Seminera sy Institiota
Lesona 109: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104


Lesona 109

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104

Fampidirana

Nanana fahasahiranana ara-bola ny Fiangonana tamin’ny lohataonan’ny 1834 ary tsy nahomby ireo ezaka natao mba hanangonana vola ho fanampiana izany. Tamin’ny volana martsa 1832, dia nanangana fikambanana iray izay nantsoina hoe Orinasa Miray ireo mpitondra ny Fiangonana tany Ohio mba hitantanana ireo tombontsoa eo amin’ny raharaham-barotra an’ny Fiangonana tamin’ny fomba izay hanampy amin’ny fanorenana an’i Ziona sy hikarakarana ny mahantra (jereo ny F&F 78). Nihaona tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tany Missouri i Joseph Smith sy ireo olona hafa tamin’ny aprily 1832 ary nanangana ny Orinasa Miray tao amin’ny Fivondronan’i Jackson (jereo ny F&F 82). Ireo sampana roa ireo—ny iray tany Ohio ary ny iray tany Missouri—dia nitohy nandritra ny roa taona. Nanapa-kevitra ny handrava ilay fikambanana ireo mpikambana tao amin’ilay orinasa nandritra ny fivoriana natao tamin’ny 10 aprily 1834. Nandray fanambarana anefa i Joseph Smith teo amin’ny roa herinandro taorian’izay “fa tokony hatsangana indray ilay orinasa” ary “tokony hozaraina amin’ny fitantanan-draharaha amin’ny mpikambana ao aminy ireo fananana” (fampidirana ny F&F 104). Nosoloina hoe “Lamina Miray” ilay voambolana hoe “Orinasa Miray” tao anatin’izany fanambarana izany teo ambany fitarihan’i Joseph Smith. Nanoro hevitra ireo mpitarika ny Fiangonana ihany koa ny Tompo mahakasika ireo trosan’izy ireo ary nanome torolalana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny amin’ny fomba hikarakaran’izy ireo ny mahantra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:1–18

Manome torolalana mikasika ny Lamina Miray ny Tompo

Mametraha zavatra mavesatra iray (toy ny boky lehibe na vato iray) manoloana ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray mba hanainga ilay zavatra amin’ny fampiasana rantsan-tanana iray ihany. Tokony ho sarotra na tsy afaka atao izany, kanefa avelao hanandrana ilay mpianatra. Dia omeo alalana hanasa mpiara-mianatra ilay mpianatra mba hanampy hanainga ilay zavatra. Tsy maintsy mampanantena ireo mpianatra izay manampy fa hanampy mandra-pahavoahaingan’izy ireo ilay zavatra, ary tsy maintsy mampiasa rantsan-tanana iray ihany koa izy ireo. Avelao hanohy hanasa mpianatra maromaro kokoa ilay mpianatra voalohany mandra-pahafahan’izy ireo manainga ilay zavatra.

  • Inona no nilaina mba hanaingana ilay zavatra mavesatra? (Mety ho anisan’ny valinteny ny fiaraha-miasa, ny firaisan-kina, sy ny sisa.)

