Seminera sy Institiota
Lesona115: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137


Lesona 115

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137

Fampidirana

Tamin’ny 21 janoary 1836 dia nivory niaraka tamin’ireo mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo episkôpà avy tao Kirtland sy Missouri, sy ny rainy ary ny mpitantsorany tao amin’ny efitrano ambony rihana izay saika ho efa vita tanteraka tao amin’ny tempolin’i Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo lehilahy ireo dia nivondrona ho fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny fanomanana amin’ny fanokanana ny tempoly. Tamin’io fotoana io dia nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy ny Mpaminany ary naheno ny Tompo nanambara ny fomba hitsarany ireo izay maty ka tsy nanana ny fahalalana momba ny filazantsara. I Warren Parrish izay mpitantsoratr’i Joseph Smith tamin’izay fotoana izay dia nirakitra ilay fahitana tao amin’ny diarin’ny Mpaminany. Natsofoka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho fizarana 137 taty aoriana ny ampahany amin’ilay rakitsoratra momba ilay fahitana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–6

Nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy i Joseph Smith

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto: (Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ny valinteniny ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina.)

  • Iza no sasany amin’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanareo? Nahoana no manan-danja manokana aminareo izy ireo?

Rehefa nahazo fotoana hisaintsainana ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

  • Nahoana no ho manan-danja aminareo ny mahafantatra fa ireo olona izay tianareo dia hananana fahafahana hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 dia ahitana ny fitantaran’i Joseph Smith ny fahitana iray izay nahitany ny fanjakana selestialy. Notononiny tao anatin’ity fitantarana ity ny anaran’ireo olona sasany izay hitany tao. Asao ny mpianatra mba hamaky ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 mba hianarana ny zava-niseho ara-tantara momba ity fanambarana ity.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny fanjakana selestialy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Manasà mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo izay hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Iza no hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fanjakana selestialy? (Ny Ray any An-danitra, i Jesoa Kristy, Adama, Abrahama, ny ray sy renin’i Joseph, ary i Alvin rahalahin’i Joseph. Mety hanampy ny manamarika fa mbola velona ny ray sy renin’i Joseph tamin’io fotoana io; raha ny marina aza dia tao anatin’ilay efitra niaraka taminy ny rainy tamin’ny fotoanan’ity fahitana ity. Izany dia mampiseho fa ity fahitana ity dia tsy an’ireo izay efa ao amin’ny fanjakana selestialy fa an’ireo izay ho ao any aoriana any.)

  • Araka ny andininy 6, nahoana i Joseph no talanjona rehefa nahita fa ho ao amin’ny fanjakana selestialy i Alvin rahalahiny?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny antony maha-manan-danja manokana izany tamin’i Joseph Smith dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fehezan-teny manaraka ity:

Tia sy nidera fatratra an’i Alvin zokiny i Joseph Smith. Tia an’i Joseph ihany koa i Alvin, ary nanohana an’i Joseph tamin’ny fiomanany handray ireo takela-bolamena avy tamin’ny anjely Môrônia izy. Narary be tampoka i Alvin tamin’ny nôvambra 1823, rehefa 25 taona izy ary 17 taona i Joseph. Rehefa niharatsy ny toe-pahasalamany ary fantatra fa ho faty tsy ho ela izy dia nanoro hevitra an’i Joseph izy hoe: “Tiako ho zazalahy hendry ianao ka hanao izay rehetra ao amin’ny herinao mba hahazoana ireo rakitsoratra. Aoka ho mahatoky amin’ny fandraisana torolalana sy fitandremana ny didy rehetra izay omena anao” (naverina nolazaina ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 401; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 41–42).

Nitondra alahelo lehibe ho andry Smith mianakavy ny fodiamandrin’ Alvin. Nitondra fotoana nandritra ny fandevenana ny pasitera presbyteriana iray tao Palmyra, New York. “Koa satria i Alvin dia tsy mpivavaka tao amin’ny fiangonan’ilay mpitondra fivavahana, dia nanambara ilay mpitondra fivavahana tao anatin’ny lahateniny fa tsy afaka ny ho voavonjy i Alvin. Nitantara i William Smith, zandrilahin’i Joseph nanao hoe: ‘Ilay pasitera … dia nanantitrantitra mafy fa lasa any amin’ny helo i Alvin, satria tsy mpikamban’ny Fiangonana, kanefa izy dia zaza hendry ary tsy tian’ny raiko izany’” (naverina nolazaina tao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 401, 403).

