Seminera
Lesona 108: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103


Lesona 108

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103

Fampidirana

Nandritra ny fivorian’ny filankevitra avo tany Kirtland ny 24 febroary 1834, no nikatsahan’i Parley P. Pratt sy i Lyman Wight torolalana avy amin’ilay filankevitra mikasika ny fomba hahazoan’ny Olomasina tany Missouri fanampiana ara-pivelomana sy ny fomba hamerenana ho azy ireo indray ny fananan-taniny tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Tamin’io andro io dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 i Joseph Smith, izay ahitana ny fampanantenan’ny Tompo fa havotana ny tanànan’i Ziona. Nandidy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba hanangona ireo loharanom-pitaovana sy hanangona vatan-dehilahy hanampy mba hanavotana ireo Olomasina any Missouri. Io vondron’olona io dia lasa fantatra tamin’ny anarana hoe Tobin’i Ziona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–20

Mampanantena ny Tompo fa havotana i Ziona

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Inona ireo fahavalon’ireo olo-marina amin’izao fotoana izao?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra momba ny fomba hikatsahan’ireo fahavalon’ny Tompo hanakana ny fivoarana ara-panahin’izy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no afaka manakana ny fivoarana ara-panahin’ny sasany amin’ireo olon’ny Tompo ireo fahavalon’ny Tompo?

Rehefa manomboka ny fandalinana sy ny fifanakalozan-kevitra atao androany momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hitady ireo fitsipika izay hanampy azy ireo handresy ny fahavalo toy izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony nahatongavan’i Parley P. Pratt sy i Lyman Wight tany Kirtland, Ohio, avy tany Missouri.

  • Inona no antony nahatongavan’ny Rahalahy Pratt sy ny Rahalahy Wight tany Kirtland?

Hazavao fa nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 i Joseph Smith tamin’ny andro nihaonany tamin’ireo mpitarika roa ireo sy ny filankevitra avo tao Kirtland.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–4 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hitady antony roa namelan’ny Tompo ny fahavalony mba hanenjika ny Olomasina tany Missouri.

  • Araka ny andininy 3–4, dia inona ireo antony roa namelan’ny Tompo ny fahavalony mba hanenjika ny Olomasina? (Ny antony iray dia ny hamelany ireo mpanenjika “mameno ny fatran’ny helony, mba hahatonga ny kapoakany ho feno”—amin’ny teny hafa dia ny hanamarinana ny fitsarany ny olon-dratsy. Antony iray hafa ny hamaizana ireo Olomasina tsy mpankatò.)

  • Araka ny andininy 4, dia nahoana no nilaina ny hamaizana ireo Olomasina? Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “tsy nihaino tanteraka”? (Tsy nankatò tanteraka ny Tompo izy ireo.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:5–7 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hitady izay nampianarin’ny Tompo ireo Olomasina fa tsy maintsy ataon’izy ireo mba handresena ny fahavalony. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mandresy dia midika hoe matanjaka kokoa noho ny mpifanandrina iray na mivoaka ho mpandresy.)

  • Raha toa ka hanaraka ny torohevitry ny Tompo ireo Olomasina “hatramin’[izay] ora [izay],” dia inona no fitahiana ho azon’izy ireo? (Handresy ireo fahavalon’ny Tompo izy ireo “hatramin’[izay] ora [izay].”)

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fomba ahafahantsika mandresy ireo fitaoman’izao tontolo izao? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hilaza izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Rehefa manomboka manaraka ny torohevitry ny Tompo isika, dia mandray hery hoenti-manomboka ny fandresena an’izao tontolo izao.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:8–10 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra izay nanpitandreman’ny Tompo fa hitranga raha mifidy ny tsy hankatò ny teniny isika.

  • Inona ireo vokatra sasany ateraky ny fisafidianana ny tsy hankatò ireo tenin’ny Tompo rehetra? (Mety hahita fitsipika samy hafa ny mpianatra ka anisan’izany izao manaraka izao: Raha tsy mankatò ny didin’ny Tompo isika dia handresy antsika izao tontolo izao. Raha tsy tandremantsika ny tenin’ny Tompo rehetra dia manary ny fahafahana ho tonga fahazavana ho an’ny hafa isika.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo ny olona iray izay tsy mankatò na mankatò ampahany ihany ny Tompo no tsy afaka mandresy ireo fahavalon’ny Tompo?

  • Inona ireo ohatra sasany izay ahafahan’ny olona mahazo fandresena amin’ny fahavalon’ny Tompo iray amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo tenin’ny Tompo? (Ireo ohatra dia mety ahitana ireo olona izay nahazo tanjaka avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fankatoavana mba handresena ny fiankinan-doha na hiaina ny filazantsara aorian’ny fananana fiainana araka ny an’izao tontolo izao.)

