Seminera sy Institiota
Lesona 52: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–59


Lesona 52

Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 45:16–59

Fampidirana

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia maminany mikasika ireo toe-javatra sy ireo zava-miseho mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Fotoana fohy taorian’ny nifindran’ny Fiangonana avy ao New York nankany Ohio dia nahazo fanambarana i Joseph Smith, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 Ao amin’ny ampahany amin’ilay fanambarana izay resahina ato amin’ity lesona ity dia nanome antsipiriany mikasika ny fotoana mialoha ny Fiaviany Fanindroany ny Mpamonjy. Namelabelatra ireo fahamarinana nampianariny an’ireo mpianany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy (jereo ny Matio 24).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–46

Mampahafantatra ireo famantarana hialoha ny Fiaviany Fanindroany ny Mpamonjy

Atombohy amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana ity ny lesona:

  • Ahoana no ahafahanao milaza fa mitady ho avy ny orana?

Hazavao fa tahaka ny fisian’ireo famantarana izay manampy antsika hamantatra ny fotoana hiavian’ny orana dia misy ihany koa ireo famantarana izay hanampy antsika hahafantatra ny fotoana hitrangan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany.

Hazavao fa amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia mamariparitra ny sasany amin’ireo famantarana izay hanaitra antsika amin’ny fanakaikezan’ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–17 mba hitady ny zavatra nangatahan’ireo mpianany tamin’ny Tompo sy ny zavatra nolazainy fa hasehony azy ireo.

  • Inona no nasain’ireo mpianatra nampianarin’ny Tompo azy ireo?

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa hasehony an’ireo mpianany? (Ny fomba hahatongavan’ny andro fanavotana sy ny fomba hamerenana indray an’i Isiraely miely patrana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany dia soraty eny amin’ny ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

F&F 45:18–24

F&F 45:25–27

F&F 45:28–31, 33

F&F 45:40–43

Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ny mpiara-miasa tsiroaroa isanisany avy. Asao izy ireo hiara-hamaky ireo andininy ireo ka hitady ireo famantarana voalaza ao anatin’izany. Alohan’ny hanombohan’izy ireo dia azonao atao ny milaza fa efa tanteraka ny sasany amin’ireo famantarana.

Rehefa ampy ny fotoana nomena dia asao ny mpiara-miasa tsiroaroa isanisany avy hilaza ny zavatra hitany amin’ny mpianatra rehetra. Asao ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany” eo amin’ny solaitrabe. Ampiasao araka ny ilàna izany ilay fampahafantarana ao amin’ireo andiam-pehezanteny roa manaraka mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo faminaniana.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:18–24 ireo faminaniana izay efa tanteraka. Ireo zava-miseho nambara tamin’ny faminaniana ao amin’ireo andininy ireo dia nitranga fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Marihina fa ny andininy 20 dia miresaka ny tempoly natsangan’i Heroda be voninahitra tao Jerosalema. Noravan’ireo Rômana izany tamin’ny taona 70 Taorian’i J.K.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:25–46 ireo faminaniana izay ho tanteraka ato anatin’ity fotoampitantanana ity, alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ato amin’ity andininy ity, ilay andian-teny hoe “ny fotoan’ny Jentilisa” (F&F 45:25, 28, 30) dia entina ilazana ny filazantsara izay toriana voalohany amin’ireo Jentilisa amin’ny andro farany. Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa i Joseph Smith dia “anisan’ireo Jentilisa, izany hoe izy dia olom-pirenena tao amin’ny Firenena Jentilisa iray ary tsy Jiosy ihany koa izy. … Mazava ho azy fa nivoaka tamin’ny andro farany ny filazantsara tamin’ny fotoan’ny Jentilisa ary tsy ho tonga tanteraka any amin’ny Jiosy mandra-pahatongan’ny fahafenoan’ny fotoan’ny Jentilisa. F. & F. 45:28–30.)” (Mormon Doctrine, boky natonta faha 2 [1966], 311).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tsapan’ireo mpianatra tamin’ny andron’i Jesoa Kristy rehefa nolazainy azy ireo ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany.

