Seminera sy Institiota
Lesona 131: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–21


Lesona 131

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–21

Fampidirana

Rehefa naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 tamin’ny 19 janoary 1841 ny Mpaminany Joseph Smith dia efa nitoetra tao Nauvoo, Illinois nandritra ny roa taona teo ho eo ny Olomasina. Taorian’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra niainan’izy ireo dia nanana toerana iray izay nahafahan’izy ireo niangona sy nanangana tanàna iray tamim-pilaminana amin’izay ny Olomasina. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 no fanambarana voalohany izay azon’i Joseph Smith tao Nauvoo izay nampidirina ho isan’ny soratra masina. Ity fizarana ity dia hozaraina lesona telo. Ity lesona ity dia miresaka momba ny andininy 1–21. Ao amin’ireo andininy ireo ny Tompo dia nandidy ny handefasana ny fitoriana iray ho an’ireo mpanapaka eto an-tany mahakasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny tsatòkan’i Ziona tao Nauvoo. Nidera sy nanome torohevitra ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fahiny koa Izy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–14

Nodidian’ny Tompo ny handefasana fitoriana ny filazantsara any amin’ireo mpanapaka ny tany

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe matanjaka. Anontanio ireo mpianatra hoe: karazan’olona manao ahoana matetika no raisin’ny olona ho matanjaka, raha araka ny fenitr’izao tontolo izao. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny, eo ambanin’ny hoe Matanjaka. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Malemy. Anontanio ireo mpianatra hoe: inona ireo toetra izay matetika ampiarahana amin’ny hoe malemy, araka ny fenitr’izao tontolo izao.

  • Amin’ny fomba ahoana no hiezahan’izao tontolo izao hahatonga ny zatovolahy iray na zatovovavy iray hahatsiaro tena ho malemy araka ny fenitra arahiny?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1 sady hitady ny olona izay faritan’ny Tompo ho malemy. Asao hizara ny zavatra nianarany ireo mpianatra.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety naha-malemy an’i Joseph Smith fony izy nantsoina hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara? Araka ny voalazan’ny andininy 1, dia nahoana no miantso ny malemy ny Tompo mba hanao ny asany? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia fintino ny valinteniny amin’ny fanoratana ny fitsipika iray izay mitovy amin’ity voasoratra eny amin’ny solaitrabe ity: Mampiseho ny fahendreny amin’ny alalan’ny zava-malemin’ny tany ny Tompo.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ny Tompo ny fahendreny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ny Tompo ny fahaizan’i Joseph Smith?

Asao ireo mpianatra hanome ny sasantsasany amin’ireo antso na andraikitra izay mety horaisiny raha mbola ao anatin’ny fahatanorany izy ireo. (Ireo valinteny dia mety ahitana ny hoe: mpampianatra isan-tokantrano, mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, misiônera, manao lahateny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, na finamanana amin’ny olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo.)

Jereo ilay fitsipika nosoratana eny amin’ny solaitrabe ka apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana an’io fahamarinana io antsika rehetra mahazo ireo karazana antso sy andraikitra hanompo ao amin’ny Fiangonana isika?

  • Inona no fitahiana noraisinao tamin’ireo olona izay nanompo tamim-pahatokiana ny Tompo na dia mety ho noraisina ho toy ny malemy aza izy ireo teo imason’izao tontolo izao?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nandritra ny ririnina 1838–39 ireo Olomasina dia nitsoaka niala an’i Missouri ka nipetraka tao Illinois teo amin’ny Reniranon’i Mississippi. Tao no nanombohan’ireo Olomasina ny fananganana ny tananan’i Nauvoo. Rehefa avy niaritra ireo fanenjehana sy zava-tsarotra ireo Olomasina dia nanana toerana ihany nony farany izay nahafahan’izy ireo niangona sy nanorina tanàna tao anatin’ny filaminana. Tamin’ny desambra 1840 ny fanjakan’i Illinois dia nanome ny tananan’i Nauvoo fanekena izay manome lalana ny Olomasina hananganana governemanta teo an-toerana, hanorina oniversite ary miaramila milisy mihitsy aza.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra izay tian’ny Tompo ataon’i Joseph Smith nony efa tafapetraka tao Nauvoo ireo Olomasina. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe ity tsatòka ity ao amin’ny andininy 2 dia entina hilazana an’i Nauvoo.)

