Lesona 144
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, Tapany 1
Fampidirana
Tamin’ny 27 jona, 1844, dia maty maritiora tao Carthage, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny, izay Filoha Mpanampy sy Patriarikin’ny Fiangonana. Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanaiky ny filazana ny fahafatesana ho maritiora mba ampidirina any amin’ny faran’ny edisiônan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny 1844 izay efa akaiky havoaka tamin’izany fotoana. Ny filazana dia niainga avy tamin’ny tantaran’ireo vavolombelona nahita maso, dia ny Loholona John Taylor sy i Willard Richards izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 izany amin’izao.
Fanamarihana: Tafiditra ao amin’ity lesona ity ny tantara maromaro izay azon’ny mpianatra vakina. Azonao atao ny manao tahadikan’ireo tantara ireo ary mizara izany amin’ny mpianatra rehefa manomboka ny fotoam-pampianarana.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7
Nampahafantarina ny famonoana an’i Joseph sy Hyrum Smith ho maritiora
Atomboy ny fotoam-pampianarana amin’ny fametrahana fanontaniana amin’ireo mpianatra raha toa tsaroan’izy ireo hoe taiza izy ireo tamin’ny nahare ny fahafatesanan’ny Filohan’ny Fiangonana na ny olona iray izay hankamamiana.
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tao Nauvoo, Illinois tamin’ny taona 1844 izy ireo, ary nahare ny vaovao voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andininy ity.
-
Inona no mety ho tsapanao rehefa nahare izany tranga mampalahelo izany?
Hazavao fa maro tamin’ireo Olomasina no heniky alahelo rehefa nahare mikasika ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith. Amporisiho ireo mpianatra mba hieritreritra ireo zavatra tsapany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith rehefa mianatra momba ireo andro farany teo amin’ny fiainany izy ireo.
Ampahafantaro niaina tao anatin’ny fandriampahalemana i Joseph Smith sy ireo Olomasina nandritra ny telo taona teo ho eo tao Illinois. Na izany aza, dia nanomboka niaina fanoherana indray izy ireo rehefa tonga ny taona 1842. Nanambatra ny ezaka nataon’izy ireo hanohitra ny Mpaminany sy ny Fiangonana ireo mpiendaka avy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra tany ivelany Nanomboka natahotra sy nankahala ny tanjaka ara-pôlitikan’ny Olomasina ny olom-pirenena sasany tao Illinois. Ny sasany dia lasa nitsiriritra ny fivoarana ara-toekarenan’i Nauvoo ary lasa nitsikera fatratra ny herin’ny governemanta sy ny miaramila tao an-tananan’i Nauvoo. Nanomboka nankahala ny Olomasina ny sasany noho ny tsy fahatakarana ny momba ireo fotopampianarana sy fomba fanao miavaka ananan’ny Môrmôna, toy ny fanambadiana maro, izay nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nihemotra tamin’ny fomba ratsy ny sasany tamin’izany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha 2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 263–66, 270–71.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andiam-pehezan-teny manaraka ity:
Hazavao fa ny votoatin’ny Nauvoo Expositor,, miaraka amin’ny fandravana ny gazety, dia niteraka ny fitomboan’ny fankahalana ny Môrmôna. Ny tompon’ny trano printy dia nitondra fitoriana ara-panjakana manoloana an’i Joseph Smith sy ireo mpitariky ny tanàna sasany, manameloka azy ireo amin’ny fitarihana fikomiana. Afaka madiodio tamin’ilay fitoriana i Joseph Smith, fa ny fanafahana azy avy eo dia niteraka hatezerana teo amin’ny fahavalony. Rehefa niely ny tatitra fa nisy mpihetraketraka niangona mba hanafika ny tanànan’i Nauvoo dia nanambara i Joseph Smith, tamin’ny naha-ben’ny tanàna azy, fa teo ambanin’ny lalàna miaramila ny tanànan’i Nauvoo. Niaraka tamin’ny fitarihan’ny Governoran’ny Illinois Thomas Ford, dia nandidy ireo andian-tafik’i Nauvoo i Joseph mba hiaro ny tanàna.
Asao ny mpianatra iray hamaky ireto andiam-pehezan-teny roa ireto:
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany famakiana izany ny mpianatra, sy hikaroka ireo faminaniana nataon’i Joseph Smith teo akaikin’i Carthage.
-
Inona no zavatra nambaran’i Joseph fa hitranga aminy?
-
Inona araka ny hevitrao no mety ho tsapan’ny Mpaminany raha nandao ny fianakaviany izy, amin’ny fahafantarana fa tsy hiverina eo amin’izy ireo intsony?
-
Nahoana araka ny hevitrao i Joseph no “tony toy marainan-dohataona” raha fantany fa handeha “tahaka ny zanak’ondry ho any amin’ny mpamono azy izy”?
Hazavao fa ny Mpaminany dia nahafantatra fa ny fahafatesany dia hiaro ny ain’ireo Olomasina.
