Seminera sy Institiota
Lesona 19: Joseph Smith—Tantara1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13


Lesona 19

Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Fampidirana

Nandeha tao anaty ala teo akaikin’ny toeram-pambolena sy fiompian’i Joseph tao Harmony, Pennsylvanie i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny 15 Mey 1829 mba hanontany ny Tompo rehefa avy nandika ny andinin-tsoratra masina iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manantitrantitra ny maha-manan-danja ny ôrdônansin’ny batisa. Raha nivavaka izy ireo dia niseho taminy i Jaona Mpanao Batisa amin’ny maha-olona nitsangana tamin’ny maty azy. Nanome azy ireo ny Fisoronana Aharôna izy, nandidy azy ireo mba hifanao batisa teo amin’ny Reniranon’i Susquehanna teo akaiky teo, ary dia nandidy azy ireo mba hifanosotra amin’ny Fisoronana Aharôna. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ny tenin’i Jaona tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Taorian’ny batisan’izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina i Joseph sy i Oliver ka niaina fitahiana lehibe izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontanina manaraka ireto alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana na ataovy amin’ny taratasy zaraina ho an’ny mpianatra tsirairay izany (aza atao ao ny valiny). Rehefa tonga ao am-pianarana ny mpianatra dia asao izy ireo hamaly ireo fanontaniana eo amin’ny taratasy iray na ao amin’ny taratasy nozaraina ho azy ireo. Raha ilaina dia lazao fa afaka mampiasa ny lisitr’ireo lohahevitra nalahatra araka ny abidia ao amin’ny boky telo mitambatra izy ireo (jereo ny Fisoronana, Aharôna”) na ny torolalana ho an’ny soratra masina (jereo ny “ Fisoronana Aharôna ”) mba hahitana ireo valinteny marina. Azonao atao ny miandry ambara-panoratry ny mpianatra ny valintenin’izy ireo alohan’ny hanombohanao ny fampaherezam-panahy.

  1. Aiza ao amin’ny soratra masina no ahafahantsika mianatra momba ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna?

  2. Firy ny daty namerenana tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna?

  3. Iza no anaran’ilay anjely izay namerina tamin’ny laoniny teto an-tany ny Fisoronana Aharôna tamin’ny alalan’ny fanomezana izany tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery?

  4. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezana azy ireo ny Fisoronana Aharôna?

  5. Inona koa no nampanantenain’ilay anjely an’i Joseph sy i Oliver fa ho azon’izy ireo? Avy amin’iza no ahazoan’izy ireo izany?

Valiny: (1) Joseph Smith—Tantara na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; (2) 15 mey 1829 [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72]; (3) Jaona Mpanao Batisa [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72]; (4) Tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68, 71]; (5) Nilaza tamin’izy ireo i Jaona Mpanao Batisa fa hahazo ny Fisoronana Melkizedeka avy amin’ny Apôstôly Petera, Jakôba ary Jaona izy ireo any aoriana any [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72].)

Aorian’ny fampaherezam-panahy dia asaivo mizara ny valinteniny amin’ilay fanontaniana voalohany ny mpianatra. Rehefa avy namaly tsara izany araka ny tokony ho izy izy ireo dia asaivo miasa tsiroaroa ny mpianatra ka hifampijery ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ambiny. Lazao ny mpianatra mba hampiasa ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72 sy ny famaritana nataon’i Oliver Cowdery izay manaraka ny Joseph Smith—Tantara. Azonao atao ny mampifamadibadika ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hahita ireo valinteny marina.

Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia avereno jerena miaraka ireo valinteny. Rehefa miara-mijery ireo valim-panontaniana ireo ianareo dia ampio ny mpianatra hamantatra sy hahatakatra ireto fotopampianarana manaraka ireto: Namerina tamin’ny laoniny teto an-tany ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72 Omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny fisoronana (jereo nyJoseph Smith—Tantara 1:68, 71). Rehefa mamerina mijery ny valintenin’ny mpianatra koa ianao dia hazavao fa nahazo ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’i Petera, Jakôba ary Jaona i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny volana Mey 1829 (jereo ny Larry C. Porter, The Restoration of the Aaronic and Melchizedek Priesthoods,”Ensign,des. 1996, 30–47).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:68. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ka nitarika azy ireo hanontany ny Tompo momba ny batisa ho famelana ny fahotana.

