Seminera sy Institiota
Lesona 89: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–86


Lesona 89

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–86

Fampidirana

Tamin’ny faramparan’ny volana Nôvambra 1832 dia nifindra monina tany Ziona ny Olomasina sasany nefa tsy nanokana ny fananany araka izay nodidian’ny Tompo. Satria tsy nanokana ny fananany izy ireo dia tsy nahazo ny lovany araka ny fandaminana natao tao amin’ny Fiangonana. Niresaka io olana io tamin’i William W. Phelps ny Mpaminany Joseph Smith tao anatin’ny taratasy nentanim-panahy iray izay nosoratana tamin’ny 27 nôvambra 1832. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85 ny ampahany tamin’io taratasy io. Taty aoriana dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 i Joseph Smith, tamin’ny 6 desambra 1832, raha mbola rafitra nanao ny asa fanitsiana mazava kokoa ny Baiboly izy. Nanome fanazavana misimisy kokoa mikasika ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ary ny anjara asan’ny fisoronana amin’ny fanampiana ny Tompo hanangona ny marina amin’ny andro farany ity fanambarana ity.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85

Nasaina hitana ny rakitsoratry ny vahoakan’ Andriamanitra ny mpitambokin’ny Tompo

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny hoe vao avy notolorana toeran’ny mpilalao mahay indrindra ao amin’ny ekipa mpanao fanatanjahantena izy ireo. (Azonao atao ny milaza ny anaran’ny fanatanjahantena iraisana malaza ao amin’ny kolontsainao sy ny ekipa malaza izay milalao izany fanatanjahantena izany.) Rehefa avy nilalao tao amin’io ekipa io nandritra ny andro maromaro izy ireo dia nahita fa tia tena ny iray amin’ireo mpikambana ao amin’izany ekipa izany, tsy mety milalao eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny sasany amin’ireo mpilalao ary tsy miraharaha ilay mpanazatra ny sasany.

  • Nahoana no mety ho sarotra ho an’ity ekipa ity ny handresy? Inona no tokony hovaina mba hahafahan’io ekipa io milalao tsaratsara kokoa?

Hazavao fa nanomboka nitranga ny toe-javatra toy izany tamin’ny taona 1832 rehefa nitombo ny isan’ireo Olomasina tonga tany Missouri. Nanome baiko ny fanambarana tany aloha fa haorina ao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ny tanànan’i Ziona araka ny lalàna sy eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fisoronana. Araka ny voalazan’ireo lalàna ireo dia tsy tokony handeha hankany Ziona ireo mpikamban’ny Fiangonana raha tsy efa nahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Raha vantany vao tonga izy ireo dia tokony hanokana ny volany sy ny fananany rehetra ho an’ny Fiangonana ka hahazo lova avy amin’ny eveka. Ankoatra izay dia nasaina nitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra izy ireo. (Jereo ny F&F 64:34–35; 72:15–19, 24–26.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85 dia hazavao fa maro ireo Olomasina izay niaina nifanaraka tamin’ny lalàna izay napetraky ny Tompo amin’ny fananganana an’i Ziona. Kanefa, tsy nankatò ny didin’ny Tompo ny amin’ny hanokanana ny fananany ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ka nandeha nankany Ziona nefa tsy nahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitarika akory. Noho io antony io dia tsy nahazo ny anjara lovany izy ireo.

  • Nahoana no mety ho sarotra ny nanangana ny tanànan’i Ziona nanoloana ireo toe-javatra ireo?

Hazavao fa teo anatrehan’ireo fahasarotana tany Missouri ireo dia nandefa taratasy iray ho an’i William W. Phelps izay mpitarika tao amin’ny Fiangonana nipetraka tany Independence tamin’izany fotoana izany i Joseph Smith (jereo ny fampidirana ny fizaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85).

Hazavao fa nanome torolalana mikasika ny mpitambokin’ny Tompo, dia i John Whitmer, izay nonina tany Missouri ny taratasin’ny Mpaminany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ny mpitamboky tao amin’ny Fiangonana tao Missouri.

  • Inona toromarika nomena ny mpitamboky horaketina an-tsoratra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:3–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny hoe iza no nolazain’ny Tompo fa tsy tokony hosoratana ao amin’ny rakitsoratry ny Fiangonana ny anarany.

  • Iza ireo vahoaka tsy nasaina nosoratana ao amin’ny rakitsoratry ny Fiangonana ny anarany?

