natsangana tao Kirtland sy tany amin’ny faritra hafa, ary maro ireo lehilahy ranjanana lasa mpikamban’ny Fiangonana. Ity no dia voalohany nataon’ireo misiônera niankandrefana niala tao amin’ny fanjakan’i New York, ary ny vokatra azo avy tamin’izany dia tena nahazoan’ny Fiangonana tombony manan-danja tokoa” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:150).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:1–3. I Parley P. Pratt sy i Ziba Peterson

Ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32 dia natolotra ho an’i Parley P. Pratt sy i Ziba Peterson. Vakio mafy ity fampahalalana ara-tantara manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra rehetra hahafantatra bebe kokoa ny mikasika ireo lehilahy roa ireo:

Tamin’ny fahavaratry ny taona 1830 dia niala avy tao an-tranony tao Amherst, Ohio i Parley P. Pratt sy ny vadiny izay feno fankasitrahana tokoa mba handeha hamangy fianakaviana tao amin’ny fanjakan’i New York. Nibitsika tamin’i Parley ny Fanahy Masina mba hijanona tao amin’ny tanàna kelin’i Newark, New York, akaikin’i Palmyra, izay toerana nahafantarany mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Taty aoriana izy dia nanoratra mikasika ny fihetsiny rehefa nahita ilay boky :

Sary
Parley P. Pratt

“Namaky izany aho nandritra ny tontolo andro, enta-mavesatra tamiko izany hoe hisakafo izany, tsy naniry ny hihinan-kanina mihitsy aho; enta-mavesatra tamiko izany hoe handeha hatory izany rehefa tonga ny alina satria naleoko namaky ilay boky toy izay natory.

“Rehefa namaky aho dia tonga teo amiko ny fanahin’ny Tompo, ary fantatro sy takatro fa marina ilay boky” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt [1938], 20).

Nandeha nankany Palmyra i Parley, izay toerana nihaonany tamin’i Hyrum Smith sy nampianaran’ity farany azy. Afaka fotoana fohy dia nandeha tany Fayette New York i Hyrum sy i Parley mba hihaona tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay sampana iray an’ny Fiangonana izay niroborobo tokoa. Natao batisa i Parley ary natokan’i Oliver Cowdery ho loholona tamin’ny volana Septambra 1830.

Zavatra kely ihany no fantatra mikasika ny fiovampon’i Ziba Peterson. Fantatsika fa nataon’i Oliver Cowdery batisa izy tamin’ny volana aprily 1830 ary natokana ho loholona tamin’ny volana Jona tamin’io taona io ihany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:3. “Tsy hisy na inona na inona haharesy azy ireo”

Ity tantara manaraka ity dia ohatra iray amin’ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Parley P. Pratt rehefa nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy izy:

Tany amin’ny 80,47 km tany andrefan’i Kirtland no nisamborana an’i Parley noho ny “fiampangana tsy misy dikany”, dia notsaraina ary “namoahana didy mba hiditra am-ponja” na handoa onitra (Autobiography of Parley P. Pratt, navoakan’i Parley P. Pratt 1938, 36). Noho izy tsy afaka nandoa izany dia nohidiana tao amin’ny hotelin’ambanivohitra iray izy nandritra ny alina manontolo. Ny ampitso marainan’io dia novangian’ireo mpiara-miasa taminy tao anatin’ny fotoana fohy izy ka dia namporisihiny ireo mba hanohy ny diany, ary nampanantena izy fa hanatratra azy ireo tsy ho ela. Nilaza i Parley hoe: “Rehefa avy nipetrapetraka elaela teo akaikin’ilay afo aho ary noambenan’ny mpitandro filaminana iray dia nangataka ny hivoaka aho. Nandeha teo amin’ilay faritra natao ho an’ny olon-drehetra niaraka taminy aho. Hoy aho hoe ‘Andriamatoa Peabody a, mahery mihazakazaka ve ianao?’ ‘Tsia,’ hoy izy, ‘fa ilay bull dog-ko mahery mihazakazaka, ary efa nofanina hanampy ahy amin’ny asako izy nandritra ny taona maro izay; hampanaiky ny olona rehetra hanaraka ny baiko omeko izy.’ ‘Eny ary Andriamatoa Peabody, nanery ahy handeha maily iray ianao dia nandeha maily roa aho. Nanome ahy fahafahana hitory sy hihira ianao ary nikarakara ahy tamin’ny fampiantranoina sy ny ny fanomezana sakafo maraina ihany koa. Tsy maintsy manohy ny diako aho izao ; raha mahery mihazakazaka ianao dia afaka manaraka ahy. Misaotra anao aho noho ny hatsaram-ponao rehetra—mirary andro mahafinaritra ho anao andriamatoa.’

“Dia nanomboka nanohy ny diako aho taorian’izay, raha toa kosa izy ka nijoro sady gaga ary tsy afaka nandeha akory. … Tsy mbola tafafoha tsara tamin’ny fahagagany izy mba hanomboka hanenjika ahy raha tsy, angamba, efa tonga tany amin’ny 182,88 metatra aho. … Dia niantsoantso ahy amin’izay izy ary nihiaka niantso ny alikany mba hisambotra ahy. Ilay alika, izay iray tamin’ireo aloka lehibe indrindra hitako teo amin’ny fiainako, dia nanatona ahy nanaraka ny dian-tongotro tamin’ny fitroarany rehetra; ary ilay mpitandro filaminana dia mbola nanenjika avy ato aoriana, nitehaka ary niantso hoe :‘stu-boy, stu-boy—sambory izy—jereo—sambory izy, Io—tsindrio izy,’ sady nanondro nankany amin’ny lalana nitsoahako izy. Nahatratra ahy haingana ilay alika ary iny izy handeha hitsambinkina teo amiko iny dia tonga haingana toy ny tselatra tato amiko ilay hevitra iray, mba hanampy an’ilay mpitandro filaminana haniraka ilay alika izay tena romotra ho eny amin’ilay ala tsy dia lavitra teo anoloako. Nanondro tany amin’ilay ala aho, nitehatehaka, ary nihiaka mafy mba haka tahaka ilay mpitandro filaminana. Nanafaingana ny diany tamin’ny hafainganam-pandeha avo roa heny nankany alohako ilay alika mba ho any amin’ilay ala; izay sady namporisihin’ilay mpitandro filaminana no namporisihiko, ary nitovy ny lalana nizoranay mba hihazakazahana.”

Rehefa tafatsoaka tamin’ilay alika sy ilay mpitandro filaminana ny Loholona Pratt dia namonjy ireo namany tamin’ny alalan’ny fandehanana tamin’ny lalan-kafa izy. Taty aoriana dia nahafantatra i Parley fa i Simeon Carter, izay nametrahany Bokin’i Môrmôna dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana niaraka tamin’ny olona hafa sahabo ho enimpolo tao amin’izany faritra izany (jereo ny Autobiography of Parley P. Pratt, 38–39).

Hamoaka printy