Seminera sy Institiota
Lesona 48: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42


Lesona 48

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42

Fampidirana

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1831 dia nifindra monina tany Ohio ny ankamaroan’ireo Olomasina nipetraka tao New York, tao anatin’izany i Joseph Smith, mba hanatevin-daharana ilay vondrona iray lehibe nahitana ireo mpikambana vaovao vita batisa vao haingana tao. Nikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo mikasika ny fitomboan’ny Fiangonana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Naharay fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith, fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–73 amin’izao fotoana izao, teo anatrehan’ny loholona 12. Ato amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nampahafantatra ireo lalàna ara-nofo sy ara-toekarena ary ara-panahy izay nitarika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanampy ireo mahantra, hamatsy ara-bola ireo asa isan-karazany nataon’ny Fiangonana ary hanampy ireo Olomasina hafa nankany Ohio.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42

Nandroso ny lalàn’ny fanokanana ny Tompo

Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia mampiasà scotch na marqueur hanaovana tsipika iray eo amin’ny vera fotsy enina fisotroana rano. Sorito amin’ny haavo samy hafa eo amin’ny vera tsirairay ilay tsipika. Ento ao am-pianarana ireo vera. Mitondrà ihany koa tavoara misy rano betsaka mihoatra izay azo hamenoana ireo vera hatreo amin’ny haavon’ireo tsipika voasoritra eo amin’izy ireo. (Azonao atao ny manisy loko ao amin’ilay rano mba ho mora amin’ny mpianatra ny hahita izany.)

Rehefa manomboka ny lesona dia asehoy ilay tavoara. Lazao amin’ny mpianatra fa ilay rano dia mampiseho ny harena sy ny loharanon-karena rehetra ananan’ny fiaraha-monina iray.

Hazavao fa tamin’ny volana febroary 1831, ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, izay nila nanampy tamin’ny fikarakarana ny mahantra, dia nanampy ireo mpifindra monina vaovao izay nahafoy zavatra maro mba hivondrona tao Ohio ary nanampy tamin’ny famatsiana vola ireo asa nataon’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampahafantarin’ny Tompo mikasika ny mahantra.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “hahatsiaro ny mahantra”?

Asehoy fa nandidy ny Olomasina hanokana ny fananany hanampiana ny mahantra ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe manokana. Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Inona ny dikan’ny hoe manokana araka ny eritreritrareo?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity famaritana ny teny hoe manokana ity, izay nomen’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io famaritana io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 30.

Loholona D. Todd Christofferson

“Ny manokana dia midika hoe fanokanana zavatra iray ho masina, natolotra ho an’ny tanjona masina” (“Fanehoan-kevitra momba ny fanokanana ny fiainana ho masina,” Liahona, nôv. 2010, 16).

  • Inona araka ny eritreritrareo no ifandraisan’io famaritana io amin’ny fanomezana zavatra iray hanampiana ireo sahirana?

  • Ahoana no hamintinanareo ilay didin’ny Tompo ao amin’ny andininy 30 mikasika ny mahantra? (Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hahitana taratra an’izao fotopampianarana manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Mandidy antsika ny Tompo mba hikarakara ny mahantra sy ny sahirana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra, mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity, hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:16, 34–36.)

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 dia mirakitra ireo fitsipiky ny lalàna antsoina hoe lalàn’ny fanokanana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fitsipika fototra ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanazavana manaraka nataon’ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha Marion G. Romney

“Ny fitsipika fototra sy ny fanamarinana ny lalàn’ny fanokanana ‘dia ny hoe an’ny Tompo ny zavatra rehetra ananantsika. Ka noho izany dia afaka mangataka amintsika ny fananana rehetra izay ananantsika ny Tompo, na inona izany na inona, satria Azy izany. … (F&F 104:14–17, 54–57)’ (J. Reuben Clark, Jr., in Conference Report, Oct. 1942, p. 55)” (“Living the Principles of the Law of Consecration,” Ensign, Feb. 1979, 3).

Fanamarihana: Ity lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana manaraka ity dia fanatsorana ny lalàn’ny fanokanana noho ny fisian’izany tato amin’ny Fiangonana tokotokony ho hatreo amin’ny taona 1833 teo. Taorian’io fotoana io dia novain’ny Fiangonana io fomba amam-panao io. Nisy fomba maro nampiharana ny lalàn’ny fanokanana sy fanovana maro natao tamin’io fomba amam-panao io nandritra ny taona maro nifandimby taty aoriana.