  • Araka ity andinin-tsoratra masina ity, inona no nitarika an’i Joseph sy i Oliver hanontany momba ny batisa ho famelana ny fahotana? (Teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna izy ireo no nahita ireo fampianarana mikasika ny batisa ho famelana ny fahotana.)

Ampahafantaro ny mpianatra fa tena manan-danja ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna ka nampidirina tao amin’ny fizarana faha-13 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny tenin’i Jaona Mpanao Batisa. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra hoe tamin’ny fomba ahoana no namalian’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna ny fangatahan’i Joseph sy i Oliver mba hahafantatra bebe kokoa momba ny batisa ho famelana ny fahotana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no namalian’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna ny fangatahan’i Joseph sy i Oliver mba hahafantatra bebe kokoa momba ny batisa ho famelana ny fahotana?

Ataovy eo amin’ny solaitrabe ny sarina varavarana tsotra iray miaraka amin’ny lavaka fampidirana fanalahidy.

sarina varavarana
sarina fanalahidy
  • Inona no tanjon’ny varavarana iray? (Eo am-pifanakalozan’ny mpianatra hevitra momba ity fanontaniana ity dia ampio izy ireo hahita fa mipetraka eo amin’ny fisokafan’ny lalana iray mankany amin’ny toerana hafa ny varavarana iray. Ankoatra izany, dia afaka mamela antsika any ivelany na mampiditra antsika ao anatiny ny varavarana iray.)

Ampisehoy andiam-panalahidy ny mpianatra, (na manaova sarina andiam-panalahidy tsotra eo amin’ny solaitrabe) dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ifandraisan’ny fanalahidy iray amin’ny asan’ny varavarana iray? (Manidy na mamoha varavarana ny fanalahidy. Rehefa mampiasa fanalahidy iray mba hamohana varavarana iray isika dia mamela antsika hiampita sy hiaina ny zavatra any amin’ilay faritra ilany izany.)

Hazavao fa ampiasain’ny Tompo ny fanalahidy ho toy ny tandindon’ny fahefan’ny fisoronana, izay manokatra ny lalana ho antsika mba hahazoana fahafahana manao zavatra maharitra mandrakizay sy fitahiana. Asao ny mpianatra mba handinika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1, hitady ireo fanalahidy mifanaraka amin’ny Fisoronana Aharôna. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ireo fanalahidy ireo ao amin’ny soratra masiny rehefa hitany izany.

  • Inona no nolazain’i Jaona Mpanao Batisa fa fanalahidy hazonin’ny Fisoronana Aharôna? (Ny Fisoronana Aharôna no mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely, sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana, ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana. Azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hanoratra io fanambarana io eo ambanin’ilay sarina varavarana eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo fitahiana atolotr’izany ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. (Manaova tahadika kelin’ity teny nambara ity ho an’ny mpianatra tsirairay mba hotehiriziny ao anatin’ny soratra masiny.)

Loholona Dallin H. Oaks

“Inona no dikan’ny hoe mihazona ny [fanalahidin’ny] ‘filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa ho famelana ny fahotana’ ny Fisoronana Aharôna’? Ny hevitr’izany dia hita ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Ny batisa dia ho an’ny famelana ny fahotana, ary ny fanasan’ny Tompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana entiny. Samy tokony hialohavan’ny fibebahana izy roa ireo. …

“Tsy misy na dia iray aza [amintsika] ka hoe niaina tsy nanao fahotana hafa taorian’ny batisa[ntsika]. Raha tsy misy fanadiovana fanampiny atolotra aorian’ny batisantsika dia samy very avokoa isika tsirairay raha ny ara-panahy. …

“Didiana isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavanana mifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. …

“Tsy afaka ny hoe diso manantitrantitra be loatra ny lanjan’ny Fisoronana Aharôna isika mikasika izany. Tanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansim-panavotan’ny batisa sy ny ôrdônansim-panavaozan’ny fanasan’ny Tompo ireo dingana manan-danja mikasika ny famelana ny fahotana rehetra ireo. Ireo ôrdônansy ireo dia samy tanterahin’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna eo ambany fitarihan’ny episkôpà, izay mampiasa ireo fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa ho famelana ny fahotana” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, Nôv. 1998, 37–38).

  • Ahoana no hanampian’ireo fanalahidy ireo antsika mba handraisana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Araka ny Loholona Oaks, iza no mitarika ny fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa any amin’ny sampana tsirairay?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka nataon’ny Loholona Oaks izao:

Loholona Dallin H. Oaks

“Fony aho mbola tanora mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia tsy nieritreritra ny hahita anjely iray aho, ary nanontany tena aho hoe inona no hidiran’ny fisehoana toy izany amin’ny Fisoronana Aharôna.