Vatom-pasan’i Alvin Smith

Vatom-pasana maneho ny toerana nandevenana an’i Alvin Smith, zoky lahin’ny Mpaminany Joseph Smith.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ireo fahatsapana izay mety ho nananan’i Joseph rehefa hitany tao amin’ny fanjakana selestialy i Alvin.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–10.

Manambara ny fomba hitsarany ny olona izay maty ka tsy nanana fahalalana momba ny filazantsara ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana i Alvin no afaka hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy na dia tsy natao batisa aza izy nandritra ny androm-piainany?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady fahamarinana iray izay manampy mba hamaliana ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no fahamarinana nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith izay mamaly ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ny olona rehetra izay maty ka tsy nahafantatra momba ny filazantsara, kanefa nandray izany raha afaka, dia handova ny fanjakana selestialy.)

  • Ahoana no hampahery ireo izay manana olon-tiana efa nodimandry kanefa tsy nahafantatra momba ny filazantsara izany fahamarinana izany?

Hazavao fa nanambara ilay fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–8 ny Tompo mialoha ny nanambarany ny fitsipika momba ny batisa ho an’ny maty. Handalina ireo fanambarana momba ny batisa ho an’ny maty ny mpianatra ao anatin’ireo lesona manaraka.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9 ary angataho ny mpianatra rehetra mba hamantatra izay nampianarin’ny Tompo momba ny fomba hitsarany ny olona rehetra.

  • Araka ny andininy 9, dia ahoana no fomba hitsaran’ny Tompo antsika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Ny Tompo dia hitsara antsika araka ny asantsika sy ireo fanirian’ny fontsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no samy manan-danja ireo faniriantsika sy ireo asantsika?

Vakio mafy ny tsirairay amin’ireo ohatra manaraka ireto: Aorian’ny ohatra tsirairay dia angataho ny mpianatra mba hamaly ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no hanehoan’ity ohatra ity ny maha-manan-danja ireo faniriantsika sy ireo asantsika koa?

  1. Manana faniriana marina ny hanambady any amin’ny tempoly ny mpikamban’ny Fiangonana iray. Rehefa avy nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Fiangonana nandritra ny androm-piainany ity mpikambana ity dia nodimandry izy kanefa tsy nanana fahafahana ny hofehezina tamin’ny vady tany amin’ny tempoly.

  2. Mitandrina amim-pahazotoana ireo fanekempihavanan’ny batisany ny zatovolahy iray ary manatanteraka ireo adidiny ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Manana faniriana lehibe ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy kanefa tsy afaka manao izany noho ny fahasembanana ara-batana.

  3. Manana lolom-po amin’ny zatovovavy iray hafa ny zatovovavy iray. Mody minamana fotsiny izy kanefa manantena mangina mba hitrangan’ny zavatra ratsy amin’ilay zatovovavy iray hafa.

  4. Manana eritreritra feno filan-dratsy ny zatovolahy iray, ary tsy mikatsaka ny fanampian’ny Tompo izy mba hanova ireo eritreritra sy fahatsapana ratsiny.

Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny mamaky izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Azontsika antoka ve fa tsy meloka isika eo ambanin’ny lalàn’ Andriamanitra raha toa ka mijanona fotsiny amin’ireo asa ratsy? Ahoana raha manana fisainana sy fanirian-dratsy isika?

“Hisy fahatsapana fankahalana tsy ho tsikaritra ve amin’ny andron’ny fitsarana? Sa ny fialonana? Sa ny fitsiriritana? …

“Ny valintenintsika amin’ny fanontaniana toy izany dia maneho izay mety ho antsointsika hoe vaovao ratsy, fa hoe afaka manota isika fa tsy manao asa ratsy, fa amin’ny fahatsapantsika sy amin’ny fanirian’ny fontsika fotsiny.

