Seminera sy Institiota
Lesona 123: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–116


Lesona 123

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–116

Fampidirana

Tamin’ny 26 aprily 1838, dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115 ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Tompo ao anatin’izany dia nanambara ny anaran’ny Fiangonana sy nandidy ny Olomasina “[hitsangana sy hamirapiratra]” (F&F 115:5), ary nanambara ny sitrapony mikasika ny tempoly tao Far West. Tamin’ny 19 mey 1838, dia naharay ilay fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116 ny Mpaminany Joseph Smith, izay milaza fa ny ao Spring Hill, Missouri no Adama-ondia-Amàna.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:1–6

Mandidy ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana mba “[hitsangana sy hamirapiratra]” ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

  1. Inona no zavatra ambaran’ny anaran’ny fikambanana iray?

  2. Iza no mitarika ilay fikambanana?

  3. Inona no zavatra ataon’ilay fikambanana?

Asehoy ny anarana na ny sary famantaran’ny orinasa na fikambanana maromaro izay mety ka fantatr’ireo mpianatrao. Miatoa kely aorian’ny fampisehoanao ny tsirairay amin’izy ireo ka asaivo valian’ireo mpianatra ireo fanontaniana nosoratana eny amin’ny solaitrabe.

Asehoy ny anarana sy ny sary famantaran’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra mba hitady ny valin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe momba ny anaran’ny Fiangonana rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115 izy ireo.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:1–3 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe ity fanambarana ity dia nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ireo lehilahy voalaza anarana ao amin’ny andininy 1–2 sy ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4 sady hitady ny anarana nomen’ny Tompo ny Fiangonany. Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ny Fiangonana ka ataovy toy izao manaraka izao:

Ny

Fiangonan’i Jesoa Kristy

ho any Olomasin’ny

Andro Farany

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny lanjan’ilay anaran’ny Fiangonana dia asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray mikasika ny zavatra izay eritreretin’izy ireo ho dikan’ny teny na andian-teny tsirairay voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny hevi-baovaony momba ny dikan’ny teny na ny andian-teny tsirairay avy. Raha mila fanampiana ireo mpianatra dia azonao atao ny mamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona M. Russell Ballard

“Ny teny hoe Ny dia maneho ny toerana manokan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny eo anatrehan’ ireo finoana hafa manerana an’ izao tontolo izao.

Ny teny hoe Fiangonan’ i Jesoa Kristy dia manambara fa ity no Fiangonany. …

Ny Andro Farany dia manazava fa ity dia ilay Fiangonana nitovy tamin’ ilay Fiangonana naorin’ i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany saingy naverina tamin’ ny laoniny amin’ izao andro farany izao. …

“Ny hoe Olomasina … dia entina hilazana fotsiny an’ireo izay mikatsaka ny hanao ny fiainany ho masina amin’ny fanaovana fanekempihavanana ny hanaraka an’i Kristy” (“Ny Maha-zava-dehibe ny anarana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 80).

  • Inona ireo fahamarinana manan-danja sasantsasany ambaran’ilay anaran’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo izay ao amin’ny Fiangonany.

  • Inona no zavatra andrasan’ny Tompo amintsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany antsika?

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “mitsangàna ary mamirapirata” amin’ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5, dia inona no fitahiana ho azo rehefa manaraka ny torohevitry ny Tompo mba hitsangana sy hamiratra ireo mpikamban’ny Fiangonana? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mitsangana sy mamirapiratra isika dia ho faneva ho an’ireo firenena ny fahazavantsika. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny andininy 5.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa an’io fitsipika io dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe afaka ho “faneva ho an’ireo firenena” ny fahazavantsika, na ny ohatra asehontsika? (Ny faneva dia saina izay ampiasaina ho toerana fanangonana na tandindona feno fanentanam-panahy. Ny ohatra asehontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mety hanentana ny fanahin’ny hafa ka hampanatona azy ireo any amin’ny Tompo.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hisintonana ny hafa hanatona Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany noho ny fanarahana ny didin’ny Mpamonjy mba hitsangana ary hamirapiratra?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fahazavantsika hanampy ny hafa dia asao ny mpianatra iray hamaky an’ity tantara manaraka izay nozarain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha James E. Faust