Raha niomana hoa any amin’ny fonjan’i Carthage i Hyrum Smith, dia namaky ny Etera 12: 36–38 tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ary namoritra ny sisin’ilay pejy avy eo. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany famakiana izany ny mpianatra ary hijery ny zavatra novakian’i Hyrum sy nasiany marika talohan’ny nandehanany tany amin’ny fonjan’i Carthage.
-
Nahoana ireo andininy tao amin’ny bokin’i Etera ireo araka ny hevitrao no nanan-danja tamin’i Hyrum ny namakiana izany tamin’izany fotoana?
-
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny andian-teny hoe “izay ahafantaran’ny olon-drehetra fa tsy voampentin’ny ranareo ny fitafiako” (F&F 135:5)?
Asao ireo mpianatra handinika ny hoe inona no fahatsapan’i Joseph sy i Hyrum raha nahafantatra izy ireo fa nanatanteraka ny antsony sy ny andraikiny tamin’ Andriamanitra araka ny fahafahany tsara indrindra.
-
Inona no zavatra afaka ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Joseph sy i Hyrum izay afaka manampy antsika amin’ny fanatanterahana ireo antso izay no raisintsika avy amin’ Andriamanitra?
Asao ny mpianatra iray hamaky ity famintinana ny zava-nitranga tamin’ny 25–27 jona 1844 ity:
Ampahafantaro ny mpianatra fa tamin’ny tolakandro mafanan’ny 27 jona, dia niaraka tamin’i Joseph sy i Hyrum tao amin’ny fonjan’i Carthage ny apôstôly John Taylor sy Willard Richards. Ny fahatsapana trotraka dia tonga tamin’ny mpaminany sy ireo izay niaraka taminy raha nipetraka tao amin’ny efitrin’ny fonja tao amin’ny rihana faharoa izy ireo. Nangataka an’i John Taylor mba hihira ny “Je rencontrais sur mon chemin” (jereo ny Cantiques, no. 17) i Hyrum Smith. Raha misy ao amin’ny fihirananao io hira io, dia asao ny mpianatra hihira andininy vitsivitsy. Rehefa mihira ny mpianatra, dia asao izy ireo hieritreritra mikasika ny mety ho dikan’io hira io tamin’i Joseph sy i Hyrum Smith tamin’izany fotoana izany .
Asao ny mpianatra telo hifandimby hamaky famintinana momba ny famonoana ho maritiora ireto. Asao ny iray mpianatra rehetra hanandrana haka sary an-tsaina ireo zava-nitranga ireo tahaka ny hoe niaraka tamin’ny Mpaminany tao amin’ny fonjan’i Carthage izy ireo.
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny iray kilasy ary hikaroka ny famariparitana ny anjara nahazo an’i John Taylor sy i Willard Richards. Ampahafantaro ny mpianatra fa ny sofin’i Willard Richards havia ihany no nandalovan’ny bala, izay nahatanteraka ny faminaniana iray izay nataon’i Joseph herintaona mahery talohan’izany fa “fa ho avy ny andro izay hisidinan’ny bala manodidina azy tahaka ny havandra, ary hahita ny namany hianjera eo ankavanana sy eo ankavia izy, fa tsy hisy loaka ny akanjony” (ao amin’ny History of the Church, 6:619).
Tariho any amin’ilay fehezan-teny voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1 ny sain’ireo mpianatra, ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona no dikan’ny teny hoe “ho famehezana ny fijoroana ho vavolombelon’ity boky ity sy ny Bokin’ny Môrmôna” araka ny hevitrao? (Mety hanampy ny fanazavana fa amin’ity sahan-kevitra ity, ny mamehy dia fametrahana zavatra maharitra, tahaka ny fijoroana ho vavolombelona.)
Hazavao ny andian-teny hoe maty maritiora ao amin’ny andininy 1, dia manontania hoe:
-
Inona no atao hoe maritiora? (Ny olona iray izay nodimandry amin’ny maha vavolombelon’ny fahamarinanany fiainany sy ny finoany na ny tanjona hijoroany. Hazavao fa ny teny hoe maritiora dia avy amin’ny teny grika izay midika hoe vavolombelona [jereo Bible Dictionnary, “Martyr”].)
Asao ireo mpianatra hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:7, dia hikaroka ny hoe vavolombelon’ny inona ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith maritiora.
-
Tamin’ny alalan’ny fahafatesan’izy ireo ho maritiora, dia inona no fehezin’i Joseph sy i Hyrum Smith tamin’ny tenivavolombelony? (Mety ho amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka izy ireo: Namehy ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny ainy i Joseph sy i Hyrum Smith. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity sy hanoratra ny valintenin’izy ireo ao anatin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:
-
Ahoana no iantefan’ny fahafantaranao ny tenivavolombelon’i Joseph sy i Hyrum Smith sy ny fanirian’izy ireo ho faty ho an’ny fahamarinana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona?
Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao i izay maniry ny hizara ny valinteniny mba hanao izany. Farano amin’ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelonao momba ny Mpaminany Joseph Smith izany.