Seminera
Lesona 54: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46


Lesona 54

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46

Fampidirana

Tamin’ny volana martsa 1831, sahabo ho herintaona taorian’ny nandaminana ny Fiangonana, dia nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ireo Olomasina fa tokony hotarihin’ny Fanahy Masina ireo fivoriam-piangonana. Noantitranteriny tao amin’io fanambarana io ihany fa ireo olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony horoahina hiala ao amin’ny fivoriana ampahibemaso. Ankoatra ny fanitsiana ny tsy famelana ireo tsy mpino hanatrika ireo fivoriana dia nampianatra mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–6

Manome torolalana ny Olomasina mikasika ireo fivoriam-piangonan’izy ireo ny Tompo

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa tompon’andraikitra amin’ny fandaminana fivorian’ny fanasan’ny Tompo iray izy ireo.

  • Ahoana no ahafantaranareo ny zavatra tokony ampidirina ao anatin’ilay fivoriana? Ahoana no hisafidiananareo ny hira sy ny hanapahanareo hevitra mikasika ny olona tokony hanao lahateny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriam-piangonana. Azonao atao ny mampahafantatra amin’ny mpianatra fa ny andraikitra hitarika ireo fivoriana dia ahitana ny andraikitra hiomana ho amin’izany. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Mety ho samihafa ny valintenin’izy ireo, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Tokony hotarihin’ny Fanahy Masina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana rehefa mitarika fivoriana.

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa notarihin’ny Fanahy Masina ireo mpitarika nandritra ny fivoriana iray?

  • Ahoana no fomba mety hanasan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ireo fivoriam-piangonana?

Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba iray hanatsaran’izy ireo ny fandraisany anjara amin’ireo fivoriam-piangonana.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Tonga soa ny mpitsidika. Asaivo fantarin’ny mpianatra ireo toerana nahitan’izy ireo an’io andian-teny io. Anontanio izy ireo raha toa ka nahita izany teo ivelan’ireo trano Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 Asaivo manaraka ny vakiteny ao amin’ny soratra masiny ny mpianatra ka hitady ny olona navelan’ireo Olomasina tany am-piandohana hanatrika ny fivorian’izy ireo. Asao hizara ny zavatra hitany izy ireo. Dia angataho izy ireo avy eo hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:3–6 mba hitady ireo andian-teny izay manitsy io fomba fanao tany am-piandohana io.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba tian’ny Tompo hitondrantsika ny hafa? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Nandidy antsika ny Tompo mba handray tsara ny olona rehetra ao amin’ireo fivoriantsika ampahibemaso.)

  • Ahoana no fomba ahafahantsika manampy ny hafa hahafantatra fa tonga soa ao amin’ny fivoriam-piangonantsika izy ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo io fahamarinana io dia zarao ity ohatra manaraka ity:

Mitsidika voalohany ny paroasy vaovao iray miaraka amin’ny fianakaviany ny mpikambana zatovo iray ato amin’ny Fiangonana. Rehefa vita ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia miarahaba ilay fianakaviana ny mpikambana iray ao amin’ilay paroasy ka manoro azy ireo ny toerana tokony haleha hanatrehana ny Sekoly Alahady. Entiny ao amin’ny kilasiny ilay zatovovavy ary ampahafantariny amin’ilay mpampianatra. Miarahaba azy vetivety fotsiny ireo zatovolahy sy zatovovavy ao an-dakilasy dia manohy mifampiresaka eo amin’izy samy izy, tsy miraharaha azy.

Amporisiho ny mpianatra handray tsara ireo izay manatrika ireo fivoriam-piangonana sy ireo kilasy ary ireo fiaraha-mientana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33

Nanazava ny tanjon’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa tamin’ny volana febroary 1831 dia nandeha nankany amin’ireo Olomasina tany Kirtland i Joseph Smith (jereo ny lesona 50 ato amin’ity boky torolalana ity). Rehefa tonga tany izy dia nahita fa nampiasa fomba amam-panao diso vitsivitsy ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo. Fomba fanao diso iray ny fanakanana ny olona tsy hanatrika ireo fivoriana araka izay nohazavaina tany amin’ny fiandohan’ity lesona ity. Fomba fanao diso iray hafa ny fandraisan’ireo mpikambana sasany anjara amin’ny fanehoana fihetsika hafahafa rehefa manatrika ireo fivoriam-piangonana izy ireo. Mihambo izy ireo fa avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny zavatra ataony. Nino azy ireo ny mpikambana sasany ary ny hafa dia nahatsapa fa tsy avy amin’ Andriamanitra ireo fihetsika ireo. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 dia nampianatra ireo fitsipika izay hanampy ny Olomasina tsy ho voafitaka ny Tompo ary hanampy azy ireo hahatakatra ireo fanomezam-pahasoavana marin’ny Fanahy.