Hazavao fa toy ny nitanana ny rakitsoratra tamin’ny andron’i Joseph Smith dia tehirizina ihany koa ny rakitsoratry ny Fiangonana amin’izao androntsika izao. Ny tanjona iray kendrena amin’izany dia ny mitahiry ny rakitsoratry ny anaran’ireo mahatoky sy ny tantaran’ny asany.

  • Inona ireo zavatra sasany izay tsy maintsy ataontsika mba hahatonga ny anarantsika horaketina ho mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana?

Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Raha miaina ny lalàn’ Andriamanitra isika dia hosoratana eo amin’ireo rakitsoratry ny Fiangonana ho toy ny mpikambana mahatoky ny anarantsika. Hazavao fa ny asa ataon’ny mahatoky izay raketina an-tsoratra eto an-tany dia voasoratra any an-danitra ao amin’ny antsoina hoe bokin’ny fiainana (jereo ny F&F 128:6–7). Asao ny mpianatra mba hamaky haingana ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:5, 9, 11 sady hamantatra ny anarana hafa nampiasaina hanoritsoritana ny rakitsoratra izay tànana eto an-tany mikasika ireo mahatoky. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ny fahamarinana izay nosoratanao eny amin’ny solaitrabe dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny hoe manana drafitra hanatrika ny tranga malaza iray izy ireo. Anontanio azy ireo ny zavatra tsapany raha toa ka tonga hanatrika ilay tranga izy ireo kanefa tsy navela hiditra satria tsy tao anatin’ny lisitry ny olona nasaina ny anarany.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:9–11 sady haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapany raha hitany fa tsy ao anatin’ny bokin’ny fahatsiarovan’ny Tompo ny anarany.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe ireo izay tsy hita ho voasoratra ny anarany dia “tsy hahita lova” miaraka amin’ny Olomasina? (Tsy hahazo ny fitahiana izay homena ny mahatoky izy ireo.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11 dia inona no mety mahatonga ny anaran’ny mpikamban’ny Fiangonana ho esorina hiala ao amin’ny bokin’ny lalàn’ Andriamanitra?

  • Ahoana no fomba hamintinanao ny zavatra izay nianaranao mikasika ny lanjan’ny fandraketana an-tsoratra ny anaranao ho toy ny mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana?

Mijoroa ho vavolombelona fa raketina eto an-tany sy any an-danitra ny rakitsoratra. Samy tsy maintsy hanazava ny asa nataontsika sy ny fahatokiantsika amin’ny fiainana ny lalàn’ Andriamanitra isika rehetra. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fihetsika asehony manoloana an’ Andriamanitra sy manoloana ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86

Manazava ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny Tompo

Asao mialoha ny fotoam-pianarana ny mpianatra iray hamaky ny Matio 13:24–30 ka ho vonona ny hamintina ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ho an’ny mpianatra rehetra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: vary, tsimparifary, ny tanimbary, mpamafy voa, fahavalo.

Rehefa avy namintina ilay fanoharana ilay mpianatra voatondro dia apetraho amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Maneho inona ny vary sy ny tsimparifary? (Ny vary dia maneho ny marina fa ny tsimparifary kosa dia maneho ny ratsy fanahy [jereo ny Matio 13:38].)

  • Nahoana no tian’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana ny miandry alohan’ny hamongorana ny tsimparifary?

ny vary sy ny tsimparifary

Asehoy ity sary nampiarahana eto ity izay maneho vary sy tsimparifary ity na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe izany. Hazavao fa ny tsimparifary dia karazana ahi-dratsy iray misy poizina. Saika mitovy ny vary sy ny ahi-dratsy raha vao mitsiry, saingy azo avahana izy roa rehefa feno ny fitombony. Raha manandrana manongotra ny tsimparifary alohan’ny mahamatoy ny vary sy ny tsimparifary ny mpijinja dia mety hamotika ny ankamaroan’ny vary ihany koa izy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny dikan’ny tanimbary sy ny mpamafy voa ary ny fahavalo. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

  • Araka ny fanazavan’ny Tompo mikasika ireo tandindona ireo dia ahoana no hamintinanao ny hevitr’ilay fanoharana?