“Taona maro lasa izay i Constance, izay mpianatra ho mpitsabo mpanampy, dia notendrena hanao andrana sy hanampy vehivavy iray izay naratra teo amin’ny tongony vokatry ny loza iray. Nandà ny fanampiana ara-pahasalamana ilay vehivavy satria nanana traikefa ratsy tamin’ny olona iray tao amin’ilay hôpitaly izy. Natahotra izy ka nisafidy ny hitoka-monina. Fony vao nandalo tao voalohany i Constance dia noroahan’ilay vehivavy izay naratra. Tamin’ny fanandramana fanindroany dia navelany hiditra i Constance. Tamin’io fotoana io dia feno ratra lehibe teo amin’ny tongotr’ilay vehivavy ka nihalò ny nofo sasantsasany. Saingy mbola tsy nety notsaboina ihany izy.

“Nivavaka momba an’io raharaha io i Constance, ka tonga ny valim-bavaka afaka iray na roa andro taorian’izay. Nandritra ny famangiany manaraka dia nitondra rano nisy ôksizena izy. Satria tsy mampanaintaina izany dia navelan’ilay vehivavy beantitra hampiasa izany teo amin’ny tongony izy. Avy eo dia niresaka momba ny fitsaboana lalandindalina kokoa any amin’ny hôpitaly izy ireo. Nanome toky azy i Constance fa hanao izay hahatonga ny fijanonany any ho mahafinaritra araka izay azo atao ny hôpitaly. Afaka iray na roa andro dia nanana risi-po hiditra tany amin’ny hôpitaly ilay vehivavy. Rehefa namangy azy i Constance dia nitsiky ilay vehivavy teo am-pilazana hoe: ‘Nandresy lahatra ahy ianao.’ Avy eo dia tsy nampoizina ny nanontaniany an’i Constance hoe: ‘Inona no fiangonanao?’ Nilaza taminy i Constance fa mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Hoy ilay vehivavy: ‘Fantatro mihitsy fa mpikambana ao ianao. Fantatro fa nalefa taty amiko ianao ny andro voalohany nahitako anao. Nisy fahazavana teny amin’ny endrikao izay tsikaritro teny amin’ireo mpiara-mivavaka aminao. Voatery nametraka ny fitokiako taminao aho.’

“Telo volana taorian’izay dia sitrana tanteraka ilay tongotra feno ratra nanonitra be. Namerina nanamboatra ny tao anatin’ny tranon’ilay vehivavy beantitra ireo mpikambana tao amin’ny faritry ny paroasy nipetrahany ary nanamboatra ny tokotaniny. Nihaona tamin’ireo misiônera izy ka natao batisa taoriana kelin’izay [jereo ny Constance Polve, “A Battle Won,” New Era, apr. 1980, 44–45]. Nitranga izany rehetra izany satria nahatsikaritra ny fahazavana teny amin’ny endrik’izany mpianatra mpitsabo mpanampy tanora izany izy” (“The Light in Their Eyes,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 22).

  • Inona no zavatra nataon’i Constance mba “hitsanganana ary hamirapiratana”?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny fahazavana teny amin’ny endrik’i Constance ho faneva ho an’ilay vehivavy naratra?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’io fitsipika io dia asao izy ireo hieritreritra olona iray izay fantany ka maneho ohatra tsara amin’ny fitsanganana sy famirapiratana. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hiresaka ilay olona izay neritreretiny sy ny fomba izay nahatonga ny ohatra nasehon’ilay olona ho fitahiana ho azy ireo. Rehefa mihaino ny valintenin’izy ireo ianao dia mametraha fanontaniana fanampiny hanosika an’ireo mpianatra hizara bebe kokoa ny zavatra eritreretiny sy tsapany.

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay hataony bebe kokoa mba ho faneva ho an’ireo izay manodidina azy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6. Asao ny iray kilasy hitady ireo fitahiana izay nampanantenaina an’ireo izay miara-miangona amin’ny Fiangonana ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona.

  • Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo izay miara-miangona ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Miangona ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona isika mba ho fiarovana sy ho fialofana.)