  • Inona ny dikan’ny hoe voafitaka? (Diso lalana na voafandrika mba hino zavatra iray tsy marina.) Afaka mieritreritra fotoana iray nahavoafitaka anareo ve ianareo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–8 ka hitady ny zavatra natoron’ny Tompo ny olony mba ho ataon’izy ireo mba tsy ho voafitaka. Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hatao mba tsy hahavoafitaka? (Ampio ny mpianatra hitady ity fitsipika manaraka ity: Fomba iray hialana amin’ny fitaka ny fanarahana ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina amin’ny fahamasinana rehetra.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8 dia inona no tokony hokatsahintsika fatratra? (Ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha mikatsaka fatratra ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra isika …

Rehefa mandray anjara amin’ity asa atao manaraka ity ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo fitahiana izay ho tonga rehefa mikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izy ireo. Azonao atao ny manazava fa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia “ireo fitahiana na fahafahana izay omena amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Andriamanitra dia manome iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo farafahakeliny ho an’ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana” (Miorim-paka amin’ny finoana: boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], ).

Mialoha ny fampianarana dia soraty tsy manaraka ny filaharana amin’ny taratasy iray ny isa 13 ka hatramin’ny 25 sy ny isa 27. Dia hetezo ho lasa vakivakina piozila miisa efatra ambin’ny folo ilay taratasy, ka ahitana isa iray eo amin’ny vakivakin’ny piozila tsirairay avy.

Zarazarao amin’ny ankizy ireo vakivakin’ny piozila. Miankina amin’ny isan’ny mpianatra dia azonao atao ny manome vakivakina piozila iray ho an’ny vondrona kely tsirairay na manome vakivakina piozila iray ho an’ny mpianatra tsirairay avy. Asao ny mpianatra rehetra hiara-hiasa hanambatra ilay piozila.

  • Nahoana no manan-danja ao anatin’ny piozila iray ny vakivakin’ny piozila tsirairay avy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–12, 26. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny tanjon’ireo fanomezam-pahasoavana omen’ Andriamanitra antsika.

  • Ampiasaina hanaovana inona ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? (“Ho tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra.”)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9 dia iza no omena ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? (Ireo izay tia an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny ary ireo izay “mikatsaka ny hanao izany.”)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11 dia firy amintsika no nomena fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy iray?

  • Avy amin’ny zavatra nianaranareo tao amin’ireo andininy ireo dia ahoana no hamenoanareo an’ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe? (Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hilaza izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Raha mikatsaka fatratra ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra isika dia homen’ Andriamanitra antsika izy ireo ho tombontsoan’ny hafa. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny.)

Sariho ho amin’ilay piozila natambatr’izy ireo ny sain’ny mpianatra. Ampahatsiahivo azy ireo ny maha-manan-danja ny vakivakiny tsirairay ao amin’ilay piozila.

  • Nahoana ny mpikambana tsirairay no manan-danja ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo? (Manana fanomezam-pahasoavana izay afaka ny ho tombontsoa ho an’ny hafa ny tsirairay.)

Ravao ilay piozila ka avereno amin’ny mpianatra ireo vakivakiny. Hazavao fa ireo isa eo amin’ireo vakivakin’ny piozila dia maneho ireo andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 ary milaza fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy iray ny tsirairay amin’izy ireo. Asao ny mpianatra hamaky mafy ireo andininy mifanandrify amin’ireo isa nomena azy ireo.

Rehefa voavaky ny andininy tsirairay dia asao ny mpianatra hanolotra toe-javatra miseho iray izay hitondran’izany fanomezam-pahasoavana izany tombontsoa ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Mety ho sahirana ny mpianatra amin’ny fanakarana ny hevitry ny fanomezam-pahasoavana sasany. Ireto fanazavana manaraka ireto izay mikasika ny vitsivitsy amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia mety hanampy anao hitarika ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo:

Ny fanomezam-pahasoavana hahafantatra ny maha-samihafa ny asa fanompoana dia matetika no hita taratra eo amin’ireo mpitarika izay mahafantatra ny fomba ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ananan’ny hafa manampy amin’ireo antso isan-karazany entina manompo.

Ny fanomezam-pahasoavana hahafantatra ny maha-samihafa ny asa dia miseho eo amin’ny fahafahan’ny olona iray mahita ny fahasamihafana eo amin’ny fanomezam-pahasoavana tena izy na ny fiasan’ny Fanahy Masina sy ny fanahy tsy mahasoa, na ireo fotopampianarana, na ireo didy.

Ny fanomezam-pahasoavan’ny teny fahendrena dia tsy miresaka ilay didy antsoina hoe ny Tenin’ny Fahendrena. Izy io kosa dia entina ilazana ny fahazoana fahendrena izay tonga amin’ireo izay “mangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra” (Jakoba 1:5).

Ny fanomezam-pahasoavana hamantatra ireo fanahy dia mamela ny olona iray hamantatra ny tena fikasana marina ananan’ny hafa sy ny zavatra miafina mandrisika azy ireo. Ity fanomezam-pahasoavana ity dia manampy ny olona iray hamantatra ireo faharatsiana miafina sy hahita ny tsara ao amin’ny hafa.

