Seminera sy Institiota
Lesona 157: Filazana Ôfisialy 2


Lesona 157

Filazana Ôfisialy 2

Fampidirana

Nandritra ny taonjato faha roapolo ny asa fitoriana dia niparitaka eran-tany. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mivavaka mba hahazo fitarihana mikasika ny famerana ny ordônansy ao amin’ny fisoronana sy ny ôrdônansy atao ao amin’ny tempoly ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny taranaka Afrikanina. Nisy fanambarana farany tonga tamin’ny Filohan’ny Fiangonana Spencer W. Kimball ary nohamafisina tamin’ireo mpanolotsainany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny Tempolin’ny Salt Lake izany ny 1 jona 1978. Tamin’ny taratasy iray ny 08 jona no nilazana ny fanambarana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Filazana Ôfisialy 2

Nanambara ny Tompo fa ny fisoronana sy ny fitahiana azo avy any amin’ny tempoly dia afaka mihitatra any amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay izay mendrika

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe manana namana izy ireo izay Olomasin’ny Andro Farany manana olana momba ny fanontaniana mikasika ny Fiangonana sasany.

  • Inona no ataonao mba amporisihina ny namanao?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ry tanora malala namako isany, olona mpametra-panontaniana isika satria fantatsika fa ny fanontaniana no mitondra any amin’ny fahamarinana. …

“… Ny fanadihadiana no hiteraka ny fijoroana ho vavolombelona. Mety hahatsiaro ho menamenatra na ho tsy mendrika ny sasany satria manana fanontaniana lalina mikasika ny filazantsara, kanefa dia tsy tokony hahatsiaro ho toy izany izy ireny. Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.

“Andriamanitra dia mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika (jereo ny Jakoba 1:5–6) ary mangataka fotsiny ny mba hikatsahantsika ‘amin-kitsimpo …, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy’ (Môrônia 10:4). Rehefa manao izany isika dia aseho amintsika ny fahamarinan’ny zava-drehetra ‘amin’ny herin’ny Fanahy Masina’ (Môrônia 10:5).

“Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Aoka ianao ho tia karokaroka, fa aza miahiahy! Hazony hatrany ny finoana sy ny fahazavana izay efa noraisina” (“The Reflection in the Water” [Church Educational System devotional, 1 nôv. 2009], LDS.org).

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Uchdortf izay afaka manampy ny olona iray izay manana fanontaniana mikasika ny Fiangonana?

Asao ireo mpianatra mba hamaky mafy ity tantara momba ny olona roa manaraka ity, dia i Helvécio sy i Rudà Martins, izay nikatsaka ny handray sy hahatakatra ny fahamarinana amin’ny fametrahana fanontaniana:

Loholona Helvécio Martins

Loholona Helvécio Martins

“ Ny alina mazava iray ny tamin’ny volana aprilin’ny taona 1972 … i Helvécio Martins dia nandinika ny fikatsahan’ny fianakaviany ny fahamarinana. Izy sy ny vadiny, Rudà, dia nanadihady fivavahana maro, fa na iray aza dia toa tsy nahafeno ny hetaheta ara-panahin’izy ireo. ‘Nivavaka tamin’ Andriamanitra aho io alina io, nangataka fanampiana,’ hoy izy” (Elder Helvécio Martins of the Seventy,” Ensign, mey 1990, 106).

Andro vitsy taty aoriana, dia tonga tao an-tranon’izy ireo tany Rio de Janeiro, Brazil ny misiônera. Ny Loholona Martins dia mitantara hoe: “Ny fotoana nidiran’ireo tovolahy tanora roa ny tranonay dia nanjavona avy hatrany ny haizina sy ny ahiahiko ara-panahy ary nosoloina fahatoniana izay fantatro izao fa avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina” (miaraka amin’i Mark Grover, The autobiography of Elder Helvécio Martins [1994], 43).

Rehefa niresaka tamin’ireo misiônera i Helvécio sy Rudá, izay taranaka Afrikana, dia nanontany momba ny anjara asan’ny olona mainty fihodirana tao amin’ny Fiangonana i Helvécio. Nianatra ny fianakaviana Martins fa tamin’izany fotoana izany ny fenitra tao amin’ny Fiangonana dia nametra ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina tsy handray ny fisoronana. Izany dia nitarika azy ireo hametraka fanontaniana misimisy kokoa.