“Mety ho tsy hita maso ihany koa ny fanompoan’ny anjely. Ny hafatra avy amin’ny anjely dia mety ambara amin’ny alalan’ny feo na amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra izao, na amin’ny alalan’ny fahatsapana mifandray amin’ny saina” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” 39).

Manasà mpianatra iray ho eny anoloana ka hitazona ny sary mitondra ny lohateny hoe Zatovolahy iray atao batisa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 103; jereo koa ny LDS.org) sy ny Manamasina ny fanasan’ny Tompo (lah. 107), raha misy.

Zatovolahy iray atao Batisa
Manamasina ny Fanasan’ny Tompo
  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna eo amin’ny eritreritrao na ny asanao eo am-panomananao na eo am-pikarakaranao na eo am-pandraisanao ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro?

Asao ireo zatovovavy ao amin’ny kilasy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Fisoronana Aharôna sy ireo fitahiana entin’izany eo amin’ny fiainany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny antony hitiavanao ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

Joseph Smith—Tantara 1:73–75

Niaina fitahiana lehibe i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery taorian’ny batisan’izy ireo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:73. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra niainan’i Joseph sy i Oliver taorian’ny nanaovana ny batisan’izy ireo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo fehezan-teny ireo ao amin’ny soratra masiny.

  • Inona no tonga tamin’i Joseph sy i Oliver taorian’ny nanaovana ny batisan’izy ireo?

Satria tsy mbola nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina i Joseph sy i Oliver dia ny herin’ ny Fanahy Masina no tsapan’izy ireo tamin’ity fotoana ity. Nandray ny Fisoronana Melkizedeka mba hanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina i Joseph sy i Oliver tamin’ny andro iray hafa taty aoriana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:70; jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, Fanahy Masina,” scriptures.lds.org).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:74. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady fitahiana iray miavaka noraisin’i Joseph sy i Oliver tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Rehefa avy nanao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fotopampianarana manaraka izao: Ny Fanahy Masina dia manampy antsika hahatakatra ny hevitra sy ny dikan’ny soratra masina.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mila ny Fanahy Masina isika hanampy antsika hahatakatra ny soratra masina?

  • Oviana no nanampy anao hahatakatra ny “hevitra marina sy ny dikan’ny” soratra masina ny Fanahy Masina?

Asao ny mpianatra mba handany minitra vitsy amin’ny fanoratana ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba ny zavatra hataon’izy ireo mba hanasana ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Joseph Smith—Tantara 1:74. Manana ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina

Niresaka momba ny ilàna ny fananana ny Fanahy miaraka amintsika rehefa mandalina ny soratra masina ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Raha toa isika mikatsaka sy manaiky ny fanambarana sy ny fitaomam-panahy mba hampivelatra ny fahatakarantsika ny soratra masina dia hahatontosa ny fahatanterahan’ilay fampanantenana feno fitaomam-panahin’i Nefia isika fa ireo izay mitady amim-pahazotoana tokoa no ‘hovelabelarina aminy ny mistery momba an’ Andriamanitra … amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina’ (1 Ne. 10:19).

“… Maro amin’ireo zavatra hafa voalaza ao anatin’ny soratra masina no azo takarina amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Araka ny tenin’ny Apôstôly Paoly hoe: ‘Tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany’ (DJS, 1 Kor. 2:11). …

“Nametraka ohatra ho an’ity fotoampitantanana ity i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Heniky ny Fanahy Masina izy ireo taorian’ny batisany. Avy eo, dia nanazava i Joseph tao anatin’ny tantarany manokana hoe: ‘Rehefa nohazavaina ankehitriny ny sainay, dia nanomboka nosokafana ho an’ny faharakaranay ny soratra masina; ary ny hevitra marina sy dikan’ireo andalany saro-pantarina indrindra dia nambara anay tamin’ny fomba izay tsy nety ho takatray na oviana na oviana fahiny, na tsy noheverinay na oviana na oviana teo aloha’ (Joseph Smith—T 1:74

“Hoy i Paoly tamin’i Timoty hoe: ‘ny soratra masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra’ (2 Tim. 3:16; jereo koa ny 2 Pet. 1:21). Izany dia midika fa mba hahatakarana ny soratra masina dia mila hazavain’ny Fanahin’ny Tompo ny saintsika” (“Scripture Reading and Revelation,”Ensign, jan. 1995, 7, 9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1. Inona no tiana hambara amin’ilay hoe zanakalahin’i Levy hanatitra fanatitra ho an’ny Tompo?

