Seminera sy Institiota
Lesona 139: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–33


Lesona 139

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–33

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 dia mirakitra fanambarana iray mikasika ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana. Na dia noraketina an-tsoratra tamin’ny 12 jolay 1843 aza ity fanambarana ity dia efa fantatra ary nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith mialoha be tamin’ny taona 1831 ny sasany amin’ireo fahamarinana ao amin’ilay fanambarana. Horesahana ao anatin’ny lesona roa ilay fanambarana. Ity lesona ity dia miresaka momba ny fepetra mifehy ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana sy ireo fampanantenana omena an’ireo izay manaja izany. Ny lesona manaraka kosa dia hiresaka momba ny fitsipiky ny fampakarana vady maro.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–18

Nametraka ireo fepetra mifehy ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ny Tompo

Fanamarihana: Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2 dia resahina ao amin’ny lesona faha-140 izay ampahany amin’ilay fifanakalozan-kevitra momba ny fampakarana vady maro.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

Nahoana no zava-dehibe aminao ny fanambadiana mandrakizay?

Inona no hataonao, manomboka androany, mba hiomananao handeha ho any amin’ny tempoly ka hanambady amin’izao fotoana izao sy mandrakizay?

Inona ireo fitahiana afaka ho tonga eo amin’izao fiainana izao ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra mikasika ny famehezana any amin’ny tempoly?

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 izy ireo androany.

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Inona ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ilay andian-teny hoe “ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Ankehitriny dia misy famaritana mazava tsara sy amin’ny antsipiriany an’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Izany no zavatra rehetra—ny fahafenoan’ny filazantsara. Koa ny fanambadiana natao araka ny tokony ho izy, ny batisa, ny fanendrena ao amin’ny fisoronana, ny zavatra hafa rehetra—ny fifanekena rehetra, ny adidy rehetra, ny zavatra atao rehetra izay mifandraika amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana araka ny lalàny izay omena etoana, dia ampahan’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” (Doctrines of Salvation, natambatr’i. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 1:158; nesorina ny soramandry).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–5 sady hitady ny vokatry ny fitsipahana an’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, ary ao anatin’izay ny fanekempihavanan’ny fanambadiana selestialy.

  • Inona no vokatry ny fitsipahana an’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay? (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ireo mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe voaheloka dia midika hoe natsahatra amin’ny fivoarany mandrakizay ny olona iray.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:6 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny fitahiana ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mahatoky ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6, dia inona no azontsika raha mahatoky ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay isika? (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ireo mpianatra dia azonao atao ny manamarika ny fifanoherana misy eo amin’ny hoe voaheloka, na voasakana tsy hivoatra, sy ny hoe mandray “ny fahafenoan’ny voninahitry ny Tompo.”)

Mariho fa matetika ny olona no manao fifanarahana na fifanekena. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7 ny mpianatra iray. Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hitady ny zavatra mitranga amin’ireo fifanarahana ataon’ny olombelona rehefa maty izy ireo. Asao kosa ny antsasany iray hamantatra ireo fepetra roa izay mahatonga ireo fanekempihavanana ho manan-kery rehefa maty isika.

  • Inona no zava-mitranga amin’ireo fifanarahana ataon’ny olombelona? (Mifanarana eo amin’ny fahafatesana izy ireo.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 7, dia inona ireo zavatra roa izay tsy maintsy hitranga mba hampanan-kery an’ireo fanekempihavanana rehefa maty isika? (Tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izy ireo, ary tsy maintsy “efaina ary … fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana.”)

