Seminera
Lesona 141: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–35


Lesona 141

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–35

Fampidirana

Tamin’ny 3 nôvambra 1831, roa andro taorian’ny nanirahan’ny Tompo an’i Joseph Smith hamoaka ny Bokin’ny Lalàna, dia nandray fanambarana ny Mpaminany izay voatahiry ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Io fanambarana io dia tafiditra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana navoaka tamin’ny 1835 ho fizarana faha-100 ary voatondro ho tovan’ny boky. Ireo izay niasa tamin’ny soratanana tamin’ny voalohany dia nanasokajy ilay fanambarana ho boky farany indrindra miaraka amin’ny fizarana voalohan’ireo fanambarana ho tafiditra ao amin’ny edisiôna 1835. Ho zaraina lesona roa ny Fanambarana. Ity lesona ity dia miresaka mikasika ny nandidian’ny Tompo ny olony ny mba hiomanan’izy ireo sy ny hafa koa amin’ny Fiaviany Fanindroany. Izany dia miresaka ihany koa momba ireo faminaniana ny zavatra hitranga miaraka amin’ny Fiaviany Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny arivo taona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–3

Ny Tompo dia namaritra ny Fiaviany Fanindroany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ity teny nambara manaraka ity. (Ilay teny nambara dia hita ao amin’ny “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 7.)

“Androany aho dia nahatsapa fa tokony hiresaka ny amin’ny maha-manan-danja ny fioamanana amin’ireo tranga ho avy izay tena manan-danja indrindra amin’ny tsirairay avy amintsika—” (Loholona Dallin H. Oaks).

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Efa nitranga taminao ve hoe tonga saina ianao tany am-pianarana hoe nanadino niomana tamin’ny fitsapam-pahaizana iray? Raha eny, dia ahoana no fomba niatrehanao izany?

  • Ahoana no fahatsapanao rehefa fantatrao fa niomana tsara tamin’ny fitsapam-pahaizana?

Sariho amin’ilay filazana eo amin’ny solaitrabe ny sain’ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana. Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no trangan-javatra resahin’i Loholona Oaks eto raha araka ny eritreritrao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–3. Asao ireo mpianatra hanaraka amin’ny vakiteny, hikaroka ireo trangan-javatra tokony hiomanantsika sy ny antony tsy maintsy hiomanantsika amin’izany. (Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny “ampiseho ny sandriny masina” dia milaza fa ny Tompo dia maneho ny heriny sy ny tanjany amin’izao tontolo izao.)

  • Inona no tranga tian’ny Tompo ambara ao amin’ireo andininy ireo? (Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia asao izy ireo hijery ny andininy 2, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a. Fenoy avy eo ny tenin’i Loholona Oaks eny amin’ny solaitrabe amin’ny fanoratana ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.)

  • Araka ny andininy 2, inona no zavatra hitranga amin’ireo tsy mino, na ratsy fanahy, amin’ny Fiaviana Fanindroany? (Ny mpianatra dia tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity: I Jesoa Kristy dia ho avy hitsara ireo izay tsy mino amin’ny Fiaviany Fanindroany. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanoratra io fehezan-teny io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 2.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–16

Ny Tompo dia mandidy ny olony mba hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany

Mba hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny hevitr’io fanambarana io, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Asao ireo mpianatra mba hanaraka izany vakiteny izany amin’ny fikarohana hoe ahoana no fomba nampidirana ity fanambarana ity tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, tany am-boalohany. Rehefa avy nitatitra ny zavatra hitany izy ireo dia asao ny mpianatra hahatsikaritra ny daty nanomezana io fanambarana io. Hazavao fa ity fanambarana ity dia tsy manaraka ny rafitry ny fifanesen-java-miseho satria dia tovan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany tany am-piandohana. Ity fanambarana ity sy ny fizarana 1 dia mandrafitra ny pejy faran’ny boky ho an’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ireo mpianatra mba handalina am-pahanginana andininy 4 ary hitady hoe inona no zavatra asain’ny Tompo ataon’ny olony izay mifandray amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Inona no asain’ny Tompo ataon’ny olony? (Ny hiomanan’izy ireo sy hiangonany ao Ziona.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: dia manampy antsika hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny tsiroaroa amin’izy ireo hamaky miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–16, hikaroka ireo teny sy andian-teny izay mampianatra hoe ahoana no fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Asao ireo mpinamana avy mba hitatitra izay zavatra hitan’izy ireo,ary asao ny mpianatra iray mba hameno ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe amin’ny fanoratana ireo valintenin’ny mpianatra eo ambanin’ny banga.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny sasany amin’ireo fomba hahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany, dia manaova tahadikan’ity asa atao manaraka ity ho an’ny mpianatra tsirairay. Asao ireo mpianatra mba hanatanteraka ny asa miaraka amin’ny namany sy ho vonona ny hizara ny hevi-baovao hitany amin’ny kilasy. (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra ny hanoratan’izy ireo ny valinteniny alohan’ny hizaran’izy ireo izany amin’ny kilasy.)

Miomana amin’ny Fiaviany Fanindroany

  1. Mifanakaloza hevitra amin’ny namanao hoe nahoana ireo valinteny natao lisitra eo amin’ny solaitrabe no toa fomba manan-danja hiomanana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.

  2. Jereo ireo andian-teny mikasika an’ny Babylona ao amin’ny andininy 5,7, ary ny 14. Tamin’ny andron’ny Testamenta taloha, ny tanànan’ny Babylona dia toerana lehibe feno faharatsiana. Amin’ireo andininy ireo, Babylona dia ampiasaina ho tandindon’ny zavatr’izao tontolo izao.

    1. Inona no mety ho dikany rehefa manoro lalana antsika ny “ hiala an’ny Babylona” ny Tompo?

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika miala amin’ny Babylona? Ahoana no mety hanomanan’ireo zavatra ireo antsika amin’ny Fiaviana Fanindroany?

    3. Inona no nataonao nanalana ny tenanao tamin’ireo fitaoman’izao tontolo izao?

  3. Avereno vakiana ny Fotopampianarana sy Fanakempihavanana 133:15, ary karohy ny fampitandreman’ny Tompo ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ny amin’ny zavatra tsy tokony ataon’izy ireo rehefa miala an’ny Babylona izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao ary handinika ny hoe ahoana no fampiharana io fampitandremana io amin’ny fiainanao.

    1. Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “tsy miherika” rehefa avy nanala ny tenantsika tamin’ireo fitaoman’izao tontolo izao isika? (“Miherika” isika rehefa maniry ny hanadino izao tontolo izao nefa avy eo miverina amin’ireo fombatsika taloha ihany. Malahelo ny fomba fiainantsika taloha sy miverina amin’izany isika fa tsy mamela ny fontsika hiova.)

    2. Inona no fitsipika azontsika nianarana avy tamin’ny andininy 15?

    3. Mifanakaloza hevitra amin’ny namanao momba ny hoe ahoana no ahafahan’ny tanoran’ny Olomasin’ny Andro Farany “tsy hiherika” raha miezaka ny hitombo ara-panahy izy ireo sy manakaiky bebe kokoa ny Mpamonjy.

    4. Eritrereto ireo olona fantatrao izay mandroso hatrany, miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Inona no hitanao ataon’izy ireo?

Rehefa nomena fotoana ampy izy ireo, manasà mpianatra maromaro hizara amin’ny mpiara-mianatra ireo zavatra izay hitany. Mba hahafahan’ny ny tsirairay handray anjara, dia mamelà mpinamana samihafa hamaly ireo fanontaniana samihafa.) Mandritra ny fotoana ifanakalozan’ny mpianatra hevitra mikasika ny andininy 15, dia tokony hamantatra fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Raha miverina amin’ny faharatsiana sy ny otantsika teo aloha isika, dia tsy ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Jereo indray ireo lisitra eny amin’ny solaitrabe mikasika ireo zavatra afaka ataontsika hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Mariho fa mila ny olona rehetra ho vonona amin’ny fiaviany ny Tompo. Asao ireo mpianatra hamerina hijery vetivety ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–15 sy hamantatra ireo andininy izay mampianatra antsika hoe ahoana no hanaparitahana ny filazantsara sy ny hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy.