“Misy koa ny vaovao tsara. Afaka ny hahazo valisoa amin’ny fahamarinana isika eo ambanin’ny lalàn’ Andriamanitra na dia tsy afaka manao asa izay mifanaraka amin’ny fitahiana toy izany aza isika.

“Rehefa misy olona maniry marina tokoa ny hanao zavatra ho an’ny rafozan-dahiko kanefa tsy nahavita izany noho ny toe-javatra izay misy, dia hoy izy hoe: ‘Misaotra. Ekeko ho toy ny asa ny faniriana tsara.’ Toy izany koa, mino aho fa ny Ray any An-danitra dia handray ny tena fanirian’ny fontsika marina ho solon’ny asa izay tsy azo tanterahina” (“The Desires of Our Hearts,” Ensign, jona 1986, 66).

  • Ahoana no fiantraikan’izany eo aminareo raha mahafantatra fa hotsaraina araka ny asanareo sy ny fanirian’ny fonareo ianareo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10 ary angataho ny mpianatra rehetra hitady fahamarinana hafa izay nampianarin’ny Tompo momba ireo izay handova ny fanjakana selestialy.

  • Araka ny andininy 10, dia iza no hovonjena ao amin’ny fanjakana selestialy? (Tokony hilaza izao fotopampianarana manaraka izao ny mpianatra: Ny ankizy rehetra izay maty mialoha ny ahatongavan’izy ireo ho tompon’andraikitra dia hovonjena ao amin’ny fanjakana selestialy.)

Ampahafantaro ny mpianatra fa tamin’i Joseph Smith nandray ity fanambarana ity, dia nianjadian’ny fahafatesan’ny zanany efatra izy sy i Emma vadiny, anisan’izany ny zanaka iray izay natsangany. Zanak’izy ireo roa no maty teo amin’ny fahazazany ihany koa taty aoriana.

vatom-pasan’i Alvin Smith zazakely

Vatom-pasana maneho ny toerana nandevenana an’i Alvin Smith, ilay zazalahy zanakan’i Joseph sy Emma Smith.

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’ilay fahamarinana nambara ao amin’ny andininy 10 mitondra famkaherezana ho an’ireo fianakaviana izay ory noho ny fahafatesan-janaka. Omeo fotoana hisaintsainana ireo zavatra niainan’izy ireo na niainan’ny olona ao amin’ny fianakaviany ny mpianatra rehetra nitondra fampaherezana izany fahamarinana izany.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana izay noresahinao androany. Azonao atao ny manome fahafahana ho an’ny mpianatra mba hizara ihany koa ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9. Tsaraina amin’ny asantsika sy ny faniriantsika

Nampitandrina momba ireo mety ho fahadisoan-kevitra roa momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9 ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Voalohany dia tokony hotadidiantsika fa ny faniriana dia tsy azo raisina ho solony raha tsy rehefa tena tsy azo atao ilay asa. Raha toa ka manandrana mampiasa ny tsy fahafahana manao asa isika mba hanaronana ny tsy fahampian’ny faniriantsika marina ka tsy manao izay rehetra azontsika atao noho izany mba hanatanterahana ireo asa izay nandidiana antsika dia mety hamitaka ny tenantsika isika kanefa tsy afaka hamitaka ilay Mpitsara Marina.

“Mba hanoloana ny asa, ny faniriana dia tsy afaka ny ho eo ivelany fotsiny na noho ny faniriana tampoka na tsy maharitra. Tsy maintsy avy amin’ny fo izany, lalim-paka tanteraka. Mba hahombiazantsika amin’ny fahazoana fitahiana dia tsy maintsy tena tsara ka azo antsoina hoe avy amin’ Andriamanitra ny fanirian’ny fontsika.

“Faharoa, tsy tokony hilaza isika fa ireo fanirian’ny fontsika dia azo anoloana ny ôrdônansin’ny filazantsara. Saintsaino ireo tenin’ny Tompo rehefa nandidy momba ireo ôrdônansin’ny filazantsara roa Izy: ‘Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.’ (Jaona 3:5.) Ary mikasika ireo ambaratonga telo ao amin’ny voninahitra selestialy dia milaza ny fanambarana maoderina fa “mba hahazoana ny avo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ity lamin’ny fisoronana ity [dia ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana].’ (F&F 131:2.) Tsy misy fanavahana atao ao amin’ireo didy ireo na ankatoavina na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina.

