Seminera
Lesona 120: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112


Lesona 120

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112

Fampidirana

Nandray fanambarana iray ho an’i Thomas B. Marsh izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 23 jolay 1837. Nanome torohevitra mikasika ireo andraikitry ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo ato anatin’ity fanambarana ity izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:1–13

Nanome torohevitra sy nampanantena fitahiana ho an’i Thomas B. Marsh ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: tezitra, sorena, tohina, mialona. Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay mety nananany ireo fahatsapana ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao tantara manaraka izao. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny toe-javatra nisy izay natrehan’i Thomas B. Marsh ka mety ho nahatonga azy hanana ireo fahatsapana voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

Fotoana fohy taorian’ny niantsona an’i Thomas B. Marsh ho Apôstôly tamin’ny taona 1835, dia voatendry ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Ny lohataonan’ny 1837, dia naheno ny Filoha Marsh fa nikasa hanao asa fitoriana any Angletera ny iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, dia ny Loholona Parley P. Pratt, izay tsy nahazo torolalana avy aminy. Nanoratra tamin’ny Loholona Pratt sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahy ny Filoha Marsh ka nanasa azy ireo mba hihaona aminy tany Kirtland, Ohio tamin’ny 24 jolay 1837 mba hahafahan’izy ireo ho miray hina ao amin’ny drafitry ny asa fitorian’izy ireo. Iray volana talohan’io fivoriana io anefa, dia nanainga ho any Angletera ny mpikambana roa hafa tao amin’ilay kôlejy roa, dia i Heber C. Kimball sy i Orson Hyde, rehefa nahazo antso hitory ny filazantsara avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Tezitra ny Filoha Marsh fa nanohy tamin’ny fitoriana ny filazantsara tany Angletera ny mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy kanefa tsy nandray anjara tamin’izany izy.

  • Teto amin’ity zava-nitranga ity, inona no azon’ny Filoha Marsh natao mba hisorohana ireo fahatsapana voatanisa eny amin’ny solaitrabe? Inona no sasany amin’ireo loza amin’ny famelana ny fahatsapana toy izany mba hitantanana ny eritreritra sy ny asantsika?

Hazavao fa nizara ny olany tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Filoha Marsh ary nitady ny torohevitra avy taminy izy. Ho valin’izany dia nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ny Tompo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:1–3 ny mpianatra iray. Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hikaroka ireo fampitandremana izay nomen’ny Tompo ny Filoha Thomas B. Marsh. Angataho ilay antsasany hafa mba hikaroka ireo zavatra tsara izay nambaran’ny Tompo fa nataon’ny Filoha Marsh. (Alohan’ny hamakian’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe nanetry ao amin’ny andininy 3 dia manambara fa ny Filoha Marsh dia nanetry ny tenany.)

  • Inona ireo fampitandremana nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh?

  • Inona ireo zavatra tsara izay nolazain’ny Tompo fa nataon’ny Filoha Marsh?

Hazavao fa ny Tompo dia nanome torohevitra fanampiny ho an’ny Filoha Marsh ary nanambara ireo fitahiana vitsivitsy izay azon’ny Filoha Marsh raisina noho ny fahatokiany. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:4–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh. Saintsaino ny hanasa mpianatra iray mba hanoratra ireo fampanantenana ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa mahita izany ny mpianatra.

  • Ahoana no hilazanao amin’ny teninao manokana ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny andininy 10? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha manetry tena isika dia hitarika antsika sy hamaly ny vavaka ataontsika ny Tompo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manampy antsika hahazo ny fitarihan’ny Tompo ny fanetrentena?

  • Oviana no nahatsapanareo fa notarihan’ny Tompo ianareo rehefa avy nanetry tena?

Hazavao fa tamin’ny volana jolay 1837, rehefa nanome ity fanambarana ity ny Tompo dia niaina tsy firaisan-kina sy fifandirana ary apôstazia ny Fiangonana. Nitarika ny mpikamban’ny Fiangonana sasany hanakiana mivantana ny Mpaminany Joseph Smith sy hametra-panontaniana mikasika ny fahefany ny avonavona sy ny lolom-po. Nikatsaka ny hanaisotra an’i Joseph Smith amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy aza ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, anisan’izany ny sasany tamin’ireo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11–13 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torolalana nomen’ny Tompo ny Filoha Marsh mba hanampiana ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay nanana olana. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:14–34

Nampianatra an’i Thomas B. Marsh mikasika ireo adidin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo

Hazavao fa nomen’ny Tompo andraikitra manan-danja maro ny Filoha Thomas B. Marsh. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Inona no afaka manampy anao hanetry teny rehefa mahazo andraikitra na fankasitrahana manan-danja ianao? Asao ny mpianatra hisaintsaina fanontaniana iray

Hazavao fa ny Tompo dia nanampy an’i Thomas B. Marsh hahita ny maha-zava-dehibe ny andraikitra nananany tamin’ny naha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy sady nampahatsiahy azy hatrany ny amin’ny tokony hanetreny tena. Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao ity na manomana taratasy zaraina misy an’io tabilao io. Angataho ny mpianatra mba hamaky ireo andininy voatendry ka hameno tsiroaroa ilay tabilao (na fenoin’ny iray kilasy miaraka izany).