Asao ho eny aloha ny mpianatra enina. Omeo vera tsy misy na inona na inona ny tsirairay amin’izy ireo. Fenoy rano avy amin’ilay tavoara ireo vera ireo. Fenoy hatreo amin’ilay tsipika nosoritanao teo aminy ny vera iray, fenoy rano mihoatra ireo tsipika nosoritanao teo aminy ny vera telo, ary fenoy hatreo ambanin’ny tsipika nosoritanao ny roa amin’izy ireo. Hazavao fa ny vera tsirairay dia mampiseho fianakaviana iray ary ilay tsipika eo amin’ny vera tsirairay dia mampiseho ny filàna sy ny faniriana tsara ananan’io fianakaviana io. Ireo vera misy rano hatreo ambanin’ny tsipika dia mampiseho ireo fianakaviana tsy dia manam-bola na zavatra entina hamatsiana ny zavatra ilain’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:31. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny dingana voalohany tokony hataon’ireo Olomasina ireo mba hiainana ny lalàn’ny fanokanana.

  • Ho an’ireo Olomasina ireo dia inona ny dingana voalohany amin’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana? (Ny fananan’izy ireo dia tokony “hapetraka eo anoloan’ny evekan’ny fiangonana sy ny mpanolotsaina azy.” Izany hoe tokony naneho fahavononana izy ireo mba hanokana ny volany sy ny fananany ho an’ny Fiangonana.)

  • Maneho an’ iza ny eveka? (Ny Tompo.)

Mba hanehoana ireo mpikambana izay manokana ny fananany ho an’ny Fiangonana dia asaivo mandraraka ny rano avy ao amin’ny verany ho ao amin’ilay tavoara ireo mpianatra enina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:32 ary asaivo tadiavin’ny mpianatra rehetra ilay dingana faharoa tokony nataon’ireo Olomasina ireo mba hiainana ny lalàn’ny fanokanana.

Hazavao fa ny fianakaviana tsirairay dia niara-niasa tamin’ny eveka ary nandray ilay nantsoina hoe “fitantanan-draharaha” (F&F 42:72). Midika izany fa nampandraiketina fananana sy zavatra ampiasaina avy amin’ny Tompo ny fianakaviana tsirairay avy. Nanana fananana azy manokana sy zavatra ampiasaina izay azon’izy ireo ireo fianakaviana ary nasaina nampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo hitondrana ny fitantanan-draharahany. Amin’ny maha-mpitantana ny fananan’ny Tompo azy ireo dia tompon’andraikitra teo anatrehany izy ireo ary tompon’andraikitra feno tamin’ny zavatra nampandraiketiny azy.

Mandraraha rano avy ao amin’ilay tavoara mba hamenoana ny vera tsirairay hatreo amin’ny tsipika voasoritra eo aminy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba nanomezan’ny eveka ireo fananana tamin’ireo fianakaviana dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nanendren’ny eveka (izay i Edward Partridge amin’ity fotoana eto ity) ny anjaran’ny fianakaviana tsirairay. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ny F&F 51:3 ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:33.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanendren’ny eveka ny anjaran’ny fianakaviana tsirairay? (Niankina tamin’ny toe-javatra niainana sy ny zavatra nilain’ny fianakaviana tsirairay ny fanomezana ireo anjara.)

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba hamaritan’ny Tompo ny zavatra ilain’ny olona iray. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ny F&F 82:17 ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:33.

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no takian’ny Tompo amin’ireo olona izay nanambara ny zavatra ilainy tany amin’ny eveka? (Tokony ho marina izy ireo, na tokony ho marin-toetra raha lazaina amin’ny fomba hafa.)

Asehoy amin’ny mpianatra ny rano tavela ao amin’ilay tavoara. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:33–36. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ireo Olomasina tamin’ireo fananana ambiny rehefa vita ny fanomezana ireo fitantanan-draharaha.

  • Inona no nandidian’ny Tompo ireo Olomasina mba hataony amin’ireo ambina fananana, na ny “ambiny”? (Nasaina nampiasain’izy ireo izany mba hanampiana ny mahantra, hamatsiana vola ny fanorenana trano fiangonana ary hanampiana ireo mpikambana sahirana.) Inona ao anatin’ireo andininy ireo araka ny eritreritrareo no asehon’ilay tavoara? (Ilay trano fitehirizana.)

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fanokanana manampy amin’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana?

  • Ahoana no fomba maha-fitahiana ho an’ny Fiangonana ny lalàn’ny fanokanana?