Hazavao fa “ny Fanahy Masina no Fanahy Masin’ny Fampanantenana. … Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia vavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org). Avy eo dia asao ny mpianatra hamerina hamaky ny andininy 7 sy hamintina izany amin’ny fanambarana fotopampianarana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Ohatra: mety hanoratra zavatra sahala amin’izao manaraka izao ianao: Raha tsy atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana ny fanekempihavanana iray dia hifarana amin’ny fotoan’ny fahafatesana izany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa an’io fotopampianarana io dia asaivo mamerina milaza izany amin’ny fomba tsara izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Ohatra: mety hanoratra zavatra sahala amin’izao manaraka izao ianao: Rehefa atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana izy ireo dia haharitra mandrakizay doria izany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:8–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanohy nanambara ireo fepetra mifehy ny lalàny sy ny ôrdônansiny. Nanambara Izy fa ny zava-drehetra izay apetrany dia hitoetra mandrakizay fa ny zavatra hafa rehetra dia horinganina amin’ny farany.

Manasà mpianatra efatra mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mikaroka ny fomba samihafa roa izay idiran’ny lehilahy iray sy vehivavy iray amin’ny fanambadiana. Avy eo dia vakio mafy ireto ohatra manaraka ireto. Aorian’ny ohatra tsirairay dia anontanio an’ireo mpianatra hoe inona no fahamarinana nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–18 izay azo ampiharina amin’io toe-javatra io.

Ohatra 1: Mifankatia ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo ary tanterahin’ny mpitarika governemanta eo an-toerana iray ny fanambadiany. Tsy fehezina any amin’ny tempoly izy ireo. Ahitana ireo teny hoe “lamban’akoho ka faty no hisarahana” ny fanambadiany. Taona vitsivitsy taty aoriana dia maty vokatry ny loza ilay rangahy vady. Inona amin’ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–17 no mifanaraka amin’izany? (Tsy mpivady intsony ilay rangahy sy ramatoa.)

Ohatra 2: Mivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Mifanome fampanantenana izy ireo fa hifankatia mandrakariva ary hiaraka mandrakariva, kanefa tsy nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo. Mino izy ireo fa hamela azy ireo hiaraka mandrakizay doria Andriamanitra noho ny fifankatiavany. Inona amin’ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:18 no mifanaraka amin’izany? (Tsy hitohy aorian’ny fahafatesany ny fanambadiany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–33

Mampanantena fitahiana ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ny fanambadiana selestialy ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity traikefa manaraka nozarain’ny Loholona Enrique R. Falabella ao amin’ny Fitopololahy ity. Asao ireo mpianatra hihaino ny zavatra nampalahelo ny Loholona sy ny Rahavavy Falabella ary ny zavatra nahafaly azy ireo.

Loholona Enrique R. Falabella

“Rehefa niverina avy any amin’ny asa fitoriana nataoko aho dia nifankafantatra tamin’ny zatovovavy iray tsara tarehy. … Nanintona ahy hatramin’ny fotoana voalohany nahitako azy izy.

“Nametraka tanjona ny hanambady any amin’ny tempoly ny vadiko na dia nitaky fanaovana dia lavitra tokony ho 6.400 km ny tempoly akaiky indrindra, tamin’izany fotoana izany.

“Ny fanatanterahana ny fanambadianay ara-panjakana dia sady nahafaly no nampalahelo satria lasa mpivady tao anatin’ny fotoana voafetra izahay. Nilaza ireto teny ireto ilay tompon’andraikitra hoe: ‘Izao aho dia manambara fa mpivady ianareo,’ saingy taorian’izay avy hatrany dia nilaza izy hoe: ‘Faty no hisarahanareo.’

“Noho izany dia nanangom-bola sahaza izany tamin’ny fahafoizana izahay mba hividy tapakila ho an’ny dia mandroso nankany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona.

“Tao amin’ny tempoly, rehefa nandohalika teo amin’ny alitara izahay, dia nanambara ireo teny efa niriako ho re ny mpanompo iray nahazo lalana, izay nanambara fa mpivady amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay izahay (“Ny tokantrano: ny sekolin’ny fiainana,” Ensign na Liahona, mey 2013, 102).

  • Nahoana no tsy afa-po tamin’ny fanambadiana ara-panjakana ny rahalahy sy ny rahavavy Falabella?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mahatoky amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana. Satria sady lava no somary saro-takarina io andinin-tsoratra masina io dia tsara raha mihato matetitetika ianao mba hanomezana fanazavana sy hamaliana fanotaniana. Afaka hanampy anao ireto fampahalalana manaraka ireto.