  • Inona no zavatra nasain’ny Tompo hataon’i Joseph Smith? (Hanao fitoriana ny filazantsara amin’ireo mpanapaka ny tany.)

Asao ireo mpianatra haka minitra vitsivitsy hanoratana ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay hatsofony ao amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo mpanapaka ny tany. Mba hanampiana ireo mpianatra dia azonao atao ny mangataka azy ireo hisaintsaina ny zavatra fantany ho marina ao amin’ny filazantsara, ka manoro hevitra azy ireo ny hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona momba an’ireo fahamarinana ireo ao anatin’ireo fitoriany. Rehefa afaka minitra vitsivitsy dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nosoratany amin’ny iray kilasy.

Asao ireo mpianatra hitanisa ireo fomba maro isan-karazany izay ahafahany mizara ny filazantsara amin’ny hafa. (Ohatra amin’izany ny fizarana amin’ny alalan’ireo tambazotra ifaneraserana, ny fanoratana ny fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanomezana izany amin’ny namana iray, ary ny fanasana ny olona iray ho tonga any am-piangonana na ao amin’ny seminera.) Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.

  • Inona no sasantsasany tamin’ireo fomba mahomby indrindra izay nentinao nizarana ny filazantsara tamin’ny hafa?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny roa manaraka ireto: Ahoana? sy Nahoana?

Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:4–8 ireo mpianatra. Asao ny antsasaky ny mpianatra hitady ny fomba tian’ny Tompo nanoratana an’ilay fitoriana, ary asao ny antsasany hafa hitady ny hoe nahoana no tian’ny Tompo hosoratana ilay fitoriana. Rehefa avy nomena fotoana ampy nandalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo mpianatra dia asao ny sasantsasany amin’izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra eo ambanin’ny lohateny tokony hisy izany izay zavatra hitany.

Asao ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray ao amin’ny andininy 4 izay mampianatra ny fomba tian’ny Tompo hizarantsika ny filazantsara amin’ny hafa. (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity izy ireo: Nasaina hitory ny filazantsara amin’ny halemem-panahy sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy isika.)

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitr’izany hoe mitory ny filazantsara amin’ny halemem-panahy izany? Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy?

  • Jereo ilay fitanisana ireo fomba hizarana ny filazantsara eny amin’ny solaitrabe. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny halemem-panahy sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy amin’ny fampiasana ireo fomba ireo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:9, sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa ho ataony rehefa mitory ny filazantsara ireo Olomasina.

Asao ireo mpianatra mba hitady ny fotopampianarana iray izay nampianarina ao amin’ny andininy 9 izay mahakasika ny zavatra afaka ataon’ny Tompo ho an’ireo izay mandre ny filazantsara. (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra fahamarinana sahala amin’ity manaraka ity izy ireo: Afaka manalefaka ny fon’ireo izay mandre ny filazantsara ny Tompo.

  • Inona no mety ifandraisan’io fotopampianarana io amin’ny fahamarinana momba ny fomba tokony hitoriantsika ny filazantsara amin’ny halemem-panahy sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:10–14 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nilaza ny Tompo fa hiantso an’ireo mpanapaka ny tany Izy mba hanolotra fanampiana an’ireo Olomasina rehefa mitory ny filazantsara amin’izy ireo ny Olomasina. Ankoatra izay dia nodidian’ny Tompo i Robert B. Thompson mba hanampy an’i Joseph Smith hanoratra ilay fitoriana ny filazantsara.