  • Mila miaro ny tenantsika amin’ny inona isika? Inona no ilaintsika fialofana? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fa ny fiarahan’ny Olomasina mivondrona dia manampy antsika hiaro ny tenantsika sy hitady fiafofana?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra olona iray izay fantany ka hahazo tombontsoa avy amin’ny fivondronan’ny Olomasina. Entano ireo mpianatra hampamiratra ny fahazavany mba hahafahan’ny hafa ho voatarika any amin’ny fiadanana sy fiarovana ary fialofana izay atolotry Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:7–19

Nandidy ny Olomasina hanorina ny tanànan’i Far West sy hanangana tempoly ny Tompo

Hazavao fa iray amin’ireo fomba ahafahantsika mahazo ny fiarovana sy ny fahalemana ny fanompoantsika Azy any amin’ny tempoly. Taorian’ny nanombohan’ny Olomasina nifindra tany Far West, Missouri, tamin’ny taona 1836, dia nanao drafitra ny hanorina tempoly mitovy amin’ilay iray tao Kirtland, Ohio ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Na dia efa vita aza ny sasantsasany tamin’ny fandavahana ny fototra dia naato ilay fanamboarana ambara-pahazoan’i Joseph Smith toromarika fanampiny avy amin’ny Tompo. Nambaran’ny Tompo ny sitrapony momba ilay tempoly ho ampahany amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:7–16 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe ny Tompo dia nanambara fa tokony ho aorina ao Far West ny tempoly iray araka ny maodely izay homeny ny Fiadidiana Voalohany. Nanoro hevitra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ihany koa ny Tompo mba tsy hanao trosa amin’ny fananganana ilay tempoly.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:17–19 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra izay tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina teo ambany fitarihan’i Joseph Smith tao Far West sy tamin’ireo faritra manodidina.

  • Inona no tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina tao Far West? Inona no nasaina nataon’izy ireo teo ambany fitarihan’i Joseph Smith tamin’ireo faritra manodidina an’i Far West?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 19, dia inona no manome fahafahana ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny hitarika ny asan’ny Tompo eto an-tany? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona ireo fanalahidy hitarihana ny asan’ny Tompo eto ambonin’ny tany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ireo teny izay mampianatra io fitsipika ao amin’ny andininy 19 io.)

Asaivo jeren’ireo mpianatra indray ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ka angataho izy ireo mba hanazava ny fomba hamaliany azy ireo araka ny zavatra nianarany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116:1

Tendren’ny Tompo i Adama-ondia-Amàna ho toeran’ny fivoriana ho avy izay hataon’ny Tompo sy ireo vahoakany

Hazavao fa nanaraka ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:18 i Joseph Smith ka nizaha ireo toerana manodidina an’i Far West. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116, ary asao ny iray kilasy hitady ny anaran’ny toerana izay nozahan’i Joseph.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116:1, ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra nambaran’ny Tompo momba an’i Spring Hill, Missouri. Azonao atao ny mamadika ny boky any amin’ilay sarintany sy sarin’i Adama-Ondia-Amàna ao amin’ny faran’ny soratra masinao (jereo ny sarintany 5 ao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana, “Ny faritr’i Missouri, Illinois, ary Iowa any Etazonia,” sy ny Sarin’ny toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana, sary 10: “Adama-Ondia-Amàna”).

sarintany, andrefan’i Missouri

Hazavao fa io fanambarana io dia manondro ny toerana hitrangan’ny fahatanterahan’ny faminaniana iray amin’ny ho avy izay nataon’ny mpaminany Daniela fahiny (jereo ny Daniela 7:9–10, 13–14). Izany faminaniana izany dia manoritsoritra ny tranga iray amin’ny andro farany ka mandritra izany dia hamangy ny tany ny Mpamonjy sy i Adama ary hiahy ny fivoriana iray alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany eo amin’izao tontolo izao (jereo ny F&F 27:5–14) .

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:11–12. Ilay tempoly tao Far West

Na dia vonona ny hanorina ilay tempoly tao Far West aza ireo Olomasina dia tsy afaka nanao izany izy ireo. Araka ny didin’ny Tompo dia nametraka ireo vato fehizoro izy ireo tamin’ny 4 jolay 1838. Saingy tsy afaka namita ny fanorenana an’ilay tempoly izy ireo nanomboka ny 26 aprily 1839, araka ny toromarika nomen’ny Tompo (jereo ny F&F 115:11), satria voatery nandao ny fanjakan’i Missouri izy ireo tamin’ny volana febroary tamin’io taona io. Kanefa, apôstôly maromaro no niverina tany amin’ny toeran’ny tempoly ny 26 aprily 1839 ho fankatoavana ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:5, teo am-pandehanan’izy ireo hanao ny asa fitoriany tany Angletera.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116:1. Inona no atao hoe: “Adama-ondia-Amàna”?