  • Raha teo amin’ny toeran’ny fianakaviana Martins ianao, inona no mety fanontaniaina nanananao raha nolazaina mikasika ny famerana ny fanomezana ny fisoronana ianao ?

Asehoy ity teny manaraka ity izay ampahany amin’ny teny fanolorana ny Filazana Ôfisialy 2. (Azonao atao ny manao tahadikan’ity fampidirana ity ho an’ireo mpianatra raha tsy manana ny edisiônan’ny soratra masina ny taona 2013 izy ireo.) Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fanambarana, ary asao ny mpianatra rehetra mba hikaroka ny valin’ireo fanontaniana mety ho ananan’ny olona mikasika ny famerana ny fisoronana.

“Ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra fa ‘ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra’ anisan’izany ‘ny mainty sy ny fotsy, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy’ (2 Nefia 26:33). Mandritra ny tantaran’ny Fiangonana, ireo olona avy amin’ny fiaviana rehetra sy ny foko ao amin’ny firenena maro dia natao batisa ary miaina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky. Nandritra ny fiainan’i Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra vitsivitsy no nahazo ny fisoronana. Tamin’ny fiandohan’ny tantarany, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanajanona ny fanomezana ny fisoronana ireo mainty hoditra taranaka Afrikanina. Ny boky firaketan’ny Fiangonana dia tsy nahitana mombamomba mazava tsara mikasika ny fiavian’io fomba fanao io.”

  • Fanontaniana inona mikasika ny famerana ny fisoronana no afaka ho valiana amin’ny alalan’io fanambarana io?

Hazavao ireo ilay andalana izay milaza hoe: “Tsy manome fahalalana mazava momba ny niandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana.” Alaivo antoka ny fahatakaran’ny mpianatra fa raha misy ny olona no manome sosokevitra mikasika ny antony tsy notendrena ny lehilahy taranaka Afrikanina tao amin’ny fisoronana nandritra ny fotoana voafetra dia mety tsy marina ireo antony ireo. Ilay fanambarana izay novakiana dia manazava ny foto-kevitra ôfisialy ijoroan’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra iray hafa mba hamaky ny andiam-pehezan-teny izay mamaritra hoe inona no nataon’ny fianakaviana Martins taorian’ny nianaran’izy ireo mikasika ny filazantsara izay naverina tamin’ny laoniny:

Natao batisa tamin’ny 2 jolay 1972 ny fianakaviana Martins ary nanompo amim-pahatokisana tao amin’ny Fiangonana izy ireo. Rehefa nandray ny tso-dranon’ny patriarika i Marcus ilay zanaka lahimatoa, dia nampanantena azy izany fa izy dia hitory ny filazantsara. Na dia nanakana ny hanompoan’i Marcus amin’ny fotoana feno aza ny famerana ny fisoronana dia nanokatra kaonty fitehirizana ho an’ny misiônera ny ray aman-dreniny. Ny taona 1975 dia nanambara ny Fiangonana fa hisy tempoly haorina koa any Sao Paulo any Brésil. Mba hanampiana amin’ny petra-bola ny Rahavavy Martins dia nivarotra ireo firavaka nananany. Ny Rahalahy Martins dia nanompo amim-pahatokiana amin’ny maha-mpikamban’ny kaomity mpisahana ny seraseran’ny tempoly azy. Ny fianakaviana Martins dia nanao io fahafoizan-tena io na dia ninoan’izy ireo aza fa tsy hanana fahafahana ny handray ny ôrdônasin’ny fisoronana any amin’ny tempoly izy ireo.

  • Nahoana araka ny hevitrao ny fianakaviana Martins no nanana ny faniriana ny hatao batisa sy hanompo amim-pahatokiana ao amin’ny Fiangonanana na dia voakasiky ny famerana ny fisoronana aza izy ireo tamin’izany?

Rehefa avy nifanakalo hevitra momba an’io fanontaniana io ny mpianatra, dia vakio mafy ny valintenin’i Rahalahy Martins:

Loholona Helvécio Martins

“‘Nahita ny fahamarinana izahay, ary tsy misy na inona na inona afaka hanakana anay ny hiaina izany.’ … ‘Rehefa milaza aminao ny Fanahy fa marina ny filazantsara dia afaka ny handà izany ve ianao?’” (ao amin’ny “Elder Helvécio Martins of the seventy,” 106).