Azonao atao ny manazava fa raha toa ka tsy lavorary isika amin’ny fankatoavana ny tenin’ny Tompo, raha toa isika miezaka amim-pahazotoana mankatò Azy sy mibebaka marina rehefa tsy mahavita izay nampanaovina antsika, dia hanampy antsika handresy ny fahavalony ny Tompo.

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina fitsipika iray izay azon’izy ireo atomboka ny fanarahana azy “hatramin’izao ora izao” mba hihainoana bebe kokoa ny torohevitry ny Tompo.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:11–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampanantena an’ireo Olomasina ny Tompo fa havotana amin’ny alalan’ny heriny i Ziona aorian’ny fahoriambe iainan’izy ireo. Raha toa anefa ka mandoto ny lovany ny Olomasina dia hoesorina amin’izy ireo izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:21–40

Nanambara ny fomba hanavotana an’i Ziona ny Tompo

Mialoha ny fotoam-pianarana dia manaova mari-pamantarana izay mivaky hoe: MILA MPILATSAKA AN-TSITRAPO! Asehoy amin’ny toerana ahafahan’ny mpianatra mahita azy izany. Ankoatra izay, dia omano amin’ny taratasy ity filazana ity:

Mila mpilatsaka an-tsitrapo! Noroahin’ireo mpihetraketraka ratsy fanahy tamin-kery avy tao amin’ny taniny ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Tongava mitondra fanampiana ho an’ireo Olomasina ireo sy manampy amin’ny fiarovana azy ireo rehefa mahazo indray sy mihazona ny tanin’i Ziona izy ireo. Fiaingana avy eto Kirtland, Ohio, amin’ny 1 mey 1834.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:21–23 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nandidian’ny Tompo ireo mpitarika ny Fiangonana mba hatao ho fanavotana ny tanin’i Ziona. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Angataho ny mpianatra iray mba hijoro eo akaikin’ilay mari-pamantarana izay mivaky hoe: MILA MPILATSAKA AN-TSITRAPO! Omeo ny mpianatra ilay filazana izay nomaninao talohan’ny fotoam-pianarana ary angataho izy mba hamaky mafy izany. Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Mihevitra ve ianareo fa ho vonona handeha ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson mba hanampy ireo Olomasina? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Nahoana no nanjary fantatra amin’ny hoe Tobin’i Ziona ilay vondron-dehilahy izay notarihin’i Joseph Smith ho any Missouri. (Azonao atao ny manazava fa ny toby dia teny hafa hamaritana ny hoe miaramila [jereo ny Noah Webster, An American Dictionary of the English Language, tahadikan’ilay edisiôna voalohany (1828; naverina natonta 1967), “Camp”].) Nanana tanjona roa lehibe ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona. Voalohany dia natao hitondra ireo loharanom-panampiana ho an’ireo Olomasina tany Missouri izy ireo mba hanolorana fanampiana sy ahafahan’izy ireo miverina any amin’ny fonenany sy mividy tany fanampiny. Faharoa, araka ny nanomezan’ny Governoran’i Missouri Daniel Dunklin lalana taorian’ny nanateran’ny tafi-paritr’i Missouri ny Olomasina hiverina any amin’ny Fivondronan’i Jackson, dia natsangana ny Tobin’i Ziona mba hametrahana filaminana sy fandriampahalemana tany.

  • Raha toa ka mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany ianao, inona ireo olana izay mety ho nanananao tamin’ny firotsahana an-tsitrapo tao amin’ny Tobin’i Ziona?

Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:20 ireo mpianatra.

  • Ahoana no ho fiantraikan’ilay fampanantenana eo amin’ny fanapahan-kevitrao mba hilatsaka an-tsitrapo?

Hazavao fa ny fidirana tao amin’ny Tobin’i Ziona dia nitaky ny fandaozana sy ny andraikitra ara-kasa mba hanaovana ny dia an-tongotra izay teo amin’ny 1.450 kilaometatra teo ho eo tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra mankany amin’ny toerana mampidi-doza sy feno fankahalana. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:27–28 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Tompo tamin’ireo izay hiditra ao amin’ny Tobin’i Ziona? Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “hamoy ny ainy noho ny Amiko”?

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no angatahin’ny Tompo amin’ny olona iray izay vonona ny hamoy ny ainy noho ny amin’ny Tompo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia vonona ny hanolotra ny ainy ho Azy.)

Mariho fa ny mety hamerezana ny ainy dia tena nisy ho an’ireo Olomasina tao amin’ny Tobin’i Ziona. Na dia tsy voatery hiatrika ny loza mety mitovy amin’izany aza isika dia mbola afaka mihatra amintsika izany fahamarinana izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity: Angataho ny mpianatra mba hihaino fomba iray izay ahafahantsika rehetra manome ny aintsika noho ny amin’ny Tompo.