  • Inona no tsapanareo rehefa mieritreritra an’ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany?

Hazavao fa ny fahafantarana ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany dia afaka manampy antsika hiaina tsy misy vinany ara-keviny na tahotra na tebiteby. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:35–38 mba hamantatra ny antony nanomezan’ny Tompo an’ireo famantarana ireo. (Alohan’ny hamakin’ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa any Isiraely dia ny aviavy no hazo mitsimo-dravina farany rehefa lohataona ary tena tara tokoa ny fitsimohany ao anatin’izany vanim-potoana izany.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahafahana mahafantatra fa “antomotra ny ora” na efa akaiky ny Fiaviana Fanindroany?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32, 39. Asao ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo miaraka amin’ny namana mpiara-miasa aminy dia hitady ny zavatra ho ataon’ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy mba ho vonona amin’ny fiaviany.

  • Inona no azontsika atao mba hiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Raha mitsangana eo amin’ny toerana masina isika ka miandry ireo famantarana dia … .

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianarantsika hatreto dia ahoana no hamenoanareo io fehezan-teny io? (Ity manaraka ity dia fomba iray azon’ireo mpianatra hamenoana ilay fitsipika: Raha mitsangana eo amin’ny toerana masina isika ary miandry ireo famantarana dia ho vonona amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Soraty feno ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe.)

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahan’ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy “hitsangana eo amin’ny toerana masina”? Aiza avy ireo toerana izay heverinao fa “toerana masina” eo amin’ny fiainanao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny toerana masina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka ity. Amporisiho ny kilasy manontolo hihaino ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny toerana masina:

“Ny ‘toerana masina’ dia mety misy hifandraisany be dia be amin’ny fomba fiainantsika fa tsy amin’ny toerana hipetrahantsika. Raha miaina mba ho mendrika ny fananana lalandava ny Fanahy Masina ho namana isika dia mitsangana eo amin’ny toerana masina isika izay. … Ny toerana masina dia ny toerana rehetra izay hahafahan’ny olona iray migoka ny Fanahin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky natonta faha 2 (boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 196).

  • Ahoana no fomba ahafahantsika mitsangana amin’ny toerana masina kanefa isika voahodidin’ireo faharatsian’izao tontolo izao?

Asehoy ilay sary hoe Ny Fiaviana Fanindroany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 66; jereo koa ny LDS.org). Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44–46amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo izay vonona amin’ny fiavian’ny Mpamonjy dia hahita Azy ao anatin’ny voninahitra. Ireo olo-marina izay maty talohan’ny fahatongavany dia hitsangana amin’ny maty ary hiakatra hitsena Azy. Ireo Olomasina mahatoky izay velona eto an-tany dia hakarina ihany koa mba hitsena azy (jereo ny F&F 88:96–98).

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:47–59

Mampahafantatra ireo famantarana sy fahagagana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany ny Mpamonjy

Asehoy ny Sarintany 1 (“Sarintanin’ny Tany Masina”) ao amin’ny fizarana misy ireo sarintanin’ny Baiboly .na asao ny mpianatra hijery izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Asehoy ny toerana misy ny Tendrombohitra Oliva eo akaikin’i Jerosalema ary hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48dia miresaka an’io toerana manan-danja ao Isiraely io. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitranga amin’io tendrombohitra io sy ny tany rehefa miverina ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:49–50. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra hafa hitranga amin’ny Fiaviana Fanindroany.

  • Inona no hitranga amin’ireo firenena eto an-tany amin’ny Fiaviana Fanindroany?

  • Iza araka ny eritreritrareo no tiana holazaina amin’ny hoe “ireo izay efa nihomehy”?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:51–53 mba hitady izay ho fihetsiky ny Jiosy rehefa tonga eo an-tendrombohitra Oliva ny Tompo.

