Seminera sy Institiota
Lesona 31: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24 sy 26


Lesona 31

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24 sy 26

Fampidirana

Tamin’ny volana jolay 1830 dia niatrika fanenjehana namaivay i Joseph Smith sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana. Nandritra io fotoan-tsarotra io dia nampahery an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Tompo ary nampianatra azy ireo mikasika ireo andraikiny tamin’ny alalan’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24. Nanome fitarihana ihany koa ny Tompo ho an’ny fanatanterahana ny faneken’ny rehetra eo anivon’ny Fiangonana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1–12

Nahazo torohevitra mikasika ny antsony i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona no ataonao rehefa sarotra ny fiainana?

Asaivo mieritreritra fotoan-tsarotra na fotoana nampitebiteby iray izay nolalovany ny mpianatra ary ny fomba niainan’izy ireo izany zava-tsarotra izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny masina loatra na an’ny tena manokana ireo traikefa sasantsasany ka tsy tokony hozaraina.)

Hazavao fa niaina fotoan-tsarotra maro be i Joseph Smith teo amin’ny fiainany. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana 24. Asao ireo mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny ary hitady ireo toe-javatra izay nandraisana ireto fanambarana roa manaraka ireto.

Mba hanazavana ny fanenjehana natrehin’i Joseph Smith sy ireo olona hafa tamin’izany fotoana izany dia angataho ny mpianatra iray hamintina amin’ny feo avo ity fampahalalana ara-tantara manaraka ity (azonao atao atao ny manome an’ity fampahalalana ity alohan’ny fotoam-pianarana mba hanomezana fotoana ilay mpianatra hiomanany):

Tamin’ny volana Jona 1830 dia nandeha tany Colesville, New York i Joseph Smith sy ny mpiara-miasa vitsivitsy mba hamangy ireo olona izay naniry ny hatao batisa. Nofefena ny ony iray mba hiomanana amin’ny batisa ny ampitson’io (Alahady), saingy nisy mpihetraketraka feno fankahalana nandrava ilay fefy nandritra ny alina. Ny Alatsinainy vao maraim-be, dia naverina naorina indray ilay fefy ary olona 13 no natao batisa, anisan’izany i Emma Smith. Tamin’ny fotoana nahavitan’ny batisa, kanefa, dia nisy mpihetraketraka efa ho miisa 50 nivondrona, sy niteny ratsy ary nandrahona ny hanisy ratsy ireo Olomasina. Ny harivan’io dia nivory mba handray ho mpikambana ireo izay natao batisa ny marainan’io andro io ireo Olomasina, saingy talohan’ny nanatanterahana ireo fandraisana ho mpikambana dia nosamborina i Joseph ary nampangaina ho “olona mpanakorontana, manao izay hampikorontana ny firenena amin’ny alalan’ny fitoriana ny Bokin’i Môrmôna.” (Jereo ny History of the Chirch, 1:86–88.)

Teny an-dalana raha iny izy hoentina hotsaraina iny dia tafatsoaka nanoloana mpihetraketraka iray i Joseph noho ny fanampian’ny mpitandro filaminana iray tsara fanahy izay nitondra azy. Rehefa avy niatrika ny fitsarana izy ary voambara fa tsy meloka dia nisambotra azy avy hatrany indray ny mpitandro filaminana iray avy amin’ny faritra hafa. Nalan’ny “lehilahy maromaro” baraka sy nampiharan’izy ireo herisetra i Joseph tamin’io alina, ary ny ampitso marain’io izy dia niatrika fitsarana. Voadio tamin’ny fiampangana azy indray i Joseph ary tafatsoaka andian’olona mpihetraketraka iray hafa rehefa nandeha nody. (Jereo ny History of the Chirch, 1:88–96.)

Nanao ezaka iray hafa mba hiarahana mivory tamin’ireo mpikambana vita batisa vao haingana tao Colesville i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery, saingy nifamory ny andian’olona iray fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Voatery nitsoaka i Joseph sy i Oliver, ary vao tsy ela akory izy ireo no nitsoaka dia efa nanenjika azy ireo nandritra ny alina ilay andian’olona (jereo ny History of the Chirch, 1:97). Hoy i Joseph mikasika io fotoam-pisedrana io hoe: “Na dia teo aza ny hatezeran’ireo fahavalonay dia nahazo fampiononana lehibe izahay, ary maro ireo zavatra nitranga mba hampatanjaka ny finoanay sy hampifaly ny fonay” (ao amin’ny History of the Chirch, 1:101).