F&F 112:14–22, 28–33

Ireo andian-teny izay manamafy ny maha-zava-dehibe ireo andraikitry ny Filoha Marsh sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Ireo andian-teny izay mampahatsiahy ny Filoha Marsh sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny tokony hanetrena tena

Rehefa ampy ny fotoana hamenoan’ny mpianatra ilay tabilao dia apetraho ireo fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo andian-teny izay hitanareo fa manamafy ny maha-zava-dehibe ireo andraikitry ny Filoha Marsh?

  • Araka ny andininy 16–17, dia inona ireo fanalahidy izay nohazonin’ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony ho hitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mihazona ireo fanalahidy mba hitarika ny asan’ny Roambinifololahy amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny firenena rehetra.)

  • Araka ny andininy 30–32, dia inona no nampianarin’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh momba ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nohazoniny? (Mety hahita fitsipika samihafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hamantaran’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Ny fanalahidin’ny fidoronana dia naverina tamin’ny laoniny farany tao anatin’ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana. Azonao atao ny mamerina vetivety ny dikan’ny voambolana hoe fotoampitantanana [jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana”].)

  • Inona ireo andian-teny izay hitanao fa nampahatsiahy an’i Thomas B. Marsh hoe ilaina ny manetry tena?

  • Inona no ampianarin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 15 sy 30 momba ny fifandraisana misy eo amin’ny andraikitr’i Thomas B. Marsh amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy sy ny andraikitr’i Joseph Smith amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fa sahirana tamin’ny fanarahana ny torohevitra izay noraisiny tao anatin’ity fanambarana ity i Thomas B. Marsh dia asao ny mpianatra iray hamaky izao andiam-pehezan-teny manaraka izao:

Tsy ela akory taorian’ny nanomezana ny fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 dia nilaza tamin’i Vilate Kimball i Thomas B. Marsh fa ny Loholona Heber C. Kimball vadiny dia tsy hahomby amin’ny asa fitoriana any Angetera. Toa nahatsapa ny Filoha Marsh fa satria andraikiny ny fitoriana ny filazantsara any ivelany dia tsy afaka ny hosokafana ny varavaran’ny asa fitoriana any Angletera raha tsy mandefa olona iray na mandeha any mihitsy ny tenany.

  • Ahoana no ampisehoan’izany zava-nitranga izany fa nanana olana tamin’ny fijanonana ho manetry tena ny Filoha Marsh?

Ivereno ilay fanontaniana izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hamaly ilay fanontaniana. Ampiasao ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity izao teny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy amin’ny alalan’ny fanambaniana ny tenantsika no hananana fanetrentena fa amin’ny alalan’ny fampihenana ny fieritreretana ny mikasika ny tenantsika. Tonga izany rehefa mandeha manao ny asa amin’ny fisainana entina hanompoana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika izany.

“Amin’ny fotoana hanajanonantsika ny fieritreretana mikasika ny tenantsika sy hanariantsika ny tenantsika ao anatin’ny asa fanompoana dia hihena sy ho faty tsikelikely ny fieboeboana ao amintsika” (“Ny fieboeboana sy ny fisoronana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 58).

Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo ny Filoha Marsh (jereo ny F&F 112:4–10). Azonao angatahina ny mpianatra iray mba hanao lisitra ireo fitahiana ireo eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoana. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:34 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nilain’ny Filoha Marsh mba handraisana ireo fitahiana ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Dia soraty eny amin’ny solaitrabe avy eo ity fitsipika ity: Tsy maintsy mahatoky isika mba hahazoana ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany fitsipika izany dia vakio na fintino izao tantara manaraka izao momba ny fihemorana sy fiverenan’i Thomas B. Marsh tato amin’ny Fiangonana:

Nisy fotoana nanarahan’ny Filoha Marsh ny torohevitra izay noraisina. Niasa izy mba hampatanjahana ny Fiangonana sy hanohanana an’i Joseph Smith. Vetivety anefa dia natodiny tamin’ny fomba nitarihana ny Fiangonana ny toetrany nila ady. Nitambatra tamin’ny ahiahy momba ireo ady teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsy nankatò sy nahery setra sy ireo mpifanolodorindrina tamin’izy ireo tao Missouri ireo fahatsapana ireo. Raha teo ambany fitaoman’izany fanahin’ny fihemorana izany izy dia tafiditra tao anatin’ny fifamaliana i Elizabeth vadiny tamin’ny volana septambra 1838. Nifanaiky ny hifanakalo tsy tapaka ny ronono izy sy ny rahavavy iray izay samy mpikamban’ny Fiangonana mba hahazoana fromazy kanefa niampanga azy ny Rahavavy Marsh fa nandika ny fifanarahany izy rehefa nihazona ny ampahana ronono izay matavy kokoa. Nentina teo anoloan’ny mpitarika ny Fiangonana mihoatra ny indray mandeha izany olana izany. Nentina teo anoloan’ny Fiadidiana Voalohany mihitsy aza izany. Tapaka hatrany ny hevitra fa diso ny Rahavavy Marsh. Tezitra ny Filoha Marsh ary tsy afa-po tamin’ireo fanapahan-kevitra ireo (jereo ny George A. Smith, “Discourse,” Deseret News,, 16 apr 1856, 44). Raha toa ka tsy nitarika azy hiala ny Fiangonana izany toe-javatra niseho izany dia nifangaro tamin’ny olana hafa. Lasa nitombo fatratra ny fitsikerany ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, ary taty aoriana izy dia nivadika tamin’ny Olomasina. Nitantara izy taty aoriana hoe: “Lasa nialona ny Mpaminany aho … ary nanao tsinontsinona izay rehetra mety ka nandany ny fotoanako rehetra tamin’ny fitadiavana izay ratsy” (“Remarks,” Deseret News, 16 sept. 1857, 220).

Nianiana teo anoloan’ny mpitsara i Thomas B. Marsh tamin’ny volana ôktôbra 1838 fa vonon-kiady tamin’ny fanjakana tao Missouri i Joseph Smith sy ireo Olomasin’ny Andro Farany. Izany fanambarana izany dia nandray anjara tamin’ny famoahan’ny governemanta ny didy hamongorana izay niteraka fandroahana Olomasina mihoatra ny 15.000 avy tao amin’ny fonenan’izy ireo tao Missouri.

Valo ambin’ny folo taona taorian’ny nandaozan’i Thomas B. Marsh ny Fiangonana dia nanoratra taratasy tamim-panetrentena tamin’ny Filoha Heber C. Kimball tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izy ka nangataka famelan-keloka sy fahazoan-dalana hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nohazavainy ny zavatra nianarany tamin’ny alalan’ny fahadisoany: “Afaka manao izay tiany atao ny Tompo na tsy misy ahy aza ary tsy nanary na inona na inona Izy tamin’ny fandaozako ny Fiangonana; Fa etsy andanin’izany kosa, akory ireo zavatra nafoiko?!” (Taratasy nosoratan’i Thomas B. Marsh ho an’i Heber C. Kimball, 5 mey 1857, Brigham Young Collection, Church History Library, araka ny voalaza ao amin’ny Kay Darowski, “The Faith and Fall of Thomas Marsh,” Revelations in Context, history.lds.org).

Ivereno ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe. Hazavao fa noraisina indray ho mpikambana feno tao amin’ny Fiangonana i Thomas B. Marsh. Kanefa, noho izy tsy nanaraka ny torohevitry ny Tompo mba hanetry teny sy ho mahatoky tamin’ny naha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy dia tsy nahazo ireo fitahiana voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:4–10 izy.

Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hamintina ny zavatra nianarany androany. Asao ny mpianatra mba hisafidy fomba iray izay ahafahan’izy ireo manetry tena sy mahatoky bebe kokoa ary hanoratra tanjona iray mba hanao asa araka izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:30. “Ny Fiadidiana Voalohany … dia tendrena … ho mpanolotsaina sy ho mpitondra anareo”

Mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mihazona ireo fanalahidy na fahefana mba hitarika ny asan’ny Roambinifololahy amin’ny fitoriana ny filazantsara eo anivon’ny firenena rehetran’ny tany ihany koa ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (see F&F 112:16). Eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ihany anefa no hampiasain’ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny tsirairay amin’ireo Apôstôly ireo fanalahidin’ny fisoronana ananany. Nananatra an’i Thomas B. Marsh sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo noho izany mba hiaiky ny fahefana nananan’i Joseph Smith mba hiahy azy ireo (jereo ny see F&F 112:15–20). Izany fahefana amin’ny maha-mpitondra izany no antony nananan’i Joseph Smith fahefana, amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy, mba hiantso mpikambana roa tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia i Heber C. Kimball sy i Orson Hyde, mba handeha hanao asa fitoriana tany Angletera na dia nihazona ireo fanalahidy hitarika ny asan’ny Roambinifololahy amin’ny fitoriana ny filazantsara aza i Thomas B. Marsh, amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy.

Hamoaka printy