Ny teny hoe mitoetra dia midika hoe manaiky na manohy, koa ilay andian-teny hoe “mitoetra ao amin’ny fanekempihavanako” (andininy 19) sy ny hoe “mandray ny lalàko” (andininy 21) dia midika hoe mijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana sy ny lalàn’ny Tompo.

Ny andininy 19 dia ahitana ny fampanantenana hoe raha manambady ao amin’ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ka “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana ho azy ireo” izany dia “hivoaka amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty izy ireo, ary … handova ireo fiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery” raha toa ka “mitoetra ao amin’ilay fanekempihavanana izy ireo ary tsy mamono olona handatsahana ra tsy manan-tsiny” (Jereo koa ny F&F 132:27).

Ilay andian-teny hoe “fitohizan’ny taranaka mandrakizay mandrakizay” (andininy 19) sy “mitohy … izy ireo” (andininy 20) dia entina ilazana ilay fampanantenana fa afaka mitohy mandritra ny mandrakizay ny fianakaviantsika sy ny taranatsika.

Manoratra hoe Raha dia eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hameno ny banga mba hamintinana ireo fampanantenana nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety ho toy izao manaraka izao ny fitsipika hitany:

Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hahazo ny fisandratana sy ny voninahitra izy ireo.

Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hahazo ny fitomboan’ny taranaka mandrakizay izy ireo.

Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hanan-kery hatrany amin’ny mandrakizay ny fanambadiany.

Raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia ho lasa tahaka an’ Andriamanitra izy ireo.

Vakio ity ohatra manaraka ity:

Ohatra 3: Fehezina any amin’ny tempoly masina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny zatovolahy iray sy ny zatovovavy iray. Samy miaina amim-pahatokiana sy mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo. Inona amin’ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21 no mihatra rehefa maty izy ireo? (Hitohy mandrakizay ny fanambadiany. Ho lasa tahaka ny Rainy any An-danitra izy ireo ka ho voatahy amin’ny voninahitra, fisandratana ary fianakaviana mandrakizay.)

  • Inona araka ny hevitrao no zavatra tsy maintsy ataon’ny mpivady mba hitoetra ao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana? (Mety ho toy izao ny valinteny: manaraka ny tenin’ Andriamanitra, mankatoa ireo ôrdônansin’ny famonjena rehetra, tsara toetra sy mendrika, mifankatia, miara-miasa ho tonga ray aman-dreny tsara, mitaiza ny zanaka amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary miara-miverina any amin’ny tempoly matetika.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:22–25 ka hifantoka manokana amin’ny famariparitan’ny Tompo momba ny “vavahady” sy ny “lalana” izay mitondra mankany amin’ny fisandratana. Alohan’ny hamakian’izy ireo izany dia hazavao fa ny teny hoe ety ao amin’ny andininy 22 dia midika hoe tery na mafy na tsy ahafahana miala amin’ilay tanjona.

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny sarin’ny vavahady malalaka sy ny lalana migodàna an’ireo hevitry ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao momba ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fanambadiana? Inona no mampifanohitra an’ireo hevitra ireo amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 22 sy 25, dia nahoana no tsy tafiditra ao amin’ilay lalana ety izay mitondra mankany amin’ny fisandratana ny olona maro? (Tsy mandray an’i Jesoa Kristy na mahalala Azy na tsy mitoetra amin’ny lalàny izy ireo.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 21–24, dia inona no tsy maintsy ataontsika hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Fintino ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Mba hahazoana ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay,dia tsy maintsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy lasa tahaka Azy Ireo, ary mitoetra amin’ny lalàny isika.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:29–33 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nahatoky sy nankatoa ny lalàn’ny Tompo momba ny fanambadiana mandrakizay i Abrahama ka nandray ny fampanantenana ny amin’ny fitomboana mandrakizay eo amin’ny taranaka.