Sary
Filoha James E. Faust

“Ho an’ny ankamaroantsika … dia tsy ny ho faty ho an’ny Fiangonana fa ny hiaina ho an’izany no takina amintsika. Mety ho sarotra kokoa ho an’ny maro ny miaina fiainana tahaka ny an’i Kristy isan’andro noho ny hoe mahafoy ny ain’ny tena” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 22).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mety ho sarotra kokoa aza ny miaina ho an’ny Tompo noho ny maty ho Azy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:30–34 ka hitady hoe mpilatsaka an-tsitrapo firy no nirian’ny Tompo tao amin’ny Tobin’i Ziona.

  • Firy no isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo nilain’ny Tompo? (500.) Firy no isa farany ambany notakin’ny Tompo? (100.)

Hazavao fa tamin’ny fiafaran’ilay fivorian’ny filankevitra avo izay nifanakalozan’ireo mpitarika ny Fiangonana hevitra momba ny toe-javatra miseho tamin’ireo Olomasina tany Missouri dia nilaza i Joseph Smith fa handeha ho any Ziona izy ary hanampy amin’ny fanavotana izany. Teo amin’ny 30 na 40 ny lehilahy izay nanatrika teo no nilatsaka an-tsitrapo ihany koa. Dia naniraka lehilahy 8 ny Tompo avy eo mba handeha manerana ireo vondrom-bavaky ny Fiangonana ka hanambitamby olona hilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Tobin’i Ziona ary hitady anjara biriky amin’ny vatsy sy vola ho an’ireo Olomasina tany Missouri (jereo ny F&F 103:37–40). Olona teo amin’ny 200 teo no nandeha niaraka tamin’ny Tobin’i Ziona, anisan’izany ireo vehivavy sy ankizy maromaro.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:35–36 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hamantatra izay nilain’ny Olomasina hatao mba hahombiazana amin’ny ezaka nataon’izy ireo hanavotana an’i Ziona.

  • Araka ireo fampanantenan’ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia inona no fitsipika azontsika ianarana momba ny fomba ahafahantsika mahazo ny fandresena sy ny voninahitra rehetra? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Tonga eo amintsika ny fandresena sy ny voninahitra rehetra amin’ny alalan’ny fahazotoana sy ny fahatokiana ary ireo vavaka amim-pinoana ataontsika.)

Mijoroa ho vavolombelona fa hahazo fandresena eo amin’ireo fahavalon’ny Tompo isika rehefa miezaka mankatò amim-pahazotoana sy amim-pahatokiana ny tenin’ny Tompo rehetra. Amporisiho ny mpianatra mba hampihatra izay nosoratan’izy ireo tao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina “hatramin’izao ora izao.”

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103. Daniel Dunklin, Governoran’i Missouri

Rehefa niaritra ireo fankahalan’ireo tsy tia Môrmôna tao Missouri ny Olomasina tamin’ny 1833 sy 1834, ireo mpitarika ny Fiangonana dia niverimberina nitady fanampiana avy tamin’ireo mpitondra fanjakana sy ny governemantan’ny fanjakana iombonan’ny faritra mizaka tena tao Etazonia, anisan’izany ny governoran’i Missouri, Daniel Dunklin. Tsy dia nanampy firy ho valinteny tamin’ny fangatahan’ny Olomasina ny governora Dunklin. Nanoro hevitra ireo mpitarika ny Fiangonana izy tamin’ny ôktôbra 1833 mba hikatsaka ny fanarenana sy fiarovana amin’ny alalan’ny fitsarana ao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Nampanantena izy fa raha toa ka tsy mahomby ireo ezaka ireo dia hampiasa fomba hafa hanerena ny fankatoavana ny lalàna. Hita anefa fa tsy nahomby sady tsy afaka natao ny torohevitry ny governora Dunklin satria mpiandraikitra maro tao amin’ny fitsarana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson no anisan’ireo izay niezaka handroaka ny Môrmôna. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 134–35.)

Tany amin’ny faramparan’ny fararano 1833 tany dia noroahina tamin-kery avy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ireo Olomasina. Ny ankamaroan’izy ireo dia nahita fialofana vonjimaika tao amin’ny Fivondronan’i Clay teo akaiky teo, raha toa ka nahita toerana nipetrahana tany amin’ny fivondronana manodidina hafa ny ambiny. Ny lohataona manaraka izany, rehefa natsangana ny Tobin’i Ziona ary nanomboka nanao diabe nankany Missouri izany dia nanohy nangataka tamin’ny governora Dunklin ireo mpitarika ny Fiangonana mba hahazo toky fa hanome fanohanana hanampiana ny Olomasina hahazo indray ny fonenany sy ny fananany izy ka hiaina amim-piadanana ao amin’ny Fivondronan’i Jackson izy ireo. Nanaiky ny governora fa diso ny natao tamin’ireo Olomasina ary nanaiky izy fa nilaina ny handefasan’ny fanjakana andiana miaramila mba hamerenana ny Môrmôna amin’ny tanin’izy ireo ka hanampy azy ireo raha mbola nanapa-kevitra momba ireo olana araka ny lalàna tafiditra tao ny fitsarana. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 135–37, 146.)