Ny fanomezam-pahasoavana hiteny amin’ny fiteny hafa sy ny fanomezam-pahasoavana hiteny amin’ny fiteny hafa tsy fantatra dia fahita eo amin’ireo misiônera izay afaka mianatra sy mahatakatra haingana ireo fiteny. Ireo fanomezam-pahasoavana ireo koa dia mety ho azon’ireo olona izay mila mandresy ireo tsy fifankahazoan-dresaka noho ny fahasamihafan’ny fiteny mba hianatra sy hampianatra ny filazantsara.

  • Nahoana isika no tokony hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? Inona araka ny eritreritrareo no azontsika atao mba hikatsahana azy ireo? (Mety hanampy ny manazava fa afaka mampahafantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny patriarika ny Tompo na amin’ny alalan’ireo tsodrano hafa an’ny fisoronana.)

  • Oviana ianareo no nahita olona nandray fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba ho tombontsoan’ny hafa?

Angataho ny mpianatra mba hamaky samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:30–33 ary hitady zavatra efatra tokony hataontsika rehefa mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy azontsika isika. (Ireo valinteny dia mety ahitana hoe tokony hangataka ny hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra isika, hanao asa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, hanome fisaorana noho ireo fitahiana raisintsika, ary hampihatra hatsaran-toetra sy fahamasinana.)

Manehoa fankasitrahana noho ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy noho ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao. Omeo fahafahana hanao izany koa ny mpianatra. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fanirian’ny Tompo ny hahafantaran’ny olona rehetra fa tonga soa izy ireo ary ilaina ao amin’ny Fiangonany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:4. Mandray tsara ny olona rehetra hanatrika ireo fivoriam-piangonana

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona L. Tom Perry

“Ny fiaraha-monintsika Olomasina dia tsy fiaraha-monina manavakavaka fa mandray ny hafa hiditra ao, izay miorina eo amin’ny fototry ny apôstôly sy ny mpaminany, ary i Jesoa Kristy mihitsy no vato fehizoro. Misokatra amintsika rehetra izay tia sy mankasitraka ary manam-pangorahana ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra izany” (“Building a Community of Saints,” Ensign, May 2001, 37).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–12. “Ny olona tsirairay dia omena … fanomezam-pahasoavana iray”

Nampianatra ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Orson Pratt

“Isaky ny miaraka amin’ny olona iray ny Fanahy Masina dia tsy hoe manadio sy manamasina ilay olona fotsiny izy, arakakaraka ny hanarahany ny fitaomany, fa manome azy fanomezam-pahasoavana vitsivitsy ihany koa, izay natao ho an’ny tombontsoan’io olona io sy ny hafa. Tsy misy olona nateraky ny Fanahy izay nijanona ho mahatoky araka ny tokony ho izy, ka hoe ho tavela tsy hanana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. …

“Tsy mahazo ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo ny mpikambana tsirairay avy. Fa izy ireo kosa dia zarazaraina amin’ny mpiangona rehetra ao amin’ny Fiangonana araka ny sitrapo sy ny fahendren’ny Fanahy. … Mety homena ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo ny sasany mba hahatakarany azy rehetra sy ho voaomana hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana tsy izy ary mba hiahy ny Fiangonana iray manontolo mba hahazoan’ny rehetra tombontsoa. Ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo dia zaraina amin’ny mpikamban’ny Fiangonana, arakaraka ny fahatokian’izy ireo, ny toe-javatra misy amin’izy ireo, ny fahafahana voajanaharin’izy ireo, ny andraikitra ary ny antso; mba hahazo fampianarana araka ny tokony ho izy, fanamafisana, fanatanterahana, ary famonjena ny rehetra” (Masterful Discourses and Writings of Orson Pratt, natambatr’i N. B. Lundwall [1946], 539–41). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra,boky natonta faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11. Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy marobe

Voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 ary koa ao amin’ny 1 Korintiana 12:1–13 sy ny Môrônia 10:8–18 ireo fanomezam-pahasoavanan’ny Fanahy. Tsy ireo ihany anefa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy azontsika raisina. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Tsy voafetra ny isa sy ny karazan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Ireo izay voatanisa ao amin’ilay teny nambara dia fanehoana fotsiny ihany ny firotsahana tsy manam-petran’ny fahasoavan’ Andriamanitra izay omen’ny Andriamanitra be fahasoavana ho an’ireo izay tia sy manompo Azy” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 371).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:12. “Ny sasany dia omena iray, ary ny hafa dia omena iray hafa”

Hoy ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Raha raisina an-kisendrasendra fotsiny dia mamelà ahy hilaza fanomezam-pahasoavana vitsy izay tsy voatery mibaribary sy hita miavaka foana kanefa tena manan-danja tokoa. …

“… Ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahenoana sy fampiasana ilay feo tony sy malefaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mitomany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny fifandirana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mifanaraka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny famerimberenana fahatany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina; ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona matanjaka; ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana ny Fanahy Masina” (“There Are Many Gifts,” Ensign, Nov. 1987, 20).

Hamoaka printy