Hazavao fa teo am-pitsarana sy teo am-pamoahana ny fanitsiana nentanim-panahy ny Baiboly (Dikantenin’i Joseph Smith) i Joseph Smith no nandray ity fanambarana ity. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 dia manazava bebe kokoa mikasika ny fanoharana araka izay voarakitra ao amin’ny Matio 13:24–30. Ohatra: mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 fa ireo mpamafy ny voa ao amin’ilay fanoharana dia maneho ny Apôstôlin’ny Mpamonjy (jereo ny andininy 2) ary ny tsimparifary dia “manafotra ny vary ary mandroaka ny fiangonana ho any an-tany foana” (andininy 3). Mianatra koa isika fa “amin’ny andro farany” dia hanomboka “[h]aniry” ny salohim-bary vaovao (andininy 4). Ny famafazana tsimparifary dia mety haneho ny Apôstazia ary ny fanirian’ny vary vaovao kosa dia mety maneho ny Famerenana amin’ ny laoniny.

Hazavao fa ao amin’ilay fanoharana dia manome baiko ny mpanompony ilay tompon-trano mba hanangona ny tsimparifary hodorana aloha, vao hanangona ny vary ho ao an-tsompitra avy eo (jereo ny Matio 13:27–30). Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:7 ka hitady ny hevi-baovao entin’ity fanambarana ity izay manazava ny filaharan’ny fanangonana.

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny andininy 7 mikasika ny filaharan’ny fanangonana?

  • Inona no ampianarin’izany mikasika ny zavatra hanjò ny marina sy ny ratsy fanahy amin’ny andro farany? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Hanangona ny marina ny Tompo mandritra ny andro farany, avy eo dia hamongotra ny ratsy fanahy amin’ny Fiaviany Fanindroany.)

Asehoy ilay sary hoe Misiônera: Rahalahy sy Misiônera: Rahavavy (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 109, 110; jereo koa ny LDS.org).

misiônera, elders
misiônera, rahavavy
  • Ahoana no ifandraisan’ireo sary ireo amin’ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa afaka manampy amin’ny fanangonana an’ireo marina isika amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa.)

Hazavao fa ny fahatsiarovana ireo fomba maro nitahiana antsika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia afaka mampitombo ny faniriantsika hizara ireny fitahiana ireny amin’ny hafa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:8–10 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ireo fomba nitahiana antsika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8–10 dia inona ireo fomba sasany izay nitahiana antsika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo?

Resaho ilay andian-teny hoe “ianareo dia mpandova ara-dalàna” ao amin’ny andininy 9. Hazavao fa ny dikan’izany dia hoe tafiditra ao anatin’ilay fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra niaraka tamin’i Abrahama ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary tamin’ny alalan’izany no nampanantenana an’i Abrahama fa hahazo ny fitahian’ny fisoronana ny taranany ka hizara izany fitahiana izany amin’ny hafa. (jereo ny Abrahama 2:9–11).

  • Ahoana no fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fisoronana?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11, ary angataho ny iray kilasy hamantatra ny fomba tokony hanampiantsika ny hafa. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mitondra famonjena ho an’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahazo ny fitahian’ny fisoronana.

Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra niainany fony izy ireo afaka nanao ohatra tsara ho an’ny olona hafa iray na fony izy ireo nanampy ny olona iray hahazo ny fitahian’ny fisoronana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:7–8. Iza ilay “mahery sy matanjaka”?

Nampiasain’ireo mpivadika maro mba hanamarinana ny fihemorany amin’ny Fiangonana ny andinin-tsoratra masina hoe ilay “mahery sy matanjaka” (F&F 85:7) izay handamina ny tranon’ Andriamanitra sy ny andinin-tsoratra masina hoe ilay “haninjitra ny tanany mba hanohanana ny fiaran’ Andriamanitra” (F&F 85:8). Milaza izy ireo fa tsy nahazo sitraka teo imason’ Andriamanitra ireo Filohan’ny Fiangonana ka izy ireo, izay mpivadika, no “ilay mahery sy matanjaka” nantsoin’ Andriamanitra mba handamin-javatra. Mifanohitra amin’ny hevitry ny soratra masina ny filazana toy izany. Niresaka mikasika ny toe-javatra niandohan’ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:7–8 sy ireo niantefan’ireo andian-teny roa ireo ny Fiadidiana Voalohany (Joseph F. Smith sy John R. Winder ary Anthon H. Lund) tao amin’ny fanambarana ôfisialy navoaka tamin’ny taona 1905:

“Voalohany dia tsara ny manamarika fa ny anton’io taratasy iray manontolo io [taratasin’ny Mpaminany ho an’i William W. Phelps] sy ny ampahany tamin’izany izay nekena ho fanambarana taty aoriana, dia miompana amin’ny raharahan’ny Fiangonana tao Missouri sy ny fanangonana ny Olomasina teo amin’izany tany izany ary ny fahazoana ny lova araka ny lalàn’ny fanokanana sy ny fitantanana fananana; ary nitsinjo manokana ny zavatra hanjò ireo izay tsy nahazo ny lovany noho ny baiko na ny fanomezana avy amin’ny eveka ny Mpaminany. …

“Ny Eveka Partridge dia anisan’ireo rahalahy izay nanohitra ny Mpaminany indraindray tamin’izany fotoana izany, ka nitady hanitsy azy tamin’ny fitantanany ny raharahan’ny Fiangonana; izany hoe ‘maninjitra ny tanany mba hanohana ny fiara,—na dia lehilahy mendrika indrindra, izay tian’ny Tompo sy nolazain’ny Mpaminany ho ‘ohatra iray ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra’ ary ‘anankiray amin’ ireo lehilahy lehiben’ ny Tompo’ aza. …

“Nandritra ireo toetra fikomiana, fieboeboana sy tsy finoana ary fanamafisam-po izay nanjaka teo anivon’ireo rahalahy tao Ziona—Fivondronan’i Jackson, Missouri—ireo, izay nandraisan’ny Eveka Partridge anjara tanteraka, no nanoratana ireo tenin’ny fanambarana izay nalaina avy tao amin’ny taratasy ho an’i William W. Phelps, tamin’ny 27 Nôvambra 1832. Ilay ‘lehilahy izay nantsoin’ Andriamanitra sy voatendry’ mba ‘hizara amin’ ny Olomasina ny lovany’—i Edward Partridge—dia tsy nitondra tena araka ny tokony ho izy sy nanadino ny andraikiny ary naninjitra ‘ny tanany mba hanohanana ny fiara’; noho izany, nampitandremana izy fa efa mby ny fitsaran’ Andriamanitra ka natao ny vinavina fa hirahin’ Andriamanitra haka ny toerany sy ny episkôpany ‘ilay mahery sy matanjaka’—ilay mitoetra ao aminy ny fanahy sy ny herin’izany toerana ambony izany, ka amin’ny alalan’izany no hananany hery ‘handaminana ny tranon’ Andriamanitra sy handaminana amin’ny atsapaka ny lovan’ny Olomasina’; izany hoe ilay hanao ny asa nampanaovina an’ny Eveka Edward Partridge izay tsy nahatontosa izany. …

“… Koa satria nibebaka sy nahafoy tena ary nijaly ny Eveka Edward Partridge izay azo antoka fa nahazo fanalefahana ny fitsarana izay nandrahonana azy, ny ho lavon’ny “zana-tsipìkan’ny fahafatesana, tahaka ny hazo izay asian’ny zana-tsipìkan’ny varatra mahajambena,” dia azo heverina koa fa tsy manan-kery ny antony tokony handefasana olona hafa iray hanolo ny toerany—dia ’ilay mahery sy matanjaka handamina ny tranon’ Andriamanitra sy handamina amin’ny atsapaka ny lovan’ny Olomasina—ka tapitra hatreo ilay toe-javatra nahatonga ilay faminaniana” (ao amin’ny James R. Clark, comp., Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 6 vols. [1965–75], 4:112, 113, 115, 117; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. Faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 186–87).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:8. Inona no hevitry ny hoe “manohana ny fiaran’ Andriamanitra”?

Ny andian-teny hoe “manohana ny fiaran’ Andriamanitra” dia entina hilazana ny “toe-javatra niseho nandritra ny fitondran’i Davida Mpanjaka tamin’i Isiraely fahiny. Nobaboin’ny Filistina tamin’ny ady ny fiaran’ny fanekena kanefa naveriny izany rehefa nasian’ny areti-mandringana izy ireo (jereo ny 1 Samoela 4–6). Taty aoriana dia notanterin’i Davida sy ny vahoaka tany Jerosalema tamin’ny sarety tarihin’omby ilay fiara ary i Oza sy Ahio no nitarika izany. ‘Ary nony tonga teo amin’ny famoloan’i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ny omby ny fiara. Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ny fiaran’ Andriamanitra izy’ (2 Samoela 6:6–7; jereo ny andininy. 1–11). Tandindon’ny fisian’ Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fiandrianany ny fiara. Fony vao nomena an’i Isiraely ny fiara dia napetraka tao amin’ny efitra Masina Indrindra tao amin’ny tabernakely, ka na dia ny mpisorona aza tsy navela hanatona izany. Ny mpisona avo, izay tandindon’i Kristy, ihany no afaka nanatona izany, ary izany aza dia aorian’ny fombafomba be antsipiriany ho fanadiovana sy fanavotana amin’ny fahotany. …