Hazavao fa tamin’ny fiandohan’ny Fiangonana dia enta-mavesatra ho an’ny Fiangonana ny olana ara-bola. Tamin’ny volana Martsa sy Aprily 1832 dia nandidy ireo mpitarika ny Fiangonana ny Tompo mba hanangana ny Orinasa Miray, izay nanaovan’ireo mpikambana fanekempihavanana tao amin’izany fa hiara-hiasa izy ireo ary ho tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny raharaham-barotra sy ny asa famoaham-boky mba hanenany ny trosan’ny Fiangonana sy hikarakarana ny mahantra ary hampandrosoana ny asan’ny Tompo. Nantsoina hoe Orinasa Miray izany fikambanana izany tany am-piandohana (jereo ny fampidirana ny fizarana 78, 82, ary 104 ao amin’ny edisiôna 2013 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana). Tamin’ny lohataonan’ny 1834 dia nieritreritra ny handrava ilay orinasa ireo mpitarika ny Fiangonana noho ny trosa. Tamin’ny 23 aprily1834 dia nahazo ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104 ny Mpaminany Joseph Smith izay nanambaran’ny Tompo ny tokony hatao amin’ny Orinasa Miray sy ny fananana ao amin’izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay tian’ny Tompo hataon’ireo mpitarika ny Fiangonana amin’ilay Orinasa Miray. (Mialoha ny hamakian’ny mpianatra dia hazavao fa nilaza i Joseph Smith taty aoriana fa ny andian-teny hoe “Orinasa Miray” sy nosoloina hoe “Lamina Miray” tao anatin’ilay fanambarana izay navoaka.) Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:1–4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady antony iray tamin’ireo olan’ny Lamina Miray. Mety mila manazava ianao fa ao amin’ny andininy 4, ny teny hoe fimatimatesan-karena dia ilazana ny faniriana feno fitiavan-tena mba hahazo zavatra iray, indrindra ny zavatra izay ananan’ny olona hafa.

  • Inona no nodikain’ny sasany tamin’ireo rahalahy noho ny fimatimatesan-karena?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay zavatra nampiasaina tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Angataho izy ireo mba hisaintsaina izay mety ho nitranga raha toa ka nampanantena ny hanampy ireo mpianatra kanefa nanova ny eritreriny ka nanapa-kevitra ny hisitaka rehefa nampiakarina ilay zavatra.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:5–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanambara ny Tompo fa ireo vokatry ny fandikana ny fanekempihavanana mifanaraka tamin’ny Lamina Miray dia ahitana ny hoe voaozona sy fanalana tsy ho ao amin’ny Fiangonana (jereo ihany koa ny F&F 78:11–12; 82:11–21).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–13 ka hitady izay nolazain’ny Tompo fa horaisin’ny mpikambana tsirairay tao amin’ny Lamina Miray. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Azonao atao ny manazava fa ny mpitantan-draharaha dia olona iray izay nomena andraikitra amin’ny fananana izay an’ny olona hafa.

  • Araka ny andininy 12–13, dia nahoana ny Tompo no nanendry fitantanan-draharaha tamin’ny mpikambana tsirairay tao amin’ny Lamina Miray?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:14 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady hoe iza no tompon’ilay fananana mifanaraka tamin’ny Lamina Miray.

  • Iza no tompon’ilay fananana izay homena ireo mpikambana tao amin’ny Lamina Miray? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Nahary ny tany ny Tompo ary Azy ny zavatra rehetra ao amin’izany.)

  • Ahoana no mety hanovan’izany fahamarinana izany ny fomba fijerinao sy ny fampiasana ny fanananao?

Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–18 ireo mpianatra. Angataho izy ireo mba hamantatra ny fomba nampianaran’ny Tompo ireo mpitantan-draharahany amin’ny fampiasana ireo zavatry ny tany.

  • Ahoana no hitiavan’ny Tompo hamatsiana ny Olomasiny?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “hasandratra ny mahantra amin’ny fanetrena ny manan-karena”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’izany teny nambara izany dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ny fomban’ny Tompo dia ny manampy ny olona mba hahafahany manampy ny tenany. Hasandratra ny mahantra satria miasa ho an’ny fanampiana tsy maharitra izay azony izy ireo, ampianarina ireo fitsipika marina izy ireo ary afaka manandratra ny tenany avy ao amin’ny fahantrana mankamin’ny fizakan-tena. Haetry ny manankarena satria manetry ny tenany izy mba hanome amin-kalalahan-tanana amin’ny fananany ho an’ireo sahirana” (“Inspired Church Welfare,” Ensign, mey 1999, 77).