  • Inona avy ireo andininy izay mampianatra antsika fa mila ny manaparitaka ny filazantsara sy manasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika? (Tokony hahita ny andininy 8–10 ny mpianatra.)

  • Inona no zavatra afaka hianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny asa fitoriana ny filazantsara? (Azon’ireo mpianatra atao ny mampiasa teny samihafa, fa mila mamantatra kosa ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa mizara ny filazantsara isika, dia manampy ny hafa mba hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroan’i Jesoa Kristy. Toroy hevitra mba hanoratra izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra izany fahamarinana izany dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny kilasy mba hihaino ny hoe inona no itan’ny Loholona Andersen fa andraikitsika ary fomba ahafahantsika manatanteraka izany andraikitra izany.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. …

“Ho fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. …

“… Azo lazaina fa voaomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izao tontolo izao vokatry ny asan’ny Tompo ataon’ireo mpitory ny filazantsarany” (“Fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49, 50, 51).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy ampy raha isika ihany no manomana ny tenantsika amin’ny Fiaviana Fanindroany?

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no hanampy anao hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany ny fanampiana ny hafa hiomana amin’izany koa.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina momba ireo izay nanampy azy hanakaiky bebe kokoa an’i Kristy. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny hoe ahoana no nitaoman’ny hafa sy nanampian’ny hafa azy ireo.

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:16 amim-pahanginana, sy hikaroka ireo zavatra asain’ny Tompo ataon’ny olona mba hiomananan’izy ireo hihaona aminy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no zavatra hitanao ao amin’ny andininy 16 izay mifandray amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?

  • Inona no fitsipika afaka hitantsika ao amin’ny andininy 16 izay mety hanampy antsika ho vonona hihaona amin’ny Tompo rehefa ho avy Izy? (Ny fomba iray azon’ny mpianatra anehoana izany fitsipika izany dia hoe rehefa mibebaka isika, dia miomana hihaona amin’ny Tompo.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanomanan’ny fibebahana antsika amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny misy banga manaraka ireto:

Hanomana ny tenako manokana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany aho amin’ny …

Hanampy ny hafa hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany aho amin’ny …

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana nianaran’izy ireo anio ireo dia asao izy ireo hameno ireo fanambarana eny amin’ny solaitrabe ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:17–35

Ny Tompo dia manambara ireo tranga sasany izay hiaraka amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny arivo taona

Hazavao fa taorian’ny nampianarany mikasika ireo fomba atao mba hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany, ny Tompo dia nandidy antsika mba ho vonona amin’izany.

Asaivo miaraka tsiroaroa indray ireo mpianatra mba hananany namana vaovao hafa. Asao ny atsasak’ireo mpinamana mba hamaky miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:17–25, ary hikaroka ireo tranga miaraka amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Asao indray ireo atsasany hafa amin’ireo mpinamana mba hanao toy izany ihany koa amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:26–35. Rehefa nomena fotoana ampy dia, asao ireo mpinamana tsirairay mba hitatitra amin’ny kilasy ny zavatra anankiray izay hitan’izy ireo.

  • Araka ny andininy 17, inona no zavatra tokony ataontsika raha hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany isika? Nahoana izany no tena manan-danja? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io, dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hamaky ny Almà 7:9,14–19. Hazavao fa ny andian-teny hoe “ataovy mahitsy ny làlany” dia mifandray amin’ireo andraikitsika ny hibebaka ary koa ny hitory ny filazantsara amin’ny hafa mba ahafahan’izy ireo mibebaka, ho vita batisa, ary handray ny fanomezan’ny Fanahy Masina.)

Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny maha-manan-danja ny fibebahana ho fiomanana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Amporisiho ireo mpianatra hiaina amim-pahamarinana mba ahafahan’izy ireo manana traikefa amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana nomen’ny Tompo eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Tranga mialoha ny Fiaviana Fanindroany

Ny Filoha Harold B. Lee dia nilaza hoe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 sy 133 dia manome “fitantarana tsikelikely amin’ny antsipiriany ireo tranga mialoha ny fiavian’ny Mpamonjy” (“Admonitions for the Priesthood of God,” Ensign, jan. 1973, 106).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:20–22. Toy ny ahoana sy aiza avy no hisehoan’ny Tompo?

Rehefa hiverina ny Tompo, dia hiseho amin’ny andian’olona voafaritra ary avy eo hiseho amin-kery lehibe, amin’ny maha-mpanjaka Azy, ary amim-boninahitra— amin’ny fomba izay hahitan’ny olon-drehetra azy Izy (Jereo ny F&F 88:95; 101:23–25; 133:40–42, 48–51). Ireo mpaminany dia nilaza fanehoan’ny Tompo ny tenany miisa efatra izay anisan’ny Fiaviany Fanindroany ihany koa:

  1. Ny fisehoany ao amin’ny tempoly ao amin’ny tanànan’i Jerosalema Vaovao (Jereo ny F&F 84:1–5; 97:10, 15–16; 133:2).

  2. Ny fisehoany ao Adama-ondia-Ahmana (Jereo ny Daniela 7:9–14; F&F 107:53–57; 116:1).

  3. Ny fisehoana ao amin’ny tendrombohitra Oliva (jereo ny Zakaria 14:1–9; F&F 45:48–53; 133:20).

  4. Ny fisehoana amin’izao tontolo izao (jereo ny F&F 88:95; 101:23–25; 133:40–42, 48–51). (Jereo ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. 2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 404–5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:26–34. Inona no zavatra fantatsika mikasika ireo fokon’i Israely folo very?

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ireo foko very dia tsy very akory ao amin’ny Tompo. Tamin’ny dian’izy ireo nianavaratra dia notarihin’ny mpaminany sy mpitarika nanana aingam-panahy izy ireo. Nanana mpaminany toa an’i Mosesy sy i Lehia izy ireo, notarihina tamin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana, nitandrina ny lalànan’i Mosesy, ary nitondra niaraka taminy ireo sata sy fitsarana izay nomen’ny Tompo azy ireo taona maro tany aloha. Mbola olona miavaka izy ireo taona an-jatony taty aoriana, ary ny Tompo izay nitsangana tamin’ny maty dia namangy sy nanompo azy ireo taorian’ny fanompoany teo amin’ity kaontinanta ity teo anivon’ny Nefita. (3 Ne. 16:1–4; 17:4.) Mazava ho azy fa nampianatra azy ireo tamin’ny fomba mitovy sy nanome azy ireo ny fahamarinana mitovy amin’ny nomeny ireo mpanara-dia azy tao Jerosalema sy tao amin’ny kaontinanta Amerikana, ary mazava ho azy fa noraketin’izy ireo an-tsoratra ny fampianarany, vokatr’izany dia miteraka soratra masina maro azo ampitahaina amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. (2 Ne. 29:12–14.)

“Amin’ny fotoana maha-mety azy, ireo fokon’Israely folo very ireo dia hiverina ary ho any amin’ny zanak’i Efraima mba handray ireo fitahiany. Izany fanangonana goavana izany dia hitranga eo ambany fitarihan’ny Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, satria izy no mihazona ireo fanalahidy. … Zo amin’ny fihahiana ny fanalahidy, hery enti-mitantana, ary amin’ny alalan’izany hery izany ireo Foko Very dia hiverina, miaraka amin’ireo ‘mpaminaniny’ sy ireo soratra masiny mba ho ‘satrohina amim-boninahitra, hatramin’ny ao Ziona, amin’ny alalan’ny tanan’ireo mpanompon’ny Tompo, hatramin’ireo zanak’i Efraima’. (F. & F. 133:26–35.)” (Mormon Doctrine, ed. 2 [1966], 457–58; jereo ihany koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. 2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 340–41).

Hamoaka printy