“Amin’ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra, ireo didy matotra izay mifandraika amin’ireo ôrdônansy manan-danja ireo dia ampifandanjana amin’ny fankatoavana avy any an-danitra mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ireo amin’ny alalan’ny fisoloan-tena ho an’ireo izay tsy nanatanteraka izany teo amin’ity fiainana ity. Noho izany, ny olona iray any amin’ny tontolon’ny fanahy izay tena maniry izany dia omena fahafahana amin’ny fandraisana anjara amin’ilay ôrdônansy tahaka ny hoe nanao izany mihitsy ny tenany. Amin’izany fomba izany, amin’ny alalan’ny asa fanompoana feno fitiavana ataon’ireo solontena velona, dia mahazo valisoa amin’ny fanirian’ny fony ihany koa ireo fanahy efa lasana” (“The Desires of Our Hearts,” Ensign, jona 1986, 67).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10. Ny famonjena ireo ankizy kely izay maty

Ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara zavatra niainana iray izay mampiseho ny herin’ny fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10:

Loholona Shayne M. Bowen

“Nahita fianakaviana ahitana olona fito izaho sy ny mpiara-mitory tamiko tao amin’ilay paroasy iray fony izahay misiônera tanora tany Chili. Niangona niaraka tamin’ireo zanany ilay renim-pianakaviana isan-kerinandro. Nihevitra izahay fa mpikamban’ny Fiangonana efa ela izy ireo. Herinandro maromaro taty aoriana dia fantatray fa mbola tsy vita batisa izy ireo.

“Tonga dia niresaka tamin’ilay fianakaviana izahay ary nanontany raha toa ka afaka mandeha any an-tranon’izy ireo sy mampianatra azy ireo.

“Nivoatra haingana dia haingana rahavavy Ramirez tao anatin’ireo lesona. Tsy andriny izay hahafantarana ireo fotopampianarana rehetra nampianarinay. Indray hariva raha niresaka momba ny fanaovana batisa ny zaza izahay dia nampianatra fa tsy manan-tsiny ny ankizy kely ary tsy mila atao batisa. Nasainay izy mba hamaky ao amin’ny bokin’i Môrônia: …

“‘Fa velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika, na dia hatry ny fanorenana izao tontolo izao aza; raha tsy izany dia Andriamanitra miangatra Andriamanitra, ary koa Andriamanitra miovaova sy mizaha tavan’olona; satria firifiry akory ny ankizy madinika efa nodimandry tsisy batisa!’ [Môrônia 8:12.]

“Nanomboka nitomany Rahavavy Ramirez taorian’ny namakiany izany Soratra Masina izany. Nikorontan-tsaina izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko. Nanontany aho hoe: “Ry Rahavavy Ramirez, nisy zavatra nolazainay izay nanafintohina anao ve?”

“Hoy izy hoe: ‘Tsia ry Elder, tsy nisy zavatra tsy nety nataonao akory. Nanan-janaka lahy kely aho enin-taona lasa izay. Maty talohan’ny nahafahanay nanao batisa azy izy. Nolazain’ilay momperanay fa hitoetra any amin’ny limby mandrakizay izy satria tsy vita batisa. Nahatsapa fanaintainana sy fahamelohana nandritra ny enin-taona aho. Rehefa avy namaky ity Soratra Masina ity aho dia nahafantatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa marina izany. Nahatsapa vesatra iray nesorina tamiko aho ary ranomasom-pifaliana izao miseho izao.” …

“Rehefa niaina alahelo sy fanaintainana nila tsy ho zaka nandritra ny enin-taona izy dia nitondra fiadanana tena mamy ho an’ity vehivavy nikorontan-tsaina ity ilay fotopampianarana marina izay nambaran’ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny mpaminany velona iray. Tsy ilaina intsony ny milaza fa dia natao batisa Rahavavy Ramirez sy ireo zanany izay valo taona no ho miakatra” (“Satria velona Aho,dia ho velona koa ianareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 15–16).