Hamafiso fa satria ny fianakaviana Martins no nandray fijoroana ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia afaka ny nandroso izy reo tamin’ny fahatokisana ny Tompo na dia nisy teo aza ireo zavatra izay bola tsy takatr’izy ireo.

  • Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana Martins ho ohatra ho anao rehefa manana fanontaniana ianao? (Afaka mamikitra amin’izay efa fantatsika ary tsy ho voahozongozona mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny isika.)

Hazavao fa ho fanampin’ny fianakaviana Martins dia an’arivony ny taranaka Afrikanina avy amin’ny kazarana firenena izay nahalala ny fahamarinan’ny filazantsara izay naverina tamin’ny laoniny am-polotaonany maro talohan’ny fanambarana tamin’ny taona 1978. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City dia nahazo taratasy misavovona avy amin’ ireo niova fo tsy mbola vita batisa avy tany Nigeria sy Ghana nangataka ny andefasana misiônera any Afrika. Nandritra ny taona maro ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia nandinika ombam-bavaka ireo olana fa nahatsapa hoe tsy mbola tonga ny fotoana andefasana ireo misiônera any Afrika, izay ny mpikambana any an-toerana dia tsy afaka ny hitantana sy hanatanteraka ireo ôrdônansy.

Filoha Spencer W. Kimball

Ampahafantaro ireo mpianatra fa ny Filazana Ôfisialy 2 dia ahitana ny fampahafantarana ôfisialy ny fanambarana noraisin’ny Filoha Spencer W. Kimball ny 1 jona 1978. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra voalohany ao ambanin’ny andian-teny hoe “Ry rahalahy malala.” Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikarika hoe inona no nolazain’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana efa natrehan’izy ireo maso?

  • Inona no efa natrehan’ny mpitarika ny Fiangonana maso teto an-tany?

  • Inona no ny fitaomam-panahy azon’izy ireo raha nanatri-maso ny fitaran’ny asan’ny Tompo izy ireo? (Ny faniriana hanolotra amin’ny mpikambana mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana ireo fitahiana izay omen’ny filazantsara.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra manaraka (manomboka amin’ny hoe “Noho ny fahalalana ireo fampanantenana”). Asao ireo kilasy mba hikaroka hoe ainona no nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manoloana ny faniriana azon’izy ireo tamin’ny fitaomam-panahy.

  • Inona no nataon’i Filoha Spencer W. Kimball sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mba hampiharana ireo faniriany izay nahazoana fitaomam-panahy?

  • Inona no ampianarin’ izany antsika mikasika an’ i Jesoa? (Rehefa avy manaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manoratra eo amin’ny solaitrabe ny fahamarinana manaraka: Ireo mpaminany dia mitady fitarihan’ny Tompo amin’ny fitarihana ny Fiangonana.)

Hamafiso ny andian-teny hoe “Noho ny fahalalana ireo fampanantenana nataon’ireo mpaminany.”

  • Inona no zavatra ampianarin’io andian-teny io sy ny fehezan-teny hatolotr’izany mikasika ny hoe inona no fantatry ny mpitarika ao amin’ny ny Fiangonana mikasika ny famerana ny fisoronana? (Nahafantatra izy ireo fa amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ireo lehilahy mendrika rehetra dia hanana ny fahafahana handray ny fisoronana.)

Hazavao fa andro maro talohan’ny taona 1978, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka sy nivavaka mikasika ny famerana ny fisoronana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nahatsapa fa ny fanambarana dia nilaina mba hanovana ilay famerana izay naorina efa an-jato taona maro izay. Indraindray ilay fanontaniana dia somary navesatra ihany tamin’ny eritreritry ny Filoha Kimball ary matetika izy dia mandeha mankany amin’ny tempoly irery mba hivavaka mikasika izany.

Asao ireo mpianatra hamaky mafy ny andian-tsoratra roa manaraka, manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny fivavakay Izy.” Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny valim-bavaka nomen’ny Tompo ny Filoha Kimball, ny mpanolotsainany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

  • Inona no valim-bavaka nomen’ny Tompo ny mpaminaniny?

  • Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny fomba notarihan’ny Tompo ny Fiangonany? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny fotopampianarana manaraka: Ny Tompo dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo mpaminaniny.)

Hazavao fa io fanambarana io dia manana fiantraikany lalina amin’ireo olona rehetra maneran-tany tany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny zavatra nataon’ i Helvécio Martins sy ny vadiny, Rudà rehefa naheno mikasika izany izy ireo?

“Tsy afaka ny nanakana ny fihetsehampoko aho. I Rudà sy izaho dia nankany amin’ny efitra fatorianay, dia nandohalika ary nivavaka. Nitomany izahay rehefa nisaotra ny Raintsika any An-danitra momba ny zava-nitranga izay hany nofisinay. Tonga ity ilay fotoana, ary mandritra ny fiainanay eto an-tany izany” (Autobiography, 69–70). Nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviana Martins. Ny Marcus zanakalahin’izy ireo no mpikambann’ny Fiangonana voalohany izay avy amin’ny taranaka Afrikanina nanao asao fitoriana taorian’ny fanambarana izay nahatsahatra ny famerana ny fisoronana. I Helvécio Martins dia lasa mpitarika tao amin’ny fisoronana tao an-toerana izay voantso hanompo ho mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy Faharoa taty aoriana.

Hazavao fa vetivety taorian’ny fandraisana ny fanambarana fanafoanana ny famerana ny fisoronana dia nisy misiônera nalefa tany Afrika. Nanomboka teo dia nisy fananganana tempoly koa tany amin’io kaontinanta io, ary an-jatony sy an’arivony ireo olona izay nandray ny ôrdônansin’ny filazantsara ho azy ireo manokana ary ho an’ireo razambeny efa nodimandry.

Hamafiso fa ireo mpianatra dia mety hanontany hoe nahoana no Fiangonana no tsy nanome ny fisoronana ho an’ny lehilahy mainty taranaka Afrikanina nandritra ny fotoana voafetra. Asao izy ireo mba handinika ny hoe ahoana no mety hamalian’izy ireo io fanontaniana io.

Lazao fa tena azo atao ny manazava amin’ny hafa fa isika dia tsy mahalala ny antony nisian’ny famerana mikasika ny fisoronana. Ho fanampin’izany dia afaka mizara sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izay fantatsika isika. (Azonao atao ny miresaka momba an’ireo fahamarinana eny amin’ny solaitrabe.) Farano amin’ny lesona fanasana ny mpianatra mba hizara ny fahatsapany sy ny fijoroany ho vavolombelona. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Filazana Ôfisialy 2. Ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana dia afaka azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny fitahiana azo avy amin’ny fisoronana dia azon’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra horaisina—ny lehilahy ary koa ny vehivavy—na dia omena ny lehilahy irery ihany aza ny fahefan’ny fisoronana:

Loholona M. Russell Ballard

“Ao amin’ilay drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra hanomezany ny fisoronana ho an’ny olona, dia manana andraikitra tokana ireo lehilahy mba hampiasana ny fisoronana, saingy tsy izy ireo no fisoronana. Manana anjara asa mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza raha tsy misy lehilahy, dia toy izany koa no tsy ahafahan’ny lehilahy mampiasa feno ny herin’ny fisoronana mba hanorenana fianakaviana mandrakizay raha tsy misy vehivavy. Izany hoe: amin’ny fomba fijery mandrakizay, dia samy ifampizaran’ny mpivady ny hery fiterahana sy ny herin’ny fisoronana. Ary amin’ny maha mpivady ny lehilahy sy ny vehivavy, dia tokony hiezaka ny hanaraka ny Raintsika any An-danitra izy ireo. Ireo toetra marina maha Kristiana, dia ny fitiavana, fanetren-tena, sy faharetana no tokony hifantohan’izy ireo rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fisoronana ao amin’ny fiainany sy ho an’ny fianakaviany izy ireo.

“Manan-danja lehibe amintsika ny fahatakarana fa nanome fomba ho an’ireo zanany lahy sy zanany vavy ny Ray any An-danitra mba hahazo ireo fitahiana sy ny fankaherezana avy amin’ny herin’ny fisoronana” (“Izao ny Asako sy Voninahitro,” Ensign na Liahona, mey 2013, 19).