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fehezan-teny farany ao amin’ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika io fehezan-teny io. Asao izy ireo hieritreritra mandritra ny lesona ny fomba ahafahan’ilay torohevitra nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery hanampy azy ireo ihany koa rehefa miatrika fotoan-tsarotra izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Mampatanjaka sy mampahery

Mampianatra

Asaivo mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1–12 tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina ary hitady ireo andian-teny izay mety nampatanjaka sy nampahery ny Mpaminany sy i Oliver Cowdery. Asao ilay mpianatra faharoa hamaky ireo andinin-tsoratra masina ary hitady ireo fampianarana nomen’ny Tompo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asaivo mizara amin’ny namany ny zavatra hitany izy ireo. Asao ireo mpianatra roa miara-miasa mba hifidy andian-teny iray izay manan-danja amin’izy ireo ary hiresaka mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataony ny fomba izay heveriny fa mety nanampian’io famporisihana na fampianarana iray avy amin’ny Tompo io an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1–12 ny mpiara-miasa tsirairay avy dia asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra nianarany. Rehefa mizara ny hevi-baovao hitany ny mpianatra dia ataovy lisitra eo ambanin’ny lohateny sahaza izany eo amin’ny solaitrabe ireo teny fampaherezana sy fampianarana hitan’izy ireo.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8 mikasika ny zavatra afaka manampy antsika ao anatin’ny fahoriantsika? (Azonao atao ny manazava fa ny fahoriana dia zavatra mahatonga fanaintainana na fijaliana. Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo an’ity fitsipika manaraka ity: Raha maharitra sy miaritra ny fahoriantsika isika dia hiaraka amintsika ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia angataho izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fanazavana fohy iray mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo fa hevitry ny hoe maharitra sy miaritra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky mafy ny famaritana nataony. Ampio ny hevi-baovao hitan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanazavana fa raha ny sahan-kevitry ny filazantsara no jerena dia mety midika hoe mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo sy maharitra ireo fitsapana amin’ny herimpo ny hoe miaritra zava-tsarotra.

  • Nahoana no mety ho sarotra ny hanam-paharetana mandritra ireo fahoriana?

  • Oviana ianao no nahita olona nampiasa faharetana sy nijanona ho mahatoky nandritra ireo fahoriana?

  • Ahoana no nanehoan’ny Tompo tamin’ireo olona ireo fa niaraka tamin’izy ireo Izy?

Mba hanampiana ny mpianatra hitady fahamarinana iray mifandray amin’ilay fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:10–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Oliver Cowdery raha manohy amim-pahatokiana ny antsony hitory ny filazantsara izy.

  • Inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Oliver raha manohy manao amim-pahatokiana ny zavatra nasain’ny Tompo nataony izy? (Ampio ny mpianatra hahita ireto fampanantenana manaraka ireto: “Izaho momba azy hatramin’ ny farany” [andininy 10]. “Ato Amiko no hananany voninahitra” [andininy 11]. “Ary homeko tanjaka izy, toy izay mbola tsy fahita eo anivon’ ny olombelona” [andininy 12].)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha … , dia …

Asao ireo mpianatra hitady fehezan-teny miendrika “raha–dia” izay manambara ilay fitsipika ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:10–12. (Mety hahita fitsipika samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana ity fitsipika manaraka ity: Raha manao amim-pahatokiana ny zavatra asain’ny Tompo ataontsika isika dia hampahery antsika Izy. Fenoy ny banga eo amin’ny solaitrabe mba hamenoana ilay fitsipika.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampaherezan’ny Tompo anareo rehefa nahatoky taminy ianareo?

Asao ireo mpianatra hanoratra zavatra iray azon’izy ireo atao mba hanam-paharetana sy hijanona ho mahatoky amin’ny Tompo rehefa miatrika zava-tsarotra eo amin’ny fiainany. Zarao ny fomba nampatanjahana anao sy niarahan’ny Tompo taminao noho ny fahatokianao tamim-paharetana tao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13–19