Tamin’ny jona 1834 anefa dia niova hevitra ny Governora Dunklin. Nilaza izy fa ny fandefasana miaramila dia mety hitarika amin’ny ady ao amin’ny firenena. Raha toa ka tokony hanolotra fanohanana izy dia nanoro hevitra ny Olomasina fa mba hisorohana ny fandatsahan-drà dia tokony handà ny zony izy ireo sy hamarotra ny taniny ary hanorim-ponenana any amin’ny toeran-kafa. Nanoro hevitra azy ireo indray koa izy mba hampiakatra any amin’ny fitsarana. Tsy azo nekena ireo sosokevitra ireo ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ary rava ny fanantenan’izy ireo fa havela hiverina any amin’ny fonenany amim-pilaminana ny Olomasina. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 146–47.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1, 13. Ny fanavotana an’i Ziona

Tsy ho fangalana indray ny fananan-tany fotsiny ihany ny fanavotana an’i Ziona amin’ny farany. I Ziona dia sady toerana hita maso no fiarahamonina ahitana karazana vahoaka miavaka. Tsy maintsy hohamasinina ny vahoakan’ny Tompo mialoha ny hahazoana indray ny tanin’i Ziona sy hananganana ny tanànan’i Ziona.

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy. Tadidio fa, “nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18 Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampantsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, dia tsy maintsy manatanteraka izany fitsipika izany. Ilaina ny (1) lasa miray fo sy saina; (2) lasa vahoaka masina, na ny tsirairay na ny daholobe; (3) mikarakara ny mahantra sy ny sahirana aminʼny fomba mahomby mba hamongorana ny fahantrana eto anivontsika. Tsy afaka miandry anʼi Ziona ho tonga isika vao hanao ireo zavatra ireo—Tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo” (Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 38).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:15–18. “Ilaina ny fanavotana amin-kery an’i Ziona”

Ny tanjon’ny Tobin’i Ziona dia tsy ny hahazo indray ireo tanin’ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson tamin’ny alalan’ny fahefan’ny miaramila, na dia nino aza ireo mpikambana sasany tao amin’ilay toby fa izany no izy. Vonona hiady ireo lehilahy iray raha toa ka voarahona ny ain’izy ireo, kanefa tsy nila niantehitra tamin’ny herin’ny olombelona mba hanavotana an’i Ziona ny Tompo.

Nanoratra mikasika ny hery izay hanavotana an’i Ziona ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Ilaina ny fanavotana amin-kery an’i Ziona. Tsy ny herin’ny sandry na ny fandatsahan-drà; fa ny herin’ Andriamanitra” (Church History and Modern Revelation [1953], 1:484).

Niresaka momba ny anjara asan’ny heriny amin’ny fanavotana an’i Ziona ny Tompo rehefa niteny fa ny Olomasina dia “hotarihina amin-kery sy amin’ny sandry hiala amin’ny fatorana” (F&F 103:17). Ny “amin’ny sandry” dia sarin-teny izay maneho an’ Andriamanitra izay mampiasa ny heriny (oharina amin’ny sandriny) ho an’ny vahoakany. Hahazo fandresena indray ny Olomasina amin’ny fanavotana an’i Ziona amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ihany, ary afaka mahazo izany hery izany izy ireo amin’ny alalan’ny fankatoavana ny teniny rehetra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:27. “Na zovy na zovy no mamoy ny ainy noho ny Amiko dia hahita izany indray”

Nanazava ny zavatra hitranga raha toa isika ka mahafoy ny aintsika noho ny amin’ny Mpamonjy ny Loholona Franklin D. Richards tao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Franklin D. Richards

“Mihamazava fa fitahiana goavana maro no mifototra amin’ny fankatoavan’ny olona iray ny lalàna mandrakizain’ny fahafoizantena.

“Niteny ny Mpamonjy hoe: ‘Aoka tsy hisy olona hatahotra ny hamoy ny ainy noho ny Amiko; fa na zovy na zovy no mamoy ny ainy noho ny Amiko dia hahita izany indray.’ (F&F 103:27.)

“Noho izany ny fahafoizantena faratampony indrindra amin’ny ain’ny olona iray dia valiana amin’ny fahitan’izany olona izany fiainana indray, ‘dia ny fiainana mandrakizay’ (F&F 98:13.)” (tao amin’ny Conference Report, aprily 1967, 75).

Hamoaka printy