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Bruce R. McConkie

Amàna no anisan’ireo anarana nahafantarana an’ Andriamanitra tamin’ny andron’i Adama. Ny Adama-ondia-Amàna, izay anarana navadika avy tamin’ny fiteny madion’i Adama ho amin’ny teny Anglisy dia anarana izay tsy nomena antsika ny fanambarana ny fandikana ara-bakiteny azy. Fa raha araka ny zavatra azontsika tsaraina—ary ity fomba fijery ity dia avy amin’ireo rahalahy fahiny izay nifanerasera tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, izay olona voalohany nampiasa io anarana io amin’izao fotoampitantanana izao—ny hoe Adama-ondia-Amàna dia midika toerana na tanin’ Andriamanitra izay itoeran’i Adama” (Mormon Doctrine, ed. faharoa 1966, 19–20).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116:1. “Ho avy hamangy ny olony i Adama”

Nampianatra momba ny fotoana hahatongavan’i Adama hamangiana ny olony ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Io fivondronan’ny zanak’i Adama io izay hivorian’ny olona an’arivony sy antapitrisa amin’ny fitsarana no anisan’ny tranga lehibe indrindra izay ho hitan’ity tany feno korontana ity hatrizay. Mandritra io fihaonambe, na filankevitra io dia hanome tatitra momba ny fitanan-draharahany ireo rehetra izay nihazona ireo fanalahidin’ny fotoampitantanana. Hanao toraka izany koa i Adama, ary avy eo dia homeny an’i Kristy avokoa ny fahefana rehetra. Avy eo dia hamafisina amin’ny antsony i Adama amin’ny maha-printsin’ny taranany azy ka ho apetraka amin’ny fomba ôfisialy sy ho asiana satroboninahitra maharitra mandrakizay ao amin’io antson’ny mpiahy io. Dia horaisina ho toy ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo i Kristy. Tsy fantatsika hoe hafiriana no faharetan’io fiaraha-mivondrona io na firy ny isan’ny fivoriana mety ho atao amin’io filankevitra lehibe io. Ampy fotsiny ny mahalala fa izy io dia fivondronan’ny Fisoronan’ Andriamanitra hatrany am-piandohan’ny tany ka hatramin’izao fotoana izao, ka mandritra izany no hanaovana ireo tatitra ary ireo rehetra izay nomena fotoampitantanana (talenta) dia hanambara ny fanalahidiny sy ny fanompoany ka hanao tatitra ny fitanan-draharahany araka ny voalazan’ilay fanoharana. Homena azy ireo ny fitsarana satria ho fivondronan’ireo marina izy io, ireo izay mihazona sy mbola mihazona ireo fanalahidin’ny fahefana ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Tsy fitsarana an’ireo ratsy fanahy izany. Rehefa vonona avokoa ny zava-drehetra ka napetraka araka ny laminy ny fanalahidy sy ny fahefana tsirairay miaraka amin’ny tatitra feno sy tonga lafatra momba ny fitanan-draharahan’ny olona tsirairay avy dia handray ireny tatitra ireny i Kristy ka ho apetraka ho Mpanapaka ara-dalana eto amin’ity tany ity Izy. Mandritra io filankevitra lehibe io dia handray ny toerany izy amin’ny alalan’ny faneken’ireo olona an-tapitrisa izay miangona eo noho ny zon’ny Fisoronana. Hitranga alohan’ilay andro lehiben’ny fandringanana an’ireo ratsy fanahy izany sy ho fanomanana ny Fanjakana mandritra ny Arivo Taona” (The Progress of Man [1952], 481–82).

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Loholona Bruce R. McConkie

“Ho avy hanatona mangingina ny mpaminaniny sy ireo apôstôly izay velona amin’izany fotoana izany Izy [Kristy]. Hanatrika eo ihany koa ireo izay manana ireo fanalahidy sy hery ary fahefana hatrizay nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia hanatrika koa ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana izay mbola velona amin’izany sy ireo olomasina nahatoky hatrizay. Io no fihaonana lehibe indrindra eo amin’ireo olomasina mahatoky teto amin’ny planeta tany. Ho fivoriana fanasan’ny Tompo izany. Ho andro fitsarana an’ireo mahatoky hatrizay hatrizay izany. Ka hatao ao amin’ny Fivondronan’i Daviess, Missouri, ao amin’ny toerana iray antsoina hoe Adama-ondia-Amàna” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 578–79).