Hazavao fa na dia natomboka avy hatrany taorian’ny nandraisana ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 aza ilay asa soratra momba an’io fitoriana io dia nisy zavatra maromaro izay nanakana ny famitana sy ny famoahana izany raha tsy efa taona maromaro taty aoriana. Fito volana taorian’ny nanombohana an’ilay asa soratra dia maty i Robert B. Thompson. Ny fahafatesany sy ny fotoana natokana tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo ary ireo adidy hafa dia nanakana ny fahavitan’ilay fitoriana talohan’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny farany dia novitain’i Parley P. Pratt ihany ilay fitoriana ka navoaka ho bokikely tao New York City izany tamin’ny 6 aprily 1845 ary tao amin’ny Millennial Star tamin’ny 22 ôktôbra 1845. (Jereo ny Ezra Taft Benson, “A Message to the World,” Ensign, nôv. 1975, 32–34.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15–21

Manome torolalana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Nauvoo ny Tompo

Asaivo mieritreritra fotoana iray izay nanomezan’ny olona iray fankasitrahana marina ho azy ireo ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo sy ny antony nahatonga ireo fankasitrahana ireo ho zava-dehibe ho azy ireo.

Hazavao fa niresaka momba ny olona maromaro ny Tompo tao anatin’ity fanambarana ity ka nankasitraka azy ireo tamin’ny fanasongadinana ny tanjaka sy ny fandraisan’izy ireo anjara. Asao ireo mpianatra hikaroka amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15–20, sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo momba ireo olona ireo. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezan-teny izay hitan’izy ireo fa misongadina. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hitodika any amin’ny namana iray ka hizara ny zavatra izay hitany, ka anisan’izany ireo filazana izay hitany ho nisongadina ary ny antony mahatonga izany hisongadina.

Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:19 ny Tompo dia nanambara fa noraisina eo anatrehan’ny Tompo ny lehilahy mahatoky telo izay vao maty tsy ela akory (David W. Patten sy Edward Partridge ary Joseph Smith Rainy, ny rain’ny Mpaminany).

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny zavatra nolazain’ny Tompo momba an’i Hyrum Smith sy i George Miller ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20.

  • Inona no zavatra tsapan’ny Tompo mikasika an’ireo izay mahitsy fo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny Tompo dia mitia sy matoky ireo izay mahitsy fo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny izay mampianatra io fitsipika io ao amin’ny andininy 15 sy 20.)

  • Ahoana no fomba hamaritanao ny fahitsian’ny fo?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ho ahy, ny atao hoe fahitsian’ny fo dia midika hoe manao izay marina sy tsara mandrakariva, na inona na inona ny vokatr’izany eo no ho eo. Midika izany hoe marina hatrany anaty fanahintsika, tsy amin’ny asantsika fotsiny fa indrindra amin’ny eritreritsika sy ao anatin’ny fontsika. Ny fahitsian’ny tena manokana dia mitaky fahatokiana sy tsy fahalovana hany ka tsy afaka ny handika ny fitokiana na fanekempihavanana iray isika” (“Personal Integrity,” Ensign, mey 1990, 30).

  • Araka ny famaritan’ny Loholona Wirthlin, nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo ireo izay mahitsy fo?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny lafin-javatra iray eo amin’ny fiainany izay ahafahany ho mahitsy fo bebe kokoa. Entano izy ireo hametraka tanjona ny hampivoatra ny fahitsian’ny fony eo amin’izany lafiny izany.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nianarana androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–3. “Fanambarana marina … amin’ny firenen-drehetra”

Tamin’ny taona 1975 dia nanompo ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Ezra Taft Benson. Amin’ny anaran’ireo rahalahiny tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namerina nanamafy ilay hafatra tao amin’ilay fitoriana izay nosoratan’ireo Apôstôly tamin’ny taona 1845 izay valin’ny didy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–3 izy. (Jereo ny Ezra Taft Benson, “A Message to the World,” Ensign, nôv. 1975, 33–34.)