Mampianatra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mikasika ny asan’izy ireo sy momba ireo izay manohitra azy ireo ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampianatra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mikasika ireo fahagagana izay hotontosain’izy ireo amin’ny anarany ny Tompo. Nilaza tamin’izy ireo mikasika ny fiarovana ho azon’izy ireo koa Izy rehefa manohitra azy ireo ny olona. Azonao atao ny manazava fa nanome azy ireo toromarika vitsivitsy izay tsy mitovy amin’ireo toromarika omena ireo misiônera ankehitriny ny Tompo. Ohatra, nomeny lalana izy ireo mba “[hanintsana] ny vovoka hiala amin’ny tongo[ny]” mba ho vavolombelona hanohitra ireo izay tsy handray azy ireo (F&F 24:15). Ity fomba fanao ity dia natokana ho amin’ny toe-javatra tena goavana ihany. Tsy mahazo lalana hanao izany ireo misiônera amin’ny fotoana feno amin’izao androntsika izao. I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ihany koa dia nodidiana mba “tsy hitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy” (F&F 24:18), izany hoe nandeha tsy nitondra vola izy ireo fa niantehitra tamin’ny hatsaram-pon’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny olona hafa mba hanome azy ireo hanina sy trano hialofana. Amin’izao fotoana izao dia tsy didiana tsy hitondra kitapom-bola sy vatsy ireo misiônera amin’ny fotoana feno.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26

Manome torolalana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary i John Whitmer ny Tompo

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1 dia ahitana fampianarana fanampiny ho an’i Joseph Smith, Oliver Cowdery ary i John Whitmer mikasika ireo asa ara-panahy sy ara-batana izay asaina ataon’izy ireo. Nohamafisin’ny Tompo indray tamin’izay ny fitsipika manan-danja iray mikasika ny fitantanana ny Fiangonana. Mba hampahafantarana ity fitsipika ity dia amporisiho ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mandeha miaraka amin’izy ireo manatrika fivoriana izay hanohanana mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny namana iray mivavaka any amin’ny fiangonana hafa. Anontanio azy ireo ny fomba hanazavany amin’ilay namany ny fanaovana fanohanana. (Asao ny mpianatra roa hilalao an-tsehatra an’ity tantara noforonina ity.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady andian-teny iray mifandray amin’ny fanaovana fanohanana. Rehefa voavaky ilay andininy dia anontanio amin’ny mpianatra ny zavatra hitany. Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny izay milaza ity fitsipika manaraka ity: Ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonana dia hotontosaina amin’ny faneken’ny rehetra.

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “faneken’ny rehetra”? (Azonao atao ny manazava fa ny “faneken’ny rehetra” dia entina ilazana ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana izay mampiasa ny fahafahany misafidy mba hilazany ny fahavononany na ny tsy fahavononany hanohana zavatra iray atolotry ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. Mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy an’ny tsatòka ary fihaonamben’ny Fiangonana dia asaina isika mba haneho ny fanekentsika amin’ny alalan’ny fananganana ny tanantsika havanana.)

  • Inona no maha samy hafa ny fanohanana amin’ny faneken’ny rehetra amin’ny fifidianana?

Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny fanjakan’ny Tompo dia matetika ny Tompo no mampahafantatra ireo fanapahan-keviny amin’ireo mpitarika voatendriny. Amin’ny tranga sasantsasany anefa dia avelany mandray fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ny fahefana nomena azy ireo ireo mpitarika. Manamafy ireo fanapahan-kevitra ireo ny Fanahy Masina ary avy eo ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mampiasa ny fahafahany misafidy mba hanehoana ny fahavononan’izy ireo hanohana ilay fanapahan-kevitra. Ny lalàn’ny faneken’ny rehetra dia mihatra amin’ireo antso ao amin’ny Fiangonana, ireo ôrdônansin’ny fisoronana ary ireo fanambarana. Mandray anjara amin’ny lalàn’ny faneken’ny rehetra isika isaky ny manangana ny tanantsika mba hanohana olona iray na fanapahan-kevitra iray mandritra ny fivoriam-bavaka iray ao amin’ny Fiangonana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny fanohanantsika ny hafa dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity. Asao ny mpianatra rehetra hihaino zavatra telo izay hanolorantsika tena ho atao rehefa manohana ny hafa amin’ny faneken’ny rehetra isika.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny fomba fanao amin’ny fanohanana dia mihoatra lavitra ny fahazarana manangan-tanana fotsiny. Izany dia fanolorantena ny hamporisika sy hanohana ary hanampy ireo izay voafidy” (“This Work Is Concerned with People,” Ensign, May 1995, 51).

  • Inona no hanolorantsika tena mba ho atao rehefa manangana ny tanantsika isika mba hanohana ny hafa ?

Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka efa notohanana tamin’ny fanaovana ôrdônansy na fampiakarana kilasy na tamin’ny antso.

  • Inona no tsapanao mikasika ny hoe nahazo fanohanana?