  • Inona ireo fitsipika ampianarin’ny andininy 17–18 momba ny andraikitsika mba hanampy ny hafa? (Mety hahita fitsipika samihafa ny mpianatra ka anisan’izany izao manaraka izao: Tompon’andraikitra isika amin’ny fampiasantsika ny zavatra nomen’ny Tompo antsika mba hanampiana ny hafa. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ireo “mahantra sy sahirana” mba tsy ho ireo izay mila fanampiana ara-bola ihany fa ireo izay mila fanampiana ara-panahy, ara-pihetseham-po, ara-tsaina ary ara-piarahamonina ihany koa. Toy izany koa, afaka mieritreritra momba ny harentsika ho mihoatra ny vola fotsiny na ireo fananana ara-pitaovana izay ananantsika isika. Ny harentsika dia ahitana ny fotoantsika, ny talentantsika, ny fahalalantsika, ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary ireo fahaiza-manaontsika.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny hizarantsika amin’ny harentsika amin’ireo izay sahirana?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny ezaka ataon’izy ireo mba hanampiana ny mahantra sy ny sahirana. Angataho izy ireo mba hanoratra tanjona iray ny amin’ny fomba hampiasan’izy ireo izay nomen’ny Tompo azy ireo mba hanampiana olona sahirana iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:19–77

Nanome torolalana mikasika ny Lamina Miray sy ny fitantanan-draharaha ary ny tahiry ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:19–53 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome torolalana manokana momba ny fitantanan-draharaha izay napetraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Lamina Miray ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:23, 25, 31, 33, 35, 38, 42, 46. Angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hitady ny lamina ao amin’ireo fampanantenan’ny Tompo amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ilay lamina. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Anontanio ny mpianatra ireo teny na andian-teny izay averimberina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Hazavao fa ny andian-teny “Ary raha” dia midika hoe “raha toa izy ka” na “satria izy.”

  • Inona no ampianarin’izany andian-teny izany antsika momba ny fomba fiantraikan’ny fankatoavantsika amin’ireo fitahiana izay raisintsika?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Raha manetry tena sy mahatoky isika, dia … ny Tompo.

Anontanio ny mpianatra ny fomba hamenoan’izy ireo izany fitsipika izany. (Ampiasao ny tenin’izy ireo mba hamaranana ilay fitsipika tsy feno eny amin’ny solaitrabe. Ohatra: Raha manetry tena sy mahatoky isika, dia hampitombo ireo fitahiana azontsika ny Tompo.)

  • Oviana ianao no nahita olona notahiana tamin’ny fahatokiana tamin’ireo andraikiny amin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo ho mahatoky amin’ireo andraikitra izay nomen’ny Tompo azy ireo.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:54–77 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome torolalana ny Tompo ny amin’ny fananganana tahiry hiarovana ny lelavola izay hampiasaina ho tombontsoan’ny Fiangonana, tahaka ny fanontana ny Soratra Masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78–86

Nanoro lalana ireo mpitarika ny Fiangonana ny tompo mikasika ireo trosan’ny Lamina Miray

Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina raha toa ka efa nangatahina hanao zavatra izay noeritreretin’izy ireo fa tsy azo atao velively izy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany.

Hazavao fa tamin’ny dingan’ny fankatoavana ireo didin’ny Tompo dia niharan’ny trosa be ny Lamina Miray. Zava-nitranga betsaka no nanakana ilay lamina tamin’ny fandoavana ny trosany. Ohatra, ny fanimban’ireo mpihetraketraka ny trano printy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri dia nandray anjara amin’ny fitohizan’ny fahasahiranana ara-bola, ary nanakana ny Olomasina tsy hampiasa ny trano fitehirizana tao Independence ireo mpihetraketraka.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny trosan’ny Fiangonana.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’ireo mpikambana tao amin’ny Lamina Miray?