Nanome izao fanazavana manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith momba ilay fanatitra izay hatolotry ny zanakalahin’i Levy:

Mpaminany Joseph Smith

“Nolazaina amin’ny ankapobeny fa vita tanteraka ny fanaovana fanatitra rehefa natolotra ilay Fanatitra Lehibe [izany hoe, ilay soron’i Jesoa Tompo], ary tsy misy ilàna ny ôrdônansin’ny fanatitra intsony amin’ny ho avy: ireo izay mino izany anefa dia tsy mahafantatra ireo adidy sy tombontsoa ary fahefan’ny fisoronana, na tsy mahafantatra ireo Mpaminany.

“Efa nifandray hatrany ary mandrafitra ny ampahany amin’ireo adidin’ny Fisoronana ny fanolorana fanatitra. Nanomboka tamin’ny Fisoronana izany, ary mbola hitohy hatrany mandrapahatongaan’i Kristy, amin’ny taranaka mifandimby. …

“Ireny fanatitra ireny, ary ireo ôrdônansy rehetra eo amin’ny Fisoronana, dia haverina amin’ny laoniny tanteraka sy hiseho tanteraka amin’ny heriny sy ny vokany ary ny fitahiany rehetra rehefa hitsangana ny Tempolin’ny Tompo ka hodiovina ny zanakalahin’i Levy. Nisy ary mbola hisy hatrany izany rehefa hiseho tanteraka ireo herin’ny Fisoronana Melkizedeka; raha tsy izany, ahoana no hahatanteraka ilay famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra izay nolazain’ireo Mpaminany masina? Tsy hoe ekena akory fa ny lalàn’i Mosesy miaraka amin’ireo fomba fanao sy fombafomba maro miaraka amin’izany dia haverina amin’ny laoniny indray; tsy nambaran’ny Mpaminany na oviana na oviana izany; saingy ireo zavatra izay nisy talohan’ny andron’i Mosesy, ny fanatitra izany, dia mbola hitohy” (History of the Church, 4:211–12).

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Miaina ao anatin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana isika izay hanangonana avokoa ny zava-drehetra ho ao amin’izany ary ny zavatra rehetra dia haverina amin’ny laoniny hatramin’ny fiandohana. Na ity tany ity aza dia haverina amin’ny toetra izay nananany talohan’ny fandikan-dalàna nataon’i Adama. Raha izany no izy dia haverina amin’ny laoniny ny lalàn’ny fanatitra, raha tsy izany dia tsy haverina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra izay notendren’ny Tompo. Ho ilaina noho izany, ho an’ny zanakalahin’i Levy, izay nanolotra ireo fanati-drà taloha tany Isiraely, ny manolotra fanatitra toy izany indray mba hahantanteraka sy hahatontosa ity ôrdônansy ity ato amin’ity fotoampitantanana ity. Natsangana tamin’ny andron’i Adama ny fanatitra amin’ny alalan’ny fandatsahan-drà ka tsy maintsy haverina amin’ny laoniny.

“Hotanterahina ny fanatitra hamonoana biby mba hanatontosana ny famerenana amin’ny laoniny rehefa mitsangana ilay tempoly voalaza; amin’ny fiandohan’ny arivotaona, na amin’ny famerenena amin’ny laoniny dia hotanterahina maharitra araka izay ilana izany ny fanati-drà mba hanatontosana ny fahafenoan’ny famerenanana amin’ny laoniny ity fotoampitantanana ity. Aorian’izany dia ho amin’ny endrika hafa no hanatanterahana ny fanatitra” (Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie [1956], 3:94).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1. Fanazavana iray momba ireo fanalahidy

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie fa ireo fanambaran’ Andriamanitra dia mamaritra ny fanalahidy amin’ny fomba roa:

Loholona Bruce R. McConkie

“Misy karazany roa ny fampiasana ny voambolana hoe fanalahidy ao amin’ny fanambarana. Ny iray dia manambara ireo herim-pitarihana izay hitantanana ny Fiangonana na ny fanjakana sy ny fikambanana rehetra ao aminy, ny fanalahidin’ny fanjakana izay ny fahefan’ny fiadidiana. Ilay fampiasana iray hafa dia milaza ny fomba nentina nanambarana na nahitana na nampisehoana ny zavatra iray” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 409–10).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1. Ny fanalahidin’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana

Nanolotra izao fomba fijery ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely manaraka izao ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Tena manan-danja amin’ny fanompoan’ny anjely amin’ny fomba tena akaiky ihany koa ireny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna ireny.