Filazana Ôfisialy 2. Mialà ny fampifandraisana ny hevitr’olombelona amin’ny fanambaran’ Andriamanitra

“Tamin’ny resadresaka natao ny taona 1988, izay fahafolo taonan’ny fanambarana mikasika ny fisoronana, [ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo] dia nanazava ny fihetsi[ny] manoloana ireo fanandramana ny hanolo ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny hevitr’olombelona:

Loholona Dallin H. Oaks

“‘Raha mamaky ny soratra masina miaraka amin’ity fanontaniana manao hoe “Nahoana no Tompo no nandidy ity na nahoana Izy no mandidy izao,” ity ianao dia hahita fa raha nanome fanambarana zato izy dia tsy nanome antony ny amin’ny iray monja amin’ireo didy ireo. Tsy fomba fanaon’ny Tompo ny manome antony. Fa isika [olombelona ] no afaka manome antony ho an’ny fanambarana. Afaka manisy antony ireo didy isika. Rehefa manao izany isika, dia mandeha irery. Ireo olona sasany dia manome antony ny zavatra iray izay resahintsika, fa avy eo dia miseho amin’ny fomba mahagaga ny hahadisoan’izy ireo. Ianarana lesona izany. … Nanapa-kevitra aho fotoana efa ela be izay fa hanana finoana amin’ny didy fa tsy hanana finoana ny amin’ny antony natao sosokevitra mikasika izany.

“Rehefa nanontaniana [izy] raha toa ka ny antony nomen’ny Manam-pahefana Ambony no noresahiny, dia namaly [izy] hoe:

“‘Ny antony tiako lazaina dia ireo antony nomen’ny manam-pahefana ambony sy ireo antony novelabelarina … nataon’ny olon-kafa. Amiko ireo andian’antony rehetra dia toa tsy mendrika hofantarina akory. … Aleo tsy manao hadisoana izay natao tany aloha, teto sy tany amin’ny toeran-kafa, ny miezaka ny mametraka antony amin’ny fanambarana rehetra. Ny antony dia ho hita fa avy amin’olombelona avokoa. Ireo fanambarana dia izay tohanantsika ho sitrapon’ny Tompo ary amin’izany no hahitana ny fiarovana’ [“Apostles Talk about Reasons for Lifting Ban,” Daily Heralf, Provo, Utah, 5 jona 1988, 21(AP)]” (Dallin H. Oaks, Life’s Lesson Learned [2011], 68–69).

Filazana Ôfisialy 2. Tsy mila mahafantatra ireo valiny rehetra isika, fa mila kosa mahazo vaovao ara-potoana mikasika ny zavatra efa fantatsika

Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nanome ity torohevitra manaraka ity ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara:

Loholona Paul V. Johnson

“Tsy hoe tsy tsara ho an’ny mpianatra iray ny mahita fa ny mpampianatra iray dia tsy mahalala ny valin’ny zavatra rehetra fa mahafantatra kosa ny valin’ny fanontaniana fototra sy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka. Rehefa nanontany an’i Nefia ilay anjely raha fantany ny momba ny fiambanian’ Andriamanitra, dia namaly izy hoe: ‘Fantatro fa tia ireo zanany Izy, na dia eo aza izany dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra’ (1 Nefia 11: 17). Na dia tsy fantatsika aza ny valin’ny fanontaniana iray manokana dia afaka mampahatsiahy ireo mpianatsika isika ny amin’ireo mpianatra ny zavatra izay fantatsika.

“Ny olana iray hafa izay hatrehantsika, indrindra rehefa nampianatra efa elaela isika dia ny fironana any amin’ny famikirana amin’ireo fahalalana efa lany andro sy ireo fanazavana efa taloha. Metimety kokoa amintsika ny mahalala ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana ankehitriny. Fomba iray amin’ireo fanaovana izany dia ny mizatra tsara amin’ny loharanom-pitaovana amin’ny fampitam-baovao ao amin’ny LDS.org (mormonnewsroom.org). …