“Koa na dia tsara tokoa aza ny fikasan’i Oza dia nanatona tsy tamim-piheverana zavatra izay tsy azo anatonana raha tsy nanaraka fepetra faran’izay hentitra indrindra izy. Tsy nanam-pinoana ny herin’ Andriamanitra izy. Nihevitra izy fa tandindomin-doza ilay fiara ka nanadino fa tandindon’ Andriamanotra eo amin’ny lafiny ara-nofo, izay manana ny hery rehetra izany. Tsy afaka mihevitra ny hamonjy an’ Andriamanitra sy ny fanjakany amin’ny ezaka ataontsika isika.

“Ny helok’i Oza dia hoe nikasika ny fiara tamin’ny fihetsem-po feno fanimbazimbana izy, na dia nanana fikasana tsara ihany aza, dia ny fisorohana izany tsy hivadika sy hianjera avy eo amin’ilay sarety. Fandikana ny fiandrianan’ilay Andriamanitra masina ny fikasihana ilay fiara, ilay seza fiandrianan’ny voninahitra masina sy antoka hita maso ny fisian’ny Tompo tsy hita maso. “Noho izany, i Oza dia maneho ireo olon-drehetra manana fikasana tsara, raha araka ny fijerin’ny olombelona azy, kanefa manana saina tsy masina, izay mitsabaka amin’ny raharahan’ny fanjakan’ Andriamanitra, izay mihevitra fa tandindomin-doza izany ary manantena ny hamonjy izany” (O. V. Gerlach).’ (Keil and Delitzsch, Commentary, bk. 2: Joshua, Judges, Ruth, 1 and 2 Samuel, ‘Second Book of Samuel,’ p. 333.)” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 188.)

Niresaka momba io tranga io tao amin’ny fanambarana maoderina ny Tompo mba hampianarana ilay fitsipika hoe tsy tokony iantsorohantsika ny andraikitra hanome torolalana (“hanohana ny fiara”) ny mpitarika ao amin’ny fisoronana na ny hafa izay nantsoin’ Andriamanitra sy notendreny (jereo ny F&F 85:8). Kanefa misy ireo izay matahotra fa mitongilana ilay fiara ka mihevitra fa tokony harenina izany. Mety mahita olana ny sasany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ka sorena amin’ny fomba izay heveriny fa amahan’ireo mpitarika azy ireo ireny olana ireny. Mety mahatsapa izy ireo fa na dia tsy manana fahefana hanao izany aza dia tokony hanitsy ny lalana izoran’ny paroasy misy azy ireo na ny an’ny Fiangonana mihitsy aza. Kanefa tsy manamarina ny fitsabahana amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny fikasana tsara indrindra.

Nampianatra ny Filoha David O. McKay hoe:

Filoha David O. McKay

“Ahitantsika loza ny miala amin’ny toerana misy antsika ka manandrana mitarika ny ezaky ny rahalahy iray nefa tsy manana fahefana akory. Tadidinareo ny momba an’i Oza izay naninjitra ny tanany mba hanohana ny fiara. [Jereo ny 1 Tantara 13:7–10.] Toa rariny raha naninjitra ny tanany izy mba hanohanana io tandindon’ny fanekempihavanana io rehefa nazeran’ny omby izany. Amin’izao fotoana izao dia mety mihevitra isika fa tena mafy loatra ny saziny. Na dia izany aza nefa dia misy lesona azo tsoahina amin’ilay tranga. Andeha hojerena ny manodidina antsika dia hohitantsika ny hafainganan’ny fahafatesana ara-panahy manjò ny olona tsy manana fahefana izay miezaka manohana ny fiara. Lotika ny fanahiny, miova ny eritreriny, diso ny fomba fitsarany ary kivy ny fanahiny. Toy izany ny toetra mahonena manjò ny olona izay mandany ny fotoany amin’ny fitadiavana ny hadisoan’ny hafa kanefa manadino ny andraikiny” (ao amin’ny Conference Report, aprily 1936, 60).