  • Inona no mety maha-sarotra ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:38. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady fitsipika iray nampianarin’ny Tompo mikasika ny fanaovana izay tsara amin’ny hafa.

  • Inona no fitsipika nampianarin’ny Tompo mikasika ny fanaovana izay tsara amin’ny hafa? (Tokony hilaza ny mpianatra fa rehefa manao ny tsara amin’ny hafa isika dia manao izany amin’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nanampian’io fahamarinana io an’ireo Olomasina mba ho vonona ny hanokana ny fananany? Afaka manampy anareo amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana io fahamarinana io?

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa nanompo ny Tompo rehefa nanao zavatra hanampiana ny hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:40–42. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo toetoetra tokony hananan’ny olona iray mba hiainana ny lalàn’ny fanokanana. (Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe mahakasika ny fiainany amin’ny fomba ahoana ny andininy 40 dia azonao atao ny manazava fa tsy miandry antsika hanamboatra ny fitafiantsika ny Tompo. Tiany anefa isika mba ho tsara sy madio eo amin’ny endritsika ivelany.)

Zarazarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ny mpianatra. Hazavao fa na dia tsy didina hiaina ny lalàn’ny fanokanana araka ny fomba nandidiana ireo Olomasina tany am-piandohana aza isika dia mbola manan-kery io lalàna io amin’izao fotoana izao. Asao ny vondrona tsirairay hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball, ka hihaino ny hevitr’izany hoe miaina ny lalàn’ny fanokanana izany ho antsika amin’izao fotoana izao. Dia asao avy eo ireo olona ao amin’ny vondrona tsirairay hifanakalo hevitra mikasika ny valinteniny amin’ireo fanontaniana hita ao aorian’ilay teny nambara. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io teny nambara io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 30.)

Filoha Spencer W. Kimball

“Ny fanokanana dia ny fanomezana amin’ny fotoan’ny tena, ny talenta ary ireo fahafahana mikarakara ireo sahirana—na ara-panahy izany na ara-nofo—ary manangana ny fanjakan’ny Tompo” (Welfare Services: The Gospel in Action,”Ensign, Nov. 1977, 78).

  • Inona avy ireo zavatra mety ananan’ny olona manodidina anareo fahasahiranana (ankoatra ny ara-bola)?

  • Inona no fotoana sy talenta ary fahafahana anananareo izay azonareo ampiasaina hanampiana ireo sahirana?

  • Oviana ianareo no notahiana tamin’ny alalan’ny olona hafa izay nahafoy fotoana, na talenta, na ny fahafahana nananany mba hanampiana anareo?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitsipika noresahina tao amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–34. Ny lalàn’ny fanokanana

Filoha Joseph Fielding Smith

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanazava fa “ny Lamina Miray, na ny lalàn’ny fanokanana dia tsy milaza fa hahazo tombony avy amin’ny asa ataon’ny olona miasa mafy izay kamo. Na dia tokony hizara ny zavatra rehetra ananany amin’ny hafa aza ny olona rehetra ary tsy tokony hisy hanana mihoatra ny hafa dia tsy maintsy manompo sy miasa ho tombontsoan’ny rehetra ny olon-drehetra” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:205).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–34. Fampitahana ny lalàn’ny fanokanan’ny Tompo amin’ireo fandaharan’asa ara-tsôsialy

Nilaza ny olona sasany fa ny fanaovana ny lalàn’ny fanokanana sy ny rafitry ny lamina miray dia fakan-tahaka fotsiny ihany ny sôsialisma sy ny kôminisma eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Ny hafa dia manambara fa, na izany vokatra azo avy amin’ireo haifotokevitra ara-toekarena tamin’ny andron’i Joseph Smith, na vokatra avy amin’ireo traikefa azo avy amin’ny fanokanana natao teo anivon’ilay fivavahana vaovao. Diso izany petrakevitra izany. Vao haingana kokoa noho izay dia nofaritan’ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ilay rafitra avy amin’ny fanambarana mikasika ny lamina miray:

Filoha Marion G. Romney

“(1) Ny fototra iorenan’ny Lamina Miray dia ny finoana an’ Andriamanitra sy ny fanekena Azy ho Tompon’ny tany sy mpamorona ny Lamina Miray. …

“(2) Ny Lamina Miray dia tanterahina amin’ny alalan’ny asa ataon’ny olona an-tsitrapo, izay voaporofon’ny fanokanana ny fananan’izy ireo rehetra ho an’ny Fiangonan’ Andriamanitra. …

“(3) … Ny Lamina Miray dia atao amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fananan’ny tena manokana sy ny fitantanana ataon’ny tena manokana. …