  • Nahoana no hitomany ny Jiosy rehefa miverina ny Tompo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fomba hafa hiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo Fanindroany dia asehoy ny sary Fanoharana momba ireo Virijiny Folo (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 53; jereo koa ny LDS.org). Anontanio ny mpianatra raha misy amin’izy ireo no afaka mitantara ilay fanoharana momba ireo virijiny folo. Raha ilaina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanoharana avy ao amin’ny Matio 25:1–13.

Sary
Fanoharana momba ireo Virijiny Folo
  • Tamin’ny inona no naha-hendry an’ireo virijiny dimy?

  • Inona no hifandraisan’io fanoharana io amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57 ka hitady ny fomba ahatanterahan’ilay fanoharana momba ireo virijiny folo.

  • Ahoana no fomba ahatanterahan’io fanoharana io amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fanoharana momba ny virijiny folo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra rehetra hihaino hoe maneho an’iza ireo virijiny folo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Mampihoron-koditra ny rafitr’isa ao amin’ity fanoharana ity. Mazava ho azy fa ireo virijiny folo dia ampitahaina amin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy, samy nasaina tamin’ny fampakaram-bady avokoa izy rehetra ary samy nahalala ny fepetra takiana mba ho voaray rehefa tonga ny mpampakatra. Saingy ny antsasany ihany no vonona rehefa tonga izy” (Preparation for the Second Coming,” Ensign or Liahona, May 2004, 8).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 57, dia inona no tsy maintsy ataontsika mba ho vonona amin’ny fiavian’ny Tompo? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mandray ny fahamarinana isika ary mandray ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika dia hahandry ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ilay fitsipika.)

Asao ny mpianatra hieritreritra ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe ary hisaintsaina ireo fotoana naneken’izy ireo ny fahamarinana na nanarahan’izy ireo ny Fanahy Masina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahana manampy anareo ho vonona hihaona amin’ny Tompo amin’ny Fiaviany Fanindroany amin’ny alalan’ny zavatra niainanareo tamin’ny fandraisana ny fahamarinana sy ny fanarahana ny Fanahy Masina?

Asao ny mpianatra hampiasa ireo fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe mba hametraka tanjona izay hanampy azy ireo ho vonona amin’ny fiavian’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:55, 58–59 mba hahita ireo fitahiana fanampiny izay ho tonga amin’ireo izay vonona sy mahandry ilay andron’ny Fiaviana Fanindroany. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Hazavao fa ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fananana ny Fanahy ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’ity teny nambara manaraka ity, ka asao ny mpianatra rehetra hihaino ny zavatra nolazain’ny Filoha Packer fa mety ho tsapantsika noho isika miaina mandritra ilay fotoana mialoha ny Fiaviana Fanindroany:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika—tena fotoan-tsarotra tokoa. Manantena sy mangataka andro tsaratsara kokoa isika. Fa tsy hitranga izany. Milaza amintsika izany ireo faminaniana. Tsy misy tsy hiharan’ireo fisedrana ho avy isika amin’ny maha-vahoaka, amin’ny maha-fianakaviana na amin’ny maha-tsirairay antsika. …

“Tsy mila miaina ao anatin’ny tahotra ny hoavy isika. Manana ny antony rehetra hifaliana isika ary antony kely hatahorana. Raha manaraka ireo bitsiky ny Fanahy isika dia ho voaro, na inona na inona no hoentin’ny hoavy. Haseho antsika izay tokony hatao” (The Cloven Tongues of Fire,” Ensign, mey 2000, 8).