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manaraka ny lalàn’ Andriamanitra isika dia afaka miaina miaraka Aminy sy mahazo ny fiainana mandrakizay.

Avereno jerena ireo fanotaniana izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe talohan’ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra mba hamaly ireo fanontaniana ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra iray na roa mba hizara ny zavatra tsapany amin’ny mpianatra rehetra.

Farano amin’ny alalan’ny fampisehoana ny sarin’ny fianakavianao izany. Zarao ny zavatra tsapanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana entin’ny fanambadiana mandrakizay. Entano ireo mpianatra ny hiomana dieny izao handeha ho any amin’ny tempoly ka hanambady mandrakizay. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 sy ny fifaliana izay azo avy amin’ny fiomanana amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:5 Ny fanambadiana dia “najoro talohan’ny fanorenana izao tontolo izao”

Nizara izao fahamarinana manaraka momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana izao ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Russell M. Nelson

“Nohariana ny tany ary naverina tamin’ny laoniny ity Fiangonana ity mba hampivondronana sy hamehezana ary hampisandratana mandrakizay ny fianakaviana. …

“… “Ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia tsy eo amin’ny mpivady fotsiny fa fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra ihany koa.

“… Rehefa fehezina any amin’ny tempoly ny fianakaviana iray dia afaka ho lasa mandrakizay toy ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy izany fianakaviana izany” (“Fanambadiana mandrakizay,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 93).

Nampianatra ihany koa ny Loholona Nelson hoe:

Loholona Russell M. Nelson

“Mitondra fahafahana lehibe kokoa hahazoana fahasambarana ny fanambadiana mihoatra noho ny fifandraisana hafa rehetra eo amin’ny olombelona. …

“Ny fanambadiana no hery manorina ny lamina eo amin’ny fiarahamonina, loharanon’ny hatsaran-toetra ary fototry ny fisandratana mandrakizay” (“Nurturing Marriage,” Ensign na Liahona, mey 2006, 36).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana132:7. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana

Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Filoha Joseph Fielding Smith

Ny Fanahy Masina no Fanahy Masin’ny Fampanantenana izay mametraka ny fitombo-kasen’ny fankatoavana eo amin’ny ôrdônansy tsirairay: batisa, fandraisana ho mpikambana, fanendrena, fanambadiana. Ny fampanantenana dia hoe horaisina amin’ny alalan’ny fahatokiana ireo fitahiana.

“Raha dikain’ny olona iray ny fanekempihavanana iray, na izany batisa, fanendrena, fanambadiana na zavatra hafa, dia hanala ny fitombo-kasen’ny fankatoavana ny Fanahy ka tsy ho azo ireo fitahiana.

“Ny ôrdônansy tsirairay dia fehezina miaraka amin’ny fampanantenana valisoa izay mifototra amin’ny fahatokiana. Manala ny tombo-kasen’ny fankatoavana ny Fanahy Masina rehefa nodikaina ireo fanekempihavanana [jereo ny F&F 76:52–53; 132:7]” (Doctrines of Salvation, natambatr’i. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 1:45).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20. “Dia ho andriamanitra izy ireo satria tsy manam-pahataperana”

Ny Loholona Parley P. Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza momba ny fiovana teo amin’ny fiainany rehefa nahatakatra ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay izy:

Parley P. Pratt

“I Joseph Smith no nampianatra ahy hankafy ny fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny ray sy ny reny, ny mpivady, ny mpiray tampo, ny zanakalahy sy ny zanakavavy.

“Avy aminy no nahalalako fa afaka fehezina amiko ho amin’ny fotoana sy mandrakizay ny vady malalako; ary ny fangorahana sy ny fitiavana lalina izay mampifamatotra anay dia avy amin’ny loharanon’ny fitiavan’ Andriamanitra mandrakizay. Avy aminy no nahalalako fa azontsika atao ny mamboly ireny fitiavana ireny sy mampitombo azy haharitra mandrakizay. Ka ny vokatry ny firaisana tsy manam-pahataperana dia taranaka tsy ho tambo isaina tahaka ny isan’ireo kintan’ny lanitra, na ny fasi-dranomasina.