“‘Ny teny hoe “anjely” dia ampiasaina ao amin’ny soratra masina ho an’ny olona rehetra any an-danitra izay mitondra ny hafatr’ Andriamanitra’ (George Q. Cannon, Gospel Truth, sel. Jerreld L. Newquist [1987], 54). Mitanisa ohatra maro izay nahitana anjely iray niseho mivantana ny soratra masina. …

“Mety ho tsy hita maso ihany koa ny fanompoan’ny anjely. Ny hafatra avy amin’ny anjely dia mety ambara amin’ny alalan’ny feo na amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra izao, na amin’ny alalan’ny fahatsapana mifandray amin’ny saina. …

“… Ny ankamaroan’ny hafatra avy amin’ny anjely dia tsapa na re mihoatra noho ny hita.

“Ahoana no hihazonan’ny Fisoronana Aharôna ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely? Mitovy amin’ny an’ny Fanahin’ny Tompo ny valiny.

“Amin’ny ankapobeny dia natao ho an’ireo izay madio ihany ny fitahian’ny finamanana sy ny fifandraisana ara-panahy. Araka ny nohazavaina teo aloha, amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, dia diovina amin’ny fahotantsika isika ary nampanantenaina fa raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia hanana hatrany ny Fanahiny miaraka amintsika. Mino aho fa izany fampanantenana izany dia tsy natao fotsiny hiresahana ny Fanahy Masina fa hiresahana koa ny fanompoan’ny anjely, satria ‘miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny anjely; noho izany dia manambara ny tenin’ i Kristy izy’(2 Nefia 32:3). Noho izany ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharôna dia manokatra ny varavarana ho an’ny mpikambann’ny Fiangonana rehetra izay mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo mba hananana ny Fanahin’ny Tompo ho namana sy iainana ny fanompoan’ny anjely. …

“Mihazona ireo fanalahidin’ny –filazantsaran’ny fibebahana sy ny batisa sy ny famelana ny fahotana– ny Fisoronana Aharôna’ (F&F 84:27). Havaozina ho antsika ny hery manadion’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Manan-danja ho an’ny fiainam-panahintsika ilay fampanantenana fa ‘hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika’ isika (F&F 20:77). Manan-danja ho an’izany rehetra izany ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna” (The Aaronic Priesthood and the Sacrament,”Ensign, nôv. 1998, 38–40).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1. Ny fanompoan’ny anjely

Nanazava mikasika ny fanompoan’ny anjely tamin’izao fomba izao ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Rehefa Filohan’ny Fiangonana i Wilford Woodruff, lehilahy iray izay niaina taona maro sy nanana traikefa maro, dia niteny tamin’ireo zazalahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy nanao hoe: ‘Te hanantitrantitra aminareo aho fa tsy mampiova na inona inona ny hoe Mpisorona na Apôstôly ny lehilahy iray, raha toa ka manatontosa ny antsony izy. Mihazona ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely ny Mpisorona iray’ hoy izy. ‘Tsy mbola nisy velively teo amin’ny fiainako, tamin’ny naha-Apôstôly ahy, tamin’ny naha-Fitopololahy ahy, na tamin’ny naha-Loholona ahy, fotoana nahazoako ny fiarovan’ny Tompo bebe kokoa noho ny tamin’ny fotoana nihazonako ny anjara fanompoan’ny Mpisorona.’ (Millennial Star, 53:629.)

“Eritrereto izany ry rahalahy zandry malalako. Ity fisoronana izay hazoninareo ity dia mitondra ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely miaraka aminy. Izany dia midika, raha adikako, fa raha toa ka miaina ho mendrika ny fisoronana ianareo, dia manana ny zo handray sy hanana ilay tena herin’ireo olona any an-danitra mba hitarika anareo sy hiaro anareo ary hitahy anareo. Zazalahy iza, raha tena mieritreritra tsara izy, no tsy te handray izany fitahiana mahagaga izany?” (“The Priesthood of Aaron,”Ensign, nôv. 1982, 45).