  • Ahoana no azontsika hanohanana ny hafa amin’ireo fomba telo nofaritan’ny Filoha Hinckley? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

Asao ireo mpianatra hanoratra ny anaran’ny olona iray izay notohanan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fananganany ny tanany (ohatra, ny mpaminany, ireo apôstôly, ny eveka, na ireo mpitarika ny zatovo). Asaivo manoratra asa iray izay ho ataon’izy ireo ny mpianatra mba hanohanana tsaratsara kokoa io olona io. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fanohanana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13. Fahagagana

Ireo fahagagana voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13 dia ireo famantarana izay nolazain’ny Tompo fa hanaraka izay mino (jereo ny Marka 16:17–18). Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra fa “ny toerana izay nahitana ny fisoronan[’ny Tompo] ary nahitana finoana dia nahitana ireo famantarana ny hery, tsy entina hisehosehoana fa hitahiana ny olona” (“President Kimball Speaks Out on Administration to the Sick,” New Era, Oct. 1981, 45). Amin’izao androntsika izao dia mahazo fanasitranana sy fahagagana tahaka ny efa nandraisany izany hatrizay ireo izay mino. Na izany aza dia tsy rentsika daholo ny mikasika ireo fanasitranana sy fahagagana rehetra izay mitranga. Masina ny zavatra iainana toy izany. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mahazo fahatsapana ny hitazona izany ho tsiambaratelo sy ho azy ireo manokana ny olona izay mahazo fahagagana toy izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:15. Inona no hevitry ny hoe “[manintsana] ny vovoka hiala ny tongotrareo”?

Nampianatra ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona James E. Talmage

“Ny fanarahana ny fomba fanintsanana ny vovoka hiala ny tongotry ny tena mba ho vavolombelona hanohitra ny olona iray dia takatr’ireo Jiosy fa marika entina maneho ny fitsaharana amin’ny finamanana sy ny fialana mba tsy ho tompon’andraikitra amin’ireo vokatra izay mety haterak’izany. Lasa ôrdônansy fiampangana sy vavolombelona izany tamin’ny alalan’ny fampianarana izay nomen’ny Tompo ireo apôstôliny. … Nandritra ity fotoampitantanana ity dia nanome baiko toy izany an’ireo mpanompony izay nomena lalana koa ny Tompo mba hijoro ho vavolombelona hanohitra ireo izay minia sy manana tanjona ratsy hanohitra ny fahamarinana rehefa ampahafantarina amin’ny alalan’ny fahefana izany (jereo ny Fot. sy Fan. 24:15; 60:15; 75:20; 84:92; 99:4). Ny andraikitra mba hijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ny Tompo amin’ny alalan’ity tandindona fiampangana ity dia tena lehibe tokoa ka noho izany dia tsy azo ampiasaina io fomba io raha tsy amin’ny toe-javatra tsy mahazatra sy tena efa goavana ihany, araka izay hitarihan’ny Fanahin’ny Tompo” (Jésus le Christ, ed. faha-3. 1916, 345; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 50).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1. “Hampahafantarina anareo izay hataonareo”

Tao anatin’ny fanambarana iray nomena an’i Joseph Smith, Oliver Cowdery ary i John Whitmer dia nilaza ny Tompo fa amin’ny “fihaonambe manaraka … dia hampahafantarina azy ireo izay [hataon’izy ireo]” (F&F 26:1). Nomena tamin’ny volana jolay 1830 io fanambarana io. Tamin’ilay fihaonambe natao ny volana Septambra 1830 dia “notendrena tamin’ny feon’ny Fihaonambe mba handray sy hanoratra ny Fanambarana Didy ho an’ity Fiangonana ity” i Joseph Smith (ao amin’ny Far West Record: Minutes of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 1830–1844, navoakan’i Donald Q. Cannon sy i Lyndon W. Cook 1983, 3).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2. Inona no antony mety hanehoan’ny olona iray safidy fa tsy mankasitraka izy ireo ?

Nampianatra mikasika ireo toe-javatra izay hanaovana ireo safidy fanehoana tsy fankasitrahana ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tsy manana zo hanangan-tanana hanoherana ny olona iray izay tendrena amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana aho, na inona izany na inona, noho ny antony tsotra fotsiny hoe mety tsy tiako izy, na noho ny tsy faneken’ny tenako na ny fahatsapana mety ananako, fa tokony hoe rehefa meloka ihany izy noho ny fanaovana ny tsy mety, noho ny fandikana ireo lalàn’ny Fiangonana izay hahatonga azy tsy ho mendrika ilay antso iantsoana azy mba hotanterahiny” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 3:124; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 52).

Hamoaka printy