“Avy aminy no nahalalako fa ny tena voninahitra sy ny hoavin’ny zanakalahin’ Andriamanitra, izay notafiana ny fisoronana mandrakizay, dia ny ho patriarika sy mpanapaka ny taranany tsy tambo isaina. Avy aminy no nahalalako fa ny voninahitra avo indrindra ho an’ny maha-vehivavy dia ny hitsangana ho mpanjakavavy sy mpisorona vavy eo ankilan’ny vadiny, ary hanapaka mandrakizay doria ho reny sy mpanjaka vavin’ny taranany marobe izay tsy mitsaha-mitombo.

“Efa nitia aho teo aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Kanefa aho ankehitriny dia nitia—tamim-pahadiovana—ny fahatsapana mahery vaika mampiakatra sy manandratratra, izay manaisotra ny fanahiko hiala amin’ireo zava-mielin’ity tontolo ratsy ity ka mampivelatra izany tahaka ny ranomasimbe. Nahatsapa aho fa Andriamanitra no tena Raiko any An-danitra; ary i Jesoa dia rahalahiko, ary ny vady malalako dia mpiara-dia amiko tsy mety maty sy mandrakizay; anjely manompo tsara fanahy izay nomena ahy ho fampiononana sy satro-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Raha afohezina, dia afaka mitia amin’ny fanahy sy ny fahatakarana ihany koa aho ankehitriny.

“I Joseph Smith … no nanainga ny zorony iray tamin’ilay voaly ka [nanome] topimaso ahy momba ny mandrakizay” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 297–98).

Tamin’ny 1916 ny Filoha Joseph F. Smith sy ny mpanolotsaina azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe:

“Araka ny zavatra nampahafantarina tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra momba ireo dingan’ny fivoarana sy ny zava-bita mandrakizay dia tokony ho fantatsika fa ireo olona izay nitsangana tamin’ny maty sy feno voninahitra ihany no afaka ho lasa ray aman-drenin’ny taranaka ara-panahy. Ny fanahy nasandratra tahaka izany ihany no mahatratra ny fahamatorana amin’ny fotoana notondroina eo amin’ny fiainana mandrakizay. Ary ny fanahy izay aterak’izy ireo any amin’ny fiainana mandrakizay dia handalo, araka ny lamina napetraka, amin’ireo dingana na toetra maromaro izay nahatratran’ireo ray aman-dreny feno voninahitra ny fisandratana” (“The Father and the Son: A Doctrinal Exposition by the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles,” naverina nolazaina ao amin’ny Ensign, apr. 2002, 18).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:22–25. Inona no atao hoe “fitohizam-piainana” sy ny “fahafatesana”?

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe:

Loholona Bruce R. McConkie

“Ireo izay mahazo ny fiainana mandrakizay (fisandratana) dia mahazo ihany koa ireo fiainana mandrakizay, izany hoe amin’ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo dia hahazo ‘fitomboana’ mandrakizay, ‘fitohizan’ny taranaka,’ ‘fitohizam-piainana.’ ‘Hitohy … , tsy tambo isaina toy ny kintana [ny fanahy taranany]; na raha tokony hanisa ny fasiky ny moron-dranomasina ianareo, dia tsy hainareo isaina izany.’ (F. & F. 131:1–4; 132:19–25, 30, 55.)” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 [1966], 238; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 330).

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Ny teny hoe “fahafatesana” izay resahana eto [ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:25] dia entina hilazana ny fanesorana ireo rehetra izay manipaka an’io fanekempihavanana mandrakizain’ny fanambadiana io ka noho izany dia tsy nomena ny herin’ny fisandratana sy ny fitohizan’ny taranaka izy ireo. Ny hoe tsy omena taranaka sy ny rafitry ny fianakaviana dia mitondra mankany amin’ny ‘fahafatesana’ na ny fiafaran’ny fitomboana any amin’ny fiainana ho avy” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 2:360; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, 330).