“Voaray niasa tao amin’ny seminera sy institiota aho ny fahavaratry ny taona 1978. Ny volana jonan’io lohataona io no nilazana ilay fanambarana fa ny fisoronana dia azon’ny lehilahy mendrika rehetra ho raisina. Ny volana aogositran’ io taona io ihany ny Loholona Bruce R. McConkie mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, dia niresaka tamin’ireo mpiasan’ny seminera sy institota ny amin’ny fisian’ny zavatra nitovy tamin’izany. Notsindriny ny fomba nanovan’ny fanambarana ny fahatakarantsika ny olana. Hoy izy hoe:

“‘Adinoy ny zavatra rehetra izay nolazaiko, na nolazain’ny Filoha Brigham Young na ny Filoha George Q. Cannon na iza na iza koa izay niteny tamin’ny fotoana tany aloha tany izay mifanohitra amin’ny fanambarana ankehitriny. Isika dia miresaka miaraka amin’ny fahatakarana voafetra sy tsy misy fahazavana sy fahalalana izay hita eto amin’izao tontolo izao ankehitriny.

“‘Mahazo ireo fahamarinana sy fahazavantsika andalana anampy andalana isika, fitsipika anampy fitsipika. Amin’izao isika dia efa nanampy ny faharanitan-tsaina sy fahazavana mikasika ny lohahevitra manokana iray, ary izany dia mamafa ny haizina rehetra sy ireo fomba fijery sy eritreritra efa taloha rehetra. Tsy olana intsony ireny.

“‘Tsy dia misy fahasamihafa manokana loatra ny zavatra nolazain’ny olona iray mikasika … an’ireo olana talohan’ny voalohan’ny volana jona ny taona (1978)’ (“All Are Alike unto God” [CES symposium on the Book of Mormon, aog. 18, 1978], 2; LDS.org).

“Ndeha isika hanavao hatrany ny fahazavana izay efa nomena antsika” (“A Pattern for Learning Spiritual Things” [lahateny ho an’ny mpanaben’ny DFF, aog. 7, 2012], LDS.org).

Filazana Ôfisialy 2. “Mampahafantatra ny sitrapony ny Tompo”

Ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra taty aoriana ireo traikefan’izy ireo rehefa nomena ny fanambarana ny 1 jona 1978. Ohatra, ny Filoha Gordon B. Hinckley mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny taona 1978 dia nijoro ho vavolombelona nanao hoe:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Nisy tontolo masina sy nohamasinina tao amin’ilay efitrano. Tamiko izany dia tahaka ny fahatsapana hoe nisokatra ny lalana nankany amin’ny seza fiandrianana masina any an-danitra avy amin’ny fandoalihana sy ny fikatsan’ny Mpaminanin’ Andriamanitra izay nampian’ny Rahalahiny avy teo. … Tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no tonga io mpaminany io izay nahazo antoka fa ny zavatra izay nentiny am-bavaka dia marina, ary tonga tokoa ny fotoana fa ireo fitahiana mahagagan’ny fisoronana dia tokony hitatra amin’ny lehilahy mendrika rehetra na avy aiza izy na avy aiza.

“Ny lehilahy tsirairay tao anatin’ izany faribolana izany dia nahalala zavatra iray ihany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. …

“… Tsy nisy na dia iray taminay aza tamin’izay no tsy niova taorian’izay. Ary ny Fiangonana koa dia niova tamin’izay” (“Priesthood Restoration,” Ensign, ôkt. 1988, 70).

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Bruce R. McConkie

“Tamin’izany fotoana izany [rehefa nomena ho fanambarana ny Filazana Ôfisialy 2], noho ny fitalahoana sy ny finoana ary noho ny nahatongavan’ny fotoana dia nandrotsaka tamin’ny fitsinjovany mahery ny Fanahy Masina tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy ny Tompo izay niseho tamin’ny fomba mahagaga sy mahafinaritra, mihoatra ny zavatra rehetra niainan’olona hatramin’izao. Ny fanambarana dia tonga tamin’ny Filohan’ny Fiangonana; izany dia tonga ihany koa tamin’ireo olona hafa rehetra nanatrika” (“All Are Alike unto God” [lahateny ho an’ny mpanaben’ny DFF, aog. 18, 1978], 3, LDS.org).

Filazana Ôfisialy 2. Ho fanampim-panazavana

Ho fanampim-panazavana mikasika ny Filazana Ôfisialy 2, dia jereo ny Gospel Topics ao amin’ny LDS.org ary karohy ny hoe “race and the priesthood.”