Angataho ny mpianatra hizara zavatra iray nianaran’izy ireo avy amin’ity lesona ity mikasika ny Fiaviana Fanindroany. Azonao atao ihany koa ny mizara ireo zavatra tsapanao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Lahatsoratra mikasika ny Fiaviana Fanindroany

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome topimaso feno mikasika ireo zavatra hitranga amin’ny Fiaviana Fanindroany ao anatin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “When Shall These Things Be?” Nivoaka tao amin’ny Ensign desambra 1996 ilay lahatsoratra. Izy io dia hita ao amin’ny LDS.org

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:25–28. “Ny fotoan’ny Jentilisa”

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny fotoan’ny Jentilisa dia ilay fotoana na vanim-potoana, ilay fe-potoana hisafidianan’ny filazantsara handeha any amin’ny Jentilisa aloha. Tamin’ny andron’i Jesoa Kristy dia tany amin’ireo Jiosy havana aloha no nanomezana ny filazantsara. Taty aoriana izany vao notoriana tamin’ireo Jentilisa. Amin’izao androntsika izao dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ireo Jentilisa izany, izany hoe ireo olona tsy Jiosy—olona ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely ihany anefa. Nosafidiana ho ampianaraina amin’ny Jentilisa aloha izany amin’izao fotoana izao na amin’ireo olona tsy Jiosy satria, araka ny voalazan’i Paoly dia ‘efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa.’ (Rom. 11:25.)

“Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manambara ny fiafaran’ny vanim-potoan’ny Jentilisa sy ny fisantarana ny vanim-potoan’ny Jiosy. Ireo fanambarana azontsika dia milaza fa rehefa avy naely patrana manerana ny firenena rehetra ireo sisa tavela tamin’ireo Jiosy tao Jerosalema dia nitranga ny zavatra iray izay nolazaina efa ela fa hiseho dia ny hoe ‘hangonina indray izy.’ Izy ireo anefa dia hijanona ao amin’ny toetry ny fielezana ‘ambara-pahatanteraky ny fotoan’ny Jentilisa. … Ary rehefa tonga ny fotoan’ ny Jentilisa, dia hiposaka eo anivon’ ireo mitoetra ao amin’ ny haizina ny hazavana, ary izany no fahafenoan’ ny filazantsarako. Kanefa tsy raisiny [ny ankamaroan’ireo Jiosy naely patrana] izany; satria tsy hitany ny hazavana ary aviliny hiala Amiko ny fony noho ny fampianaran’olombelona. Ary ao amin’ izany taranaka izany no ho tanteraka ny fotoan’ny Jentilisa.’ (F&F 45:24–29.) Efa be mpahafantatra izany hoe ny Jiosy, ny vitsy amin’izy ireo, dia efa manomboka mino ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary miverina amin’ny Mesia marin’izy ireo. Ho tanteraka tsy ho ela ny fotoan’ny Jentilisa ary hanomboka hisy indray ny fotoan’ny Jiosy” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 1:97).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:35–38. “Efa antomotra ny ora”

Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ireo zavatra hiseho mialoha ny Fiaviana Fanindroany dia mety hitranga haingana:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Hafiriana ny fotoana ananantsika mialoha ny Fiaviana Fanindroany? Koa satria ireo anjely, izay olona mahalala zavatra betsaka noho isika, dia tsy mahalala ny andro na ny ora (ary ny taona?), dia azo antoka fa tsy misy mahalala isika. Na izany aza anefa no zava-misy, na dia tsy fantatsika mazava tsara aza izany, dia mbola afaka mandinika ireo ravina eo amin’ny aviavy sy ireo famantarana ny fotoana nambaran’ny faminaniana isika. Etsy andanin’izay dia hita mazava tsara fa mbola maro ireo zavatra hitranga: ny voalohany dia hoe ny filazantsara dia hotoriana mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra (jereo ny Matio 24:14 Saingy etsy an-kilan’izay dia maro be ireo zavatra hiseho izay azo atambatra ao anatin’ny fe-potoana fohy (ohatra hoe ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo firenena izay tsy mbola azo anaovana izany amin’izao fotoana izao)” (That Ye May Believe [1992], 7).

Hamoaka printy