“(4) Tsy miandany amin’ny lafiny ara-pôlitika ny Lamina Miray. …

“(5) Ilaina alohan’ny hanaovana ny Lamina Miray ny fananana vahoaka marina. …

“Manatsara ny fiainan’ny mahantra ny Lamina Miray ary mampietry ny mpanan-karena. Samy hamasinina izy roa ireo ao anatin’izany dingana izany. Ny mahantra, izay afahana amin’ny famatorana sy ny famerana mahamenatra ataon’ny fahantrana, dia afaka ny hahatratra fahafenoan’ny hery anaty ananan’izy ireo, na ara-nofo na ara-panahy. Ny mpanan-karena, amin’ny alalan’ny fanokanana sy ny fanomezana izay mihoatra ao aminy ho tombontsoan’ny mahantra, tsy noho ny fahatsapana ho voatery fa an-tsitrapo toy ny hoe manao asa amin’ny safidy malalaka, dia mampiseho izany fiantrana ho an’ireo mpiara-belona aminy izany izay nofaritan’i Môrmôna hoe ‘ny fitiavana madion’i Kristy.’ (Môrô. 7:47.)” (in Conference Report, Apr. 1966, 97).

Ny Filoha J. Reuben Clark

Ny Filoha J. Reuben Clark Jr. tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niteny hoe : “Tsy takatry ny besinimaro ny hevitry ny Lamina Miray. … Tsy rafitra napetraky ny fiaraha-monina iray [izany]. … Tsy mitovy hevitra ny Lamina Miray sy ny kôminisma” (in Conference Report, Oct. 1943, 11).

Nanazava ny Filoha Romney fa tokony horaisintsika ho andraikitry ny tenantsika manokana ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana: “Ato anatin’ity tontolo maoderina voapoizin’ny fakana tahaka ny drafitry ny Tompo ity dia tsy tokony ho voatarika ho amin’ny lalan-diso isika amin’ny fiheverana fa afaka miala amin’ny adidintsika amin’ny mahantra sy ny sahirana amin’ny alalan’ny famindrana ny andraikitra any amin’ireo sampan-draharaha ao amin’ny fitondram-panjakana na ara-panjakana. Amin’ny alalan’ny fanomezana fitiavana sesehena an-tsitrapo ho an’ireo mpiara-monina amintsika ihany no ahafahantsika mampitombo io fiantrana nofaritan’i Môrmôna hoe ‘ny fitiavana madion’i Kristy’ io. (Môrô. 7:47.)” (“Caring for the Poor and Needy,”Ensign, jan. 1973, 98).

Nilaza izao teny manaraka izao ny Filoha Clark mikasika ireo famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana:

Ny Filoha J. Reuben Clark

“Ny fanomezana ireo famatsiam-bola tsy toko tsy forohana ireo dia niteraka tao an-tsain’ny olona an’hetsiny—raha tsy an-tapitrisany— … ny fitiavana ny hakamoana, fahatsapana fa manana andraikitra hamelona azy ireo izao tontolo izao. Izany dia nanome tany malemy hanorenam-pangady ho an’ireo fotopampianarana ara-pôlitika tena manimba indrindra izay tsy mbola nanana fahefana toy izany, … ary araka ny eritreritro dia mety hitarika antsika ho amin’ny olana ara-pôlitika goavana izany” (naverina nolazaina ao amin’ny Marion G. Romney, Church Welfare Services’ Basic Principles,” Ensign, May 1976, 121).

Ny Filoha J. Reuben Clark

“Tsy misy olona manana zo hiaina ao anatin’ny hakamoana, na firy taona izy na firy taona. Tsy mbola nahita andalana iray tao amin’ny soratra masina aho izay mitaona hanao izany na hoe manome lalana ny hanaovana izany mihitsy aza. Tany aloha tany dia tsy nisy fiaraha-monina niaina tao anatin’ny fahafahana ka hoe afaka nanampy andian’olona maro niaina tao anatin’ny hakamoana sady afaka niaina malalaka” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1938, 107).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–34, 54–55. Ireo rafitra ara-piarahamonina tany am-piandohana izay nisy talohan’ilay fanambarana ny lalàn’ny fanokanana

Nandritra ny fotoan’andro niainan’i Joseph Smith dia nisy vondron’olona sasantsasany nikasa ny hamorona rafitra ara-piarahamonina izay nifampizaran’ilay vondrona ny fananana rehetra. Talohan’ilay fanambarana mikasika ny lalàn’ny fanokanana dia nanangana vondrona tahaka izany ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio. Niteraka fisalasalana ny sasany tamin’ireo zavatra nataon’izy ireo:

“Rehefa tonga tao Ohio i Joseph Smith dia nahita vondron’olona iray nahitana olona sahabo ho dimampolo teo izy izay nanangana sampan-draharahana farimbon’asa nifototra tamin’ny fandikan’izy ireo ireo teny voalaza ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly, izay mamaritra fa niombonan’ireo Olomasina tany aloha avokoa ny fananan’izy ireo rehetra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 2:44–45; 4:32). Io vondrona io, izay fantatra tamin’ny anarana hoe ‘ilay fianakaviana,’ … dia mpikamban’ny Fiangonana izay nipetraka tao amin’ny tanin’i Isaac Morley teo akaikin’ny tanànan’i Kirtland. Rehefa tonga tao i John Whitmer tamin’ny tapaky ny volana janoary dia tsikariny fa niteraka olana marobe ny zavatra nataon’izy ireo. Ohatra, naka ny famantaranandron’i Levi Hancock izay fanao am-paosy i Heman Bassett ka nivarotra izany. Rehefa nanontaniana ny antony nanaovany izany i Heman dia namaly hoe: ‘Tsy izany fa nataoko fa hoe an’ilay fianakaviana ilay famantaranandro.’ Namaly i Levi fa tsy tiany ny ‘fomban’ny fianakaviana’ toy izany ka tsy hahavita hiaritra izany intsony izy. [Levi W. Hancock, “Levi Hancock Journal,” LDS Historical Department, Salt Lake City, p. 81.]”

“Ny Mpaminany Joseph … dia nahatsapa fa nilaina ny nanangana rafitra lavorary kokoa mba hamatsiana ilay filàna ara-toekaren’ny Fiangonana izay tsy nitsaha-nitombo. Nilaina ny hisian’ny fidiram-bola mba hamatsiana ireo tetikasa isan-karazany nataon’ny Fiangonana, toy ny famoahana ireo fanambarana sy ireo taratasy hozaraina momba ny asa fitoriana. … Nila vola sy zavatra ilaina andavan’andro ary fananana mba hanampiana ny mahantra sy hanampiana ireo mpifindra monina izay nahafoy be mba hiangonana tany Ohio, ka noho izany dia nangataka tamin’ny Tompo i Joseph” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, 2nd ed. [Church Educational System manual, 2003], 95).

Ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42, izay nampahafantatra ny lalàn’ny Tompo momba ny fanokanana, dia iray amin’ireo fanambarana maro izay tonga avy amin’ny valin’ny fangatahana nataon’i Joseph.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:34, 55. Ny trano fitehirizan’ny eveka

“Tamin’ny taona 1831 dia nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tokony ‘mizara amin’ny fanana[ny] ho an’ny mahantra, … ary izany dia hapetraka eo anoloan’ny eveka … dia hotehirizina ao an-trano fitehirizako, mba hozaraina ho an’ny mahantra sy ny sahirana’ (F&F 42:31, 34).

“180 taona mahery aty aoriana ireo trano fitehirizana manerana izao tontolo izao dia manohy manampy ireo eveka amin’ilay antso hoe aoka ‘ho mahatoky, sahano ny anjara fanompoana izay efa nanendren’ny Tompo anareo, vonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy’ (F&F 81:5).

“Ampiasaina hikarakarana ireo sahirana ireo trano fitehirizan’ny eveka, na izany trano ahitana sakafo sy vatsy hafa, na izany fitambaran’ireo loharanom-panampiana ao amin’ilay paroasy izay azon’ilay eveka alaina.

“Ny boky torolalan’ny Fiangonana, Fitsipika fototry ny fifanampiana sy ny fizakan-tena (2009), dia milaza hoe: ‘Ny trano fanobian’ny Tompo dia natao ho ampiasain’ny eveka tsirairay ary misy eo amin’ireo paroasy tsirairay. Mifanohitra amin’ny fiheverana mahazatra tokoa fa tsy voafetra amin’ny trano iray na trano fanobiana iray rakotry ny fitaovana izay miandry hotsinjaraina fotsiny ny trano fanobian’ny Tompo.’

“Any amin’ny toerana tsy misy trano fitehirizana dia afaka mividy ireo fitaovana ilaina amin’ireo mpivarotra eo an-toerana ireo eveka amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina” (“Bishops’ Storehouse Opens the Windows of Heaven,” Church News and Events, May 20, 2011, LDS.org).