Mariho fa ny famerenana ny trosa dia mety ho sarotra tanterahina ho an’ireo Olomasina kanefa nanome torolalana mba hanampiana azy ireo ny Tompo. Soraty eo an-tampon’ny tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe ny hoe: RAHA sy DIA. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:80–82 ny mpianatra iray. Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady izay nangatahin’ny Tompo tamin’ireo mpikambana mba hataon’izy ireo hahazoana ny fanampiany amin’ny fandoavana ny trosan’izy ireo. Angataho ilay antsasany hafa mba hanaraka ny vakiteny ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo fa ho ataony hanampiana ny Olomasina rehefa mandoa ny trosany izy ireo. Asa ny vondrona voalohany mba hirakitra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe RAHA, ary asaivo manoratra ny valintenin’izy ireo eo ambanin’ny hoe DIA ilay vondrona faharoa.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:80–82? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hamantatra zavatra tahaka izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha toa isika ka manetry tena sy mahatoky ary miantso ny anaran’ny Tompo dia hanampy antsika hanatanteraka izay nangatahiny ho ataontsika Izy.)

  • Inona no nangatahin’ny Tompo mba ho ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao izay mety azo lazaina fa sarotra? Inona araka ny eritreritrareo no anjara asan’ny fanetrentena sy fahatokiana ary ny vavaka amin’ny fanatanterahana ireo zavatra izany nangatahin’ny Tompo mba ho ataonao?

  • Iza avy ao amin’ny Soratra Masina no ohatra amin’ilay fitsipika hitantsika tao amin’ny andininy 80–82? Iza no fantatrao ankehitriny fa ohatra amin’izany fitsipika izany?

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina ny fomba iray izay ahafahan’izy ireo ho manetry tena sy mahatoky ary mivavaka bebe kokoa mba hahafahan’ny Tompo manampy azy ireo manatanteraka ireo zavatra izay nangatahiny mba ho ataon’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–18. Ny andraikitsika mba hikarakara ny mahantra sy ny sahirana

Niresaka momba ireo fitahiana azontsika rehefa mikarakara ny mahantra sy ny sahirana ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Marion G. Romney

“Tsotra amin’ny Tompo ny manambara amin’ny [Filohan’ny Fiangonana] ny toerana ahitana solitany sy vato sarobidy. Dia hanakarama olona iray mba handavaka izany isika ka afaka ho tonga tena mpanan-karembe—ary hitondra antsika mivantana any amin’ny Helo izany harena izany. Tsia, tsy tena mila antsika mba hikarakara ny mahantra ny Tompo, kanefa mila izany traikefa izany isika; satria amin’ny alalan’ny fianarantsika ny fomba hifampikarakarana no hampiroboroboantsika ny fitiavana araka an’i Kristy ao anatintsika sy ny toe-panahy ilaina mba hahamendrika antsika hiverina eo anatrehany” (“Living Welfare Principles,” Ensign, nôv. 1981, 92).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:16. Ny fomban’ny Tompo amin’ny famatsiana ho an’ny Olomasina

Nampianatra momba ny fomban’ny Tompo amin’ny famatsiana ny Olomasina ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Maro ny olona sy fikambanana tsara manerana izao tontolo izao izay miezaka manome ireo zavatra ilain’ireo mahantra sy sahirana eny rehetra eny. Feno fankasitrahana isika ny amin’izany, kanefa ny fomban’ny Tompo amin’ny fikarakarana ireo izay mila fanampiana dia mifanohitra amin’ny fomban’izao tontolo izao. Nilaza ny Tompo hoe ‘Tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako’ [F&F 104:16]. Tsy ny zavatra ilaintsika eo no eo ihany no mahaliana Azy; fa tena miahiahy ny amin’ny fivoarantsika mandrakizay ihany koa Izy. Noho izany antony izany, ny fomban’ny Tompo dia tsy maintsy ahitana ny fizakan-tena sy ny fanompoana ny namantsika ho fanampin’ny fikarakarana ireo mahantra.” (“Manome araka ny fomban’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 54).

Filoha Marion G. Romney

Nampianatra ihany koa ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny tanjona lehibe kokoa amin’ny famatsiana amin’ny fomban’ny Tompo: “Ny adidy voalohany amin’ny fanampiana ny mahantra amin’ny alalan’ny Fiangonana dia tsy ny hitondra fanampiana ara-nofo ho an’izay manahirana azy ireo fa ho famonjena ny fanahiny” (“The Role of Bishops in Welfare Services,” Ensign, nôv. 1977, 81).